The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Honduras Tahiry Firenena

RSS ho an i Honduras

2009-10-31

Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?

Eo ampelatanan'ny Kongresy ankehitriny ny fifanarahana, izay mety ekeny, ny amin'ny hamerenana ny filoha Hôndiorianina Manuel Zelaya eo amin'ny toerany indray fa hifampizarana kosa ny fahefana, ka mety hidika izany fa manomboka hifarana ny krizy.

2009-09-30

Honduras: fakana sary mandritra ny tsy fahazoana mivezivezyVideo post

Telo volana taorian'ny naharesen'ny filoha Mel Zelaya tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana izay heverin'ny sasany fa rariny ary ataon'ny hafa kosa ho tsy ara-dalàna, dia niverina tany Honduras izy ny 21 septambra lasa teo ary mialokaloka ao amin'ny tranon'ny masoivohon'i Brésil any Tegucigalpa renivohitra. Niteraka savorovoro politika sy tsy fitovian-kevitra eny an-dalana ...

2009-05-31

Honduras: Horohoron-tany mahery nanetsiketsika ny firenena

Nifoha aloha be tokoa i Honduras ny marainan'ny 28 Mey noho ny horohorontany mirefy '7.1 tamin'ny maridrefy Richter' nanetsiketsika ny firenena. 130 kilometatra tany avaratry ny tanànan'i La Ceiba ny foibeny, tany amin'ny morontsiraky ny ranomasim-be Atlantika. Tamin'ny 2:24 maraina, ora tany an-toerana, nanery ireo mponina hivoaka ny tranony tanatin'ny ...

2008-01-28

Lalàna

Mbola lohahevitra mafotaka any Honduras amin'izao fotoana izao ny resaka famonoana olona (na heloka bevava), vao nisy mpamaham-bolongana roa indray manko no tratran'ny fanafihana ary nahita maso ihany koa ny fandrobana nampihoro-koditra. Aaron Ortiz ao amin'ny Pensieve [es] ohatra dia voaroba tany amin'ny faritra heverina ho voaro indrindra amin'ny resaka fandriampahalemana sady lalana fizorany isan'andro ny valiziny sy ny solosaina findainy raha hody izy. Fabo Balsech ao amin'ny Diario de un Joven en Medio de la Nada [es] indray dia voasariky ny fahitana lehilahy maromaro miaraka amin'ny fitaovam-piadiana nandroba vehivavy mbola tao anaty fiara teo anoloan'ny Oniversite tany an-toerana indrindra.