The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Mexico Tahiry Firenena

RSS ho an i Mexico

2009-09-07

Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández

Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin''ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet izy mandritra ity iraka ataony ity..

2009-07-14

Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa

Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika. Mahakasika olona maro ity tsy fahampian-drano ity isaky ny faran'ny herinandro mandritry ny fotoana tsy voafetra.

2009-05-03

Shina: Ny fanokana-monina ny Meksikana rehetra

Be loatra angamba ny lahatsoratr'i Michelle Malkin novakian'ny tompon'andraiki-panjakana Shinoa misahana ny fahasalamana tao ho ao; raha nofoanany avokoa ny zotram-piaramanidina avy any Meksika rehetra, ary nahavory Meksikana 41 raha vitsy indrindra tany Beijing, Shanghai ary Guangzhou ny fanjakana, handroaka azy ireo hiala an'i Meksika, nefa fantatra fa tsy ...

2009-03-08

Meksika: Notsongaina handray anjara amin’ny mozika Orkestra YouTube ny mpitendry anankiroa.Podcasts postVideo post

Notsongaina hilalao ao amin'ny Mozika Orkestra Iraisam-pirenena ireo mitendry Meksikana roa, tetika fiaraha-miasa ampiasaina ny gazety ara-tsosialy amin’ny alalan’ny haino an-tsofinan’ny horonantsary YouTube. Samy nampiditra horonantsary mampiseho ny talentany eo amin'ny mozika i Manuel Zogbi avy amin'ny saltillo sy ny mpikirakiran'ny YouTube Intisamente ao veracruz mba hiavaka ao anatin'ny fifaninana.

2008-12-17

SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovanaVideo post

Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.

2008-12-13

Meksika: Mpanadio kiraro mampiasa ny YouTube ho dokambarotraVideo post

Nahita lalana iray hanatsarana ny asany ilay mpanadio kiraro Juan Luna izay manana ny toera-piasany any afovoan'i Monterrey, Meksika. Noho ny fanampian'ny namany iray dia namoaka lahatsary tao amin'ny YouTube izy hampisehoany ny fahaizana manokana fa samy manadio kiraro andaniny sy ankilany anatin'ny fotoana iray ny tanany havanana sy havia samy misy borosy. Valin'izany, nitombo ny isan'ny mpividy ny asa izay te-hijery mivantana ilay mpanadio kiraro mihitsy. Nampiresahin'ny mamaham-bolongana Issa Villarreal momba ny dokambarotra ataony ary i Luna.

2008-09-24

Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratraVideo post

Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny ...

2008-08-12

SIDA 2008: Ny ahiahy sy ny fanantenan'ny MSM sy ny manao anton'asa ny fananahana AfirikanaVideo post

Nifarana tamin'ny 8 aogositra 2008 teo ny fihaonana momba ny SIDA 2008 (IAC) notontosaina tao Mexico. “Universal action now” na asa iarahan'ny rehetra manerantany atao izao no lohahevitra nobanjinin'ny fihaonana ary raha heverina ny fanatrehan'ny avy amin'ny vazantany efatra, ny fifantohana tamin'ireo vondron'olona nailakilaka ary ny fivoahan'ny gazety isan'andro ...