Global Voices teny Malagasy » Haiti
Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste
Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide.
“Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i danny.hammontree ao amin'ny flickr.
Nahasarika ny sain'ny maro i  Jean-Juste  tamin'ny 2005, tamin'ny nisamborana azy noho ny famonoana an'ilay mpanao gazety Haitiana Jacques Roche, fihetsika izay nolazain'ny mpanohana azy ho manana antony pôlitika - Nokilasian'ilay mpitoraka blaogy Haitiana Wadner Pierre ho “hetsika ivandravandràn'ny famoretana ara-politika” izy io.  Taoriana kelin'ny fisamborana azy, ny Amnesty International dia niantso an'i Fr. Jean-Juste ho “gadran'ny fanehoan-kevitra [prisoner of conscience]”;  tokony ho enim-bolana taorian'ny nitànana azy , nofoanana ireo vesatra nianjady taminy ary navosotra izy.  Nahazo famotsorana vonjimaika tamin'ny governemanta vonjimaika Haitiana koa izy, izay nahafahany nandeha tany Etazonia mba hitsabo tena noho ny aretina ‘leucemie‘ izay hita vao haingana tamin'ny firahana azy.
“Avotsory Dada Gerard Jean-Juste1“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny  Creative Commons license.  Tsidiho ny tahirin-tsarin'i danny.hammontree ao amin'ny flickr.
Tsy ny homamiadana ihany no fahavalo niadian'i Fr. Jean-Juste  - na taorian'ny namotsorana ny saziny tamin'ilay resaka vono olona aza, mbola nanohy  niatrika vesatra hafa amin'ny fitànana fitaovam-piadiana sy firaisana tsikombakomba koa izy, na dia tsy mbola nisy porofo natao aza mba hanamarinana izany fanamelohana izany. Haiti, Land of Freedom, dia nanamarika tamin'ny vatofotsy (tamim-pifaliana) ilay andro (19 Jona 2008) nanafahana ilay Pretra tamin'ny saziny rehetra:
Niresaka tamin'ny HaitiAnalysis tamin'ny antso an-tariby i Dada Jean Juste tany amin'ny paroasiny any Haiti - ny Fiangonan'i Saint Claire – toerana nisian'ny fanombohana fankalazana manetriketrika tokoa. “Nisaotra an'i Jesoa Tompoko aho” hoy izy.  “Nino aho fa tsy hamela ahy izy. Mamela ireo olona nandray anjara tamin'ireo fisamborana roa tsy rariny natao ahy aho, izay mety nahafaty ahy mihitsy. Mety ho maty tany am-ponja aho. Ankehitriny aho afaka manohy manampy ny mahantra.”
Naaton'ny  Ambaratongam-pahefan'ny Fiangonana Katolika any Haiti i Jean Juste noho ny fanaovany hetsika pôlitika raha tokony niaro azy izy tamin'ny fotoana nigadrany. Raha nanontaniana momba ilay fampiatoana izy, izay nahatezitra mafy ireo mpanohana azy maro, naneho ny fahatokisany ny amin'ny hahafoana izany i Jean Juste.
“Tsy meloka aho ary hanafoana ny fanapahan-keviny izy ireo mba hamelàna ahy hanatanteraka ny asako eo anivon'ny fiangonana tahaka ny nataon'i Jesoa mandra-pahatongan'ny minitra farany talohan'ny namadihana sy nisamborana azy”.
Pretra maro ao amin'ny paroasy toa an-dry Jean Juste sy Jean Betrand Aristide no mpikambana ao amin'ilay hetsika ti legliz (fiangonana kely). Miavaka izy ity  noho izy manohitra ny didy jadona ataon'i Jean Claude Duvalier.
“Jean-Juste any Miami”, sary avy amin'i Robert Miller,  ampiasàna ny  Creative Commons license.  Tsidiho ny tahirin-sarin'i Robert Miller ao amin'ny flickr.
Tamin'ny 27 Mey 2009, afaky ny geja rehetran'izao tontolo izao koa Fr. Gérard Jean-Juste, izay nodimandry teo amin'ny faha-62 taonany.  Mbola manohy nyfanehoam-pankasitrahan a sy fanajana  azy ireo mpitoraka blaogy:  Dying in Haiti dia namerina namoaka ny filazàna manjo navoakan'i The New York Times tamin'ny nahafatesany, ary nahatsiaro ireo zava-tsoa rehetra nataony…
Tsy sasatra niasa ampolo taona maro ho an'ny vahoakan'i Haiti  izy.
Nivavaka nangataka ny fanampian'i Md Jude izy nandritra ny lamessa.
Lehilahy mitazona ny teniny no nahafantaranay mivady azy.  Nanohy hatramin'ny farany foana izy na kely na lehibe ny olana.
Nahery fo i Dada. Tsy niverina tamin'ny teniny mihitsy izy.
Mandria am-piadanana, ry Dada. Ary rehefa mifanena amin'i Md Jude ianao dia teneno izy tsy hanadino an'i Haiti.
The Haitian Blogger dia namerina namoaka lahatsoratra nosoratan'i Profesora Bell Angelot:
Niara-dàlana hatrany tamin'izay atao hoe mahitsy sy fahamarinana ara-moraly foana i Dada.
Fanahy mahery iray no nandao ity tany ity, ary manamaizina ny tanàna iray manontolo ny fisaonanay. Lasa mandrakizay ny ‘griot' iray [ilazana ny olona voky andro tany Afrika nahatahiry sy mampita ny fahendrena amin'ireo taranaka aty aoriana]  ary Foko iray manontolo no latsa-tomany.  Nefa na dia lasa aza ilay mpaminany, ny fahazavàny kosa mbola mitoetra. Nampaneno ny lakolosy' tao anatin'ny alahelo sy ranomaso ny fiaraha-monin'i Miami, noho ny nandaozan'i Dada Reverend Gérard Jean-Juste ny tany. I Dada Jean-Juste dia iray amin'ireo mpialoha làlan'ny Teolojian'ny fahafahana teo anilan'i Jean Bertrand Aristide tao Haiti, Leonardo Boff tany Nicaragua ary Oscar Romero tany Salvador.
I Dada Jean Juste no mpilanja faneva ho an'ny zon'ny mpifindra monina any Haiti, ho an'ireo tsy manana taratasy, ho an'ireo nisedra ranomasim-be feno antsantsa [sharks - requins] ary ho an'ireo mbola tsy avela hizàka ny Statut fiarovana vonjimaika (TPS). I Dada Jean Juste dia olon'ny fahamarinana,  na ny anarany aza dia efa  miantso ny fahamarinana.
Farany, Repeating Islands dia mahatsiaro an'i Jean-Juste ho lehilahy izay “nitarika ny ady tsy misy indrafo nanohitra ny fitondràna mitanila' atao amin'ireo Haitiana eny amin'ny fitsarana, ny haino aman-jery, ny làlana, ary indraindray, any am-ponja”, ary manoritra fa “ireo hetsika rehetra nanaraka ny fahafatesan'i Jean-Juste dia manasongadina ny fitakosenany tamin'ny vahoaka Haitiana.”
Haiti:Na Fetibe [carnaval], na tsy misy
Ny fifandimbiasan'ny loza voajanahary tany Haiti tamin'ny 2008 toy ny orambe narahin-drivotra mahery Ike, Hannah sy Gustav ary ny firodanana mahatsiravin'ny sekoly fanabeazana fototra tamin'ny Novambra, tany Pétionville, dia nahatonga ny fankalazana ny fetibe [ny karnavaly] ho mitombina sy tena  ilaina tao Haiti tamin'ity taona ity..
Hatramin'ny 4 Janoary,  ny mpitoraka blaogy Darlie dia nanomboka ny fanisana miverina ‘ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny fetibe (Carnival) - ny daty nambaran'ny mpitoraka blaogy Haisianina Elsie,  izay namoaka hafatra avy ao any amin'ny Espace Loas Centre d'Art Haitien dia manazava ireo fototra ara-pinoana niavian”ny fetibe [karnavaly] [Fr]:
[…] La saison dite de carnaval se déroule suivant le calendrier catholique du jour des rois et a donc commencé le Dimanche après l'Epiphanie (4 Janvier) pour atteindre sa culmination le 24 février, dernier jour des “ trois jours gras ”.
[…] […] Ny fotoan'ny fetibe karnavaly dia manaraka ny tetiandro katolika ka noho izany, manomboka ny Alahady voalohany aorian'ny Epifania (4 Jan.) mba hatrany amin'ny “climax”  ny 24 Febroary,  izay andro farany amin'ny “telo andro matavy”.
Ny tena mahazava tsara ny toerana lehibe tanàn'ny Karnavaly eto Haiti dia ny fanekena fa ity fomban-drazana ity dia tena mamaka lalina ao anatin'ny kolontsain'ny vahoaka Haisianina. Ireto misy fomba fijery  momba ity fanadihadiana ity  izay sady ifampizaran'i  Elsie [Fr]:
Le Carnaval ou « mardi-gras » demeure l'une des grandes manifestations socioculturelles du peuple haïtien.
Ny fetibe  karnavaly na ny “Talata matavy” dia iray amin'ireo fihetsiketseham-be sosialy sy kolotoraly eo amin'ny mponina Haisianina.
sy  Darlie [Fr]:
C'est devenu au fil du temps, la plus grande manifestation culturelle haïtienne où l'on voit des millions de gens de tout âge, de toute culture, de tout horizon…
Ary tsikelikely teny dia lasa fihetsiketsehambe kolotoraly Haisianina izay ahitanao olona an'arivony avy amin'ny sokajin-taona rehetra, kolontsaina marolafy ary avy amin'ny vazantany rehetra…
Araka ny nosoratan'i Elsie, ny fetibe karnavaly dia manana asa hafa - “Karakaraina ihany izy ity na dia eo aza ny fahasahiranana ara-tsosialy, ara-toekarena sy ara-politika [Fr]:
[…] Comme a dit un ancien maire de Port-au-Prince, dans la société haïtienne, cette festivité n'est pas négociable. […] Tacitement, il y a une trêve politique; les problèmes sociaux passent au second plan pour laisser place au défoulement indispensable.
[…] Araka izay notenenin'ny Ben'ny tanàna teo aloha tao Port-au-Prince dia tsy azo iadiam-barotra mihitsy ity fankalazàna ity ao anaty fiaraha-monina Haisinina.[…] Toa mandeha ho azy ny fisian'ny fifandeferana ara-politika; ny olana ara-tsosialy dia navela any aoriana any mba hiatrehana ny tena votoatin'ny filàna manadino ny zavatra rehetra  aloha.
Manoloana izay, Darlie dia mandray endrika hafa momba ny fetibe karnavaly izay ampiasana azy ity ho toy ny lafika dokambarotra goavana ho famarotana entana ho an'ireo orinasa lehibe [Fr]:
C'est un atout majeur pour les commerçants et fabricants de faire connaître leurs produits en investissant fort dans la publicité.
Izy ity dia tombony lehibe  ho an'ireo mpivarotra sy mpamokatra   izay mampahafantatra ireo vokatra avoakany amin'ny fampiasam-bola be amin'ny sehatra dokambarotra.
Julie dia mamahana blaogy amin'ny traikefa ananany momba ity  fetibe karnavaly any Haiti ity  ary maneho izany amin'ity sary ity miaraka amin'ny fanamarihana avy aminy [Fr]:
J'aurais pû faire un zoom sur les magnifiques costumes mais il aurait été dommage de vous priver de la grosse campagne de promo des compagnies américaines qui importent le riz en Haiti, anéantissant la production rizicole nationale.
Azoko nalaina akaiky kokoa  ny momba ireny fitafy tsara tarehy  ireny aho nefa indrisy, mety ho tsy nahita ny fanentanana goavana nataon'ireo orinasa Amerikana mpanafatra vary eto Haiti ianareo, izay mamotika ny famokarana vary ato anatiny.
Ao amin'ny blaoginy, mampiseho sary avy amin'ny fetibe karnavaly izy  - tsy ny avy any Port-au-Prince irery fotsiny, fa misy koa avy amin'ny fetibe karnavaly majafinaritr'i Jacmel, miaraka amin'ny sarontavany, ireny “monstres” na biby ireny.
“I Darlie dia sady  manameloka ny herisetra mitranga eny antsefantsefan'ny hetsika eny no koa mitsetra ireo tratry ny fahavoazana aterak'izany, mitsetra izy fa hoe tsy mbola be mpahalala loatra any ivelany ny fetibe karnavaly Haisianina ary tantarainy  ihany koa ny hafaliany tsy omby tratra amin'izy ity. [Fr].
Ny sary kely izay nampiasaina tamin'ity hafatra ity, “Karnavaly ao  Haiti”, dia avy amin'I Ben Gancsos (photo © Ben Gancsos / Wonderful Machine) ary dia nampiasaina nahazoana alalana taminy. Tsidiho ny tranonkalan-tseraseran'i Ben sy ny sariny ao amin'ny flickr.
Fankalazana ny faha205 taona ny fahaleovantenan'i Haiti
Taorian'ny voina izay nandravarava tamin'ny 2008, dia teo ho eo ihany ny fankalazan'ny vahoaka Haitiana ny fanombohan'ny taona 2009 - satria ankoatra ny maha fanombohan'ny taona azy eto Haiti, dia manamarika ny fahaleovantena azo tamin'i France tamin'ny 1804 ihany koa ny voalohany Janoary, ka nahatonga an'i Haiti ho firenena mainty voalohany nandala ny demaokrasia manerantany.
Mampiahatsiahy ny androm-pankalazana ny mpamaham-bolongana Haitiana amin'ny teny frantsay na mampiomana amin'ny fahasahiranana hatrehina rahampitso aza izy ireo:
Manazava ny fandehan'ny tantara nizotra ho amin'ny fahaleovantenan'ny nosy i Darlie   sady niteny ihany koa ny nentin-drazana nolovain'ny Haitiana mifandraika amin'izany : mihinana “soup joumou” amin'ny 1 Janoary [Fr]…
On raconte que du temps de la colonie, à Saint-Domingue, la soupe était très en vogue et réservée uniquement aux maîtres d'esclaves et dans la plupart des cas à certains esclaves domestiques communément appelés esclaves talentueux comme par exemple Toussaint Louverture.
Le parfum envoutant du mariage des légumes exotiques et de la viande bovine ajoutée sur les multiples revendications que les esclaves des champs murmurèrent déjà, suscitèrent chez eux le désir de révolte.
Voalaza fa nandritra ny nahazanatany an'i Saint-Domingue, dia nalaza tokoa ny lasopy saingy natokana ho an'ny tompon'andevo sy ny andevo an-trano antsoina Andevo manantalenta, tahaka an'i  Toussaint Louverture izany.
Ilay hanitra fangaron'ny hen'omby mifangaro anana (anana koa ny karaoty sy ny ovy) mampilendalenda izay efa nampimenomenona ny andevo, no niteraka ny faniriana hioko.”
Raha mirary “sakafo matsiro” ho an'ny vahoakany izy amin'izao fotoanan'ny firariantsoa izao dia tahaka ny mirary firaisan-kina ihany [Fr]:
Vivons en vrai, vivons ensemble, marchons unis sur le chemin de la fraternité, de la paix et de la réconciliation
Andao hiaina tsy misy fitaka, hiara-miaina, hivondrona hiaraka amin'ny lalan'ny firahalahiana, fandriampahalemana ary ny fampihavanana
Ireo tenin'i Darlie ireo dia mahaliana kokoa noho ny vina natolotry ny filoha Haitiana René Garcia Préval ho amin'ny taona 2009 wizay ho “taona sarotra…ho an'ny Haitiana” (araka ny notaterin'i Romandie News [Fr]) nandritra ny fitsidihana ofisialy tany Gonaïves avaratry Haiti. Fifanojoan-javatra ve fa i Gonaïves indrindra no toerana voalazan'ny tantara ho nahaterahan'ny fahaleovantena - sady faritra niaritra ny mafy indrindra tamin'ny Fandravaravan'ny rivodoza nandritra ny 2008.
Ao amin'ny bolongana HaitiRectoVerso, no nilazan'i Decky Lakyel tamim-pahagagana ihany ny nahatongavan'ny mpitondra ambony tany Gonaives ny andro mialoha ny fankalazana. Nohazavainy araka izay henony ao amin'ny Radio Kiskeya, ny antony roa nahatonga ity fitsidihana ity:
Le ministre confie que le séjour inhabituel de 48 heures des membres de l’Exécutif dans la Cité de l’indépendance pour marquer les 205 ans de l’épopée haïtienne, représente une « manifestation de reconnaissance de l’importance symbolique » de lieux fondateurs de l’histoire nationale.
Outre les activités officielles, le Président Préval, la Première ministre Pierre-Louis et leurs principaux collaborateurs auront l’occasion de s’entretenir avec les victimes des intempéries qui avaient durement frappé les Gonaïves.
Neken'ny minisitra fa ny fitsidihana tampoka nandritra ny roa andro nataon'ny fahefana mpanatanteraka  taty amin'ny tanànan'ny fahaleovantena (Gonaïves) dia ny hanamarika ny faha-205 taona ny fahaleovantena, ary maneho ny “fanekena ny mahazavadehibe ny famantarana (hita maso)” ny toerana manorina ny tantaram-pirenen'i Haiti.
Ankoatra izay fandaharam-panjakana izay dia hanana fotoana hifampitafana amin'ireo iharam-boina nandritra ny loza voajanahary nihatra tamin'ny Gonaives ny filoha Preval, ny praimisitra Pierre-Louis ary ny mpiara-miasa amn'izy ireo akaiky.
Nefa rehefa avy namaky ny lahatsoratra farany nosoratan'ny mpamaham-bolongana Haitiana Stanley Lucas ao amin'ny Solutionhaiti, dia mivandravandra fa tsy ny rehetra tsy akory no resy lahatra amin'izany ezaka izany.
Fabienne Flessel
Noelin-dry zareo any Karaiba
Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba!  Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna…
Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao “meme” amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa tsy misy …”  Ho an'ny Signifyin' Guyana, izay nanomboka an'ilay “meme”, dia hoe “ny nofon-kenan-kisoa nataon'i dadanay” sy “filalaovana lalao iraisana miaraka amin'ny fianakaviako rehefa avy nihinana sy ny sisa.”  Guyana 911 dia maneho ny heviny (indraindray amin'ny fomba mandranitra) amin'ity lisitra manaraka ity:
- Fanadiovan-trano mandritry ny Noely
Oay le.. Fa nisy inona tato amin'ity trano ity? Hifindra trano angaha ianareo?
- Pepper Pot.
Ny fotoana, sy ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan'i Jesosy dia mandeha alohan'ny pepper pot. Tsy miodina intsony ve ny tany raha tsy manao pepper pot ianareo?
- Mofomamy misy voankazo maina.
- Hazo noely.
Tapaho daholo ireo, fa aza anaovana karatra firarian-tsoa ho an'ny Noely. Tsia… Aleo hanaovana fanaka. Hevitra mitondra fiovana tanteraka izany izao. Fanaka… zavatra izay azon'ny olon-drehetra ampiasaina amin'izao fotoana izao.
- Dokambarotry ny marika Singer.
- Fandokoana trano sy izay zavatra hafa azo lokoina.
- Fandefasam-bola.
Raptus8 dia mieritreritra fa ny fanolorana fanomezana dia tsy afa-misaraka amin'ny Noely (raha ohatra ka izy no hotolorana ilay fanomezana):
Efa miresaka fanomezana ihany isika dia te-hiteny amin'ny namako sy ny fianankaviako aho, fantatrareo fa tiako be ianareo fa amin'ity taona ity dia aza manantena afa-tsy karatra firarian-tsoa ho an'ny Noely avy amiko azafady.
Tsy manam-bola aho; eny tsy misy saosy mihitsy aho… inona? Nahazo fisondrotana moa izaho tamin'ny farany teo? Ie nefa tsy manan-karena aho ary te-hanan-karena, noho izany dia tehiriziko ny volako. Manantena aho fa azonareo ny toerana misy ahy ary koa tsy hahasakana anareo hividy an'ilay zavatra manokana efa fantatrareo izay misy ny anarako eo amboniny…
Any Jamaika, Iriegal dia miteny fa na dia midika hoe miaraka amin'ny fianakaviana aza ny Krismasy, ny fahasahiranana ara-bola eran-tany dia misy fiantraikany eo amin'ny fandefasam-bola sy ny fanomezana alefan'ny diaspora ho aty Jamaika:
Fantatsika fa fotoanan'ny Krismasy any Jamaika rehefa manomboka mihodina ny barika.
somary “nasira” kely ny toe-javatra tamin'ity taona ity. Nataon'ny toe-karena ho tsy dia fahita intsony ny ankabeazan'ny entana ary ny saram-pandefasan-javatra dia tsy mitsahatra ny misondrotra. Ankehitriny dia “karatra firarian-tsoa” no alefan'ny olona..
Izy koa dia manamarika fa ity fihisaran'ny toe-karena ity dia mampiova ny fahatsapana an'ity Noely ity:
Ny Krisimasy dia tsy Krisimasy rehefa tsy misy deh white dem. (Toaka fotsy Jamaikana). Ampiasainay anaovana “sorrel” io, Mofomamy amin'ny Noely, “Pudding” amin'ny Noely sy ny sisa. Noho izany maninona ny tompon'ny Wray and Nephew no nandroaka ny mpiasa alohan'ny Krisimasy? Tsy mandrora mitsilany ve izany?
Ny fahatapahana dia miparitaka eran'ny nosy, ohatran'ny any amin'ny toeran-kafa eran-tany. Ny fihisaran'ny toe-karena izay manjo ny USA dia eran-tany. Toa mikororosy daholo ny zava-drehetra. Ny mampalahelo dia hoe ireo nosy kely no tena mahita faisana bebe kokoa amin'izany . Raha tsy manao n'inon'inona ianao, tsy mahazo n'inon'inona ary ny vahoaka dia miezaka manala an'io “n'inon'inona” io lavitra anao, mahatohina izany.
Aleon'ny Abeng News Magazine mamerina an-tsaina ny lasa, mijery ny Krisimasy tamin'ny “Jamaika fahiny” ato sy ato.
Ny The Devil Island.com-n'ny Bermudes dia nahafantatra ny hoe Krisimasy izay rehefa nihira ny Feliz Navidad i Jose Feliciano, ary miteny hoe:
Miniana aho, fa tsisy hira krisimasy tsara indrindra sy mampifalifaly toy iny.
Ny mpitoraka blaogy avy any Trinidad This Beach Called Life dia manamafy, ary miantso azy ho “hira Krisimasy tsara indrindra amin'izay rehetra misy” ary dia nandefa horonan-tsarin'i Feliciano mihira ny hira nahafantarana azy.  Manazava izy:
Jose Feliciano dia mpitendry gitara tafita ary mihira amin'ny “style” sy feo miavaka. Lasa hira Noely “classique” i Feliz Navidad ary ankehitriny dia tsy azo sarahina amin'ny fotoanan'ny Krisimasy izy. Feliz Navidad dia iray amin'ireo hira Krisimasy 25 hiraina sy raketina  be indrindra eran-tany.
Na izany aza, mpitoraka blaogy avy any Trinidad sy Tobago Coffeewallah dia mahita hoe sarotra ny manakatra ny fanahin'ity vanim-potoana ity:
Matetika aho no maheno olona miresaka momba ny finoana ‘Kristianina'. Mampiomehy ahy foana fa ireny milaza ho mpino Kristianina ireny indrindra no tena manome lamosina rehefa misy fanentanana amin'ny fanangonana “kapoaka” na hafa. Ireny olona ireny ihany izay tonga manentana anao foana foana, mba handray anjara amin'ny “loterie”-n-janany na tsy haiko hoe inona koa, rehefa anontaniana ry zareo, ny valinteny mazàna dia hoe,  Efa nanome tamin-javatra hafa aho roa volana lasa izay. Tsy maintsy mahatadidy an'ity iray ity aho amin'ny manaraka. Tonga hatraty ny fitondran-tena Grinch.
Nefa ny fototry ny Krisimasin'i Trinidad sy Tobago dia ao anatin'n'ny toe-po tsara sy mendrika:
Namelana ny pointsettias, ny raviny menamena sy matsilo dia manome famirapiratana ny toerana izay maizina amin'ny ankapobeny. Na dia nanorana aza ny andro, nafana ny tany anatinay, niaraka tamin'ny ponche de creme nanafana anay, sy  hira Krisimasy vitsivitsy hiraina… dia manja foana ihany.
Efa miresaka ny fototry ny Krisimasy ihany, Simply Trini Cooking dia manome voninahitra an'ilay desera malaza avy any Inde andrefana, Black Cake, ary nanome ny “zavatra rehetra ilaina” sao misy te-hanandrana hanao.
Barbados Underground dia mandefa fampatsiahivana momba ny anton'ny fety ary maneho ny fanahiany amin'ny fivoizana ny resaka varotra mandritry ny fialan-tsasatra:
Ny Krisimasy 2008 dia hankalazaina ao anatin'ny tontolo maloky ny toe-karena nefa ho an'ny Barbadianina dia toa ny fitondran-tenany tamin'ny taona lasa ihany no arahany…izay mahita fa ny ankabeazan'ny mponina dia marisika ny hankalaza ny Noely noho ny antony ara-barotra.
Mahita akony koa izay fanahian'i BU izay ao amin'ny Dominica Weekly, izay mieritreritra momba ny tena dikan'ny Noely ary lasa lavitra amin'ny fanontanian-tena ny amin'ny mety ho eritreretin'Andriamanitra momba ny fankalazan'ny andro maoderina.
Ny fankalazana ny Noely any amin'ny Karaiba frantsay, amin'ny lafiny iray, dia toa tafalatsaka ao amin'ny fomban-drazana. Efa manakaiky haingana ny 25 Desambra, ny departemanta frantsain'ny Outre Mer ao Guadeloupe, Martinique sy Guyane dia ampangovirin'ny feon'ny zava-maneno nentin-drazana toy ny ka (amponga lehibe)[Fr] sy ti-bwa (vatam-bararata be roa)[Fr] sy ny hira Krisimasy. Tongasoa eto amin'ny tontolon'ny “Chanté Nwel” (hira ho an'ny Krisimasy)!
Ao amin'ny blaogy Sous le Soleil de Guadeloupe [Fr], Pat sy Jac dia manoritsoritra ny toerana saro-takarina misy ny nosy, izay sondriana amin'ny Noely nefa koa ao anatin'ny krizin'ny solika. [En].
Na eo aza izany rehetra izany, misy zavatra iray izay maharitra ao amin'ny fankalazana amina'ny fomba nentin-drazana ny Noely any Guadeloupe ary izy io dia ny “Chanté Nwel”. Teny Creole [En] entina milaza ny “Fihirana ho an'ny Krismasy” na “Mihira Krismasy (hira)”, io no mariky ny Noely any amin'ireo faritra frantsay ireo. “Chanté Nwel” dia fanararaotan'ny fianakaviana manontolo mba hitsidihana ny mpiray vodirindrina sy mihira hira Krisimasy miaraka aminy amin'ny feon'ny “ka” sy ny “ti-bwa”. Tamin'izany fotoana izany, mbola am-pilaminana no andehanan'ny olona miala lavitra ny  tanàny amin'ny alina.
Na dia tsy toy ny taloha intsony aza ny fankalazàna ny Chanté Nwel, mbola mahatsapa ny filàna mihira miaraka ny hiran'ny Krisimasy ihany ny mponina ary amin'ny fomba tena vokatry ny tany. Tsy nankalaza ny Krismasy ianao raha tsy tany amin'ny “Chanté Nwel”!  Toa ohatran'ny fomban-drazana tena manaitra izy ity hany ka na ny diaspora avy any Inde andrefana aza te-hankalaza azy.  Ao amin'ny blaoginy Risbomontréal  [Fr], mpianatra izay eny amin'ny anjerimanontolo any Guadeloupe no manoritsoritra ny hafaliany nahazo fanasana ho hanatrika  “Chanté Nwel”:
Quelle bonne nouvelle que j'ai eu ce matin en ouvrant mon p'tit mac   ! La news lettre de ces types super cool de Tropikal97 où ils invitent à participer à une super soirée diner/Chanté Noël + Boite de nuit à l'antillaise et tout ^^ !!!
Vaovao tsara be no azoko androany maraina raha nanokatra ny Mac-ko aho  ! Tao amin'ny vaovaon'ireny bandy cool-n'ny Tropikal97, nisy fanasana amin'ny fisakafoanana/Chanté Nwel sy toeram-pandihizana Indiana tandrefana sy ny sisa ^^!!!
Toa miparitaka any amin'ny toerana rehetra misy Indiana Tandrefana frantsay ny tazon'ny Chanté Nwel : porofon'izany ity fanasana ho an'ny Chanté Nwel ity tany Cergy, faritra ambanivohitry Paris, navoakana andiana Indiana tandrefana ao amin'ny blaogy Carrefour du Soleil [Fr].  Na henoy Cactus, tarika mpihira vakodrazana avy any Guadeloupe izay mampahafantatra ny Chanté Nwel ao amina blaogy antsoina hoe Cactus Chanté Nwel [Fr]. Ahitana horonan-tsarin‘ny Cactus mihira hira Krisimasy koa ao, amin'ny teny créole (kiriolona) .
Tsy afaka mankany amin'ny Caraibe amin'ity Noely ity? Aza matahotra - Ny hafanan'ny Indiana Tandrefana dia tsy voasakan'ny elanelan-tany noho ny feon'ny mpitoraka blaogy izay nizara ny tantaran'ny Krismasiny tany Cuba, St. Vincent sy ny Grenadines, ny nosin'i Cayman , ary Puerto Rico.  Sasany amin'ireo “afatra ireo dia manana fijery miabo kokoa noho ny hafa, misy fihetseham-po azo tsapain-tanana tamin'ity vanim-potoana: ny Fanantenana.
Raha araka an'i Womanish Words mpitoraka blaogy iray  avy any Bahama dia :
Tampoka teo, antoko mpihira. Mihira ny Deck the Halls ry . Hita avy eo ambadikin'ny haizin'ny varavaran-kelin'ny efitrano fandraisam-bahiny. Mahafinaritra ny hirany.
Mety ho tiako ny naheno mpihira “cantique” na iza izy na izy, na dia ny  mikiakiaka, noraisiko am-pifaliana izy amin'izao andro sarotra izao. Na inona na inona vondron'olona misokatra, tia mamorona, mahay miara-miasa sy mifandray,  manana fanahy ampy hifanohana sy hifameno ary hihira ny Noely ho an'ny hafa fiaviana, tsy maintsy tiako ry zareo ireny.  Indrindra indrindra ankehitriny, rehefa kely ny vola, ary ny “fondamentalisme” dia mampisarantsaraka ny fiarahamonina noho ny fankahalana, ary mailo amin'ny herisetra daholo ny rehetra. Nanokatra varavarana izahay,  nampirehitra jiro, ary nanome fanomezana. Nanao satroka dadabe Noely daholo izy rehetra. Toa mpihira avy tao anatin'ny bokin'i Dickens . Rindram-poe kanto, beso manaka-danitra. Nanontany ny zanakay, “Mihira hoantsika ve ry zareo?” Ie, mihira ho antsika ry zareo.
Tamiko iny fotoana iny dia toy ny tsy roa aman-tany , marika iray sy vetso iray, hafatra avy any amin'ny tontolon'ny Fanahy. Raha tsorina ny resaka, ‘ndeha àry haingoy ny tranonareo, miezaha mba ho faly, mankalazà, manoméza. Ataovy izany mba hanoherana ny tahotra, mba hanovàna izany fiainan-tsambatra .
Fabienne Flessel koa dia nandray anjara tamin'ity hafatra ity .
Ny sary rehetra  janinephoto; dia nahazoana alalana avokoa.
Haiti: ny faneken'i Powell
Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny' fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”
Haiti: Ilalana
jmc strategies no niteny fa “Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy ho Piraiminisitra Haisiana hajaina izao i Michèle Pierre-Louis…Hanokatra Toko amin'ny fanamby lehibe indrindra hatrehin'i Haiti amin'ity taompolo ity :Ny fanorenana indray taorian'ny fandravana nisesy nataon'ireo rivodoza Fay, Gustav, Hanna ary Ike.”
Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan'ny kere
Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere hianjady amin'ireo osa indrindra amam-tapitrisany fa hisedra koa ny fahosana sy tsy fahampian'ny traikefan'ireo fitondram-panjakana any amin'ireo tany mahantra menrana izao tontolo izao.
Manoina izany tranga izany ny mpiblaogy roa, ny iray Haïtiana ary ny iray kosa Kôngôley, tsy ny fanampiana ara-bola ararak'ireo firenena matanjaka amin'ny fitrandrahana ireo solika nosintonina avy amin'ny zava-maniry anefa no tsikerain-dry zareo voalohany – fa natombony tamin'ny tsikera an'ireo pôlitika sy ireo mpanao pôlitika izay namela ny fireneny tsirairay tsy misy fiarovana toy izao. Namabaran'izy ireo ary fa ireo rotaka izay efa niseho sy ireo izay mbola ho avy, toy ny lozan'ny kere, dia taratr'ireo olana rehetra izay lalim-paka ka tsy ho vitavitan'ny fanafan'ireo fanampiana avy any ivelany monja.
Natifnatal izay mpiblaogy vehivavy Haïtiana dia nanapariaka ny hatezerany, tamin'ny lahatsoratra izay mahavaky fo tokoa, raha nijery ireo tranga avy any amin'ny arivony kilometatra, avy any Abu Dhabi izay onenany izy, ny fiheverany ny tenany dia toy ny sesitany antsitram-pò. “Rehefa mitrandraka ny hanoanana ho fitaovam-pandresena ireo mpanao pôlitika” [quand les politiciens se servent la faim pour marquer des points].
Ces dernières semaines, Haïti est revenu à la une de l’actualité. Quelque loin que vous soyez, les nouvelles vous rattrapent, les imagent vous bousculent, le gêne vous serre la gorge, et la colère vous embrase. Vous êtes, en effet, en colère contre la manière dont votre pays est réduite dans la presse : à des laissés pour compte semant la pagaille, détruisant les rares magasins qui opèrent dans un pays qui ne fonctionnent plus depuis longtemps, posant des barricades enflammées, et lançant des pierres sur le Palais National. Vous êtes en colère parce les réponses qui vous sont posées par les étrangers qui regardent comme vous et qui n’en comprennent rien, sont impossibles à répondre. Faut-il commencer par 1492, parler de la découverte, de l’esclavage, de la prospérité de l’ex Perle des Antilles, de la lutte pour l’Independence, de Toussaint Louverture ? Ou faut-il conter la déchéance qui ponctue notre quotidien depuis 1804, l’occupation, la dictature, les massacres, la démagogie qui a revêtu des allures de démocratie avec Aristide, puis s’arrêter sur les kidnappings, les coups d’état, la pauvreté, l’indigence, et le désespoir qui nous hantent de façon quotidienne. Car ceux qui n’y connaissent rien le plus simplement du monde peuvent poser l’équation faim + pauvreté + hausse des prix = manifestations + démission du Premier Ministre + violence, et argumenter qu’une augmentation de l’aide alimentaire devait suffire à réduire la faim.
“Nandritra ny herinandro vitsy lasa izay dia niverina ho amin'ny matoam-pejy indray i Haïti. Na manao akory elanelan-tany manasaraka anao aminy dia tratr'ireo vaovao izay manenjika anao ihany ianao, ozokozonin'ireo sary, manakenda anao ny fahasahiranan-tsaina, ary farany dia mirehitra noho ny fahatezerana ianao. Misafoaka tokoa mantsy ianao, raha mamaky ny hakelezan'izay firenenao rehefa taterin'ireo gazety : andian'olo-mahantra tsy misy mpiahy izay mandroba, sy mamaky ireo tranombarotra vitsy izay mbola misokatra anivon'ny firenena izay efa nitsahatra ela tsy nihodina intsony, mandoro toha-dàlana, mitora-bato ny tranon'ny filoham-pirenena. Misafoaka ianao satria sarotra ny mamoka ny valinteny izay takian'ny fanontanian'ireo vahiny izay mifanena aminao, sady mba very hevitra koa manoloana izao raharaha izao. Moa ve mila atomboka amin'ny taona 1492 ny fanazavana, ny nahitana io nosy io “voalohany” indrindra, ny fanandevozana, ny famirapiratana ara-toekarenan'ity perla fahinin'ny vondronosy Antilles ity, ny tolona hoan'ny fahaleovantena, ny momba an'i Toussaint Louverture [maherifò sady ngezalahin'ny tolom-panafahana ireo andevo Haïtiana] ? Sa ve mila tanisaina ny fitontogan'ny andavan'androntsika hatramin'ny taona 1804, ny fanjanahantany, ny fitondrana jadona, ny fanaovana vono-moka, ny kobak'am-bava izay notafiana demôkrasia nanditra ny fitondran'ny filoha Aristide, dia avy eo mitanisa ireo fakana an-keriny, ireo fanonganam-panjakana, ny fahantrana, ny maha-fadiranòvana, sy ny famoizam-pò izay sedraintsika isan'andro vaky izao. Satria ireo izay tsy mahalala dia afaka mametraka fotsiny ny kajikajy tsotsotra kere + fahantrana + fisondrotry ny vidin'entana = rotaka + fionganan'ny Praiministra + herisetra, sy mihevitra fa ny fampitomboana ny fanampiana ara-tsakafo dia tokony ho ampy hampihenana ny kere.”
Mais vous qui connaissez Haïti, qui respirez encore son air en dépit de la distance, qui pleurez encore en silence quand vous avez un parent au bout du fil, vous savez que la situation est loin d’être aussi simple. Vous savez que ces manifestations ne sont pas innocentes, qu’il y a des mains derrière ces actes de violence, que ces soit disant revendications ne sont pas dues au hasard, que le renvoi du Premier Ministre ou l’octroi de l’argent n’arrangerait pas grand chose, et que ces manifestants ne sont que des pions entre les mains habiles des malades du pouvoir.
“Fa ianareo izay mahafantatra tsara an'i Haïti kosa, ianareo izay mbola mifoka ny rivotra ao aminy na dia elanelanin'ny halavirana aza, mbola mitomany an-tsokosoko rehefa miresaka amim-kavana an-telefaonina, ianareo mahalala fa tsy tsotra ny raharaha. Fantatrareo tsara fa tsy tongatonga ho azy ireny rotaka ireny, fa misy tànana miafina ambadik'ireny herisetra ireny, fa tsy kisendrasendra ireny fitakiana ireny, ka na ny fionganana'ny Praiministra na ireo tolo-bola fanampiana dia tsy hampiova zavatra firy, satria vatom-panorona ampelatanan'ireo fetsy izay tsy mihevitra afatsy ny handrombaka ny fitondrana ireny mpikomy ireny.”
Parce que vous la connaissez la froide vérité, vous en avez marre. Vous avez beau fuir ces manœuvres politiques, vous avez beau rompre avec Haïti, vous avez beau vous résigner à votre condition de « sans pays », il suffit de ces moments pour que votre pouls s’accélère, que votre cœur se met a palpiter, que vous avez envie de vous arracher les cheveux, de maudire le destin, et de vous rendre a l’évidence, pour la énième fois, que vous avez bien fait de vous en aller.
“Satria ianareo mahafantatra ny marina, no sady efa leon'izany. Na dia miezaka ny handositra ireny hafetsifetsena ara-pôlitika ireny aza ianareo, miezaky ny hanapaka fifandraisana amin'i Haïti, miezaky ny mitampify amin'ny maha- « tsy manana firenena fihaviana », indray mipi-maso amin'ireny fotoana ireny monja dia ampy hampiverina indray halakin'ny fitempon'ny fonareo, ny fonareo miha-mihazakazaka, ianareo zary te-hanongotra ireo voamasonareo roa, ka te hiantso tody, ary mamerina manamafy indray fa fanapahan-kevitra tandrify sady nety ny nandaozanareo an'i Haïti.”
Any amin'ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô, Musengeshi Katata no manapariaka ao amin'ny Forum Realisance, ny lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “Tany Haïti androany. Fa hanerana an'izao tontolo izao rahampitso” [Aujourd´hui Haïti, demain toute la périphérie], raha mandinika ny toe-draharaha izay niseho tany Haïti sy Egypta.
Fakafakain'i Katata ny fifandrohizan'ny hasarotana ara-tsakafo ankehitriny, sy ny fahasimban'ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao, ny fitombon'ny filàna angovo, solika notrandrahana avy tamin'ny zava-maniry, sy izay fomba ataon'i India sy i Shinaizay, izay fatra-pandroso fatratra saingy tsy mampiasa ireo teknolojia raitra farany mikasika ny fitsitsiana angovo, ary mandeha any Afrika hikaroka harena voajanahary.
Dia velom-panontaniana izy hoe “Nahoana i Afrika no dia ela vao tonga saina fa vao mainka aza hihasarotra izany [fampandrosoana] any aoriana any ?” sady maminany fa “ireo taona izay ho avy dia ho sarotra tokoa, sarotra loatra ka hampanontany tena antsika raha tsy any Afrika no misy ny helo” satria “toy ny efa fanaony, ireo firenena efa manankarena dia vao mainka hitambesatra amin'ireo firenena mahanatra ka hampitombo ny fahasarotana izay efa eny an-tsorony …”
Amin'ny faran'ny lahatsorany anefa, dia amin'ireo olomangan'ny Afrikana ohany no ametrahan'i Katata ny andraikitra lehibe indrindra, satria heveriny fa amin'ny taona izay ho avy dia “hipoaka avy ao anatiny ka ho rava ny ankamaroan'ireo fitondrana tsy mahavòa raha sy saribakoly” raha tsy mety tonga saina ry zareo fa miankindoha amin'ny tombotsoan'ny vahoaka ireo tombotsoany.
…le Tsunami, comme l´écrit un de nos confrères de l´Internet, va bientôt atteindre l´Afrique avec, comme le prédit la Banque Mondiale, de chaudes révoltes et des famines sans issues. Comment pouvons-nous présenter les choses pour que les élites noires et africaines comprennent qu´elles sont en train de dormir, et que leurs vues des choses est désastreuse et préjudiciable au bien être et à l´avenir des leurs ? Faut-il que les africains, les afrodescendants continuent toujours à se faire rouler par l´occident, et à négliger de voir les choses telles qu´elles sont au risque de subir, de décennies en décennies les graves vicissitudes chroniques du manque et de la pauvreté ? C´est à se demander : les noirs se refusaient-ils à réfléchir et tirer des conclusions utiles ou n´en étaient-ils pas capables ?
“… araky ny nosoratan'ny namana teto amin'ny Aterineto dia tsy ho ela intsony dia hihazo an'i Afrika ny “Tsunami,” manamarina izay noheverin'ny Banky Iraisampirenena [Banque Mondiale], manambara rotaka mavaivay sy kere tsy misy fanafany. Akory re no fomba hanambarantsika izany mba hamoha ireo olomanga Afrikana izay mbola sodrian-tory, sy hanazavana fa ny fomba fijerin'izy ireo dia sady lolomorina no hitari-doza hoan'ny mpiray monina aminy ? Moa ve efa anjaran'ny Afrikana, sy ireo taranaky ny Afrikana ny mbola hotsetsefin'ny Tandrefana, sy mikipy amin'ny zava-misy ka hisedra amam-polon-taonany maharitra ireo vokadratsin'ny tsy fisiana sy ny fahantrana ? Mampanontany tena hoe : moa ve mandà ny hieritreritra sy hamoaka tsoakevitra mahasoa ny mainty hoditra sa tsy afaka manao izany tsotra izao ?”
Tous les pays qui vivent de l´aide internationale, tous ceux qui n´ont pas développé à domicile leur propre agriculture sous l´aide et les promesses fallacieuses des pays industrialisés, vont connaître, dans les années qui suivent, de dures années de vache enragée. La crise économique que nous connaissons depuis bientôt 30 ans va s´accentuer et effriter les maigres moyens de tous les pays pauvres. Et ceux qui espèrent ou croient que l´aide internationale pourrait les aider à adoucir les choses se trompent encore une fois: cette aide, quoique soulageante, est un véritable poison si parallèlement, et cela malgré la misère et la pauvreté, un effort accru n´est fait pour pallier à ce genre de pénurie dans l´avenir. Parce que, avouons-le, l´aide corrompt et trompe bien les apparences ; ce qui empêche souvent, comme on le sait, de voir « l´arbre », le mal tel qu´il se présente et d´y remédier le plus judicieusement que possible. Par ailleurs, l´endettement des pays industrialisés actuellement est effrayante, et cela va provoquer prochainement, accumule au chômage, des crises sociales remarquables.
“Ireo firenen-drehetra izay miankidoha amin'ny fanampiana iraisam-pirenena, sy ireo rehetra izay tsy nitrandraka ao aminy ny fambolena fa nanatena ny fitapitaky ny toky nomen'ireo firenena mandroso dia hisedra fijaliana fatratra amin'ny taona maro ho avy. Ny krizy ekônômika izay sedraintsika efa ho 30 taona izao dia hihahenjana ka hikiky ny ambibava kely sisa am-pelatanan'ireo firenena mahantra. Ary ho diso fanantenana indray ireo rehetra izay manantena na mametraka ny fitokisany amin'ny fanampiana iraisam-pirenena mba hanamaivana ny vesatry ny hanoanany : ireo fanampaiana ireo, na dia atao aza hoe manamaivana izay mahararin'ny tsy fisiana sy ny maha-fadiranovana, dia tena poizina mihitsy raha tsy ampiarahina amin'ny fanarenana ny toe-draharaha mba hialana amin'ny fiverimberenan'ny voina toy izany amin'ny ho avy. Aoka isika samy hiaiky fa miteraka voka-dratsy sady mifono fitaka ny fanampiana; izay matetika manafina ilay « hazo » dia ilay faharatsiana arak'izay tena fitrangany ka manakana koa ny fitadiavana izay fanafana tandrify. Miampy izany koa, ny trosan'ireo firenena mandroso ankehitriny dia efa mihoa-pampana mihitsy, ka hanaampy ny lozan'ny tsy fisian'ny asa [efa hita ankehitriny] dia hiteraka krizim-piaraha-monina goavana hafa koa izany.”
Haiti: Ny anton'ny rotaka
Lazain'ny The Haitian Blogger  (mpamaham-bolongana Haisiana) fa “diso toerana (babangoana na hafahafa) ny mandre ny filazan'ny  Amerikana ‘fahombiazana' tamin'ny rotaka miady hanina any Haiti.”
Brezila sy Haiti: Rio de Janeiro sy ny Mpampandry tanin'ny Firenena Mikambana
Namakafaka lalina i Aloisio Milani [pt] fa “mety ho foto-dalàna sady azo heverina no azo ampiharina amin'ny fampanjakana ny filaminam-bahoaka ny fidiran'ny tafika an-tsehatra anivon'ny tanàna breziliana efa miaina herisetra isan'andro,  noho ny fisiana fikambanana jiolahy voalamina any an-toerana, ny fahombiazan'ny miaramila misatro-manga (n'ny Firenena Mikambana)”.  Nahare loharanom-baovao avy amin'ny tafika, (ny fivorian'ny) Minisitry ny fiarovana, ny fikambanana tsy miankina maro samihafa ary ireo manam-pahaizanaizy, ary havoakany tsikelikely mandritra ity herinandro ity ny andian-dahatsoratra sy nyresadresaka nataony.
Haïty : Momba ny vidin'ny Fampandrosoana ?
Dictators, Peace Corps Volunteers, governments, activists, non profits, for profits, companies all talk about development - but can we agree on what it is?
“Mpanao didy jadona, mpiasa an-tsitrampò hoan'ny fandriampahalemana (Peace Corps), governemanta, mpivoy (isan-karazany), ONG, orinasa (samihafa), dia samy miresaka fampandrosoana avokoa - anefa ve mitovy akory ve ny fihevitra manodidina izay antsoina hoe fampandrosoana ?”
izany no fanontanian'i Bryan ao amin'ny blaogy Haiti Innovation, raha mamoaboafy mikasika ny tetikasa hanorenana tohan-drano hitrandrahana herin'aratra ao amin'ny nosy izy.