The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Guadeloupe Tahiry Firenena

RSS ho an i Guadeloupe

2009-10-23

Goadelopa: Andron'ny rano

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe "Nosin'ny rano tsara" koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra ...

2009-02-22

Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay

Raha mbola mitohy moa ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe, dia misy ny mpamaham-bolongana any Martinique mihevitra fa mety te-hahaleo tena itony departemanta ampitan-dranomasina itony. Toy ny nanafintohina an'i le blog de [moi] sy heveriny ho misy fanindriana aloka ihany ny hevitra heverin'ny mpamaky azy fa noho ny mahakely ny nosy no mahatonga azy ireo ho ambany alokaloky ny hafa mandrakariva.

2009-02-19

Guadeloupe : Nihanafana ny toe-draharaha ka niafara tamin'ny herisetra

Taorian'ny herinandro nanaovana fitakiana tamim-pilaminana tany amin'ireo departemanta Frantsay any Guadelope dia nivadika ho herisetra izany ny alatsinainy lasa teo raha nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana tany Point-à-Pitre. Toherin'ny mpiasa mantsy ny fitomboan'isa tsy an-kijanona ireo tsy an'asa sy ny fiakaram-bidin'ny zavatra ilaina andavanandro izay afarana avy ...

2009-02-04

Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao

Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo - ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”. Tao anaty ...

2008-12-28

Noelin-dry zareo any Karaiba

Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna... Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao "meme" amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa ...

2008-12-11

Goadelopa: Lafo loatra ny lasantsy, mikatso ny nosy

Taorian'ilay fikatsoana tanteraka nitranga tany Goyana Frantsay, dia anjaran'i nosy Karaiba Frantsay ao Goadelopa indray no nifoha tamin'ny torimasony. Ilay nosy miendrika lolo ampifanohizan'ny tetezana tahaka ny  “le Pont de la Gabarre” sy ny “le Pont de l'Alliance” no voly tanteraka tamin'ny andaniny roa: Grande-Terre sy Basse-Terre. Gwada ao amin'ny  ...

2007-09-12

Governance ,
Fifandraisana iraisam-pirenena

Notsikerain' ny mpanoratra ao amin'ny Blog'ny C.P.N.G ( na ny Vovonana Hanorenana Guadeloupe Vaovao )ny fikasana azo vinanina atsy ho atsy hanendrena Eoropeanina ho Tale Jeneralin'ny F.M.I.: Efa tonga ity ny fotoana, hoy ity mpanoratra, hanendrena Tera-tany avy aminy Afrika,na Azia,na Amerika-Atsimo,na Karaiba hitantana io Foibe io ; Ny Fitantanana ankapobeny, hoy ihany ity mpanoratra,dia tsy maintsy avaozina tanteraka, hitandrovana ny zo sy anjaran'ny Sivilizasionina rehetra ao anatiny.
Jen Brea