The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Martinique Tahiry Firenena

RSS ho an i Martinique

2009-03-11

Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”Video post

Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy. Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny ...

2009-02-22

Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay

Raha mbola mitohy moa ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe, dia misy ny mpamaham-bolongana any Martinique mihevitra fa mety te-hahaleo tena itony departemanta ampitan-dranomasina itony. Toy ny nanafintohina an'i le blog de [moi] sy heveriny ho misy fanindriana aloka ihany ny hevitra heverin'ny mpamaky azy fa noho ny mahakely ny nosy no mahatonga azy ireo ho ambany alokaloky ny hafa mandrakariva.

2008-12-28

Noelin-dry zareo any Karaiba

Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna... Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao "meme" amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa ...

2008-04-22

Cyber-Activism ,
Diaspora

Miaiky ny ezaka nataon'i Aimé Cesaire ny mpamaham-bolongana Jamaikana Geoffrey Philp , Manonona azy ho “ilay poeta hajaina manerana ny tontolo miteny frantsay sy mpitolona ho amin'ny zon'ny Indiana andrefana (mena hoditra)”, ary ny Caribbean Beat Blog kosa miteny azy hoe: “Amin'ny hafenoan-drano ( fo mavesatra) no hanaovana veloma ilay zanaky ny tanin'ny Indiana andrefana sy misaotra azy noho ny tolona tsy nanampitsaharana nanoherany ny fanjanahantany.”

2008-01-30

Manameloka an'i Frantsa noho ny fandavany ny zo fananganan-jaza hoan'ireo mpiaraka mitovy fananahana ny Fitsarana Erôpeana momba ny zon'olombelona

Le Blog de Moi avy any Martinika no mivaky fa tsy fantany intsony raha tokony handoa nohon'ny rikoriko izy na ho toran'ny hehy raha namaky ireo hafatra sasany napetraky ny mpamaky taorian'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Erôpeana momba ny zon'olombelona izay manameloka an'i Frantsa noho ny fandavany ny zo fananganan-jaza hoan'ireo ...

2007-11-01

Dôminika : Tazo Denga (tohiny)

Ny blaogy Living Dominica [Anglisy] dia mitantara fa mbola avo ny voka-dratsin'ny tazo denga any amin'ny nosy sasantsasany any Karaïbà. [Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Tazo Denga] Janine Mendes-Franco

2007-10-09

Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.

Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona ...