Global Voices teny Malagasy » Martinique
Martinique: mankalaza an'i Aimé Césaire
Il y a un an disparaissait le Nègre fondamental, laissant le pays et son peuple orphelins et livrés à leurs propres choix.
Herintaona lasa izay no nandaozan'ilay “fototra mainty hoditra”, namela ny firenena sy ny vahoakany ho kamboty tsy satry.
Izay no teny fampidirana nataon'ilay mpitoraka bilaogy martinike Imaniyé ho fanomezam-boninahitra farany an'i Aimé Césaire. Ilain'ny Martinike miaraka amin'ny fanomezam-boninahitra ny fankalazana ny fahatsiarovana ny taona voalohany nahafatesan'i Aimé Césaire, izay nandao ny tany ny 17 aprily 2008.
Ny soratra rehetra tao amin'ny tonotlon'ny bilaogy martinike tamin'ny herinandro lasa dia naneho fa tsy maty ao am-pon'ny olona izy ary mbola mahatsiaro foana ity olo-malaza ity. Amin'ny alalan'ny endrika an-tsary goavana sy fehezanteny fohifohy avy amin'ny asa soratr'ity mpanoratra no nahatsiarovan'i Bondamanjak azy ny 16 aprily lasa teo; kanefa tsy ny soratra ankalazaina am-pahibemaso no mandrakotra ny herin'ny lohanteniny: “AC pléré an nou lité”, izany hoe raha adika, “Aoka izay ny ranomaso, andeha hiady”. Raha ny marina i Aimé Césaire amin'ny alalan'ny asa sorany dia anankiray amin'ireo nahatonga ny fihetseham(bahoaka tany an-toerana ny volana febroary sy martsa 2009, satria mantsy izy dia niaro ara-drariny ny “mainty hoditra” sy ny “governemanta mahaleo tena”.
Ny fahasamihafan'ny foto-kevitra nijoroan'i Aimé Césaire dia hita taratra mazava tsara ao amin'ny endrika sy ny fanamarihana amin'izao fankalazana ny fitsingerenan'ny taona nahafatesany izao - indrindra ao amin'ny bilaogy Montray Kréyol: hatramin'ny 16 aprily dia efa namoaka soratra manodidina ny 15 mikasika ity mpanoratra ity ny Montray Kréyol, ny fahombiazany na ny fomba marina tokony hanomezam-boninahitra azy amin'izao fotoana izao. Ary koa, anankiray amin'ny soratra ao amin'ny Montray Kréyol (navoaka indray andro mialohan'ny tsingerin-taona ofisialy) no milaza mikasika ny fanapahan-kevirty ny paositra frantsay hamoaka hajia manokana an'i Aimé Césaire ha fahatsiarovana azy. Niteraka resa-be teo amin'ny mpitoraka bilaogy maro ity fanapahan-kevitra ity [Fr]:
Le nègre vous emmerde, et maintenant va falloir le lécher…
Il n’a pas l’air de plaisanter, M. Césaire, sur ce timbre-poste qui doit sortir le 17 avril en métropole, mais également les 17 et 18 à Fort-de-France, en Martinique. Et pourtant, c’est l’image de lui choisie par La Poste, qui a tout à y gagner, pour rendre hommage à celui qui élabora entre autres le concept de la négritude.
Nanirikiry anareo ny mainty hoditra kanefa ankehitriny hisolelahana indray…
Tsy mitsiky mihitsy ny endriky Aimé Césaire ao amin'ilay hajia havoaka ny 17 aprily any amin'ny metropole, ny 17 sy 18 any Fort-de- France any Martinique. Kanefa izany sary izany no nofidian'ny paositra, izay hahazo tombony tokoa, mba hanomezam-boninahitra an'ilay olona nanandratra ny maha mainty hoditra azy.
Imaniyé, mpitoraka bilaogy martinike no nanoratra hafatra ho an'i Aimé Césaire, ilay nofidiany ho “Bélya Aimé Césaire”, halaina tahaka amin'ny dihy sy mozika nenti-drazana fanao rehefa mandevina, fomba Afro-Caribbean, izay hita taratra koa ao amin'ilay hajia.
Ao amin'ny bilaogy “Negritude”, niforona taorian'ny nitsanganan'ny foto-kevitra najoron'i Aimé Césaire dia afaka nijery ny famoahana nataon'i Alain Nicolas fanindroany indray ny mpamaky, izay mampilahatra ny zava-nisy niainana vao haingana amin'ny foto-kevitry Aimé Césaire[Fr]:
Un an après, au moment où se sont fait massivement entendre les voix des Guadeloupéens, Martiniquais, Guyanais, Réunionnais, aspirant à plus de décence et plus de dignité, le verbe du « Nègre vertical » résonne, étrangement prophétique.
Herintaona aty aoriana, amin'ny fotoana natao handrenesana ny feon'ny mponina tany Guadeloupe, Martinique, Guyane, La Réunion, mitaky ny rivotry ny fanavaozana sy ny haja mendrika azy, dia tsara faneno ilay matoanteny “Nègre vertical”, maneno toa milaza fanambarana hafahafa.
Maneho zavatra maro samihafa ny tontolo mainty hoditra hanatontosana ny fankalazana ity mpanoratra sy mpanao politika ity: - kilalao any Paris - fankalazana amin'ny fomba ofisialy any Martinique - fanomezana ny anarany ho an'ny anjerimanontolo any Haiti.
Fabienne Flessel
Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”
Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy.
Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny sary mihetsik'ilay mpihira Senegale, Ismael Lo, i Imaniyé [Fr]:
Ny soratra ao amin'ny tahirin-tsary mihetsika mirakitra ny hira Fontenay d'Avenir, “manana vahaolana amin'ny herisetra manjaka eto an-tany ny vehivavy ary raha toa ka tsy dia manda loatra ny andron'ny vehivavy izy, dia tsy hahita fa afaka manova zavatra ireo.
Nitoraka bilaogy teny ambony fiaramanidina teo anelanelan'i Bénin sy Frantsa i Antonia Neyrins. Nalefany ny rakin-kiran'i Alicia Keyes, “Superwoman,” (vehivavy mahery):
Je pense à toutes les femmes dont les droits élémentaires ne sont toujours pas respectés en 2009, toutes celles qui doivent lutter pour protéger et nourrir leurs enfants, trouver un logement et travailler, toutes celles qui sont victimes de violences conjugales, de violences ou de mutilations sexuelles ou toutes celles qui sont victimes d'atrocités commises au nom d'une guerre ou d'un intégrisme religieux, quel qu'il soit.
Mahatsiaro ireo vehivavy rehetra voahosihoxy zo aho amin'ity taona 2009 ity, ho an'ireo rehetra voatery mitolona hiaro sy hamelona ny zanany, mitady trano fonenana sy asa, ho an'ireo rehetra hiharan'ny herisetra ao an-tokantranony, herisetra ara-pananahana sy fahasembanana na ireo rehetra miaina ao anatin'ny ady mahatsiravina sy ny fanavahana ara-pinoana, na inona na inona.
Je pense aussi à toutes les femmes épanouies au bras d'un homme (ou d'une femme) qu'elles aiment et qui les aime, qui ont réussi à trouver un équilibre entre leur vie de femme, de mère, d'épouse, d'amante, à toutes les femmes heureuses d'être nées femme.
mahatsirao koa aho ireo vehivavy rehetra sambatra eo anilan'ny lehilahy (na vehivavy), tiany sy tia azy, ireo izay mahita fiadanana amin'ny fiainana maha vehivavy azy, ny maha reny azy, ny maha vady azy, ny maha olon-tiana azy, ho an'ireo vehivavy rehetra mahatsiaro sambatra fa nateraka ho vehivavy.
Tout être humain équilibré et intelligent devrait souhaiter avoir près de lui un autre être humain, à son image, c'est à dire libre et epanoui.
C'est étrange en même temps cette fête, car nous sommes et restons femme tous les jours de l'année…
Ny omombelona misaina rehetra dia maniry hanana olona eo akaikiny, olona mitovy aminy, izany hoe afaka sy mivelatra.
Mahagaga ihany ity fety ity, satria mijanona ho vehivavy foana isika isan'andro mandavan-taona…
Any La Réunion dia nandefa sary nankalazana ity andro ity tany St. Paul i Noemie tao amin'ny TiBazar [Fr] .
Ary tany Maroc dia nanome haja manokana ny vehivavy tamin'ny alalan'ny tononkalo ny citoyenhmida , tononkalo izay heveriny fa tsy feno raha tsy eo ny “Black woman,” (vehivavy mainty) nosoratan'ilay mpanoratra Senegale, Léopold Sédar Senghor:
Vehivavy mihanjaka, vehivavy mainty
Mitafy ny lokon'ny fiainana,
miaraka amin'ny endrikao hatsarana!
Tao ambany elatrao no nitomboako;
ny fahalemen'ny tananao no nandrakotra ny masoko.
Ary ankehitriny, ny hafanan'ny tara-masoandro
eto an'ivon-dohataona, rehefa mitatao vovonana,
Avy manantona anao aho, ry Tany Nantenaiko,
Mamely hatrany anaty fo ny fahatsaranao
tahaka ny fanindron'ny voromahery.
Vehivavy mihanjaka, vehivavy mainty
Voankazo masaka eny an-tsaha, fahatsaran'ny divay mainty
miantsa fahatsarana eo am-bavako
Ahitra manazava ny fara-tazana,
ahitra mamolivoly entin-divotra malefaka
misafo avy antsinanana
Zava-maneno voasokitra, mibitsika avy lavitra,
ambany rantsan'ny mpandresy
Ny feonao iva no bitsiky ny fanahy
ho an'ny olon-tiana.
Vehivavy mihanjaka,vehivavy mainty
Diloilo voakobana, manaisotra ny fanaintan'ny
lamosin'ny mpihazakazaka , ny lamosin'ny mpanjakan'i Mali
Gazela mitoetra irery any am-paradisa, vatosoa no kintana manjelatra anatin'ny alina eny an-koditrao
Fahafinaretan'ny fisainako, diamondra manjelatra mena
mipetaka amin'ny hoditrao mando
Tao ambany aloky ny volonao, voazava ny fisiako
Noho ireo tara-masoandro avy amin'ny masonao.
Vehivavy mihanjaka, vehivavy mainty,
Mihira ny hakantonao mandalo, ny endrikao banjiniko mandrakizay,
Mandra-pihavin'ny vintana misompatra
manova anao hovovoka hamahana ny fakan'ny fiainana.
Jennifer Brea
Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay
Mpamaham-bolongana Martinique  le blog de [moi] [FR], any amin'ny lahatsoratra hafa mikasika ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe, no niady hevitra tamin'i Christophe Barbier, mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny gazety boky frantsay , L'Express.   Nandritra ny resadresaka tamina radio antsoina hoe C dans l'air, no namalian'i Barbier ny fanontaniana tamin'ny alalan'ny SMS nataon'ny mpihaino iray manao hoe, “ Nahoana moa isika no tsy manome fahaleovantena fotsiny izao ireo  departemanta ampitandranomasina ireo?”  Novalian'i Barbier hoe:
“(…) Ca va devenir soit une usine à touristes pour les Américains soit ça va tomber immédiatement sous la coupe des mafias locales pour servir de blanchiment soit ça va devenir un nouveau Haïti. Il n’y a pas d’indépendance possible dans la prospérité économique ! Immédiatement ça tombera sous une autre dépendance qui sera pire que la dépendance de la République française.”
“(…) Dia na lasa orinasam-pizahatany ho an'ny Amerikana ry zareo na  lasa eo ampelatanan'ny mafia ao an-toerana hanadiovan-dry zareo ny lalam-bola tsy ara-dalàna ka dia ho lasa Haiti vaovao. Tsy tontosa ny fahaleovantena raha tsy miroborobo ny toekarena!   Fa raha tsy izany dia lasa hisy fiankinandoha ratsy kokoa noho ny fiankinana tamin'ny repoblika frantsay teo.”
rangitra i le blog de [moi]:
Really Christophe Barbier ???? “Ca” ?!!!
Et là je vous dis franchement (ceux qui me lisent depuis quelques temps connaissent ma position sur le sujet): il y a de quoi devenir indépendantiste ! Le propos, le ton utilisé, la condescendance, le mépris… tout y est ! Parce que finalement si nous décidions un jour effectivement de sauter le pas et d’opter pour l’indépendance ce sera le nôtre de choix quelqu’en soit les conséquences, right ! Après nous le chaos ??? Ces grands enfants ne sauront pas se défendre ou éviter les écueils liés au statut d’Etat souverain ? C’est ça l’argumentaire digne de ce nom pour expliquer pourquoi les DOM-TOM doivent rester dans le giron français ? Ciel !
Excusez-moi, mon titre est mensonger. En fait mon billet aurait dû s’intituler “La connerie pour les Nuls”.
Tena izany ve ry Christophe Barbier???? “izany”?!!! Dia tsoriko aminao, efa fantatry ny mpamaky ny lahatsoratro nandritra ny fotoana fohy ny hevitro mikasika ity lohahevitra ity: Betsaka ny hevitra hahatonga ahy hitaky ny fahaleovantena! eo ny teny, ny fomba fiteny, ny tsindry aloka, ny fanivaivana… ao daholo izany!  Satria raha hanapan-kevitra ny hahaleo tena izahay indray andro any dia safidinay izany na inona vokany na inona, mazava!  Aorianay [Frantsay] ny korontana???  Tsy mahay miaro tena na midify ny takaitra avelan'ny sata mahafirenena manana fiandrianam-pireneny angaha ireo zazabe ireo? Izany no mba fandresen-dahatra hanazavana ny antony tokony hijanonan'ny DOM-TOM ho ao anaty faribolana Frantsay?  Ô ry lanitra ô!
Ao amin'ny fanehoan-kevitra dia mihevitra i Elsie fa tsy voatery ho tsindry aloka tsy akory ny fanazavan'i Barbier:
…Il veut peut être simplement dire qu’un pays aussi petit que le serait la Martinique ( ou la Guadeloupe), dans un environnement aussi violent que la Caraïbe, aurait du mal à exister sans s’assurer l’appui d’une grande puissance ( les Etats-Unis plutôt que la France?)  et en évitant les requins de la drogue et des gangs qui sévissent dans le secteur. C’est pas une question de savoir si les gens qui dirigeraient le pays seraient compétents ou pas, c’est juste de se dire qu’un petit pays , à cause de son insignifiance militaire, ne peut vivre que dans l’ombre d’un plus grand qui le protège…
…Mba te-hiteny fotsiny angamba izy fa tsy afa-mijoro tsara tsy manana ny fanohanan'ny tany vaventy ( Frantsa na Etazonia) ny firenena kely tahaka an'i Martinique (na Guadeloupe), ao anatin'ny tontolo mahery setran'i Karaiba ka tsy hanjakazaka eto an-toerana ny oloben'ny fivarotan-drongony sy ireo andian-jiolahy hafa.  Tsy any amin'ny fahaiza-manaon'izay mety hitondra ny firenena ny olana, fa mba ilazana hoe, noho ny hakelin'ny firenena, ny fahamaivanan-danjan'ny tafika ao aminy, dia tsy afa-miaina isika raha tsy eo ambany alokaloky ny firenen-dehibe iray hiaro…
Ary dia nisafidianan'i Elsie fa i Frantsa irery ihany no afa-manolotra izany karazam-piarovana izany.
Notsongain'i wk de l'ile ny ohatra maro anasongadinany fa marina eo ampihainoana ihany ny filazalazan'i  Barbier:
Franchement je ne trouve pas que ce qu’il dit soit paternaliste… il a juste parlé d’une réalité de façon un peu condensée voire abrupte : “une usine à touristes pour les Américains ” : voir Sainte-Lucie, Saint-Domingue, Montego bay à la Jamaïque, la Barbade…“sous la coupe des mafias locales pour servir de blanchiment ” : voir Saint-Martin, Anguille…
“un nouveau Haïti” : no comment…
Tena tsy hitako ny tsindry aloka amin'izay lazainy…somary narihidrihitra na nahitsihitsy ny nilazany ny zavamisy: “orinasam-pizahantany ho an'ny Amerikana”: jereo i Set. Lucie, ny Repoblika Dominikana, Montego Bay any Jamaika, Barbados…”eo ampelatanan'ny mafia ao an-toerana hampidirana ny vola azo tamin'ny tsy rariny ho ara-dalàna”: jereo St. Martin, Anguilla…” Haiti vaovao”: tsy anehoako hevitra…
Nanohy ny resany i wk de l'ile:
J’avoue que face à un certain mépris du gouvernement et quand je lis certains commentaires des lecteurs du Monde, du Figaro ou de Libération…j’en ai tellement marre de constater la méconnaissance de qui nous sommes… des Français de la Caraïbe… que je fais aussi ma petite crise indépendandiste…
Manaiky aho fa tena leo mihitsy aho amin'ny tsy fahalalana anay… Frantsay  aty Karaiba… miatrika ny fanivaivàna ataon'ny fanjakana rehefa mamaky ny hevitra aposaky ny mpamaky ao amin'ny  Le Monde, Le Figaro, La Libération aho…ary dia manana ny krizy kelin'ny mba hahaleovantenan'ny  firenenay…
Tout ce que j’espère c’est que justement en prenant exemple des erreurs et des réussites des pays de notre région, en tenant compte de notre singulière histoire et de nos liens avec l’hexagone, l’Afrique et l’Asie, nous arrivions à ne pas nous tirer une balle dans le pied et mettre en place des institutions et un développement économique qui tiennent vraiment compte de ce que nous sommes. Fonder notre avenir politique sur une identité fermée, alimentée par une idéologie nationaliste est pour moi une voie dangereuse. Faisons vivre la république transcontinentale (pour citer ce beau concept de Marlène Parize)….
Ny mba fanantenako rehefa voadinika ny fahadisoana sy ny fahombiazan'ny  firenena eto amin'ny faritra misy antsika, rehefa tazonina ny tantara miavaka mampifandray antsika amin'ny tanibe, Afrika sy Azia, dia mba tsy hitifitra ny tongotsika (na hoe hamingana antsika) isika ary hametraka rafitra sy fampandrosoana ara-toe-karena maneho tokoa ny mahaisika antsika.  Lalana mampidi-doza ho antsika, araka ny hevitro, ny manorina ny ho avintsika ao anatin'ny fahafantarana mikatona, vokisan'ny fotokevitra nasionalista (mety hankahala vahiny).   Aleo velomina ihany ny repoblika tsy voafetran'ny kaontinanta (araka ny filazan-kevitra mahafinaritr'i Marlène Parize)…
Jennifer Brea
Noelin-dry zareo any Karaiba
Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba!  Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna…
Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa tsy misy …”  Ho an'ny Signifyin' Guyana, izay nanomboka an'ilay “meme”, dia hoe “ny nofon-kenan-kisoa nataon'i dadanay” sy “filalaovana lalao iraisana miaraka amin'ny fianakaviako rehefa avy nihinana sy ny sisa.”  Guyana 911 dia maneho ny heviny (indraindray amin'ny fomba mandranitra) amin'ity lisitra manaraka ity:
- Fanadiovan-trano mandritry ny Noely
Oay le.. Fa nisy inona tato amin'ity trano ity? Hifindra trano angaha ianareo?
- Pepper Pot.
Ny fotoana, sy ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan'i Jesosy dia mandeha alohan'ny pepper pot. Tsy miodina intsony ve ny tany raha tsy manao pepper pot ianareo?
- Mofomamy misy voankazo maina.
- Hazo noely.
Tapaho daholo ireo, fa aza anaovana karatra firarian-tsoa ho an'ny Noely. Tsia… Aleo hanaovana fanaka. Hevitra mitondra fiovana tanteraka izany izao. Fanaka… zavatra izay azon'ny olon-drehetra ampiasaina amin'izao fotoana izao.
- Dokambarotry ny marika Singer.
- Fandokoana trano sy izay zavatra hafa azo lokoina.
- Fandefasam-bola.
Raptus8 dia mieritreritra fa ny fanolorana fanomezana dia tsy afa-misaraka amin'ny Noely (raha ohatra ka izy no hotolorana ilay fanomezana):
Efa miresaka fanomezana ihany isika dia te-hiteny amin'ny namako sy ny fianankaviako aho, fantatrareo fa tiako be ianareo fa amin'ity taona ity dia aza manantena afa-tsy karatra firarian-tsoa ho an'ny Noely avy amiko azafady.
Tsy manam-bola aho; eny tsy misy saosy mihitsy aho… inona? Nahazo fisondrotana moa izaho tamin'ny farany teo? Ie nefa tsy manan-karena aho ary te-hanan-karena, noho izany dia tehiriziko ny volako. Manantena aho fa azonareo ny toerana misy ahy ary koa tsy hahasakana anareo hividy an'ilay zavatra manokana efa fantatrareo izay misy ny anarako eo amboniny…
Any Jamaika, Iriegal dia miteny fa na dia midika hoe miaraka amin'ny fianakaviana aza ny Krismasy, ny fahasahiranana ara-bola eran-tany dia misy fiantraikany eo amin'ny fandefasam-bola sy ny fanomezana alefan'ny diaspora ho aty Jamaika:
Fantatsika fa fotoanan'ny Krismasy any Jamaika rehefa manomboka mihodina ny barika.
somary “nasira” kely ny toe-javatra tamin'ity taona ity. Nataon'ny toe-karena ho tsy dia fahita intsony ny ankabeazan'ny entana ary ny saram-pandefasan-javatra dia tsy mitsahatra ny misondrotra. Ankehitriny dia “karatra firarian-tsoa” no alefan'ny olona..
Izy koa dia manamarika fa ity fihisaran'ny toe-karena ity dia mampiova ny fahatsapana an'ity Noely ity:
Ny Krisimasy dia tsy Krisimasy rehefa tsy misy deh white dem. (Toaka fotsy Jamaikana). Ampiasainay anaovana “sorrel” io, Mofomamy amin'ny Noely, “Pudding” amin'ny Noely sy ny sisa. Noho izany maninona ny tompon'ny Wray and Nephew no nandroaka ny mpiasa alohan'ny Krisimasy? Tsy mandrora mitsilany ve izany?
Ny fahatapahana dia miparitaka eran'ny nosy, ohatran'ny any amin'ny toeran-kafa eran-tany. Ny fihisaran'ny toe-karena izay manjo ny USA dia eran-tany. Toa mikororosy daholo ny zava-drehetra. Ny mampalahelo dia hoe ireo nosy kely no tena mahita faisana bebe kokoa amin'izany . Raha tsy manao n'inon'inona ianao, tsy mahazo n'inon'inona ary ny vahoaka dia miezaka manala an'io “n'inon'inona” io lavitra anao, mahatohina izany.
Aleon'ny Abeng News Magazine mamerina an-tsaina ny lasa, mijery ny Krisimasy tamin'ny “Jamaika fahiny” ato sy ato.
Ny The Devil Island.com-n'ny Bermudes dia nahafantatra ny hoe Krisimasy izay rehefa nihira ny Feliz Navidad i Jose Feliciano, ary miteny hoe:
Miniana aho, fa tsisy hira krisimasy tsara indrindra sy mampifalifaly toy iny.
Ny mpitoraka blaogy avy any Trinidad This Beach Called Life dia manamafy, ary miantso azy ho “hira Krisimasy tsara indrindra amin'izay rehetra misy” ary dia nandefa horonan-tsarin'i Feliciano mihira ny hira nahafantarana azy.  Manazava izy:
Jose Feliciano dia mpitendry gitara tafita ary mihira amin'ny “style” sy feo miavaka. Lasa hira Noely “classique” i Feliz Navidad ary ankehitriny dia tsy azo sarahina amin'ny fotoanan'ny Krisimasy izy. Feliz Navidad dia iray amin'ireo hira Krisimasy 25 hiraina sy raketina  be indrindra eran-tany.
Na izany aza, mpitoraka blaogy avy any Trinidad sy Tobago Coffeewallah dia mahita hoe sarotra ny manakatra ny fanahin'ity vanim-potoana ity:
Matetika aho no maheno olona miresaka momba ny finoana ‘Kristianina'. Mampiomehy ahy foana fa ireny milaza ho mpino Kristianina ireny indrindra no tena manome lamosina rehefa misy fanentanana amin'ny fanangonana “kapoaka” na hafa. Ireny olona ireny ihany izay tonga manentana anao foana foana, mba handray anjara amin'ny “loterie”-n-janany na tsy haiko hoe inona koa, rehefa anontaniana ry zareo, ny valinteny mazàna dia hoe,  Efa nanome tamin-javatra hafa aho roa volana lasa izay. Tsy maintsy mahatadidy an'ity iray ity aho amin'ny manaraka. Tonga hatraty ny fitondran-tena Grinch.
Nefa ny fototry ny Krisimasin'i Trinidad sy Tobago dia ao anatin'n'ny toe-po tsara sy mendrika:
Namelana ny pointsettias, ny raviny menamena sy matsilo dia manome famirapiratana ny toerana izay maizina amin'ny ankapobeny. Na dia nanorana aza ny andro, nafana ny tany anatinay, niaraka tamin'ny ponche de creme nanafana anay, sy  hira Krisimasy vitsivitsy hiraina… dia manja foana ihany.
Efa miresaka ny fototry ny Krisimasy ihany, Simply Trini Cooking dia manome voninahitra an'ilay desera malaza avy any Inde andrefana, Black Cake, ary nanome ny “zavatra rehetra ilaina” sao misy te-hanandrana hanao.
Barbados Underground dia mandefa fampatsiahivana momba ny anton'ny fety ary maneho ny fanahiany amin'ny fivoizana ny resaka varotra mandritry ny fialan-tsasatra:
Ny Krisimasy 2008 dia hankalazaina ao anatin'ny tontolo maloky ny toe-karena nefa ho an'ny Barbadianina dia toa ny fitondran-tenany tamin'ny taona lasa ihany no arahany…izay mahita fa ny ankabeazan'ny mponina dia marisika ny hankalaza ny Noely noho ny antony ara-barotra.
Mahita akony koa izay fanahian'i BU izay ao amin'ny Dominica Weekly, izay mieritreritra momba ny tena dikan'ny Noely ary lasa lavitra amin'ny fanontanian-tena ny amin'ny mety ho eritreretin'Andriamanitra momba ny fankalazan'ny andro maoderina.
Ny fankalazana ny Noely any amin'ny Karaiba frantsay, amin'ny lafiny iray, dia toa tafalatsaka ao amin'ny fomban-drazana. Efa manakaiky haingana ny 25 Desambra, ny departemanta frantsain'ny Outre Mer ao Guadeloupe, Martinique sy Guyane dia ampangovirin'ny feon'ny zava-maneno nentin-drazana toy ny ka (amponga lehibe)[Fr] sy ti-bwa (vatam-bararata be roa)[Fr] sy ny hira Krisimasy. Tongasoa eto amin'ny tontolon'ny “Chanté Nwel” (hira ho an'ny Krisimasy)!
Ao amin'ny blaogy Sous le Soleil de Guadeloupe [Fr], Pat sy Jac dia manoritsoritra ny toerana saro-takarina misy ny nosy, izay sondriana amin'ny Noely nefa koa ao anatin'ny krizin'ny solika. [En].
Na eo aza izany rehetra izany, misy zavatra iray izay maharitra ao amin'ny fankalazana amina'ny fomba nentin-drazana ny Noely any Guadeloupe ary izy io dia ny “Chanté Nwel”. Teny Creole [En] entina milaza ny “Fihirana ho an'ny Krismasy” na “Mihira Krismasy (hira)”, io no mariky ny Noely any amin'ireo faritra frantsay ireo. “Chanté Nwel” dia fanararaotan'ny fianakaviana manontolo mba hitsidihana ny mpiray vodirindrina sy mihira hira Krisimasy miaraka aminy amin'ny feon'ny “ka” sy ny “ti-bwa”. Tamin'izany fotoana izany, mbola am-pilaminana no andehanan'ny olona miala lavitra ny  tanàny amin'ny alina.
Na dia tsy toy ny taloha intsony aza ny fankalazàna ny Chanté Nwel, mbola mahatsapa ny filàna mihira miaraka ny hiran'ny Krisimasy ihany ny mponina ary amin'ny fomba tena vokatry ny tany. Tsy nankalaza ny Krismasy ianao raha tsy tany amin'ny “Chanté Nwel”!  Toa ohatran'ny fomban-drazana tena manaitra izy ity hany ka na ny diaspora avy any Inde andrefana aza te-hankalaza azy.  Ao amin'ny blaoginy Risbomontréal  [Fr], mpianatra izay eny amin'ny anjerimanontolo any Guadeloupe no manoritsoritra ny hafaliany nahazo fanasana ho hanatrika  “Chanté Nwel”:
Quelle bonne nouvelle que j'ai eu ce matin en ouvrant mon p'tit mac   ! La news lettre de ces types super cool de Tropikal97 où ils invitent à participer à une super soirée diner/Chanté Noël + Boite de nuit à l'antillaise et tout ^^ !!!
Vaovao tsara be no azoko androany maraina raha nanokatra ny Mac-ko aho  ! Tao amin'ny vaovaon'ireny bandy cool-n'ny Tropikal97, nisy fanasana amin'ny fisakafoanana/Chanté Nwel sy toeram-pandihizana Indiana tandrefana sy ny sisa ^^!!!
Toa miparitaka any amin'ny toerana rehetra misy Indiana Tandrefana frantsay ny tazon'ny Chanté Nwel : porofon'izany ity fanasana ho an'ny Chanté Nwel ity tany Cergy, faritra ambanivohitry Paris, navoakana andiana Indiana tandrefana ao amin'ny blaogy Carrefour du Soleil [Fr].  Na henoy Cactus, tarika mpihira vakodrazana avy any Guadeloupe izay mampahafantatra ny Chanté Nwel ao amina blaogy antsoina hoe Cactus Chanté Nwel [Fr]. Ahitana horonan-tsarin‘ny Cactus mihira hira Krisimasy koa ao, amin'ny teny créole (kiriolona) .
Tsy afaka mankany amin'ny Caraibe amin'ity Noely ity? Aza matahotra - Ny hafanan'ny Indiana Tandrefana dia tsy voasakan'ny elanelan-tany noho ny feon'ny mpitoraka blaogy izay nizara ny tantaran'ny Krismasiny tany Cuba, St. Vincent sy ny Grenadines, ny nosin'i Cayman , ary Puerto Rico.  Sasany amin'ireo “afatra ireo dia manana fijery miabo kokoa noho ny hafa, misy fihetseham-po azo tsapain-tanana tamin'ity vanim-potoana: ny Fanantenana.
Raha araka an'i Womanish Words mpitoraka blaogy iray  avy any Bahama dia :
Tampoka teo, antoko mpihira. Mihira ny Deck the Halls ry . Hita avy eo ambadikin'ny haizin'ny varavaran-kelin'ny efitrano fandraisam-bahiny. Mahafinaritra ny hirany.
Mety ho tiako ny naheno mpihira “cantique” na iza izy na izy, na dia ny  mikiakiaka, noraisiko am-pifaliana izy amin'izao andro sarotra izao. Na inona na inona vondron'olona misokatra, tia mamorona, mahay miara-miasa sy mifandray,  manana fanahy ampy hifanohana sy hifameno ary hihira ny Noely ho an'ny hafa fiaviana, tsy maintsy tiako ry zareo ireny.  Indrindra indrindra ankehitriny, rehefa kely ny vola, ary ny “fondamentalisme” dia mampisarantsaraka ny fiarahamonina noho ny fankahalana, ary mailo amin'ny herisetra daholo ny rehetra. Nanokatra varavarana izahay,  nampirehitra jiro, ary nanome fanomezana. Nanao satroka dadabe Noely daholo izy rehetra. Toa mpihira avy tao anatin'ny bokin'i Dickens . Rindram-poe kanto, beso manaka-danitra. Nanontany ny zanakay, “Mihira hoantsika ve ry zareo?” Ie, mihira ho antsika ry zareo.
Tamiko iny fotoana iny dia toy ny tsy roa aman-tany , marika iray sy vetso iray, hafatra avy any amin'ny tontolon'ny Fanahy. Raha tsorina ny resaka, ‘ndeha àry haingoy ny tranonareo, miezaha mba ho faly, mankalazà, manoméza. Ataovy izany mba hanoherana ny tahotra, mba hanovàna izany fiainan-tsambatra .
Fabienne Flessel koa dia nandray anjara tamin'ity hafatra ity .
Ny sary rehetra  janinephoto; dia nahazoana alalana avokoa.
Miaiky ny ezaka nataon'i Aimé Cesaire ny mpamaham-bolongana Jamaikana Geoffrey Philp , Manonona azy ho “ilay poeta hajaina manerana ny tontolo miteny frantsay sy mpitolona ho amin'ny zon'ny Indiana andrefana (mena hoditra)”, ary ny Caribbean Beat Blog kosa miteny azy hoe: “Amin'ny hafenoan-drano ( fo mavesatra) no hanaovana veloma ilay zanaky ny tanin'ny Indiana andrefana sy misaotra azy noho ny tolona tsy nanampitsaharana nanoherany ny fanjanahantany.”
Manameloka an'i Frantsa noho ny fandavany ny zo fananganan-jaza hoan'ireo mpiaraka mitovy fananahana ny Fitsarana Erôpeana momba ny zon'olombelona
Le Blog de Moi avy any Martinika no mivaky fa tsy fantany intsony raha tokony handoa nohon'ny rikoriko izy na ho toran'ny hehy raha namaky ireo hafatra sasany napetraky ny mpamaky taorian'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Erôpeana momba ny zon'olombelona izay manameloka an'i Frantsa noho ny fandavany ny zo fananganan-jaza hoan'ireo mpiaraka mitovy fananahana :
Vous vous rendez compte !? Le risque de prosélytisme et de contamination est… énorme ! Déja qu’il y en a de plus en plus alors qu’ils sont sensés ne pas se reproduire …
“Mba alivo sary an-tsaina ange !? Tena mitombo mihitsy ireo loza mitataon'ny … fifindran'io “aretina” io ! Tsy tambo aza ny fihanak'izy ireo, amin'izay noheverina fa tsy hanananaka izy ireo … ” [maneso]
Dôminika : Tazo Denga (tohiny)
Ny blaogy Living Dominica [Anglisy] dia mitantara fa mbola avo ny voka-dratsin'ny tazo denga any amin'ny nosy sasantsasany any Karaïbà.
[Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Tazo Denga]
Janine Mendes-Franco
Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.
Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky
ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona mahery no nifampitadiavana sy niadian-kevitra vao neken’ny Firenena mikambana tamin’ity volana ity ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka Indizeny. Fifanarahana mazava, tsy manankery ho lalàna maneran-tany avy hatrany, miorina amin’ny Zo afa-mitandro ny kolontsaina manokana, ho afaka mizaka tena ary afa-miaro ny harena voajanahary eo aminy.
Namelona adi-hevitra teo amin’ny mpibilaogy manerantany ankehitriny ny toerana misy ny vahoaka Indizeny, ny lanja sy ny fetran’ny Fanambarana ary ny fanamelohana henjana ireo firenena efatra nitsipaka azy: Canada, Etazonia, Aostralia ary Neo Zealandy.
Nosoratan’I K ny hevi-dahibe navoitran’ny Fanambarana:
la Declaración consta de 46 artículos y establece parámetros mínimos de respeto a los derechos de los pueblos indígenas, que incluyen propiedad de la tierra, acceso a los recursos naturales de los territorios donde se asientan, respeto y preservación de sus tradiciones y autodeterminación…El texto también hace hincapié en la importancia de la educación bilingüe y alude a la implementación de medidas especiales para asegurar el mejoramiento continuo de las condiciones económicas y sociales de los ancianos, mujeres y menores, en particular. La Declaración no es jurídicamente vinculante, pero representa un instrumento dinámico en las normas internacionales, que ayudaría a proteger a los indígenas contra la discriminación y marginación.
Nametraka ny fenitra kely indrindra hanajana ny zon’ny vahoaka indizeny ny andininy miisa 46 ao amin’ny Fanambarana. Tafiditra ao anatin’izany ny Zon’ny vahoaka indizeny hizaka ny tany, ny fahafaha-maka ny harena voajanahary eo amin’ny toerana onenan’ireo vahoaka ireo, ny fanajana sy ny fitandroana ny fomba amam-panaony ary ny fahaleovantenan’izy ireo…Avoitran’ny lahatsoratra ao ihany koa ny mahazava-dehibe ny fianarana teny roa ary avela ihany koa ny tsirairay ho afa-manampy fepetra manokana hiarovana ny beantitra sy ny zaza amam-behivavy. Tsy mipetraka hanankery ny Fanambarana, fa ho fitaovam-piasana nanampy ny fiarovana ny vahoaka hafavolokoditra tsy hiharan’ny fanavakavahana sy ny fanositosehana an-tsisiny kosa.
Hoy Democracia Multicultural mikasika ny manjo ny vahoaka hafavolokoditra manerantany :
Democracia Multicultural:
Los pueblos indígenas afirman que sus tierras y territorios están siendo amenazados por la minería, tala, contaminación ambiental, proyectos de privatización y desarrollo, las designaciones de tierras como áreas protegidas o reservas y el uso de semillas genéticamente modificadas, entre otros.
Milaza ny vahoaka hafavolokoditra fa tandindomin’ny fitrandrahana, ny fikapana hazo, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, ny fanorenana goavana, ny fanakilasiana ny faritra ho voatokana na voaaro tsy ho azo onenan’olombelona ary ny fanandramana ambioka novana votoaty  (OGM) ny tany ipetrahan’izy ireo ankoatra izay mety ho tranga hafa tsy voatanisa.
Kenya Environmental & Political News Weblog dia nanoratra fa ao Kenya dia miatrika olam-pandroahana sy fandavana ny zony ho afa-mipetraka amin’ny ala ho fonenan-drazany mandrakariva ny Maasai sy ny Ogiekrg.
Ever since colonial times, most of what used to be Maasai land has been taken over, for private farms and ranches, for government projects or for wildlife parks. Mostly they retain only the most arid and least fertile areas. The stress this causes to their herds has often been aggravated by attempts made by government of Kenya and Tanzania to ‘develop’ the Maasai.
Similarly, since colonial times, there have been persistent attempts to evict the Ogiek from their ancestral forest, usually on the pretext that they are degrading it. But when the Ogiek are removed, their forest is not protected but rather exploited by logging and tea plantations - some owned by government officials. In some parts of the Mau forest, groups of Ogiek are now resisting eviction, while in others they face influxes of settlers onto their land. The most serious threat currently facing them all comes from the government’s plan to open up around one tenth of Kenya’s forests - most of it in the Mau forest - to outsiders.
Hatramin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nalaina hanorenana tobim-pambolena na fiompiana goavana ho ana olo-tsotra ary novolavolaina ho valan-java-boahary ny tany onenan’ny Maasai. Tahaka izany koa, roadrohina hiala amin’ny tanindrazany ihany koa ny Ogiek, satria lazaina fa mpanimbanimba fotsiny. Nefa raha vao nesorina ny Ogiek dia tsy misy fiarovana ny ala nonenany akory fa fitrandrahan-kazo goavana sy fambolena dite ho ana mpikambana ao amin’ny governemanta no misolo azy ireo. Ankehitriny, misy tsy manaiky hiala amin’ny misy azy intsony ny Mau sasany, anatin’ny fokonolona Ogiek, raha miatrika ny fidiran’ny Voanjo eo amin’ny taniny kosa ny Mau hafa. Ny mahatonga izany toe-javatra izany dia niainga avy amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanokatra ampahafolon’ny ala any Keny ka mamela ny vahiny honina any nefa ireo faritra nosokafana ireo dia alan’ny Mau ny ankamaroany.
Nitatitra ny filazan’ny fiaraha-monim-pirenena momba ny manjo ny vahoaka indizeny hafa manerana an’i Afrika koa ny Censored News :
au moment ou des milliers de Batwa dans la région des grands lacs sont affectés par des guerres dont ils ne connaissent pas les raisons, des familles de San sont expropries de leur terre par des fermiers et des parks nationaux. Les forets qui constituent les ressources de survie des autochtones (Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek …etc.) d’Afrique centrale et de l’Est sont détruites, le peuple touareg entre l’Afrique du Nord et de l’Ouest est pris dans le feu d’un conflit d’intérêt d’exploitation de ressources naturelles et géopolitiques des Etats
Amin’izao fotoana izao dia iharan’ny ady tsy mikasika azy akory ny Batwa anarivony monina any amin’ny faritry ny Farihimaro Lehibe, endahina amin’ny taniny noho ny mpiompy sy ny fananganana valan-javaboarim-pirenena ny fokonolona San. Rava ny ala hany loharanom-piveloman’ny Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek sy ny hafa. Voatemitry ny ady tombotsoa amin’ny fitrandrahana harena voajanahary sy ny teti-panoron’ny firenena samihafa kosa ny Touareg any Afrika andrefana sy avaratra.
Hitany tao amin’ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ka nosoratan’i Pepitoritas fa any Amerika Latina, miaina anatin’ny fahantrana lalina ny 75-90%n’ny vahoaka indizeny no sady mora mora andairan’ny aretina noho hafanana ary mora tratry ny voina amin’ny loza voajanahary.
Nanao « Tsia » ny firenena voanjo
Azo lazaina ho fotoan-dehibe hanamarika ny tantaran’ny vahoaka indizeny ny fahalanian’ny Fanambarana, fa betsaka ny mpibilaogy no nanakiana dia nanakiana ny fitsipahan’ny “firenena voanjo” azy dia I Canada, I Etazonia, I Aostralia ary I Neo Zealandy.
Na dia tsy manankery ho lalàna avy hatrany aza, dia voamarika fa misy fifanoheran-kevitra ihany ny votoaty sasany ao anatin’ny taratasy. Nahita manko Democracia Multicultural (es) fa tsy tokony alaina mihitsy ny tanin’ny vahoaka indizeny“sin el consentimiento libre, previo e informado de los pueblos indígenas interesados, ni sin un acuerdo previo sobre una indemnización justa y equitativa”[ raha tsy efa misy fifanekena tsy antery, filazana mialoha ny vahoaka indizeny tratran’ny fakana ny tany, raha tsy efa misy fifanarahana mazava ny fomba hanonerana araka ny tokony ho izy] ny tanin’ny vahoaka indizeny ary amin’ny lafiny ilany indray dia voasoratra fa onerana na soloina fotsiny ny tany nalaina [izany hoe mety tsy hifanaraka amin’ny tokombidiny ary mety tsy hisy filazana mialoha ihany koa?]
Mahatsikaritra I Wampum fa ireo firenena nitsipaka ny Fanambarana dia zanatany anglisy tany Amerika sy Pasifika atsimo taloha avokoa ary ny firenena tena nazoto nanohana kosa dia zanatany Espaniola sy Portiogey any Amerika taloha avokoa.
Nandika ny tao amin’ny the sacred sites (hitany tao amin’ny Angry Indian) kosa I The MySpace blog:
I have prayed many times that the world would recognize the rights of Indigenous Peoples. I knew that the US & Canada and of course Australia, who have done to the Aborigines what the US & Canada have done to Natives, would vote no. The big surprise to me was that Mexico, with their horrible treatment of Indigenous People there, wasn't the 5th country voting against the UN resolution for Indigenous rights. Another amazing thing to me is that even the countries who decimated the Native populations on the Caribbean Islands voted for it. The world is changing. And the US, Canada, Australia, and New Zealand had better catch up.
Efa imbetsaka aho no nivavaka mba hanekena ny zon’ny vahoaka indizeny. Efa fantatro fa hitsipaka I Etazonia, I Canada ary I Aostralia indrindra indrindra, fa toy ny nataony tamin’ny Aborizeny no nataon’I Canada sy Etazonia tamin’ny menahoditra teratany. Ny nahatalanjona ahy dia I Meksika izay tena nampahory fatratra ny vahoaka indizeny tao aminy tsy mba fahadimy tamin’ny firenena nitsipaka ny zon’ny vahoaka indizeny. Ny nahagaga ahy koa dia na ireo firenena nandripaka ny mponina teratany tao aminy toa ny nosy Karaiba dia nandrotsa-bato nanaiky ny Zon’ny vahoaka indizeny. Tena niova izao tontolo izao, tokony ho  kaopy an’izany I Etazonia, Canada, Aostralia ary I Neo Zealand.
Nampiseho ny sarim-pihetsiketsehana  nokarakarain’ny Femmes Autochtones du Quebec tao Montreal I La Tribu du Verbe ary nanoratra ny nitsipahan’I Canada ny Fanambarana:
Mais voilà que depuis l’entrée des conservateurs au pouvoir en janvier 2006, le Canada est devenu un farouche opposant à cette déclaration. Dernièrement, à quelques semaines du vote final pour l’adoption de la déclaration, le Canada, appuyé par l’Australie, la Nouvelle-Zélande, la Russie, la Colombie, la Guyane et le Surinam, a demandé de reprendre les négociations, manoeuvre qui a pour but de paralyser l’adoption de la déclaration.
Jereo fa hatramin’ny nahazoan’ny mpandala ny nentin-drazana ny fahefana tamin’ny janoary 2006 dia lasa mpanohitra mavitrika ny Fanambarana I Canada. Herinandro vitsivitsy lasa mialoha ny fifidianana farany izay dia mbola niady varotra hanao fanitsiana vitsivitsy ihany  I Canada izay namporisihan’i Neo Zealand,  Russie,  Colombie, Guyane ary i Surinam. Ny tanjona nokendrena dia ny hampihatonana ny fandaniana ny Fanambarana.
Fahadisoam-paika lalim-paka ny nitsipahan’ireo “fanjakana voanjo” efatra ny Fanambarana araka an’I The CAC Review no tsy hampihena ny lanjany na oviana na oviana:
To be seen to act against the contents of the Declaration will be equate with acting against international public opinion. What stands out is not that “the liberal democracies with the most intense engagements with indigenous issues” voted against the Declaration, as some have said, since many other countries, with larger indigenous populations, and arguably more intense engagements, voted for it. What stands out instead is how settler states are still in the process of trying to settle themselves, how much “engagement” has really been disengagement, distance, friction, and conflict, and how much wishful thinking plays a part in reigning fantasies that, one day, Europe Part 2, will be as embedded in its foreign soil as Original Europe can claim to be on its soil.
The vote against the Declaration was a serious tactical error: these four states now sorely stand out as colonial, white states, anachronistic entitites in a world where “decolonization” has become part of the international vocabulary. They have also handed the Chinas of the world a powerful argument–that they too flout the will of “the international community,” that they too do not recognize the rights of disadvantaged minorities, and that liberal democracy is really little more than kleptocracy. If accepting the Declaration could have been symbolically binding (even if not legally so), then surely rejecting the Declaration will also come at a political cost. Some of us will see to it that it does.
Midika ho fanoherana ny hevi-bahoaka maneran-tany ny fahitana izay nitsipaka ny votoatin’ny Fanambarana. Tsy amin’ny maha “demokrasia liberaly manana adidy betsaka amin’ny vahoaka indizeny” , araka ny filazan’ny sasany azy, no nanohitra ny Fanambarana satria nisy firenena misy vahoaka indizeny betsaka -ananany andraikitra ifanarahana- ao aminy  nanaiky sy nisafidy ny Fanambarana. Ireo nanohitra dia ireo firenena voanjo mbola te-hamariparitra ny tany izay tiany araka ny fitenenana hoe ny anarana tanim-boanjo ihany, Firifiry moa ny “fandraisana andraikitra” no mbola fialana andraikitra, fanalavirana, fifandirana ary fifandonana. Ary hatramin’ny oviana ny saim-pahendrena, indray andro any ka efa anatin’ny fizaram-potoana faharoa i Eoropa, no mbola hampanjaka ny revirevin’ny fifikirana an-tanin’olona tahaka ilay Eoropa taloha mbola afa-mitaky ho toy ny mbola eo amin’ny taniny hatrany?Fahadisoan-tetika mampanahy ny tsanga-tanana nanohitra ny fanambarana. Mbola mijoro ho mpanjana-tany, firenen’ny fotsy hodotra, singa diso fotoana ao anatin’izao tontolo izao efa manana ny teny hoe “decolonization” (fanomezam-pahaleovan-tena) efa lasa teny iraisam-pirenena. Lasa manome fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina ho an’ny Shinoa, fa hay ry zareo manitsakitsaka ihany koa ny safidin’ny “fiaraha-monina iraisam-pirenena”; hay ry zareo tsy manaiky ho ara-dalàna ny zon’ny vitsy an’iasa zary voahilikilika ihany koa; ary asehon’izy ireo fa ny demokrasia liberaly dia mifanahatahaka amin’ny fanjakan’ny mpangalatra ihany. Raha singam-pamantarana mamatotra (na dia mbola tsy ara-dalàna aza) ny fanekena ny fanambarana, dia tena hovidian-dafo amin’ny sehatra politika ny fitsipahana ny fanambarana. Hahita ny fiantraikany moa ny maro amintsika.
soup is good food, blaogina mpianatra Kanadiana momba ny Hay Politika dia manoratra fa na tsy mamatotra aza ny fanambarana dia mety hampisy andraikitra ho an’ny governemanta momba ireo teratany ihany izany:
Some might point out that the declaration is non-binding. The Canadian government could have easily signed it to look good and then ignored it like we do with other declarations. I wouldn't use this excuse.
I think the Harper government knows exactly how dangerous declarations can be.
The Universal Declaration of Human Rights is/was non-binding. Now many parts of it are customary international law. It's not perfect and violations still occur, but it's there. It's a global rallying point for change and justice. And that's something.
Politicians have learned from this “mistake” of allowing non-binding seemingly harmless feel-good declarations in. It eventually causes problems. Which is why we now have four powerful countries with ongoing histories of disgusting abuses against indigenous populations having temper tantrums over the UN Declaration on the Rights of Indigenous People. Because heaven forbid we should sign onto something that would oblige us to do the right thing.
Mety hanitrikitrika ny sasany fa tsy manankery ho azy ny fanambarana. Mety ho afa-nanasonia io ny governemanta Kanadiana mba tsy ho ratsy eo imason’ny hafa nefa hody fanina avy eo tahaka ny natao tamin’ny fanambarana hafa. Tsy hanao io (fikafika f) ialan-tsiny io aho.
Mieriterritra aho fa fantatry ny governemanta Harper tsara ny loza mety ateraky ny fanambarana.
Tsy nanan-kery avy hatrany ny Fanambarana Erantany ny Zon’olombelona. Ankehitriny zary efa lalàna iraisam-pirenena ny andininy maro ao anatiny. Mbola tsy lavorary io ary mbola misy koa ny fandikan-dalàna, saingy efa mijoro izy io. Efa zava-dehibe izany.
Efa hitan’ny mpanao politika ny “fahadisoana” mamela ny fanambarana tsymanankery mody malemilemy sy manentohento tsara. Fa mety hiteraka olana izy. Izay no mahatonga ireo firenena efatra lehibe izay efa nanao tsy rariny e dia be tamin’ny vahoaka indizeny ao amin’ny tantarany somary miala-tosidra manoloana ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka indizeny. Satria mandrara anay ny lanitra hanasonia zavatra mety haningotra anay hanao ny zavatra ara-drariny.
Hatraiza ny fiantraikan’ny fanambarana?
Nilaza mialoha i le blog de [moi] ao Martinique fa hampikoraraika ireo mpitaky fahaleovantena indray ny Fanambarana.
Departemanta Frantsay ampitan-dranomasina I Martinique, I Frantsa izay nanohitra hatramin’ny ela ny fanambarana noho ny fifotorana amin’ny fotokevitra “Repoblika tsy azo zarazaraina tsy azo vakivakiana (zarazaraina) sy ny fndavany ny zo iraisana. Niova hevitra I France indrindra teo ambany fitarihan’I Jacques Chirac, izay nitodika manokana tamin’ny “vahoaka ntaolo”.
indigenouspeoplecongobrazza (Fr) kosa nanoratra fa na dia voapetraka ao amin’ny fanambarana aza, indrindra eo amin’ny fizarana mikasika ny tany sy ny harena voajanahary ny fisian’ny fanekena avy amin’izay hiala rehefa nampilazana mialoha, ka tokony ho fandresen’ny Pygmee ao Congo izany, “ny fahabangan’ny lalàm-pirenena mikasika ny vahoaka indizeny sy ny fahambanian’ny fari-pahaizan’ny vahoaka indizeny” no ho sakana lehibe hahalalan’izy ireo ny zony hiarony tombotsoany avy amin’ny fanambarana.
Tsikera momba ny Fanambarana
Polysocial (es)indray nanamarika fa nisy fanovana tamin’ny minitra farany ny Fanambarana, ankoatra ny fanampi-bolavola avy amina vondrona  indizeny iray, rehefa avy nidongian’ny mpanohana (nifanao andaniny sy ankilany) ny iray amin’ny fifanekena, dia nisy vondrona Afrikana sy Amerikana Latina toa an’I Perou, Guatemala ary Meksika saika hametraka fa tsy mamela na manaitaitra fihetsiketsehana hanozongozona ny fiandrianam-pirenena na hamakivaky ny firaisam-pirenena velively ny eritreritra iaingan’ny fanambarana.
Nihetsiketsika nanohitra ireo fanovana nosoratan’i Pylysocial ireo ny fikambanana maro avy ao Amerika afovoany sy atsimo, satria nino izy ireo fa “nisy fanovana nampihena ny votoatin-kevitra avy amin’ny foto-kevitra hanadala sy mametra ny fahatakarana” ny Fanambarana.
Filazan-kevitra iray ao amin’ny le blog de [moi], WK, mpamaky, dia manoratra toy izao:
il y a quelque chose qui me heurte profondément dans cette déclaration c’est que j’y trouve une sorte d’abdication à créer des sociétés multiculturelles et un encouragement à des replis identitaires. Par ailleurs, une déclaration aussi globale me paraît mal venue dans le sens ou elle est tellement vague qu’elle pourra rester lettre morte alors qu’il y a bien urgence dans certaines cas, je pense par exemple à l’Alaska où des ressources et des modes de vie sont menacées par l’avidité des compagnies pétrolières.
Ny tena nanohina ahy indrindra tamin’ity fanambarana ity dia ny fanekena hanjakan’ny fiaraha-monina marokolontsaina sy famporisihana ny olona hanavatena amin’ny mahaizy avy ny tsirairay. Ankoatra izany, tsy ao amin’ny ilako azy ny fanambarana ambangovangony  tahaka ity, manjavozavo loatra ka mety tsy hanana fiantraikany akory nefa misy ny ilana vonjy haingana amin’ny lafiny sasany toy ny Alaska fa fongorin’ny robaroban’ny orinasa mpitrandraka solitany ny fomba fiainana sy ny loharanon-karena ao.
Mamariparitra ny antsoina hoe vahoaka indizena kosa ny blaogy Japoney iray. Lava tokoa ny Fanambaran’ny Firenena mikambana mba samy hanana ny famariparitana ny isam-pirenena ary niniana hanjavozavo rahateo maodely arahina.
気になるのは、用語に関することです。宣言の英語表記ては「indigenous peoples」の諸権利に関する宣言となっていて、nationでもethnic groupでもありません。朝日も産経も記事の見出しは「先住民」ですが、本文では「先住民族」と「先住民」を併用しています。不統一で、あいまいです。
Ny mahaliana ahy dia ny fampiasana ilay teny manokana mihitsy. Amin’ny fanambarana azy amin’ny teny anglisy dia voasoratra fa mikasika ny zon’ny “indigenous people”[vahoaka indizena] ny resaka. Tsy misy fanamarihana ny teny hoe “nation”[firenena] na “ethnic group”[foko] ao. Amin’ny gazety Asahi sy Sankei ny lohateny dia ahitana soratra hoe “先住民” [senjuumin, dika tsotra “mponina taloha”], nefa ao anatin’ny lahatsoratra ataony afaka mifanolosolo tsara ny teny hoe “先住民族” [senjuuminzoku, “vahoaka indizena”] sy ny teny hoe “先住民” [senjuumin]. Tsy matotra sady manafangaro zavatra izany mampifanolosolo teny izany.
Nanoratra ilay mpibilaogy avy eo fa tsy fiaraha-monina miray volo araka izay dradraina tsy akory I Japana:
日本ではしばしば単一言語、単一民族などといわれがちですが、子細に見れば、多元的、多様な文化が伝わっていることが分かります。文化的な多元性、多様性をもっとも端的に示しているのは、民族宗教といわれる神社の祭りの多様さです。縄文の火祭りをいまに伝えるものもあれば、伊勢神宮のお膝元で東南アジアの畑作農耕文化と共通するお田植えが行われてさえいます。
Lazaina matetika eto Japana fa iray ihany ny fiteny, iray ny vahoaka, sy ny sisa, fa rehefa tena zohinao dia hita ihany ny fahamaroana sy fahasamihafana kolontsaina ekena. Manaporofo mazava izany fahasamihafana sy fahamaroan’ny kolontsaina izany indrindra ireo fihetsiketsehana lazaina fa karakaraina fivavaham-poko amin’ireny toerana manan-tantara ireny. Nandritra ny fotoam-pankalazana ny afo tao amin’ny vanim-potoana Jomon, dia mahita isika manodidina an’I Ise Shrine ny fomba fambolem-bary iraisan’ny mpamboly amin’ny faritra atsimo andrefan’I Azia.
Ary dia nanazava ny hevitry ny teny amin’ny vahoaka Ainu izay mitolona ny hanana zo ara-kolontsaina sy ny fiantraikan’ny fanambarana ho azy ireo ny mpibilaogy:
「民族」だといってしまえば、やれ「民族自決」だ、「独立」だ、ということになりかねません。日本でも、政府は、たとえばアイヌに対して、「先住民族」とは認めていません。萱野茂さんが尽力して10年前に成立した「アイヌ文化振興法」も「アイヌの人々」と表現しています。しかし、今回の採択を受けて、「アイヌ民族の尊厳確立」を目的に活動する北海道ウタリ協会はさっそく、「先住民族として認めることを要求していく」と表明しています。
Rah ampiasaina ny teny“民族” [Minzoku], Dia lasa [miaraka amin’ny] “民族自決” [minzoku jiketsu, “fahafahan’ny vahoaka manapa-kevitra ho azy”], na “独立”[dokuritsu, fahaleovan-tena (politika)]. Eto Japana, ohatra, dia lavin’ny governemanta ny teny hoe “senjuu minzoku” [ilay teny tena tokony ho dikan’ny vahoaka indizena]. Hita fa nahavita ezaka be tokoa raha izany I Kayano Shigeru, folo taona lasa izay ka niorina ny “ Lalàna hanondrotana avo ny kolontsaina Ainu”, afaka nampiasaina manko ny teny hoe “アイヌの人々” [vahoaka Ainu] .
Nefa, raha vao azon’ny Hokkaido Utari Asssociation, vondrona mitolona ho amin’ny “ Fanorenana ny fahamendrehan’ny vahoaka Ainu” [アイヌ民族の尊厳確立, “Ainu minzoku no songen kakuritsu”] jp, ity Fanambaran’ny firenena mikambana vaovao ity, dia nanambara avy hatrany ry zareo hoe: “Miangavy izahay mba ho ekena ho anisan’ny vahoaka indizeny”.
Japanese translations by Chris Salzberg.
Jennifer Brea