Global Voices amin´ny teny malagasy » Guatemala

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo
Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra any Amerika Atsimo no indray miara-miravoravosy mizara ireo fihetseham-pony.

Ekoatera - Cronica Cero manoratra ny lafiny fanoharana [icon, icône] mikasika an-dRtoa Betancourt :

LIBRE. Así, con mayúsculas. (…) Betancourt alcanzó una imagen mundial, universal. (…) Abrimos periódico con ella y nos regocijamos con su liberación, nos hermanamos con los colombianos, con aquellos que buscan la paz antes que la confrontación. Betancourt es un ícono de la lucha contra el secuestro. Hoy, Colombia amanece diferente. Creo que el mundo, el que se relacionó y conmovió con su historia, también

AFAKA. Amin'ny sorabaventy ohatr'izao. (…) Nanjary fanoharana manerana izao tontolo izao Rtoa Betancourt. (…) Nosokafanay ny gazety dia hitanay ny fahafahany, miombom-pifaliana amin'ireo rahalahy sy anabavy Kôlômbiana izahay, ireo indrindra izay nikatsaka ny fandriam-pahalemana talohan'ny fifanoherana. Fanoharana mikasika izay ny ady amin'ny fakana olona an-keriny Rtoa Betancourt ankehitriny. Nifoha amin'ny rivotra vaovao ry zareo Kôlômbiana androany. Ary heveriko ho toy izany koa izao tontolo izao, izay nitatitra ny tantarany sy tohin'izany.

Bolivia - Carlos Gustavo Machicado Salas avy ao amin'ny Guccio's kosa mamakafaka ny fanambarana izay nataon-dRtoa Betancourt dieny izy afaka :

para mi lo más importante es el mensaje de amor y perdón que nos dio Ingrid, que rezo por los muertos y por los guerrilleros y además les ofreció su perdón. Después de las penurias y los maltratos que tuvo que vivir uno pensaría que solo tendría odio y rencor en su alma, pero no al contrario irradia una paz espiritual y un apego a Dios increíble. Realmente algo muy lindo y que a todos nos debería hacer reflexionar en relación a cual debe ser nuestra actitud frente a la vida.

raha ny amiko manokana dia ny fitoriana fitiavana sy famelan-keloka nataon'i Ingrid no lehibe indrindra, ny nilazany fa mivavaka hoan'ireo rehetra nodimandry sy ireo mpiada anaty akata izy, sy ny namotsorany sahady ny helok'izy ireo. Taorian'ny fahasarotana sy ny herisetra izay nosedrainy, dia mety ho nihevitra isika fa fankahalàna sy lolom-po no nameno ny fanahiny, mifanohitra tamin'izany anefa, fahatoniana ara-panahy sy fifikirana mafy mahagaga amin'Andriamanitra, no taratra mamiratra avy ao aminy. Tena zavatra mahagaga loatra izay tokony hisarika antsika tsirairay handini-tena mihitsy izao.

Arzantina - Marian B ao amin'ny Miscellaneous, Nonsensical and Unnecessary Ramblings koa dia manindry mikasika ny fanambaran-dRtoaBetancourt :

Estoy escuchando su discurso en el aeropuerto y le tengo envidia a los colombianos por contar nuevamente con una política excelente, excepcional e

increíble como ella. A Colombia le va a ir increíblemente bien si se presenta para las elecciones y la eligen.

Eo am-pihainoana ny kabariny eto amin'ny seranam-piaramanidina aho dia velom-paniriana ireo Kôlômbiana aho ny ahafahany indray miantehitra amina pôlitisiana tsara sy tokana an-tany ary mahatsikaiky toa azy. Tombotsoa lehibe hoan'i Kôlômbia mihitsy raha toa ka mirotsaka ho kandida sy voafidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka izy.

Gatemalà - Prensa Negra ravo satria tsy nisy nidiran'ny filoham-pirenena Venezoelana Hugo Chávez ity fanavotana ity :

Se logro el rescate de Betancourt, sin duda alguna, el secuestro mas controversial de los ultimos años de las FARC, y lo mejor de todo sin la ayuda de Chavez por que si hubiera tenido algo que ver con esto quien le oyera la trompa ahora al pizado!.

Tsy misy fihambahambana fa ny fanavotana an-dRtoa Betancourt, vokatry ny fakana an-keriny nataon'ny mpiady anaty akatan'ny FARC no niteraka adihevitra indrindra nandritra izay taona maro lasa izay. Ary mahafinaritra fa tanteraka tsy nisy nitsofotsofohan'i Hugo Chavez izany, raha tsy izany dia efa nieboebo indray eran'izao tontolo izao ny lehilahy !

Però - Menoscanas mikasika izay mety ho fiantraikan'izany amin'ny vondron-tafika mpiady anaty akatan'ny FARC :

Sonrisas de los ex rehenes evidencian uno de los golpes más duros a las FARC debido a que todos los ojos del mundo se encuentran sobre Colombia en este momento. El caso de Ingrid Betancourt es el más reconocido y las sonrisas y abrazos entre los ex rehenes y el reencuentro con sus seres queridos nos muestra como luego de largas pesadillas, uno puede despertar.

Ny tsikitsiky mandravaka ny tavan'ireo olona nohafahana dia mampiharihary fa isan'izay fahavoazana lehibe indrindra nosedrain'ny vondron-tafika mpiady anaty akata FARC hatramin'izay izy ity nohon'ny mason'izao tontolo izao izay voasarika hijery ny zava-misy any Kôlômbia. Ny ohatry Rtoa Ingrid Betancourt no isan'izay mazava indrindra ary ireo tsikitsiky sy orokoroka izay ifampizaran'ireo olona voatana an-keriny nohafahana sy ireo fianakavian'ny tsirairay dia mampiseho fa afaka taitra amin'ny torimaso ihany, na dia tao aorian'ny nofiratsy maharitra aza.

Diana Zorrilla of Morena Escribe [es] writes:

Ella se convirtió en el ícono del flagelo que han infligido las FARC al pueblo colombiano y su liberación junto con la de los otros catorce es una importante victoria moral para Colombia

Nanjary fanoharana mikasika ny kapoka karavasy izay nataon'ny FARC ny vahoakan'i Kôlômbia Rtoa Ingrid Betancourt, ary ny fanafahana azy sy ireo olona 14 hafa mpiray fakana an-keriny taminy dia fandresena ara-môraly lehibe hoan'i Kôlômbia.

Paragoay — Edwin Britez ao amin'ny Derecho Viejo [es] wrote about Betancourt earlier in December, and returns with the good news spread throughout the country:

Me reconforta saber que hoy mucha gente salió a las calles de Asunción, por lo menos a expresar su contento con bocinazos, por la libertad de Ingrid. Muchas de ellas son mujeres. Hoy, todos somos de alguna manera, un poco más libres que antes.

Nankaheritena ahy ny nahita fa nohon'ny fanafahana an-dRtoa Ingrid Betancourt, dia mponina maro no nivoaka tany an-dalambe mba hanambara ny hafaliany amin'ny alalan'ny fampandrenesan'ny fiarakodia. Vehivavy ny maro tamin'izy ireny. Azo ambara fa androany, dia mihoatra ny omaly ny fahafahantsika tsirairay.

Sary tapaka nindramina tamin'i Pixiduc

Tohanan'ny daholobe ny fanamelohana ho faty
Sary “brooms head romans.. ” an'i Antigua Daily Photo arovan'ny  licence Creative Commons.

Ny tsirairay dia afaka mahita izay fifanoherana eto Guatemala momba ny fanamelohana ho faty izay. Andaniny, ireo Guatémaltèques dia mandray anjara mavesatra amin'ny fihetsiketsehana ara-pinoana karakarain'ny Katolika sy ny Protestanta mandritry ny herinandro masina, fotoana natao indrindra ho fahatsiarovan'ireo mpino ny namonoana an'i Jesosy (Jesoa) Kristy. Na izany aza, ny ankabeazan'ny Guatémaltèques dia manohana tanteraka ny sazy fanamelohana ho faty. Voalohany indrindra, nambàra fa tsy hoampiharina amin'ireo nahavita heloka bevava ity fanamelohana ho faty ity (miisa maherin'ny 40 any ho any), ary nanohana izany ny fiombonam-be iraisam-pirenena, izy tena tsy nahafàly velively ny olon-tsotra maro. Nilaza ny Filoham-pirenena fa mifanohitra amin'ny lalampanorenana ilay didy, nefa ny lalàna tsy maintsy ampiharina.

Nizarazàra be ihany ny fijerin'ny mpitoraka blaogy, ao ny mpomba, ao ny manohitra azy io. Mampalahelo anefa, taratra amin'izany rehetra izany ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fisian'ny fitokisana intsony ny rafitra misy. El Toronteco dia naneho mazàva ny momba izay fifanoheran-kevitra izay ho ” Hambo diso toerana” amin'ny hafatra nalefany nilazany hoe:

Ampahefatra taon-jato iray no nitomboako teto Guatemala fa tsy dia nazàva loatra ity resaka fanamelohana ho faty ity. Nisy izy io, nampiharina indraindray, nolazaina nandritry ny fampahalalàm-baovaon'ny mitatao vovonana koa aza. Henoko ny fitsérana, ny eritreritra, avy any anatin'ny mason'i Tia Luz izay mpanampinay fony fahazazako, ananany trosa be tokoa aho toy ny fananany trosa koa amin'ireo raiamandreniko. Ny fihetseham-pony no ilazàny ho an'izay voagàdra, na noraofin'ny polisy, na ratsy kokoa noho izany, dia ireo rehetra anatin'ny lalantsàran'ny fahafatesana ho “Pobrecito” adikantsika malalaka hoe ‘ilay mahantra'.

Ny fitsérana olona nanao heloka bevàva dia zavatra tsy dia fahita firy, indrindra aty Guatemala, izay vantany vao mampifandray ny ‘Zon'olombelona' amin'ny nanao heloka bevava dia tonga loharanon-kotaba (korontana) ho an'ny olon-drehetra sy raisiny ho toy ny famelàna ny sasany ho afa-maina tsy misy arakaraka amin'ny hadalàna vitany. Amin'izao fotoana ieritreretako ny hametraka azy ho toy ny mainty ambonin'ny fotsy izao (hampibaribary) dia mànana dikany maro ny hoe Zon'olombelona aty Guatemala. Andaniny dia atrehintsika ny resaka fifamonoan'ireo niady nanohitra ny governemanta  (nandrodana ny foto-drafitrasa tena nilaina teto amin'ny firenena, tsy maintsy lazaiko hanakoako ny “fomba fijery amin'ny maha reny” ananako); ireo izay lazain'ny fiombonam-be iraisam-pirenena ho toy ny mpanao heloka bevàva amin'ny zanak'olombelona, ireo atidoha sy mpanatanteraka ny asa ratsy famonoana nandritry ny ady (geurre civile) sy taorian'ny fifanaràhana fampandriana fahalemana tamin'ny 1996. Ankilany dia mànana ny zon'olombelona natao ho an'ny mpanao heloka isika, izay tsinontsinoavin'ny sarambabem-bahoaka tanteraka. Fitsaràm-bahoaka “Linchamientos (” lyncher”) no làlana mahazatra hitan'ny olona ho fandraisana an-tànana sy hampihàrany ny lalàny, an'ny daholobe toy ny fidanadànan'ny Làpan'ny tanàna. Ambonin'ny herisetra, hazain'ny daholobe ny mpanao heloka (na io olona saika hangalatra solomaso, na noahiahiana, na nanàndrana naka ankeriny zazakely), ary dia voadaroka mila ho afaka hatramin'ny ainy, mandra-pahatongan'izay “tomponandraikitra”. Tanatin'io ve no nohamaivanin'ny Guatémaltèques ny resaka Zon'olombelona, fa tsy tamin'ny famonoana faobe”.

Toy izay nambàran'i Miguel Arriaga, mpitoraka blaogy ao amin'ny hàfany hoe Pena de Muerte en Guatemala [es]:

Mi postura es totalmente a favor de la pena de muerte, y tengo entre otras, dos razones que considero v lidas. La primera, es que debe hacerse cumplir la ley, si la ley dice 5 a¤os que se den 5 a¤os, si 10 pues que se den 10, y si la ley dice pena de muerte se debe aplicar; porque de antemano se sabe cuales delitos se castigan con la pena de muerte y el delincuente lo sabe, y si aun sabiendolo delinquio, pues que se le de la pena maxima.

Izaho manokana dia mankasitraka ny fanamelohana ho faty, antony roa raha kely indrindra no mahatonga ahy hilaza izany. Voalohany, tokony hampiharinareo ny lalana, raha 5 taona no sazy, ampiharo, raha 10 taona, omeo 10 taona ry zareo, raha fahafatesana no sazy, tokony hampiharinareo, satria efa fantatra mialoha hoe ny heloka toy inona no voasazy fanamelohana ho faty ka raha nankahatra sy tsy niraharaha izany ilay nanao ny heloka bevava dia tokony ho vonoina ho faty.

Etsy ankilany kosa i Luc¡a, izy milaza amin'ny ­Que pena con la Muerte! [es]:

Por supuesto que hay tipos a los que dan ganas de matar, y mejor si es lenta y cruelmente. Conozco a unos cuantos que merecer¡an bailar eternamente en la horca. Tambi‚n s‚ que las c rceles de Guatemala son escuelas del crimen, y que nosotros pagamos la comida de los presos, etc‚tera, etc‚tera. Pero de eso a pensar que la pena de muerte es justificada en una cultura hay mucha diferencia. ¨Tiene un ser humano derecho a quitarle la vida a otro.

Ekena tokoa fa misy olona izay irianao mihitsy hovonoina, ary toa tsaratsara mihitsy aza ny hampitarazohana sy hampangirifiriana izany fahafatesana izany. Mahafantatra maro koa aho tokony hahantona. Fantatro koa fa lasa toeram-pianàrana ho an'ny mpanao heloka bevàva ny fonjan'i Guatemala, ary tsy maintsy mandoa hetra isika mba hihinanan'izy ireny hanina, sns…. Na izany aza anefa, mbola lavitra ezaka ny hahafàhana manamàrina ny fanamelohana ho faty ao anatin'ny kolontsaina, Manan-jo hanàla ain'olona iray mitovy aminy ve ny olona iray hafa?

Eken'ny fiangonana protestanta sasantsasany ny fanamelohana ho faty, araka ny fanazavàn'i El Blog de Chapu [es]:

Me referir‚ con todo respeto a la actitud tomada por la Alianza Evang‚lica, ellos dicen que: “Dios nos cre¢ a imagen y semejanza y, por lo tanto, el que alguien destruya su propia imagen y semejanza merece el m ximo castigo posible. No hay duda de que Dios es no s¢lo el Creador del hombre, sino creador de la pena de muerte”. El pastor general de la Fraternidad Cristiana dijo que: ” el hombre es una creaci¢n divina y cuando alguien atenta contra esa creaci¢n, se merece y se gana el derramamiento de su propia sangre”. Recuerda que cuando crucificaron a Jesucristo, hab¡a otros condenados a muerte, cuya sentencia fue ejecutada..

Mindrana tsy mihambahamba ny fomba fijery noraisin'ny “Alliance Evangelique” aho, hoy ry izy: “Andriamanitra dia namorona ny olona ho tahaka ny endriny, koa, raha misy olona manimba izany endrik'Andriamanitra izany, dia tokony hampiharina aminy ny sazy fàran'izay henjana indrindra. Tsy asiana adihevitra. Tsy mpamorona ny olona fotsiny Andriamanitra, fa mpamorona koa ny fanamelohana ho faty”. Ny mpitarika ny Christian Fraternity dia nilaza fa :”Zavaboaharin'Andriamanitra ny olombelona, koa raha misy olona manao zavatra mifanohitra (manimba) izany zavaboahary izany, mendrika ho azy ny halàtsa-drà. Nazavainy fa tamin'ny namonoana an'i Kristy, nisy koa teo olon-kafa novonoina.

Anatin'ny hàfany: Deshojando la Margarita. i Hablando de Guatemala [es] mpitoraka blaogy dia nilaza toy izao:

Estados Unidos nos da un ejemplo, ellos no la han abolido y en varios estados aun sigue siendo la pena m xima. ¨Entonces porque aqu¡ no? µlvaro Colom tiene dos opciones ser Ner¢n o Ser Pilatos las dos opciones son dif¡ciles pero hay que analizar la situaci¢n detenidamente y hacer lo que la sociedad demanda, lo que la mayor¡a demanda. As¡ funciona la democracia. ¨Y las victimas que pensaran? ¨Acaso no es correcto hacerles justicia? ¨La ley del Tali¢n acaso?

Manome ohatra antsika i Etats-Unis, tsy nanafoana ny fanamelohana ho faty zareo, ary mbola io no sazy faratampony any amin'ny fanjakana maro. Koa maninona no tsy ho tahaka ny any ny aty? Angamba i Alvaro Colom mety ho azo ampitahaina amin'i Neron na (Pontius) Pilate izay azo lazaina ho ny henjana indrindra, saingy tokony hojerena lalina kosa ny tranga miseho sy ny betsaka tokony hatao eo amin'ny fiaraha-monina. Endriky ny Demokrasia izany. Ary ny momba ny nihàram-pahavoàzana kosa indray? Tsy ara-dràriny ve raha asiam-pitantànana sy fitsàrana tsy mitanila ho azy ireny? Loi Talionis, sa…

Mandritry ny herinandro masina dia rakotry ny voninkazo sy ny sarin'i Kristy ny làlan'i Guatemala. Hitanao eny ny mpivarotra voninkazo, mpivarotra labozia, olona mifamoivoy eny an-dàlambe amin'ny alina, mpifanolo-bodirindrina mifanome tànana mikarakara fety. Aty Guatemala, miaraka amin'ny fanohànan'ny olona sy ny valin-teny sadasada avy amin'ny Filoham-panjakana, ny fanamelohana ho faty dia mbola mihàtra, ary olona roa nanao heloka bevàva no hovonoina ato anatin'ny herinandro ho avy. Talohan'ny fialantsasatra (fety) no nanomboka naka toerana ity adihevitra ity.

Goatemala : Bokina minisitry ny fampianarana teo aloha
Ronald Flores no mijery todika ny boky vaovao nosoratan’i María del Carmen Aceña mitondra ny lohateny hoe “Ahoana rehefa Minisitry ny fampianarana eto Goatemala, mampihatra ny fanavaozana ary tsy rendrika am-panatanterahana: Boky fampiasan-tena.” Manoro hevitra ny mpamaky i Flores hividy ity boky “tena ilaina” ahitana ny haizatran’i Aceña tao amin'ny governemanta Goatemalteka ity.

Goatemala : Ny fomban-drazana fandoroana devoly
Hazavain’ny jiro iriariavan’ny ankizy milalao an-dalambe ny manodidina, fialantsasatra tokoa manko izao ary efa mandindona ny maro sahady ny fetin’ny krismasy. Hifangaro toy ny isaky ny volana desambra indray ny fivavahana sy ny fomban-drazana isankarazany.

Misy fomba « fandoroana ny devoly » izay fanao isaky ny 7 Desambra indrindra fa aty an-tanan-dehibe hoy Desde Guate [es] mitantara azy amintsika:

El 7 de diciembre se celebra en Guatemala una tradición muy arraigada que llena de fuego las calles y de humo el cielo. Se trata de la tradicional quema del diablo, a través de la cual los ciudadanos expulsan todo lo malo de sus casas y sus vidas, en otras palabras, este personaje es el rostro de todo lo que es visto como negativo (mala suerte en el trabajo, amor, salud, etc).

Misy fomba raikitapisaka fanao eto Goatemala isaky ny 7 Desambra, fa feno lavenona (na tapaporohana) ny arabe ary feno setroka ny lanitra. Ny fandoroana ny devoly io fomba io, izay fanao handroahana ny ratsy hiala amin’ny trano sy ny velona. Izany hoe raha lazaina amin’ny fomba hafa dia fandroahana ireo endrijavatra mahaory (vitandratsy any ampiasana, na amin’ny fahasalamana, na eo amin’ny fitiavana, sns)

Ao amin’ny lahatsoratra The hell with it! (ny helo miaraka aminy !) dia nadika sy nohavaozin’i El Toronteco ny lahatsoratra taloha efa nosoratan’ny mpamaham-bolongana Ronald Flores [es], izay nahazo ny hevitra sy ny fomba avoitran’ny “fandoroana ny ratsy”:

Me han dicho que quemar esta ensarta de cachivaches y papelejos era hacer que el diablo ardiera en sus propias llamaradas, que era necesario para entrar a la época navideña con la casa limpia. En ese contexto, confieso que he practicado más de una vez este interesante rito de purificación. He lanzado a las llamas cuadernos de clases que durante el año aborrecí, cartas de amores fallidos y de reproches que recibí o que escribí sin enviar, fotografías en las que no salí como quise, manuscritos de novelas sobre las que ya jamás pienso volver.

Me gustaba, en el frío de diciembre, acercar el rostro y las manos a las llamas, ir deshojando los cuadernos, ver cómo el papel se consumía y las letras que resaltaban sobre la blanca hoja se iban difuminando en la negra tinta de la ceniza. Hoy pienso hacer algo similar, aunque distinto. Voy a salir a la calle al final del día. Voy a sacar los rencores todos, los que he venido acumulando durante este último año, las envidias todas, los dolores todos y les voy a hacer arder en la hoguera de vanidades que ando arrastrando torpe e inútilmente conmigo.

Nolazaina tamiko fa ny fandoroana korontan-javatra (na firavaka na ody) sy zavatra (antontan-taratasy) misy soratra vita printy dia fandoroana ny devoly ao amin’ny afobe misy azy, ary tsy maintsy atao io fomba io mialoha ny fankalazana ny Krismasy anaty trano madio voafafa. Ao anatin’izany toe-draharaha izany dia manaiky aho fa efa nampihatra ity fombam-panadiovana mahaliana ity matetika. Natsipiko anaty afo ny fandraisako an-tsoratra ireo zavatra nandamoka rehetra nandritra ny taona, ny taratasim-pitiavana tapaka ary ny fanakianana (tsiny) azoko. Nariako ihany koa ireo taratasy nosoratana nefa tsy lasa, ny sary tsy nivoaka araka ny nitoavako azy ary ny sora-tanana mirakitra tantara foronina tsy tiako hokasihina (iverenako) intsony.

Tiako ny hatsiakan’ny volana Desambra, mampanakaiky ny tavako sy ny tanako akaikin’ny afo ary mandrovitra takelaka avy amin’ny kahie, dia mijery hoe efa taratasy firy moa izay no lanin’ny afo ary levona manaraka azy any ny ranomaintin’ny soratra nameno ny takelaka ary ny ranomaintin’ny lavenona sisa mibahana ny toerana. Mbola mikasa hanao tahaka izany ihany aho anio, na dia hafa kokoa aza no hataoko. Hivoaka eny andalambe aho amin’ny fanombohan’ny takariva. Ho entiko manaraka ahy avokoa ny likiliky niangona tato anatiko nandritra ny taona lasa, ny fitsiriritako rehetra, ny rofy sy ny naharary ary dia hodorako ao amin’ny afo fandoroan’ny « tsinontsinona ireny » tsy nokolokoloiko loatra avokoa ireo rehetra ireo.

Manra [es] kosa maneho hoe nahoana moa no special ity vanim-potoana ity

El diablo ya fue quemado a estas horas, ahora es ceniza nada más, espero que en esas llamas se hayan ido por un rato al menos nuestras penas, nuestros sufrimientos, que este frío nos traiga vientos nuevos, nuevas vibras.

Lasa izay ny devoly, lavenona sisa mijanona, ary manantena aho fa lasa niaraka tamin’ny afo ny aretina sy ny rofy, ary hitondra tsioka mamelombelona sy rivo-baovao ny hatsiaka.

The funny blog Los Tragos [es] mpamaham-bolongana mahatsikaiky aza moa dia nandroso soso-kevitra ny amin’ny zavatra tokony hosotroina amin’ity andro ity ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Satana.

Ingredientes

1 oz. de Hesperdina (Aperitivo elaborado con corteza de naranjas)

1/2 oz. de Ginebra

1/2 oz. de Whisky

1/2 oz. de Tequila

1/2 oz. de Ron

1/2 oz. de Vodka

Granadina

Hielo

Preparación

A un vaso agregar la Hesperdina, la Ginebra , el Whisky, el Tequila,y el Ron; luego la Granadina y por último el vodka prendiéndole fuego. Tomar lo más rápido que se pueda

Zavatra ilainaEraky ny Hesperdina (zavapisotro mahamamo vita amin’ny hodi-boasary)

tapaky ny Gin

tapaky ny Whisky

tapaky ny Tequila

tapaky ny raoma

tapaky ny Vodka

ranom-boankazo Grenadine

gilasyFikarakarana

Tapohy Hesperdina, Gin, whisky, Tequila, ary Raoma ny gilasy; avy eo dia raraho ny ranona Grenadine ary asio Vodka amin’ny farany ary dia areheto. Dia sotroy araka izay haingana avy eo

Ankehitriny dia lasa niaraka tamin’ny setroka ny devoly, mbola feno afo sy fahazavana ny alina. Mahavariana amin’izato fanjopiakan’ny lanitra manga ny andro, ary tazana avokoa ireo volokano 33 eto Goatemala tsy misy rahona ary efa manimbolo sahady ny fotoanan’ny Krismasy ianao.

Renata Avila

Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.
Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky

ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona mahery no nifampitadiavana sy niadian-kevitra vao neken’ny Firenena mikambana tamin’ity volana ity ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka Indizeny. Fifanarahana mazava, tsy manankery ho lalàna maneran-tany avy hatrany, miorina amin’ny Zo afa-mitandro ny kolontsaina manokana, ho afaka mizaka tena ary afa-miaro ny harena voajanahary eo aminy.

Namelona adi-hevitra teo amin’ny mpibilaogy manerantany ankehitriny ny toerana misy ny vahoaka Indizeny, ny lanja sy ny fetran’ny Fanambarana ary ny fanamelohana henjana ireo firenena efatra nitsipaka azy: Canada, Etazonia, Aostralia ary Neo Zealandy.

Nosoratan’I K ny hevi-dahibe navoitran’ny Fanambarana:

la Declaración consta de 46 artículos y establece parámetros mínimos de respeto a los derechos de los pueblos indígenas, que incluyen propiedad de la tierra, acceso a los recursos naturales de los territorios donde se asientan, respeto y preservación de sus tradiciones y autodeterminación…El texto también hace hincapié en la importancia de la educación bilingüe y alude a la implementación de medidas especiales para asegurar el mejoramiento continuo de las condiciones económicas y sociales de los ancianos, mujeres y menores, en particular. La Declaración no es jurídicamente vinculante, pero representa un instrumento dinámico en las normas internacionales, que ayudaría a proteger a los indígenas contra la discriminación y marginación.

Nametraka ny fenitra kely indrindra hanajana ny zon’ny vahoaka indizeny ny andininy miisa 46 ao amin’ny Fanambarana. Tafiditra ao anatin’izany ny Zon’ny vahoaka indizeny hizaka ny tany, ny fahafaha-maka ny harena voajanahary eo amin’ny toerana onenan’ireo vahoaka ireo, ny fanajana sy ny fitandroana ny fomba amam-panaony ary ny fahaleovantenan’izy ireo…Avoitran’ny lahatsoratra ao ihany koa ny mahazava-dehibe ny fianarana teny roa ary avela ihany koa ny tsirairay ho afa-manampy fepetra manokana hiarovana ny beantitra sy ny zaza amam-behivavy. Tsy mipetraka hanankery ny Fanambarana, fa ho fitaovam-piasana nanampy ny fiarovana ny vahoaka hafavolokoditra tsy hiharan’ny fanavakavahana sy ny fanositosehana an-tsisiny kosa.

Hoy Democracia Multicultural mikasika ny manjo ny vahoaka hafavolokoditra manerantany :

Democracia Multicultural:

Los pueblos indígenas afirman que sus tierras y territorios están siendo amenazados por la minería, tala, contaminación ambiental, proyectos de privatización y desarrollo, las designaciones de tierras como áreas protegidas o reservas y el uso de semillas genéticamente modificadas, entre otros.

Milaza ny vahoaka hafavolokoditra fa tandindomin’ny fitrandrahana, ny fikapana hazo, ny fahalotoan’ny tontolo iainana, ny fanorenana goavana, ny fanakilasiana ny faritra ho voatokana na voaaro tsy ho azo onenan’olombelona ary ny fanandramana ambioka novana votoaty  (OGM) ny tany ipetrahan’izy ireo ankoatra izay mety ho tranga hafa tsy voatanisa.

Kenya Environmental & Political News Weblog dia nanoratra fa ao Kenya dia miatrika olam-pandroahana sy fandavana ny zony ho afa-mipetraka amin’ny ala ho fonenan-drazany mandrakariva ny Maasai sy ny Ogiekrg.

Ever since colonial times, most of what used to be Maasai land has been taken over, for private farms and ranches, for government projects or for wildlife parks. Mostly they retain only the most arid and least fertile areas. The stress this causes to their herds has often been aggravated by attempts made by government of Kenya and Tanzania to ‘develop’ the Maasai.

Similarly, since colonial times, there have been persistent attempts to evict the Ogiek from their ancestral forest, usually on the pretext that they are degrading it. But when the Ogiek are removed, their forest is not protected but rather exploited by logging and tea plantations - some owned by government officials. In some parts of the Mau forest, groups of Ogiek are now resisting eviction, while in others they face influxes of settlers onto their land. The most serious threat currently facing them all comes from the government’s plan to open up around one tenth of Kenya’s forests - most of it in the Mau forest - to outsiders.

Hatramin’ny andron’ny fanjanahan-tany no nalaina hanorenana tobim-pambolena na fiompiana goavana ho ana olo-tsotra ary novolavolaina ho valan-java-boahary ny tany onenan’ny Maasai. Tahaka izany koa, roadrohina hiala amin’ny tanindrazany ihany koa ny Ogiek, satria lazaina fa mpanimbanimba fotsiny. Nefa raha vao nesorina ny Ogiek dia tsy misy fiarovana ny ala nonenany akory fa fitrandrahan-kazo goavana sy fambolena dite ho ana mpikambana ao amin’ny governemanta no misolo azy ireo. Ankehitriny, misy tsy manaiky hiala amin’ny misy azy intsony ny Mau sasany, anatin’ny fokonolona Ogiek, raha miatrika ny fidiran’ny Voanjo eo amin’ny taniny kosa ny Mau hafa. Ny mahatonga izany toe-javatra izany dia niainga avy amin’ny fanapahan-kevitry ny governemanta hanokatra ampahafolon’ny ala any Keny ka mamela ny vahiny honina any nefa ireo faritra nosokafana ireo dia alan’ny Mau ny ankamaroany.

Nitatitra ny filazan’ny fiaraha-monim-pirenena momba ny manjo ny vahoaka indizeny hafa manerana an’i Afrika koa ny Censored News :

au moment ou des milliers de Batwa dans la région des grands lacs sont affectés par des guerres dont ils ne connaissent pas les raisons, des familles de San sont expropries de leur terre par des fermiers et des parks nationaux. Les forets qui constituent les ressources de survie des autochtones (Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek …etc.) d’Afrique centrale et de l’Est sont détruites, le peuple touareg entre l’Afrique du Nord et de l’Ouest est pris dans le feu d’un conflit d’intérêt d’exploitation de ressources naturelles et géopolitiques des Etats

Amin’izao fotoana izao dia iharan’ny ady tsy mikasika azy akory ny Batwa anarivony monina any amin’ny faritry ny Farihimaro Lehibe, endahina amin’ny taniny noho ny mpiompy sy ny fananganana valan-javaboarim-pirenena ny fokonolona San. Rava ny ala hany loharanom-piveloman’ny Baka, Bageli, Batwa, endoroi, Massai, Ogiek, M’barabek sy ny hafa. Voatemitry ny ady tombotsoa amin’ny fitrandrahana harena voajanahary sy ny teti-panoron’ny firenena samihafa kosa ny Touareg any Afrika andrefana sy avaratra.

Hitany tao amin’ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena ka nosoratan’i Pepitoritas fa any Amerika Latina, miaina anatin’ny fahantrana lalina ny 75-90%n’ny vahoaka indizeny no sady mora mora andairan’ny aretina noho hafanana ary mora tratry ny voina amin’ny loza voajanahary.

Nanao « Tsia » ny firenena voanjo

Azo lazaina ho fotoan-dehibe hanamarika ny tantaran’ny vahoaka indizeny ny fahalanian’ny Fanambarana, fa betsaka ny mpibilaogy no nanakiana dia nanakiana ny fitsipahan’ny “firenena voanjo” azy dia I Canada, I Etazonia, I Aostralia ary I Neo Zealandy.

Na dia tsy manankery ho lalàna avy hatrany aza, dia voamarika fa misy fifanoheran-kevitra ihany ny votoaty sasany ao anatin’ny taratasy. Nahita manko Democracia Multicultural (es) fa tsy tokony alaina mihitsy ny tanin’ny vahoaka indizeny“sin el consentimiento libre, previo e informado de los pueblos indígenas interesados, ni sin un acuerdo previo sobre una indemnización justa y equitativa”[ raha tsy efa misy fifanekena tsy antery, filazana mialoha ny vahoaka indizeny tratran’ny fakana ny tany, raha tsy efa misy fifanarahana mazava ny fomba hanonerana araka ny tokony ho izy] ny tanin’ny vahoaka indizeny ary amin’ny lafiny ilany indray dia voasoratra fa onerana na soloina fotsiny ny tany nalaina [izany hoe mety tsy hifanaraka amin’ny tokombidiny ary mety tsy hisy filazana mialoha ihany koa?]

Mahatsikaritra I Wampum fa ireo firenena nitsipaka ny Fanambarana dia zanatany anglisy tany Amerika sy Pasifika atsimo taloha avokoa ary ny firenena tena nazoto nanohana kosa dia zanatany Espaniola sy Portiogey any Amerika taloha avokoa.

Nandika ny tao amin’ny the sacred sites (hitany tao amin’ny Angry Indian) kosa I The MySpace blog:

I have prayed many times that the world would recognize the rights of Indigenous Peoples. I knew that the US & Canada and of course Australia, who have done to the Aborigines what the US & Canada have done to Natives, would vote no. The big surprise to me was that Mexico, with their horrible treatment of Indigenous People there, wasn't the 5th country voting against the UN resolution for Indigenous rights. Another amazing thing to me is that even the countries who decimated the Native populations on the Caribbean Islands voted for it. The world is changing. And the US, Canada, Australia, and New Zealand had better catch up.

Efa imbetsaka aho no nivavaka mba hanekena ny zon’ny vahoaka indizeny. Efa fantatro fa hitsipaka I Etazonia, I Canada ary I Aostralia indrindra indrindra, fa toy ny nataony tamin’ny Aborizeny no nataon’I Canada sy Etazonia tamin’ny menahoditra teratany. Ny nahatalanjona ahy dia I Meksika izay tena nampahory fatratra ny vahoaka indizeny tao aminy tsy mba fahadimy tamin’ny firenena nitsipaka ny zon’ny vahoaka indizeny. Ny nahagaga ahy koa dia na ireo firenena nandripaka ny mponina teratany tao aminy toa ny nosy Karaiba dia nandrotsa-bato nanaiky ny Zon’ny vahoaka indizeny. Tena niova izao tontolo izao, tokony ho  kaopy an’izany I Etazonia, Canada, Aostralia ary I Neo Zealand.

Nampiseho ny sarim-pihetsiketsehana  nokarakarain’ny Femmes Autochtones du Quebec tao Montreal I La Tribu du Verbe ary nanoratra ny nitsipahan’I Canada ny Fanambarana:

Mais voilà que depuis l’entrée des conservateurs au pouvoir en janvier 2006, le Canada est devenu un farouche opposant à cette déclaration. Dernièrement, à quelques semaines du vote final pour l’adoption de la déclaration, le Canada, appuyé par l’Australie, la Nouvelle-Zélande, la Russie, la Colombie, la Guyane et le Surinam, a demandé de reprendre les négociations, manoeuvre qui a pour but de paralyser l’adoption de la déclaration.

Jereo fa hatramin’ny nahazoan’ny mpandala ny nentin-drazana ny fahefana tamin’ny janoary 2006 dia lasa mpanohitra mavitrika ny Fanambarana I Canada. Herinandro vitsivitsy lasa mialoha ny fifidianana farany izay dia mbola niady varotra hanao fanitsiana vitsivitsy ihany  I Canada izay namporisihan’i Neo Zealand,  Russie,  Colombie, Guyane ary i Surinam. Ny tanjona nokendrena dia ny hampihatonana ny fandaniana ny Fanambarana.

Fahadisoam-paika lalim-paka ny nitsipahan’ireo “fanjakana voanjo” efatra ny Fanambarana araka an’I The CAC Review no tsy hampihena ny lanjany na oviana na oviana:

To be seen to act against the contents of the Declaration will be equate with acting against international public opinion. What stands out is not that “the liberal democracies with the most intense engagements with indigenous issues” voted against the Declaration, as some have said, since many other countries, with larger indigenous populations, and arguably more intense engagements, voted for it. What stands out instead is how settler states are still in the process of trying to settle themselves, how much “engagement” has really been disengagement, distance, friction, and conflict, and how much wishful thinking plays a part in reigning fantasies that, one day, Europe Part 2, will be as embedded in its foreign soil as Original Europe can claim to be on its soil.

The vote against the Declaration was a serious tactical error: these four states now sorely stand out as colonial, white states, anachronistic entitites in a world where “decolonization” has become part of the international vocabulary. They have also handed the Chinas of the world a powerful argument–that they too flout the will of “the international community,” that they too do not recognize the rights of disadvantaged minorities, and that liberal democracy is really little more than kleptocracy. If accepting the Declaration could have been symbolically binding (even if not legally so), then surely rejecting the Declaration will also come at a political cost. Some of us will see to it that it does.

Midika ho fanoherana ny hevi-bahoaka maneran-tany ny fahitana izay nitsipaka ny votoatin’ny Fanambarana. Tsy amin’ny maha “demokrasia liberaly manana adidy betsaka amin’ny vahoaka indizeny” , araka ny filazan’ny sasany azy, no nanohitra ny Fanambarana satria nisy firenena misy vahoaka indizeny betsaka -ananany andraikitra ifanarahana- ao aminy  nanaiky sy nisafidy ny Fanambarana. Ireo nanohitra dia ireo firenena voanjo mbola te-hamariparitra ny tany izay tiany araka ny fitenenana hoe ny anarana tanim-boanjo ihany, Firifiry moa ny “fandraisana andraikitra” no mbola fialana andraikitra, fanalavirana, fifandirana ary fifandonana. Ary hatramin’ny oviana ny saim-pahendrena, indray andro any ka efa anatin’ny fizaram-potoana faharoa i Eoropa, no mbola hampanjaka ny revirevin’ny fifikirana an-tanin’olona tahaka ilay Eoropa taloha mbola afa-mitaky ho toy ny mbola eo amin’ny taniny hatrany?Fahadisoan-tetika mampanahy ny tsanga-tanana nanohitra ny fanambarana. Mbola mijoro ho mpanjana-tany, firenen’ny fotsy hodotra, singa diso fotoana ao anatin’izao tontolo izao efa manana ny teny hoe “decolonization” (fanomezam-pahaleovan-tena) efa lasa teny iraisam-pirenena. Lasa manome fandresen-dahatra tsy azo hozongozonina ho an’ny Shinoa, fa hay ry zareo manitsakitsaka ihany koa ny safidin’ny “fiaraha-monina iraisam-pirenena”; hay ry zareo tsy manaiky ho ara-dalàna ny zon’ny vitsy an’iasa zary voahilikilika ihany koa; ary asehon’izy ireo fa ny demokrasia liberaly dia mifanahatahaka amin’ny fanjakan’ny mpangalatra ihany. Raha singam-pamantarana mamatotra (na dia mbola tsy ara-dalàna aza) ny fanekena ny fanambarana, dia tena hovidian-dafo amin’ny sehatra politika ny fitsipahana ny fanambarana. Hahita ny fiantraikany moa ny maro amintsika.

soup is good food, blaogina mpianatra Kanadiana momba ny Hay Politika dia manoratra fa na tsy mamatotra aza ny fanambarana dia mety hampisy andraikitra ho an’ny governemanta momba ireo teratany ihany izany:

Some might point out that the declaration is non-binding. The Canadian government could have easily signed it to look good and then ignored it like we do with other declarations. I wouldn't use this excuse.

I think the Harper government knows exactly how dangerous declarations can be.

The Universal Declaration of Human Rights is/was non-binding. Now many parts of it are customary international law. It's not perfect and violations still occur, but it's there. It's a global rallying point for change and justice. And that's something.

Politicians have learned from this “mistake” of allowing non-binding seemingly harmless feel-good declarations in. It eventually causes problems. Which is why we now have four powerful countries with ongoing histories of disgusting abuses against indigenous populations having temper tantrums over the UN Declaration on the Rights of Indigenous People. Because heaven forbid we should sign onto something that would oblige us to do the right thing.

Mety hanitrikitrika ny sasany fa tsy manankery ho azy ny fanambarana. Mety ho afa-nanasonia io ny governemanta Kanadiana mba tsy ho ratsy eo imason’ny hafa nefa hody fanina avy eo tahaka ny natao tamin’ny fanambarana hafa. Tsy hanao io (fikafika f) ialan-tsiny io aho.

Mieriterritra aho fa fantatry ny governemanta Harper tsara ny loza mety ateraky ny fanambarana.

Tsy nanan-kery avy hatrany ny Fanambarana Erantany ny Zon’olombelona. Ankehitriny zary efa lalàna iraisam-pirenena ny andininy maro ao anatiny. Mbola tsy lavorary io ary mbola misy koa ny fandikan-dalàna, saingy efa mijoro izy io. Efa zava-dehibe izany.

Efa hitan’ny mpanao politika ny “fahadisoana” mamela ny fanambarana tsymanankery mody malemilemy sy manentohento tsara. Fa mety hiteraka olana izy. Izay no mahatonga ireo firenena efatra lehibe izay efa nanao tsy rariny e dia be tamin’ny vahoaka indizeny ao amin’ny tantarany somary miala-tosidra manoloana ny Fanambarana ny Zon’ny vahoaka indizeny. Satria mandrara anay ny lanitra hanasonia zavatra mety haningotra anay hanao ny zavatra ara-drariny.

Hatraiza ny fiantraikan’ny fanambarana?

Nilaza mialoha i le blog de [moi] ao Martinique fa hampikoraraika ireo mpitaky fahaleovantena indray ny Fanambarana.

Departemanta Frantsay ampitan-dranomasina I Martinique, I Frantsa izay nanohitra hatramin’ny ela ny fanambarana noho ny fifotorana amin’ny fotokevitra “Repoblika tsy azo zarazaraina tsy azo vakivakiana (zarazaraina) sy ny fndavany ny zo iraisana. Niova hevitra I France indrindra teo ambany fitarihan’I Jacques Chirac, izay nitodika manokana tamin’ny “vahoaka ntaolo”.

indigenouspeoplecongobrazza (Fr) kosa nanoratra fa na dia voapetraka ao amin’ny fanambarana aza, indrindra eo amin’ny fizarana mikasika ny tany sy ny harena voajanahary ny fisian’ny fanekena avy amin’izay hiala rehefa nampilazana mialoha, ka tokony ho fandresen’ny Pygmee ao Congo izany, “ny fahabangan’ny lalàm-pirenena mikasika ny vahoaka indizeny sy ny fahambanian’ny fari-pahaizan’ny vahoaka indizeny” no ho sakana lehibe hahalalan’izy ireo ny zony hiarony tombotsoany avy amin’ny fanambarana.

Tsikera momba ny Fanambarana

Polysocial (es)indray nanamarika fa nisy fanovana tamin’ny minitra farany ny Fanambarana, ankoatra ny fanampi-bolavola avy amina vondrona  indizeny iray, rehefa avy nidongian’ny mpanohana (nifanao andaniny sy ankilany) ny iray amin’ny fifanekena, dia nisy vondrona Afrikana sy Amerikana Latina toa an’I Perou, Guatemala ary Meksika saika hametraka fa tsy mamela na manaitaitra fihetsiketsehana hanozongozona ny fiandrianam-pirenena na hamakivaky ny firaisam-pirenena velively ny eritreritra iaingan’ny fanambarana.

Nihetsiketsika nanohitra ireo fanovana nosoratan’i Pylysocial ireo ny fikambanana maro avy ao Amerika afovoany sy atsimo, satria nino izy ireo fa “nisy fanovana nampihena ny votoatin-kevitra avy amin’ny foto-kevitra hanadala sy mametra ny fahatakarana” ny Fanambarana.

Filazan-kevitra iray ao amin’ny le blog de [moi], WK, mpamaky, dia manoratra toy izao:

il y a quelque chose qui me heurte profondément dans cette déclaration c’est que j’y trouve une sorte d’abdication à créer des sociétés multiculturelles et un encouragement à des replis identitaires. Par ailleurs, une déclaration aussi globale me paraît mal venue dans le sens ou elle est tellement vague qu’elle pourra rester lettre morte alors qu’il y a bien urgence dans certaines cas, je pense par exemple à l’Alaska où des ressources et des modes de vie sont menacées par l’avidité des compagnies pétrolières.

Ny tena nanohina ahy indrindra tamin’ity fanambarana ity dia ny fanekena hanjakan’ny fiaraha-monina marokolontsaina sy famporisihana ny olona hanavatena amin’ny mahaizy avy ny tsirairay. Ankoatra izany, tsy ao amin’ny ilako azy ny fanambarana ambangovangony  tahaka ity, manjavozavo loatra ka mety tsy hanana fiantraikany akory nefa misy ny ilana vonjy haingana amin’ny lafiny sasany toy ny Alaska fa fongorin’ny robaroban’ny orinasa mpitrandraka solitany ny fomba fiainana sy ny loharanon-karena ao.

Mamariparitra ny antsoina hoe vahoaka indizena kosa ny blaogy Japoney iray. Lava tokoa ny Fanambaran’ny Firenena mikambana mba samy hanana ny famariparitana ny isam-pirenena ary niniana hanjavozavo rahateo maodely arahina.

気になるのは、用語に関することです。宣言の英語表記ては「indigenous peoples」の諸権利に関する宣言となっていて、nationでもethnic groupでもありません。朝日も産経も記事の見出しは「先住民」ですが、本文では「先住民族」と「先住民」を併用しています。不統一で、あいまいです。

Ny mahaliana ahy dia ny fampiasana ilay teny manokana mihitsy. Amin’ny fanambarana azy amin’ny teny anglisy dia voasoratra fa mikasika ny zon’ny “indigenous people”[vahoaka indizena] ny resaka. Tsy misy fanamarihana ny teny hoe “nation”[firenena] na “ethnic group”[foko] ao. Amin’ny gazety Asahi sy Sankei ny lohateny dia ahitana soratra hoe “先住民” [senjuumin, dika tsotra “mponina taloha”], nefa ao anatin’ny lahatsoratra ataony afaka mifanolosolo tsara ny teny hoe “先住民族” [senjuuminzoku, “vahoaka indizena”] sy ny teny hoe “先住民” [senjuumin]. Tsy matotra sady manafangaro zavatra izany mampifanolosolo teny izany.

Nanoratra ilay mpibilaogy avy eo fa tsy fiaraha-monina miray volo araka izay dradraina tsy akory I Japana:

日本ではしばしば単一言語、単一民族などといわれがちですが、子細に見れば、多元的、多様な文化が伝わっていることが分かります。文化的な多元性、多様性をもっとも端的に示しているのは、民族宗教といわれる神社の祭りの多様さです。縄文の火祭りをいまに伝えるものもあれば、伊勢神宮のお膝元で東南アジアの畑作農耕文化と共通するお田植えが行われてさえいます。

Lazaina matetika eto Japana fa iray ihany ny fiteny, iray ny vahoaka, sy ny sisa, fa rehefa tena zohinao dia hita ihany ny fahamaroana sy fahasamihafana kolontsaina ekena. Manaporofo mazava izany fahasamihafana sy fahamaroan’ny kolontsaina izany indrindra ireo fihetsiketsehana lazaina fa karakaraina fivavaham-poko amin’ireny toerana manan-tantara ireny. Nandritra ny fotoam-pankalazana ny afo tao amin’ny vanim-potoana Jomon, dia mahita isika manodidina an’I Ise Shrine ny fomba fambolem-bary iraisan’ny mpamboly amin’ny faritra atsimo andrefan’I Azia.

Ary dia nanazava ny hevitry ny teny amin’ny vahoaka Ainu izay mitolona ny hanana zo ara-kolontsaina sy ny fiantraikan’ny fanambarana ho azy ireo ny mpibilaogy:

「民族」だといってしまえば、やれ「民族自決」だ、「独立」だ、ということになりかねません。日本でも、政府は、たとえばアイヌに対して、「先住民族」とは認めていません。萱野茂さんが尽力して10年前に成立した「アイヌ文化振興法」も「アイヌの人々」と表現しています。しかし、今回の採択を受けて、「アイヌ民族の尊厳確立」を目的に活動する北海道ウタリ協会はさっそく、「先住民族として認めることを要求していく」と表明しています。

Rah ampiasaina ny teny“民族” [Minzoku], Dia lasa [miaraka amin’ny] “民族自決” [minzoku jiketsu, “fahafahan’ny vahoaka manapa-kevitra ho azy”], na “独立”[dokuritsu, fahaleovan-tena (politika)]. Eto Japana, ohatra, dia lavin’ny governemanta ny teny hoe “senjuu minzoku” [ilay teny tena tokony ho dikan’ny vahoaka indizena]. Hita fa nahavita ezaka be tokoa raha izany I Kayano Shigeru, folo taona lasa izay ka niorina ny “ Lalàna hanondrotana avo ny kolontsaina Ainu”, afaka nampiasaina manko ny teny hoe “アイヌの人々” [vahoaka Ainu] .

Nefa, raha vao azon’ny Hokkaido Utari Asssociation, vondrona mitolona ho amin’ny “ Fanorenana ny fahamendrehan’ny vahoaka Ainu” [アイヌ民族の尊厳確立, “Ainu minzoku no songen kakuritsu”] jp, ity Fanambaran’ny firenena mikambana vaovao ity, dia nanambara avy hatrany ry zareo hoe: “Miangavy izahay mba ho ekena ho anisan’ny vahoaka indizeny”.

Japanese translations by Chris Salzberg.

Jennifer Brea

Goatemala: Ireo Vahoaka Hafavolokoditra
Taranaky ny teratany (hataontsika hoe hafavolokoditra eto)[indigenes] efa teto talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeana ny maro an’isa amin’ny mponina eto Goatemala. Tena ankavitsiana no mba hafa volonkoditra monina eto. Noho izany zavamisy izany no tena nandraisan’ny eto amin’ny firenena ho zavadehibe nandrasana hatry ny ela ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ny Zon’ny vahoaka hafavolokoditra (peuples indigènes) nivoaka tamin’ny 13 septambra lasa teo. Fa ny tena mahaliana dia ny teny sy ny fijerin’ny matrobolokoditra ary ny momba ny fanavakavahana eto an-toerana izay soratan’ny mpibilaogy Goatemalteka. Nivoaka tao amin’ny Democracia Multicultural [ES] ohatra ny lahatsoratry Lucia Escobar izay nilaza fa :

Aunque el papel todo lo aguanta y del dicho al hecho hay un gran trecho, celebro

<personname ProductID="la Declaración" w:st="on"></personname>la Declaración sobre derechos de pueblos indígenas parida recientemente por Doña Naciones Unidas. ¿Cuántos años tardaron los estados para ver a los pueblos indígenas del mundo y reconocer que no son atrasados, ni salvajes sino sólo diferentes? ¿Cuánto tiempo más pasará para que respete esa diferencia? ¿Y cuánto para valorar el enorme aporte en justicia, ciencia, arte, ecología, espiritualidad, medicina que desde hace cientos de años y hasta el día de hoy empapa con sabiduría milenaria el planeta?

Na dia afa-manoratra izay tianao hosoratana amin’ny taratasy aza ianao dia hita ihany fa misy elanelana be ao amin’ny lazaina sy izay atao. Faly aho rehefa nivoaka ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ny Zon’ny vahoaka hafavolokoditra. Naharitra hafiriana moa ho an’ny firenena maro vao manaiky fa olonkafa fotsiny fa tsy hoe olon-dia (=mpihetraketraka) na tsy tia fivoarana ny vahoaka hafavolokoditra? Haharitra hafiriana izao vao hajaina ny fahasamihafana? Haharitra firy taona indray vao homena lanja ny hay, ny zavakanto, ny fahalalana ho fampanajana ny tontolo iainana, ny fanajana ny rariny, ny fitandroam-pahamasinana ary ny raokandro efa nomeny nihoatra ny zato taona izay, ary hatramin’izao dia mbola mampahalala ho an’ny planeta ny fahendrena efa nananany anarivony taona izay?

Vao niadian-kevitra vao haingana tamin’ny blaogy Goatemalteka ihany koa ny resaka fanavakavaham-bolokoditra sy ny zon’ny vahoaka hafavolokoditra, indrindra noho ny laharana fahafito azon-dRigoberta Menchu, ilay hany hafavolokoditra nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Araka an’i Carpe Diem [ES] tao amin’ny Preguntas que hay que hacer dia :

En Uspantán, Quiché, la tierra de Rigoberta Menchú, sólo 268 de 9655 votos válidos fueron para

<personname ProductID="la Premio Nobel" w:st="on"></personname>la Premio Nobel de a Paz y dirigente indigenista. ¿Será que allá son racistas?

Tany Uspantán, Quiché, toerana nahaterahan-dRigoberta Menchu , mpifidy 268 amin’ny 9655 ihany no nandrotsa-bato ho an’ny Loka Nobel ho amin’ny fandriam-pahalemana sady mpitarika ny hafavolokoditra. ¿Mpanavakavaka ve ry zareo amin’izany toe-javatra izany?

Amin’ny lafiny ilany indray, mba hafa kokoa izany hoe misy hafavolokoditra mirotsaka ho kandidà izany ho an’ny mpibilaogy sasany. Nanadihady ny fiantraikan’ny fsian’io tranga io ao amin’ny blaoginy i Jorge Cabrera :

Esto puede parecer negativo pero a mi criterio es incluso bueno, por años ha habido gente que en Menchú han ido a descargar en voz baja con críticas, rumores y chistes de salón sus sentimientos hacia el indígena y con estas elecciones han aprovechado para decirlo un poco mas alto …. Muestras de estos comentarios pueden encontrar muchas en internet

Mety hihifikifi-doha ny sasany saingy tsara ny nirotsahany amiko. Menchu, nahafahan’ny sasany nibitsika ny tsikera, ny tantara ary ny vazivazy nandritra ny taona maro, no mba nahalalana izay mba eritreritra sy fomba fijerin’ny vahoaka hafavolokoditra. Ny fifidianana kosa no nanararaotan’izy ireo hitabatabany izay tiany lazaina…afaka mijery ohatra be dia be isika amin’ny aterineto.

Misy milaza fa noho ny fanavakavahana, ny hafa milaza fa noho izy vehivavy sy ny tsy fahampiambola nampiasaina no naharatsy ny vokatra azon’i Menchu. Ny azo heverina ho mety ho antony tokana dia ny noho ny foko nihaviana,  misy ireo izay mifidy ny mpiray fihaviana aminy ihany. Moa fomba fijery manavakavaka izany ? Hoy ny mpanoratra ao amin’ny bilaoginy Guatemalalahistoria [es] :

En Guatemala hay racismo y hay discriminación racial para el indio, pero no hay lucha de razas, ni discriminación racial para los indivudios de raza nativa que ya no son indios. La discriminación racial, entre nosotros, es un fenómeno ideológico, de súper estructura, que responde a la lucha de clases y opera solamente en función de ella.

Misy fanavakavahana sy fanilikilihana ny hafavolokoditra eto Goatemala, fa tsy fifanandrinana eo amin’ny samihafa foko na fanilikilihana ireo teratany izay tsy indios no hita fa noho ny foto-kevitra iainana, efa lalimpaka, misy ifandraisana amin’ny sarangam-pananana sy vondron’asa sy mifandray akaiky

Ny fanavakavahana sy ny saranga sosialy, lohahevitra mandeha hatrany ao amin’ny blaogy any amin’ny fiaraha-monina anjakan’ny fizarazarana. Ohatra azo itarafana izany ny ao amin’ny blaogy  Antología del Desengaño [ES]  misy ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Guatemala de clase:

Guatemala todavía es un país clasista. Se manejan muchos estereotipos caducos y prejuicios absurdos. Claro que en este país, se debe encajar dentro de un molde para pertenecer a él. De allí que se crea que todas las personas que estén tatuadas sean delincuentes. O que los canchitos son más inteligentes que cualquiera.

Firenena mbola miefitrefitra i Goatemala. Eto no mbola ahitana fanombanana tsy mandeha ilalana sy fitsarana ivelany mandiso eritreritra betsaka. Mazava fa eto tsy maintsy mifanaraka tsara amin’ny saranga na tadiavin’ny vondrona vao tafiditra anatiny. Amin’ny vondrona sasany, ny olona mitondra  tombokavatsa dia olo-meloka. Any amin’ny sasany indray izay menasofina (dika bontolo : mavo volo) dia heverina ho mahay kokoa noho ny hafa.

Tsy tahaka fahita mahita ny safidy mizara noho ny faritra samihafa, na hevitra mizara noho ny fihaviana samihafa, tafakambana ny fizarazarana tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nifidy Filoham-pirenena ny olona fa nifidy izay ho olom-pamantarana an’i Amerika Latina manaraka. Maro ny mpibilaogy no nitsamboamboatra nanoratra izany ary tsy diso anjara koa ny haino aman-jery rehetra. Nampiasa ny blaoginy  CARLOS PEÑA FANS [ES] ny mpankasitraka ny talentany hanohanany azy amin’ny fifidianana, araka ny voasoratra ao amin’ny vohikalany :

1er. Blog (hecho en Guatemala) del artista Guatemalteco que está haciendo la diferencia en latinoamérica con su voz y su talento.

Blaogy voalohany vita eto Goatemala ana artista Goatemalteka , nametraka ny fiavahany eto  Amerika Latina tamin’ny feony sy ny talentany.

Nanintona ny mason’ny rehetra izy ary nahazo ny fon’ny saranga rehetra, mpanankarena, mahantra, hofavolokoditra, tsy hafavolokoditra ary ny antoko ankavia. Noho ny asan-tserasera no anton’izany, ny bahana azony tamin’ny takela-gazety, ny fotoana manokana ho azy tany amin’ny haino aman-jery ary ny fanohanan’ny mpandraharaha sy ny orinasa. Tian-kaseho eto fa afa-maneho ny heriny ny serasera eto Goatemala hanaporofo amin’ny karazam-bondrona rehetra fa na dia lehibe aza ny elanelana sy ny fahasamihafana tany amin’ny fotoana lasa dia afaka miray sy mitovy hevitra ihany amin’ny lafiny sasany, na dia hoe fifaninanana anaty Fahitalavitra fotsiny ihany aza.

Renata Avila