The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Jamaica Tahiry Firenena

RSS ho an i Jamaica

2008-04-11

Hevitra ,
Fahalalahàna miteny

“Inona moa no lazainy momba antsika raha ataontsika ho faralahim-pahamehana ny zon'olombelona fa zarantsika aza mijery fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro? Raha tsy fantatrao izay ataon'i Shina any Tibet dia tsy mametraka antsika ho tompon'andraikitra mihitsy ve izany?”: Nifantoka tamin'ny politikan'ny lalao olaimpika ho avy io ny resak'ilay Jamaikana Marlon James.

2008-04-02

Cyber-Activism ,
Development

Manasa ny mpihaino handanjalanja ny Ragashanti, fandaharana fiadian-kevitra malaza iray, rehefa hanaovana lohahevitra ny Karàna any Jamaika – sady nampisendaotra rahateo ny ompampanavakavahana nisesy. Noraisin’ny mamaham-bolongana Annie Paul ho adidy ny miresaka azy ity

“ fa toa mikendry ny isian’ny sivana (izay nitranga) raha tsy hoe entina hanenjehana ny (fandaharana) ny Raga… lasa nivaona ilay ezaka saiky hanalàna ny Karana-Jamaikana amin’ny endrikendrika.”

2008-03-14

Etiôpia : Mpanjakavavin'ny Saba, vita dika Frantsay koa

Tamin'ity herinandro ity, ny blaogy amin'ny teny Frantsay Roots and Culture (Faka sy kolontsaina) dia nitafatafa [FR] tamin'ingahy Samuel Malher, manampahaizana mpikaroka ara-pivavahana any Strasbourg, Frantsa izay nanatanteraka ny dikanteny manontolo amin'ny teny Frantsay voalohany ny boky “Kebra Negast”, izay soratra masina eo imason'ireo Etiôpiana. Ny Kebra Negast na “Voninahitr'ireo Mpanjaka” ...

2008-02-01

Jamaïka : Faharavana “mahavaky fo”Sary post

Montego Bay Day By Day no manapariaka sary “mahavaky fo” ahitana trano manan-tantara avela ho haolo any Falmouth, Jamaïka : I can only imagine how grand this building looked in its heyday. “An-tsaina fotsiny no akako sary izay mety ho endrikendrik'ity trano ity tamin'ny fotoan'androny.”

2008-01-29

Jamaïka : Fiarahabana avy any Jamaïka

Francis Wade no mitatitra momba izay fomba fiarahabana avy any Jamaïka : In spite of the aggressiveness and sometimes harsh nature of life in Jamaica, one of the sweet contradictions lies in how Jamaicans greet each other. “Na dia henjana aza ny fifandraisana ary tsindraindray koa ny fiainana any Jamaïka, dia isan'ny ...

2008-01-12

Jamaïka : Hitia bebe kokoa

Mpitia fa tsy mpiady ny mpiblaogy Jamaïkana Francis Wade : Today, I realized that living in Jamaica is teaching me to "Love Up" what ever happens. Violence? Lost business? Hurricane? Argument? Crime? They all occur in a stream of events, in which I am learning to simply love. “Ankehitriny, tena tsapako fa ny iainako ...

2008-01-04

Jamaika: Mpaminany sandoka

“Hita ho ny faminaniana no handanian-dresaka amin'ity taona ity! Ny sasany mahita fa hitombo ny fanaovana heloka, moa ny hafa indray mahita fa hihamamiratra ny ho avy…”: Ny mampalahelo an'i Stunner dia ny “tsy fitokisany velively izay lazain'ireo milaza tena ho mpaminany”. (hatrany ka hatraty io rahalahy a!) Janine Mendes-Franco

2007-12-31

Arahabaina ireo Rising Voices vaovao

Naharenesantsika feo vaovao sy mahery avy amin’ny fiaraha-monina tsy dia hita matetika amin’ny aterineto ny nisokafan’ny vondron’ny fantsom-panomezam-baovao avy amin’ny olom-pirenena na ny tetikasa midina an-tsehatra Rising Voices. Niantso tolotra vaovao hampiroboroboana ity fantsom-panomezam-baovao ity indray izahay tamin’ny volana lasa, mba hisafidianana dimy hafa hanampy ireo izay efa amperinasa any ...

2007-12-13

Jamaïka : “Wine” amin'ny vidiny mirary

“Wine” no tenin-jatovo ilazana ny seraseran'ny firaisana ara-nofo any Jamaïka. Ny blaogy Stunner's Afflictions dia mihevitra fa “tokony hisy fepetra raisina mihitsy hampitsaharana izao zavatra lasa fomba be mpanao izao” : « Yes, these nine to eleven grade young girls are selling their bodies and sexual favours for as cheap as ...

2007-11-23

Vondronosy Karaiba: Ny Fanehoam-pankasitrahana

Dia mitohy ihany ny fitantarana ireo fomba aman-danonana manerantany. Ao anatiny indrindra ny any Etazonia amin’izao fotoana izao. Dia resaka momba ny fomba avy any indray no resahintsika na dia ny any amin’ny nosy manodidina aza no ho tantaraina etoana. Mety hoe fialantsasatra mahazatra ny Amerikana Tavaratra ny Thanksgiving (androm-panehoam-pankasitrahana) ...