Global Voices teny Malagasy » Ecuador
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Manana ny zony feno ve ny vehivavy bevohoka rehetra, sa tsy manan-jò intsony rehefa voafonja?
Izany no fanontaniana tonga ao amin'ny tena rehefa mieritreritra ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja hamelona sy hitaiza ny zanany raha voaheloka amin'ny heloka sasantsasany izy:
Tahaka ny ahoana moa amin'izy ireo izany hoe bevohoka na mananjanaka [mbola kely] nefa voafonja izany?
Tsy maintsy hoe laharam-pahamehana ve izy ireo raha misy ny vehivavy hafa tsy voafonja tsy mahazo fanaraha-maso ara-pahasalamana?
Ny maha-reny ve no mandrava ny lalàna hafa rehetra mba iantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka?
Etazonia: Tsy azo ekena intsony ny fametahana menôty eo ampiterahana.
Azonao eritreretina ve izany vehivavy hiteraka izany ka voapetaka menôty arakitra amin'ny fandrianany ny tanany sy ny tongony? Miteny amintsika amin'ity fomba fanao any Etazonia hatramin'izao fotoana izao ity i Malika Saada Saar, mpanorina sy tale mpanatanteraka ny Tetikasa Rebecca miaro ny zon'olombelona, fa efa fahazarana any amin'ny toera-pamonjana sasantsasany any Etazonia ny mametaka menôty ny vehivavy bevohoka mandritra ny fisafoana sy ny fiterahana, na dia mety hitera-doza amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza aza izany. Manaraka etoana ny lahatsary fanadihadiana miaraka amin'ny lahatsoratra ho an'ny RH Reality Check, tambajotran-tserasera iray miresaka sy manadihady ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="430" height="264" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="430" height="264" src="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Inona no mitranga ho an'ny zanaka voafonja rehefa teraka?
Samy manana ny lalàny avy ny isam-pirenena momba ireny zaza teraka tany am-pamonjana ireny. Any Arzantina, ohatra, araka ny lazain'ny Ajintem, fampahalalam-baovao an-tserasera mampahafantatra ny momba ny fifindra-monina, dia nisy lalàna manokana ho an'ny vehivavy bevohoka voafonja nolaniana tamin'ny herintaona, izay mametraka fa mahazo mamita ny saziny any amin'ny fonenany saingy mahazo alalana vao mahazo mivoaka sady arahi-maso ny vehivavy manan-janaka latsaky ny dimy taona na manana zaza sembana. Mahasoa tsy ny reny ihany izany lalàna izany, satria tsy hahazo fikarakarana ara-pahasalamana azo antoka ho azy izy mandritra ny fotoana itondrany vohoka, fa ny zaza ihany koa, izay mety ho notezaina tao anatin'ny tontolo tsy misy fahafahana sady tsizarizary ny sakafo sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, na mety hotezaina lavitra an-dreniny, izay mety hiteraka olana maro isan-karazany ihany koa. Na izany aza dia hafatra ampitaina amin'ny Mpitsara io hanarahany ny hevitry ny lalàna sy hanomezany alalana ireo vehivavy tsy tafiditra amina heloka miharo herisetra, ary hanomezana toky ihany koa ny mponina sivily fa tsy lalana malalaka ivoahana ny fonja tsy akory ny fitondrana vohoka.
Any amin'ny nosy Canary indray, araka ny filazan'ny bolongana Prisiones y Penas, izay miresaka ny momba sy ny lohahevitra mahakasika ny toera-pamonjana, dia mahazo alalana hitazona ny zanany hatramin'ny faha-3 taonany hiray efitra aminy ao am-ponja ny vehivavy, saingy miaraka amin'ireo vehivavy hafa miara-voafonja aminy ihany koa, izay tsy ny tontolo tsara indrindra. Avy amin'izany dia efa nilazana ny vehivavy bevohoka na manana zaza latsaky ny 3 taona hiditra ny fonja fa tsy mahasoa ny zaza ny mitombo any ambadiky ny fefy vy, ka omena safidy izy ireo ny hamoaka ny zanany ho any amin'ny fianakaviana. Tahaka izany ihany koa no mitranga any Peru sy Rosia. Any Etazonia dia toera-pamonjana roa ihany no manome alalana tahaka izany, any New York sy any Nebraska, araka izay nolazain'ilay mpaka sary malaza Jane Evelyn Atwood ao amin'ny sary fanadihadiana misy fizarana 3 nataony ho an'ny Amnesty International,  antsoiny hoe Too Much Time[na: Ela loatra], izay nitsidihany toera-pamonjana ampolony manerantany sy nandraketany sy nanangonany fanadihadiana ny fiainan'ny voafonja.
Nahoana moa ny rafi-piarenana [fandraharahana ny fonja] any Etazonia amin'ny ankapobeny no mtsy mamela ny vehivavy hitazona ny zanany hiaraka aminy? Nohazavain'i Atwood fa tsy navela natao izany noho ny mety hisiana fanaovana takalon' aina. Ao amin'ny Prison Photography Blog no hanaovan'izy ireo izao filazana izao:
Tsy mahazo miditra ny fonja afa-tsy amin'ny toerana roa  ny kilonga any Etazonia. Eo amin'ny fiarovana no ambara fa anton'izany: aina marefo lalandava sy mety ho lasa takalon'ania mandrakariva izany kilonga any am-ponja izany. Mihanjahanja izany fanambarana izany rehefa itodihana ny rafi-piarenan'ny firenen-kafa.
Ny ango-panadihadian'i Atwood ao amin'ny songadin'ny vohikalan'ny Amnesty International no ilazany izany miteraka mipetaka menôty izany araka izay efa navoakan'i Vanessa's Baby sy ny momba ny rafi-piarenana sy ny fiainana maha-reny, omban'ny sary mandritra ny hamakiany ny lahatsoratra miresaka ny zavatra hitany tany am-pitsidihana fonja isan-karazany sy nakany saripika.
Entina mifampiraharaha ve ny fitondrana vohoka?
Nahoana no mampiroanahana tahaka izany ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja? Ao amin'ny Russia Today, televiziona Rosiana iray, dia voatonona ity lohahevitra ity rehefa noresahina ny momba ny zaza teraka sy nobeazina tany amin'ny rafi-piarenana rosiana:
Misy ny mihevitra fa manao izay hahabevohoka azy fotsiny ny reny sasantsasany hahamora kokoa ny fiainany any am-pamonjana. Miaina any amin'ny Hopitaly, manana fotoana be dia be voarafitra ahafahana miaraka amin'ny kilonga – tsara kokoa izany rehetra izany noho ny mipetraka anaty tranovato, hoy ny filazan'izy ireo.
Ary misy ny vehivavy taratra ihany fa ny fitondrana vohoka no lalana tokana ahafahana miala amin'ny fanefana sazy, tahaka izay nitranga tamin'ny volana jona teo, raha nogadraina sy nohelohina ho faty ny vehivavy anglisy iray  tany Laos noho ny raharaha zavamahadomelina fa bevohoka tany am-pigadrana izy, rehefa tsy mamono ho faty ny vehivavy bevohoka ny fitondrana any Laos.  Ny filazana nataon'ny Daily Express, gazety anglisy iray, no nahafantarana fa natsaika tamin'ny fomba artifisialy ravehivavy mba hanavotana azy.
Mitantara ny amin'ny zanany sy ny fiainana voafonja araka ny fiteniny ny vehivavy
Geraldin Rodríguez, Arzantiniana voafonja any Ekoatera noho ny fanondranana zava-mahadomelina no niresaka tamin'i Marcos Brugiati, mpanoratra sady nampiroborobo tamin'ny famoahana an-tserasera ny resaka zavakanto Plastica-Argentina, ny tantaran'ny fanaovana teathra any am-pigadrana, izany bevohoka any am-ponja ary ny nananany zaza. Nahazo alalana ny hitazona ny zanany hiaraka aminy izy saingy naleony mihalehibe  any ampahalalahana ny zanany:
“Decidí que salga para vivir, tenía miedo que sufra de grande los traumas que hoy tengo. Se lo llevó al año mi hermano quien se hice cargo con su esposa”.
Nanapa-kevitra aho fa aleoko mandeha izy mba hiaina, matahotra aho fandrao miaina ny takaitra izay iainako ihany koa izy. Herintaona taoriana dia nalain'ny anadahiko sy ny vadiny izy hotezainy.
Migadra any amin'ny fonja Espaniola i Juvinete, ary bevohoka rehefa nohidiana noho ny resaka fanondranana zava-mahadomelina. Nitantara ny fiainany tamina gazetim-paritra NorteCastilla izy. Telo taona taorian'ny niterahany ny zanany tany am-ponja dia tsy maintsy nosarahina taminy ny zaza, ary nalefa tany amin'ny fianakaviana vonon-kandray ny zaza. Mifankahita amin-janany vavy isaky ny 15 andro i Juvinete ary mahazo alalana hivoaka 2 herinandro hiara-miaina aminy isaky ny roa volana. Saingy mety tsy hihatsara ny toe-draharaha: Mety halefa any amin'ny firenena niaviany any Brezila manko i Juvinete, ary manahy ny mety ho fiantraikan'izany fiovana izany amin-janany. Ary dia nanome soso-kevitra  ho an'ny vehivavy rehetra mihevitra ny hitondra vohoka any am-ponja izy:
-Intento convencerlas para que no se queden en estado dentro porque ver a un niño privado de libertad es muy duro, es irresponsable. Ellos no tienen que pagar nuestros errores.
Miezaka aho ny mandresy lahatra azy ireo tsy ho bevohoka am-ponja izany fa manohina tokoa ny mahita ny kilonga tsy manam-pahafahana, maneho tsy fahaiza-mandray andraikitra izany. Tsy tokony hosaziana noho ny fahadisoantsika izy ireny.
Ao amin'ny Woman and Prison,[ny vehivavy sy ny fonja] vohikala natao hanairana ny mhatra amin'ny vehivavy any amin'ny toera-piarenana, no iresahan'i Kebby Warner ny nitondrany vohoka tany amin'ny fonja amerikana, nitantarany ny nanaovana azy nandritra ny nitondrany vohokan niterahany sy ny taorian'izany, rehefa nalaina taminy ny zanany. Toy izao ny notsongaina tamin'izay nosoratany teo ampiterahana:
Tsy misy mahazo miditra ao an'efitra mandritra ny fiterahana. Tsy nahalala ny niterahako zazavavy akory ny fianakaviako raha tsy efa nandao ny hopitaly aho. Mipetraka ao an'efitra ny mpiambina nandritra ny telo andro, saingy mimenomenona matetika ry zareo rehefa asain'ny mpitsabo mpanampy hivoaka ny efitra. Efa reko ny tantara mampihorokoditra milaza fa petahina menôty eo am-pandrianany ny vehivavy. Faly tokoa aho fa tsy mba nanaovana izany. Maro tamin'ny mpitsabo mpanampy no nikarakara ahy amin'ny mahaolona fa tsy amin'ny mahavoafonja ahy.
Mbola misy tantara hafa azonao vakiana momba ny fitomboana miaraka amin'ny havana any am-ponja sy ny fiantraikany isan-karazany amin'ny zanaky ny  vehivavy voafonja koa ao amin'ny Women and Prison[vehivavy sy ny fonja].
Koa ahoana ary ny eritreritrao? Mahita ireo vehivavy bevohoka manerantany tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana, mbola tokony hisy ve ny ezaka fanampiny omena ireo vehivavy voafonja? Misy ve ny fahasamihafana eo amin'ny vehivavy mamita sazy sy ireo izay ivelan'izany? Tokony hokarakaraina manokana ve izy ireo?
Ny sary nampiasaina handravaka ny lahatsoratra dia “17 de noviembre” an'i daquella manera.
Juliana Rincón Parra
Ekoatora: Ny fahalasanan'ilay mpanoratra Jorge Enrique Adoum
Tsy dia matetika no ahitana ireo mpampita vaovao sy ireo mpitoraka blaogy manoratra lahatsoratra mitovy mikasika lohahevitra iray mitana ny sain'ny firenena  any Ekoatora. Tsy ela akory izay no nitrangan'izany  taorian'ny nahalasanan'ilay lehilahy iray izay noheverina matetika ho iray amin'ireo poety ngezalahy  any Amerika Latina. Mitomany ny fahalasanan'i Jorge Enrique Adoum ireo Ekoatorianina, izay vao tany amin'ny faha 19 taonany monja  dia efa lasa sekretera manokan'ilay poety malaza, Pablo Neruda. Niasa nandika teny tao amin'ny Firenena Mikambana  sy tao amin'ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, ary nahazo ny loka lehibe Xavier Villaurrutia Award [es], izay ho an'ny mponina Meksikanina ihany.
Ny mpitoraka blaogy Alfredo Vera  dia mampahatsiahy antsika teboka iray momba ny anaram-bositra niantsoan'ireo namany sy ny fianakaviany  an'i Adoum. Antsoin'izy ireo hoe  “Jorgenrique” na “Turquito” tsotra fotsiny izy.
Ny iray amin'ireo sangan'asany tena malaza noforoniny dia niaraka tamina mpanoratra roa hafa Jorge Carrera Andrade [es], Hugo Alemán [es], ary mpanao hosodoko Jaime Valencia [es]. Izy ireo no namorona izay noheverina matetika ho toy ny fanevan'ny kolontsaina  Ekoatorianina, ny Vasija de Barro [es] (Ny tavy tany manga). Hitantsika eto ny feo sy isary miaina lalaovin-dry Benitez sy Valencia. Ity manaraka ity ny andininy farany tamin'io tsanganasa io:
De ti nací y a ti vuelvo
arcilla vaso de barro
con mi muerte vuelvo a ti
a tu polvo enamorado.
Teraka avy aminao aho ary hiverina aminao
Tavy tanimanga sy fotaka
Amin'ny fahafatesako dia hiverina aminao aho
am-pitiavana ny vovokao.
Tsy hotanisaintsika eto daholo ireo fandraisan'anjaran'i Adoum tamin'ny literatiora Ekoatorianina, fa mba hahazoana ny andinindinin'ireo dia soratanao eo amin'ny Google fotsiny ny anarany. Anehonay ampahany sasantsasany avy amina asa sorany iray tena misongadina  ianareo : Entre Marx y Una Mujer Desnuda (Teo amin'i Marx sy vehivavy mitanjaka iray) izay lazaina ho mifototra amin'ny tantaran'ny Parti Communiste Ekoatorianina [es] ary iray amin'ireo boky Ekoatorianina manan-danja, raha araka ny voalazan'ny mpanoratra Bruno Sáenz [es]. Ny mpanonta ny boky  Lunas Azules [es] dia nanana fahafahana nihaona tamin'i Adoum, ary niteny izy fa hitohy hiaina izy [Adoum] isaky ny mandray iray amin'ireo bokiny izy. Mitantara ihany koa  ny sasany amin'ireo ampahany mavesa-danja ao  amin'ny Entre Marx y Una Mujer Desnuda izy.
Ruben Darío Buitron [es] dia mpanao gazety iray  afaka nanadihady an'i Adoum tamin'ny taon-dasa.  Izy dia tena maneho sarisarin'ny tena mahaolona, sahisahy, sy mazava momba ny mpanoratra. Nilaza i Adoum miaraka amin'ny maha ‘Ambateño' azy (mponina avy any amin'ny tanàna Ekoatorianina any Ambato), ny nahatonga azy ho tia ny renivohitra Quito, ny fombam-piainany, ireo mponiny  sy ireo zavatra niainany nandritra ny vanim-potoana naha-mpianatra azy. Na dia tany Frantsa,Chilie, ary ny fireneny niaviany aza no nandaniany   ny antsasaky ny taona niainany, nomeny toerana manokana tao am-pony foana i Quito. Ito ny niheveran'i ‘Jorgenrique' an'ireo namany Ekoatorianina:
Los ecuatorianos estrechamos la mano del ser superior, casi temblando, casi temerosos, cómo nos agachamos ante el extranjero, cómo damos rodeos para decir sí o no, cómo bajamos la mirada cuando alguien nos conmina o desafía. Y entonces cuando intentamos sacarnos la camisa de ese complejo nos volvemos agresivos, arrogantes, violentos. No, nada de eso es ser quiteño.
Isika Ekoatorianina no  tànan'izay heveritsika ho ambony, am-pangovitana, am-patahorana, ohatran'ny hiforetantsika manoloana ireo vahiny, toy ny fisalasalantsika, tahaka ny fanaovantsika tsinontsinona ireo izay mampitandrina antsika sy mihantsy antsika. Ary rehefa manandrana miala amin'io ‘complexe' io isika, lasa mahery setra, mizahozaho sy tia sotasota. Tsia, tsy misy avy tamin'i Quito ireo.
Efa tsy dia salama i Adoum talohan'ny nahalasanany. Raha naseho ny tononkalony farany, Claudicación Intermitente [es] tao  amin'ny trano Benjamin Carrión any Quito, dia niteny izy: “nanongo tena aho ary manenina tamin'ny niheverako hoe vitsy namana aho. Saika ireo olona rehetra eto amin'ity efitrano ity dia nanohina mafy ny foko. Manome toky aho fa tsy hiteny intsony hoe vitsy namana aho”.
Tany ampianarana no nahalalan'ireo mponina Ekoatorianina azy, Maro amin'ireo mpampianatra no mitaky ny hamakian'ireo  mpianany iray amin'ireo asa sorany. Tamin'io fomba io no nanajan'ireo olona azy, na dia misy amin'ireo olona aza milaza fa tsy mbola namaky na iray aza tamin'ireo asa sorany. Raul Farias [es] , ohatra, dia mihevitra fa ny itiavany an'i Adoum dia satria izy nanonofinofy  firenena lafatra kokoa ary niady mba hampitombo ny lanja kolotoraly, indrindra indrindra ara-javakanto. Farias dia miteny fa niady tamin'ny fanavakavahana  sy ny tsy fitoviana, ary niezaka foana mamaly ilay fanontaniana hoe: “Inona no atao hoe Ekoatorianina?”
Toy izay efa nambara tany aloha, tsy matetika ireo mpitoraka blaogy no miresaka momba lohahevitra iray mitovy. Rafael Mendez [es] dia mifantina sary miaina ao amin'ny Youtube ahitàna an'i Jorge Enrique miventy ireo tononkalony sy asa sorany. Maria Paula Romo mamerina mamoaka tononkalo kanto an'ilay mpanoratra , I Believe in my Country [es] (Mino ny fireneko aho),  ary ho an'ireo liana amin'ireo tambajotra sosialy dia ity misy takelaka Facebook iray ahafahana mamaky fanamarihana vitsivitsy mikasika ny fahalasanan'i  Jorge Enrique Adoum.
Sary kely avy amin'i Jody Art
Ekoatera: Garam-piara fitaterana vaovao roa misokatra ao Quito
Ambohipihaonan'ny fitaterana an-tanety ao Ekoatera ny renivohiny ao Quito ary azo heverina fa ahafahana mipaka any amin'ny toerana rehetra tiana andehanana manerana ny firenena ny fandraisana fiara fitaterana iray avy ao. Nandritra ny herinandro faharoan'ny volana jolay dia nanapa-kevitra ny Departemanta Monisipalin'ny Fitaterana sy ny Asam-bahoaka (EMMOP amin'ny fanombohana teny Espaniola) hanakatona ny Garam-piarakodia be mpivezivezy indrindra manerana ny firenena fantatra amin'ny anarana hoe Cumandá Bus Station. Nandray izany fanapahan-kevitra izany ny tompon'andraikitry ny fitaterana noho ny tsy fahazakan'ilay toerana efa antitra intsony ny hamaroan'ny mpandeha mivezivezy eo, eny fa na dia tsara aza ny toerana misy azy ary afovoan-tanàna taloha indrindra. Hitan'ny tompon'andraikitra ihany koa ankoatra izany fa tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny mpandeha intsony ny foto-drafitr'asa misy ao. Nisy garam-piarakodia roa vaovao kosa nosokafana hasolo azy: any atsimon'i Quito any Quitumbe ny iray ho an'ny zotra mianatsimo rehetra, ary any avaratr'i Quito any Carcelén kosa no naorina ny faharoa ho an'ny zotra mianavaratra rehetra.
Ny ao anatin'ny garan'i Quitumbe any atsimon'i Quito. Sary nahazoana alalana tamin'i Nati Wolf
Ankehitriny, raha nizotra ho any amin'ny garan'i Cumandá izay fiaingan'ny zotra rehetra ny mpandeha teo aloha, dia tsy maintsy mizotra any amin'ireo gara roa kosa araka izay toerana halehany. Niteraka fisavoritahana ihany izany satria lany fotoana kokoa ny mpandeha ho kaopy amin'ny mombamomba ny foto-drafritr'asa vaovao sy hitady ny toeram-piaingan'ny zotra tokony horaisiny noho ny fotoana lany handehanana any amin'ny toerana alehany.
Naniraka mpanao gazety enina i  Carei es Carei [es] hanadihady  ny tombotsoa, ny fivezivezena, ny fandaniana ary ny mombamomba ny fivezivezena ao Quito mandra-pahatonga any amin'ny iray amn'ireo gara roa ireo. Hitan'izy ireo avy amin'izany fa mandany anelanelan'ny 90 ka hatramin'ny 107 minitra ny mpandeha vao tonga any Quitumbe na any Carcelén raha mandray zotra (bus) an-tanandehibe. Mahatratra  35-55 minitra kosa ny mpandeha raha amin'ny alalan'ny fiarakaretsaka no handehanany any amin'ny gara. Na izany aza, ho an'ireo izay tonga ao amin'ny garan'i Quitumbe avy any amin'i Valle de los Chillos:
A esa hora [7 am, los viernes] es imposible tomar una unidad vacía y los viajeros se acomodan apretadamente en el bus 3632 para llegar hasta La Marín, en Quito. Los empujones y pisotones son inevitables. Subir con maletas es casi imposible. El bus tarda 43 minutos hasta llegar al playón de La Marín.
Allí no hay información para los usuarios que deseen llegar a Quitumbe. Dos policías de tránsito no atinan a contestar ¿qué bus tomar para llegar a la nueva terminal?
Amin'izany ora izany [7 ora maraina ny zoma] dia sarotra dia sarotra ny mandray ny zotra be mpandeha sady efa mifaneritery aok'izany ny mpandeha ao anatin'ny zotra 3632 mandeha mankany La Marin, any Quito. Tsy maintsy hoe voatositosika sy voahitsaka ihany. Sarotra tanteraka izany hoe hiditra ao miaraka amin'ny valizy izany. Mandany 43 minitra ny zotra vao tonga any La Marín.
Tsy misy ny fampahalalana ho an'ny mpandeha te-ho any Quitumbe. Polisy roa no tsy nahavaly raha nanontaniana hoe “inona ny zotra tokony horaisina raha handeha ho any amin'ny gara vaovao?”
Nokendren'ny EMMAP moa ny hampidina ny fandaniana, fotoana ivezivezena, fandotoana (#fahalotoana) isan-karazany ary nialany koa ny tabataba amin'ny manodidina ateraky ny fananganana ny gara roa vaovao. Mety namparary loha mihitsy amin'ny voalohany ny dia voalohany, eny fa na dia ho an'ny tompontany aza. Saingy rehefa tonga any amin'ny gara vaovao ny mpandeha dia tsy nampaninona ny sasany ny fotoana lany sy ny fikorontanan-tsaina teo. Mipetraka eo akaikin'ny gara atsimo i Nati Wolf mpamahana ny Chica de la Luna [es] ka nanapa-kevitra izy hitsidika ny garan'i Quitumbe ary tena faly nitsidika tao:
La curiosidad mató a la lobita y así fue que me aventuré a conocer la nueva terminal “Quitumbe” en el Sur de Quito. Desde mi casa hasta allí me demoré como 5 minutos y al llegar estaba tan perdida como el resto, pero al final estuve paseando por todos lugares posibles y hasta me convertí en guía, jeje. Me gustó mucho como está ordenado y hay bastantes personas en diferentes puntos dispuestos a ayudar a los viajeros que llegan a la terminal.
Las boleterías a los distintos destinos, están divididas por regiones. También podemos encontrar allí mismo lugares para comer, comprar regalos, ropa, etc. Es un gran cambio para los que estaban acostumbrados a ir a la terminal de la Cumandá, que a mi criterio, ya parecía cárcel, por lo oscuro y desordenado.
Liana dia liana tokoa aho ary dia nandeha kitanotanona hijery ny gara vaovaon'i  “Quitumbe” atsimon'i Quito. Dimy minitra ihany no fotoana laniko niaingana tany an-trano mandra-pahatonga tany amin'ny gara, nefa nialoha ny nahatongavako tany dia very toy ny rehetra ihany koa aho fa avy eo nivezivezeko avokoa ny toerana rehetra azo naleha ary dia lasa mpanoro lalana aza aho indraindray hi hi. Nahafinaritra ahy ny fipetrapetraky ny foto-drafitr'asa ary hitako betsaka ihany ny olona eny rehetra eny no vonona hanampy ireo vao tonga ao amin'ny gara.
Nosingatsinganina araka ny faritra ny toeram-pivarotana tapakila. Misy ny faritra fisakafoanana, ividianana zavatra atao fanomezana, na akanjo, sns. Hita ny fiovana goavana ho an'ireo izay zatra ny garan'i Cumandá, izay araka ny hevitro, dia tahaka ny fonja, noho ny aiziina sy ny fikorontanana ao anatiny.
Ho an'izay te-hijery ny gara vaovaon'i Quitumbe  dia indro tsidiho ny takelaka Flickr-ny.
Milton Ramirez
Ekoatora: Fitsapam-pahaizana atao amin'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka
Isan'ny tanjona iray napetraky ny governemanta ankehitriny ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Ekoatora, ary ankehitriny ho fanatanterahana izany dia manara-maso akaiky ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka manerana  ny firenena izy. Ny sampana mpanatanteraka dia vao avy nandàny  lalàna  vaovao iray(.pdf doc) mangataka  ireo mpampianatra rehetra handalo fitsapam-pahaizana mandritry ny herinandron'ny  faha 25 Mey. Na eo  zaza izany, ny Fiombonam-bem-pirenen'ny mpampianatra [es] (UNE ho an'ny fanafohezana azy amin'ny teny Espaniôla) dia manohitra sy mihantsy mivantana ilay fanapahana amin'ny filazàna fa tsy mazava loatra ny maha-ara-dalàna na tsia ny fanaovana fitsapam-pahaizana toy izany. Ampahany kely dia kely raha ny isan-jaton'ireo mpampianatra mpikambana ao aminy no nandray anjara tamin'ilay fitsapam-pahaizana, ary dia mipoitra ankehitriny  ny fanontaniana hoe fomba ahoana no hahazoana antoka fa hahazo ny fampianarana mendrika sy sahaza azy,  avy amin'ireo mpanabe eto amin'ny firenena ireo kilonga.
Ireo mpampianatra mivondrona manao diabe fitakiana fisondrotan-karama teny an-dàlamben'i  Machala, faritanin'i El Oro, Ekoatora. Famoahan-tsary nahazoana alàlana tamin'i http://www.diariocorreo.com.ec
Vondrona maro avy amin'ny Fiombonan'ny Mpampianatra no naneho ny hevitr'izy  ireo momba ilay fitsapam-pahaizana. Ny UNE ao Carchi [es], ohatra, dia nanomboka hetsi-panoherana ho fanehoam-panohanana ireo sekoly nandà ny hanaovana fitsapam-pahaizana[es].
David Guamba avy amin'ny Ecuador Noticias [es] dia manazava ny antom-pisian'ilay fitsapam-pahaizana sy ny hoe nahoana ireo mpampianatra no matahotra:
Según el Ministro del ramo, Raul Vallejo, se aplicarán dos tipos de evaluaciones: interna y externa. La interna la realizan colegas, directivos, estudiantes, padres y madres, y el mismo maestro (autoevaluación); además se realiza la observación de una hora de clase. Todas estas evaluaciones internas suman el 50 por ciento de la calificación. Por otra parte está la evaluación externa, que consiste en la aplicación de pruebas sobre conocimientos específicos que tendrán un peso del 30 por ciento, prueba de conocimientos pedagógicos que tendrá un peso del 10 por ciento y prueba de habilidades didácticas que tendrá un peso del 10 por ciento de la calificación total.
Los docentes que obtengan una evaluación final mayor a 90 por ciento (excelente) accederán a becas o pasantías, serán maestros en programas de capacitación, y recibirán un estímulo económico de 1.200 dólares cada año, hasta la nueva evaluación, que será después de cuatro años.
Raha ny filàzan'ny Minisitra, Raul Vallejo, hànana endrika roa ny fitsapam-pahaizana: anatiny sy ivelany. Ny anatiny dia harafitry ny mpiara-miasa, ny mpanara-maso, ireo ankizy, ny raiamandreny, ary ny samy mpampianatra [fitsaran-tena](self-evaluation), ary ampidirina ao anatin'io ny fijerena mivantana ao an'efitrano fampianarana mandritry ny ora iray. Izany fitsapam-pahaizana rehetra izany dia hanome ny 50 isan-jaton'ny isa atolotra. Hisy koa ny fitsapam-pahaizana ivelany, izay idiran'ny fahalalàna manokana ka hanomezana ny 30 isan-jaton'ny isa, ny fanànana fahaizana mampianatra hahazoana ny 10 isan-jato, ary ny traik'efa amin'ny fampianarana hanome ny 10 isan-jaton'ny isa rehetra mitambatra.
Ireo mpampianatra mahazo isa 90 isan-jato no mihoatra  (mendrika indrindra) dia hanan-jo hahazo  fanampiana ara-bola na hanaraka fiofanana momba ny asany, ho lasa mpampianatra mpanofana aminà tetikasam-panabeazana izy ireny, ary hahazo famporisihana ara-bola manodidina ny  1,200 dolara isan-taona mandra-pisian'ny hetsika vaovao indray, izay mbola any aorian'ny efatra taona any.
Ireo mpampianatra tsy tafita tamin'ilay fitsapam-pahaizana voalohany kosa dia asaina manaraka fiofanana mandritry ny herintaona ka aorian'izay dia homena vintana izy ireny hamerina indray hitsapa fahaizana. Aorian'izay ihany, raha tsy afaka i ramose na i madama, vao roahana tsy ho mpanabe intsony.
Belem Proaño avy amin'ny Temas Para Debatir [es] dia manaiky fa ny fandàvana tsy hotsapàna fahaizana dia hampihen-danja ireo mpampianatra ary ilay fitsipahana dia raisina ho toy ny fandàvana fanavaozana, izay zavatra efa irosoan'ny firenena:
La educación es un tema muy sensible dentro de una sociedad porque tiene relación con su futuro. Si los maestros se niegan a ser evaluados, más bien presionados por su sindicato, se enfrentan a una imagen mediocre frente a los ciudadanos. Este es un tema muy comentado en el país pero todo se ha quedado prácticamente en la polémica.
Personalmente pienso que ningún profesional debería tener miedo a una evaluación porque las evaluaciones no son represiones sino un instrumento que permite conocer la realidad de la educación. Con ello las medidas que se tomen o las planificaciones que se realicen serán más exactas o menos propensas al error.
Zavatra saropady ny fanabeazana eo anivon'ny fiarahamonina  satria iankinan'ny  hoaviny. Raha mandà tsy hotsapaina fahaizana ireo mpampianatra, sahala amin'izay haneren'ny Fiombonamben'izy ireo azy, dia hanome sary ratsy eo anoloan'ireo mpiray tanindrazana amin'izy ireo. Isan'ny anton-dresaka iray tena voizina be eto amin'ny firenena io izao, saingy mbola betsaka ny zavatra mifanipanipaka.
Amiko manokana, heveriko fa ny tsy matihanina ihany no tokony hangovitra amin'ny fitsapam-pahaizana satria ny fitsapam-pahaizana tsy hoe famoretana tsy akory,  fa fitaovana iray hahafantarana ny tena zava-misy eo amin'ny seha-panabeazana. Miaraka amin'ireny fepetra rehetra ireny, ho matotra kokoa ny fandaminan-draharaha ary  tsy hahitàna hadisoana firy intsony.
Ny fitsipahana toy ity dia nitondra adihevitra manodidina ny anjara toerana raisin'ny Fiombonamben'ny mpampianatra sy ny fisiana na tsia fironana pôlitika manosika ilay Fiombonambe. Na dia ny mpitoraka blaogy ao amin'ny Ecuador Sin Censura [es] izay manohitra mivantana ny governemantan'i Filoha Rafael Correa aza, dia mihevitra fa rariny ny hijoroan'ity farany manoloana ny Fiombonamben'ny mpampianatra izay manana fifandraisana akaiky amin'ny antoko pôlitika  Democratic People's Movement (MPD).
Ny Minisitry ny Fampianarana teo aloha Alfredo Vera Arrata dia manakiana ny  MPD ao anatin'ny blaoginy satria vondron'olona  30 mpikambana ao amin'ny  Democratic Popular Movement (MPD), izay milaza tena ho mpampianatra na dia tsy mbola nanitsaka akory ny tokonam-baravaran'ny efitrano fampianarana aza, no milalao ity raharaha ity ary izy ireo dia mandray karama.   Vera dia iray amin'ireo mpankasitraka ny fanavaozana,  miaraka amin'ny Minisitry ny Fampianarana ankehitriny Vallejo, izay ao ambadiky ny hetsika manohitra ny UNE. Ny Unitary Front of Education Workers (FUTE) izay  nampangaina ho manao izay hampizarazara ny UNE izay tena lehibe tokoa [es]. Ity sampana vaovaon'ireo mpampianatra mivondrona ity dia ahitàna hatramin'ny  40 000 ny mpiakambana ao aminy  ary mitoetra ho tsindrin'entan'ny  UNE.
Raha mihamahazo vàhana hatrany ny fankasitrahana ny fanaovana fitsapam-pahaizana, mbola mahazo fanohanana manerana ny firenena ihany koa ireo mpampianatra. Ilay mpanao gazety Fernando Balseca ao amin'ny gazety   El Universo dia milaza fa adinon'ny governemanta fa karama varymasaka no raisin'ireo mpampianatra ireo ary ny firenena dia tsy nanana mihitsy Ministeran'ny Fampianarana niainga avy any an-tsekoly izany. Amin'ny endrika fanesoana ihany koa no anamarihany fa ireo lohandohany mpitarika ny fitsipahana dia saiky avy aminà sekoly iray avokoa ary matetika koa dia mpianatr'ireo mpampianatra tandindonin'ny fandroahana amin'izao fotoana izao raha tsy manaiky ny hanao fitsapam-pahaizana.
Na izany aza, maro no manakiana ny Filoha Correa momba ny fitantanany ireo raharaha fitsipahana sy ny fitsapaham-pahaizana.Indray mandeha indray, ny mpitoraka blaogy ao amin'ny Ecuador Sin Censura [es] dia tsy mahita loatra ny antony iventesan'ny governemanta ny Artikla faha-38,andalana momba ny asan'ny mpampianatra ho fototra iorenan'ny fandroahana ireo mpampianatra mandà ny tsy hiatrika fitsapam-pahaizana. Milaza izy io fa ireo mpampianatra dia azo roahana rehefa voaporofo ny tsy fahaiza-manaony, nefa kosa ny fandàvana tsy hiatrika fitsapana dia tsy porofo mihitsy azo hanamarinana izany zavatra izany .
Farany,  Julio C. Enriquez avy amin'ny Ultimatum [es] dia mihevitra fa manana ny tsy azony ihoarana i Correa sady miantso fifanatonana eo amin'ny roa tonta. Manontany izy hoe nahoana i  Correa, raha handany andro hifampitàna amin'ireo mpitarika sy ny mpikambana ao amin'ny UNE ihany, maninona izy raha mampanao fihaonambem-pirenena sy manaiky mba hihaino ireo mpanabe sy ny hanoloran'izy ireo ny vivavinany  hahafahan'izy ireo miara-miasa hikatsaka izay tsara indrindra ho an'ny fanabeazana Ekoatoriana:
Siendo así las cosas ¿Porqué Correa aparece altisonante, con una política de amenazas hacia los profesores de la UNE, francamente tonta. ¿Por qué no convoca al magisterio a un gran diálogo nacional para enfrentar juntos el desafío de transformar para siempre el pesado fardo de una educación básica preterida por todos los gobiernos de turno? ¿Por qué Correa no interroga a la UNE acerca de que propuesta tiene para transformar la educación y la compara con su visión del mundo ahora que como máximo representante de su clase social –la pequeña burguesía progresista–,se erige en clase dominante en el poder? ¿Por qué el método de choque?
Amin'ny fitrangan'ny raharaha amin'izao fotoana, nahoana i Correa no mbola miseho milay amin'ny pôlitikan'ny fampihorohoroana ireo mpampianatry ny  UNE ihany? Tena tsorina, mandreraka be izany. Maninona no tsy miantso fihaonambem-pirenena amin'ireo mpampianatra ireo izy mba hanamafisana miaraka ilay fanamby hanovàna ireo lova mavesatra mitambaby amin'ny fanabeazam-pirenena nodian'ireo governemanta nifandimby tsy hita, indray mandeha tsy miverina?  Maninona no tsy anontanian'i   Correa ny  UNE momba izay soso-kevitry ry zareo ho fanavaozana ny fanabeazana sy mba hampitahàna izany  amin'ny fomba fijeriny  manokana ny tontolon'ny fanabeazana, amin'izao fotoana maha-sangan'ny sarangam-piarahamonina misy azy izao - dia ny sarangan'ny  bourgeois vao misondrotra izay hanjary ho saranga mitàna ny fahefana atsy ho atsy? Fa maninona no miditra amin'ity fomban'ny fifandirana ity?
Ireo mpitarika ny UNE dia mihevitra ny hankalàza ny  National Council meeting amin'ny Alatsinainy 1 Jona mba hifanakalozana hevitra momba izay tetik'ady hiatrehana ny hoavy, ary efa miantso sahady diabem-pirenena izy ireo ny 11 Jona izao.  Rafael Méndez dia mihevitra ny hanatrika ny fampihaonana hokarakarain'i  Correa ao Guayaquil ny Zoma 29 Mey ho fanohanany ny tolo-keviny amin'ny fitsapana fahaizana.   Méndez dia mino ny maha-zava-dehibe ny tokony hanohanana ny Filoha  Correa ary mitantara ny antony mbola nandraisan'ireo  mpampianatra 12000  (mpikambana ao amin'ny UNE) karama ihany na dia tsy niasa aza izy ireo.  Ho izy manampy:
de ser así, ellos no tendrían autoridad moral para dejar de año a los estudiantes que se nieguen a hacer exámenes en los colegios.
Araka izany, ry zareo (mpampianatra) dia tsy manana ny fahefana ara-moraly hampamerina kilasy ireo mpianany izay tsy manaiky hiatrika ny fanadinana (azy ireo) any an-tsekoly.
Lova navelan'i mpitarika ny indizeny Mama Tránsito
Misaona noho ny fahalasanan'ny iray amin'ny mpitarika eo amin'ny fokonolona, dia ny fahafatesan'i Rosa Elena Tránsito Amaguaña ny  fokonolona indizeny, mpikatroka amin'ny fampanajana ny zon'olombelona, ary ny vahoaka Ekoateriana amin'ny ankapobeny. Amin'ny maha-“Mpanorina an'i Ekoatera Vaovao,”azy dia izy, miaraka amin'i Dolores Cacuango [es], fantatra amin'ny hoe Mama Dulu ary ilay mpanoratra Nela Martínez [es], no iray amin'ny andry iankinan'ny Hetsika Indizeny Ekoateriana.
Maty nandritra ny andro manokana eto Ekoatera izay fetin'ny reny i “Mama Tránsito” araka ny ahafantarana azy. Amin'ny mahampikambana ao amin'ny Fokonolona indizeny Kichwa azy, ny finoany dia manambara fa niala tamin'ny tontolon'ny Pachamama ( i Mama Tany) hiditra any amin'ny  Samay Pacha (Tontolon'ny Fanahy) izy ary tsy tokony hiteraka alahelo izany fahafatesana izany, fa tokony hahafaly sy ankalazaina amin'ny loko marevaka aza. Nolazaina fa niaina nandritra ny taonjato iray moa i Mama Tránsito saingy mpitranga any amin'ny fianakaviana Ekoatoriana izany, Voasoratra ao amin'ny biôgrafiany fa teraka tamin'ny taona 1909, saingy nohitrikitrihany matetika fa teraka enina taona mialoha io izy.
Malahelo noho ny fahalasanan'i Mama Tránsito ny mpamaham-bolongana Ekoatoriana ary mahatsiahy ny lova navelany ho an'ny hetsika Ekoateriana indizeny. Namoaka lahatsoratra iray nosoratan'i Silvia Cuevas-Morales indray i Vamos a Cambiar el Mundo [es]. Mitantara ny fahazazan'i Mama Tránsito tany Huasipungo ny lahatsoratra sy ny fisisihan'ny reniny hampiditra azy an-tsekoly mba tsy haha-tsy mahay mamaky teny azy. Na izany aza dia niasa nanao mpanampin'olona tany amin'ireo mpanantany midadasika (hacienda) mialoha be izy.
Ny fampijaliana sy ny fahasamihafan-tsaranga hitany mivantana no nanetsika azy hitolona ho amin'ny fampanajana ny zon'ny fokonolona indizeny. Nanjary tafiditra lalina tamin'ny resaka sendikaly ny vehivavy ary nandray anjara tamin'ny fananganana ny sendikàn'ny tantsaha voalohany tany Ekoatera. Ankoatra izany dia iray tamin'ny mpikambana nanorina ny Federasiona Ekoateriana Indiana (FEI) izy sy nanorina ny sekoly mianatra amin'ny fiteny roa samihafa voalohany.
Sarin'ny filoha Rafael Correa manatrika ny fandevenana. nampiasaina avy amin'ny alalana Creative Commons license. http://www.flickr.com/photos/presidenciaecuador/3529551826/
Nandritra ny famangiany matetika an'i Kiobà no nianarany namaky teny sy  nanoratra fony mbola voarara ny nampianatra ny indizeny tamin'izany fotoana izany. Amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny antoko komonista azy dia tadidy amin'ny maha-”kamarady” azy izy, ary manome voninahitra ny asany ny bolongan'ny Tanora Komonist'i Ekoatera [es] satria nosihosena sy nambakaina ny faritra Indizeny maro “tsy naka fanapahan-kevitra momba ny fiainany tahaka ny biby miasa” ireo. Fa manam-panantenana ihany izy ireo tamin'ny fanoratana hoe:
Pero estamos seguros al igual que “Mama Tránsito” que “Llegará el día en que los indígenas, negros, blancos, mulatos, mestizos comeremos en un solo plato, todos y todas”.
Matoky tahaka an'i “Mama Tránsito” isika rehetra fa “fa ho avy ny andro fa hiara-mihinana amin'ny vilia iray avokoa na indizeny, na mainty, na fotsy, na metisy.”
Nahatonga aingam-panahy tamin'ny maro ny nataony ary nisafidy ny tantaran'i Mama Tránsito hataony devoara ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Nati Wolf ao amin'i La Chica de la Luna [es]. Namangy ny fokonolona La Chimba hitafa mivantana amin-dramatoa i Wolf sy ny mpiara-mianatra aminy. Manoratra ny lazainy fa endrika hafa hita amin'i Tránsito Amaguaña sy ny fahitany ny fomba fiainan'ity mpitarika indizeny ity ny mpamaham-bolongana. Norandranin'i Wolf ary fa na dia misy ihany aza ny fivoarana dia mbola maro kosa ny lohahevitra mbola tsy nahitan'i Tránsito vahaolana:
Sus ojos llorosos y cansados, sus arrugas y las venas abultadas por donde se expresaba toda una vida llena de experiencia y de lucha, me hacían ver que aún hay mucho camino por recorrer, aunque ella haya logrado cierta estabilidad en varios ámbitos. La pobreza aún existe, la discriminación es pan de cada día y cada segundo de nuestras vidas, nuestros derechos siguen siendo violentados.
Estoy segura que quiénes fuimos a conocerla, nos marcó la vida. El destino quiso que la conociéramos antes de que partiera de este mundo. Nos regaló la semilla de la perseverancia y valentía con que se debe seguir luchando. Y sabemos que cuando estamos unidos se puede lograr muchas cosas..
Mampiseho ny fianany feno tolona sy atrikasa ny fahitana ny masony reraka manganohano, ny ketroketrona amin'ny tavany ary ny ozan-drany matevina, milaza amiko ireo fa mbola lavitra ny lalana, na dia nitondra fitoniana tany amin'ny faritra maro aza izay nataony. Mbola misy ny fahantrana, manjaka ny fanavakavahana, ary mbola voahosihosy hatrany ny zontsika isaky ny segondra iainantsika.
Matoky aho fa nitondra traika lehibe tamin'ny fiainan'izay nihaona taminy izy. Ny lahatra no nitondra anay hihaona aminy ialoha ny handaozany ity tany ity. Nanome antsika ny voam-pikirizana sy fahasahiana entina manohy ny tolona izy. Fantatsika fa raha mivondrona isika dia maro ny zavatra azo tontosaina..
Raha hijery ny famangian'i Wolf, aza fady tsidiho ny takelaka Flickr ato.
Ireto koa misy lahatsary (I & II) ao amin'ny YouTube hampahalala bebe kokoa antsika ny fiainan'i Transito Amaguaña.  Manana rakitsary[es] ihany koa i El Universo.
Milton Ramirez
Ekoatora:Araha-maso ny kalitaon'ny gazety
Ratsy ny fifandraisana nisy teo amin’I Filoha Ekoatoriana Rafael Correa sy ireo mpampita vaovao ary ireo mpanao gazety ao amin’io firenena io. Mety ho ratsiratsy kokoa izany ato aoriana kely, araka ny voalazan’ny gazety La Hora [es], manana drafitra hampihatra ny lalàna Fampandraisana andraikitra ara-tsosialy ny haino aman-jery ny governemantany. Ho fanampin'ny teritery atao amin’ny dokam-barotra isan-karazany dia mety hitaky anjara fitenenana 15 minitra isan’andro ka hatramin’ny 70 minitra isan-kerinandro eny anivon'ireo fampitam-baovaom-bahoaka sy ny tsy miankina ny lalàna[es] (ilaina ny fisoratana anarana). Ireo tsikera no tena mampanahy mafy, indrindra fa ao anatin'ny vanimpotoana manakaiky fifidianana no nitsofoka izy ity.
Ny soso-kevitra, izay tokony hampiharin'ny Filan-kevi-pirenena misahana ny Haino aman-jery [es] (CONARTEL araka fanafohezana ny anarany avy amin’ny teny Espaniola), dia miantso koa fananganana  komitin'ny mpanjifa izay afaka hanana zo hitaraina sy hiteny amin'ireo fandahàrana mandeha ka azo idirana mivantana. Mandeha ihany koa ny feo fa hoe ireo komity ireo dia ho afaka hirotsaka handray anjara amin’ny “famolavolana, ny fametrahana ary ny fanaovana jery todika ireny fandaharana ireny mba hahafahana mandrafitra fanakianana mitodika amin'ny fanabeazana ho an'ny mpampita vaovao sy ny mpanao gazety” ary izany rehetra izany dia mba ho fampandraisana andraikitra ny fampitam-baovao sy ny mpanao gazety amin’ny ampahany ihany.
Tao aorian’ny tatitra nivoaka an-gazety, dia nitsipaka ny fisian'izany soso-kevitra izany ny CORNARTEL[es]. Ndeha tsy ho jerena ny fanamafisana avy amin'ny gazety sy ny governemanta, izany rehetra izany dia nanokatra adihevitra momba ny kalitaon'ny asa fanaovan-gazety eto amin'ny firenena sy ny anjara raisin'izy ireny eo amin'ny kilalao politika.
Ny mpamaham-bolongana sasany  mihevitra fa ny mpampita vaovao dia mila fitsipika arahana, toa an'i Muluncayense ao amin'ny  Mi Diario Relativoy[es] izay manana fijery miiba momba ny mpanao gazety hoe tsy matihanina mihintsy izy ireo amin'ny fanatanterahany ny asany. Tanisainy amin'izany koa ny namoahan'ny fahitalavitra Ekoatoriana vaovao tsy mitombina momba ny vono-olona nahafaty ny namany akaiky be azy. Mifanipaka ny antsipirihan-baovao ary zavatra samihafa no lazain'ny gazety roa na telo momba ny tranga iray izay amin'ny ankapobeny, vaovao diso.
Etsy andaniny kosa, i Ruben Dario dia mihevitra ireo mpampita vaovao ho  mitaiza loatra fifandraisana mitongilana any amin'ny  ‘tombontsoan'ny ao ambony'[es]. Aty amparany dia niaro ny asany  izy,  izay efa voatsikera teo aloha, ary niaro manokana ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety manadihady [investigative journalism] [es]:
Se equivocan quienes piensan que el periodista de investigación es una suerte de detective, policía o investigador privado. Pero también se equivocan quienes piensan que el papel de la prensa es acusar, sentenciar, condenar, encarcelar.
Ho anareo izay mihevitra ny asa fanaovan-gazety manadihady ho mitovy amin'ny asan'ny mpitsongo dia [detective work], na asa fanadihadian’ny polisy na mpanadihady  manokana, dia diso tanteraka. Ary diso ihany koa ireo izay mihevitra fa ny andraikitry ny fanaovan-gazety dia ny mitoroka, mitsara, manameloka, ary mampiditra am-ponja.
Porofoin'i Ricardo Vasconcellos ao amin’ny Desde mi Trinchera [es] ny mahatonga ny mpanao gazety ao Ekoatora hisedra olana tsy ho afa-mamoaka vaovao tokana, fa eo  koa ny fanambanian'ny governemantan’I Correas azy ireo.
Responsabilizar al periodismo de tener un pacto con el pasado para obstaculizar la labor del régimen no ha sido todo. Correa ha imputado irresponsablemente a los periodistas no alineados con la “Revolución Ciudadana” la comisión de un delito de muy graves repercusiones: terrorismo.
La última vez que insultó a los periodistas fue en la sesión solemne por los 184 años de la independencia de Portoviejo. Según El Diario de esa ciudad del 25 de junio de este año “En tono molesto el presidente de la república Rafael Correa dijo (..) que el accionar del gobierno ha sido transparente y pidió a los asistentes no dejarse llevar por ciertos periodistas a los que calificó de terroristas”.
Ny filazàna ny asa fanaovan-gazety tany aloha tany ho tompon'antoka sy mifamatotra amin'ny fisian'ny sàkana tamin'ny asan'ny governemanta dia tsy misy dikany. Nanakiana tsy amim-pisainana lalina ireo mpanao gazety tsy nandray anjara tamin'ny  “hetsi-bahoaka” i Correa amin'ny fiampangàna mavesatra azy ireny: asa fampihorohoroana.
Ny fotoana farany naniratsiràny mpanao gazety dia tamin’ny andro fankalazàna ny faha 184 taonan'ny fahaleovantenan’i Portoviejo. Araka ny filàzan'ny El Diario (gazety) ao amin’io tanàna io, nivoaka  tamin’ny 25 Jona 2008, dia “tamin'ny feo mahery (sorena) no nilazàn'ny filoham-pienena Rafael Correa fa niasa tanaty mangarahàra ny governemantany ary niangaviany ireo mpanotrona azy mba tsy ho voarebirebin'ireo mpanao gazety  sasany izay tondroiny ho mpampihorohoro.”
Na hisy na tsia ny tolo-dalàna momba  ny andraikitry ny mpampita vaovao, ny fifandraisan'ireo mpanao gazety sy ny governemanta dia hitohy hatrany ho ventin-dresaky ny mpamahana bolongana Ekatoriana.
Amerika: Valin-kafatry ny faritra manoloana ny otrik'aretina H1N1
Na dia tany Meksika aza no nisy ny foiben’ny fihanahan’ny otrik’aretina H1N1 , mitady làlana hisorohana sy hanoherana azy ireo firenena hafa manodidina. Mijery akaiky amin’izay ataon’ny governemanta any aminy ireo mpitoraka blaogy ny amin’ny fomba hanalan’izy ireo ny tahotra, sa kosa vao mainka manampy trotraka. Ireo mpitoraka blaogy hafa avy any Amerika Latina koa dia mandinika ny fitondran-tenan’ireo olom-pirenena namany, indraindray miaraka amina fampihomehezana kely mba hisian’ny fitonitoniana.
Noho io valan’aretina io dia betsaka ny hetsika sy laminasa, izay heverina hisintona vahoaka maro, no nofoanana na no nahemotra, toy izany ny Hetsiky ny Rivo-Baovao nomanina hatao ny 23 aprily hatramin’ny 3 may tany amin’ilay tanàna meksikana Ecatepec. Ilay mpitoraka blaogy avy any Goatemala, Alan Mills ao amin’ny Revólver [es] dia nila nitady tetikasa hafa, satria efa niomana ny hanatrika io hetsika io izy.
Sarin’ny ‘metro’ meksikana nalain’i Eneas ary nampiasana ny Creative Commons license http://www.flickr.com/photos/eneas/3471986083/
Olom-pirenena maro no mandalina ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemantany manoloana ny fahatsiarovan-tenan’ny mponina amin’ny mety hahatongavan’ny otrik’aretina ao amin’ny fireneny. Any Costa Rica, izay firenena faharoa tao an-toerana nitatitra tranga, dia manoratra i Hazel Feigenblatt avy ao amin’ny Quien Paga Manda [es] fa hoe ny  Minisitry ny fahasalamana dia manasazy ireo fivarotam-panafody izay mitady hanararaotra amin’ny fanamboarana fanafody sy vaksiny sandoka.  Manontany tena momba ilay fividianana Tamiflu 150,000 fatra nataona firenena izay mbola tsy nahita akory ilay otrik’aretina ilay mpitoraka blaogy Ekoatoriana avy ao amin’ny Dejálo Ser [es] ary koa raha hoe hoverivery fotsiny ilay vola raha tsy ho ampiasaina akory ireo fanafody ka havela ho lany andro ao fotsiny.
I Luis Aguirre avy ao amin’ny Bloodyhell [es] dia mitsikera ny fihetsiky ny Minisitry ny fahasalamana peroviana, izay nilaza fa nisy teratany avy any Arzantina mitondra ny otrik’aretina H1N1 niditra tao amin’ny fireneny, nefa taorian’ny fitsirihana dia voaporofo fa diso izany [es]. Na izany aza, fahafaham-baraka toa rano raraka tsy azo raofina satria efa navoakan’ny governemanta koa ny anaran’ilay olona nahiana hitondra ny otrik’aretina [es], izay zavatra tsy fanao any amin’ny firenena hafa.
Sarina mpizahatany tao Cancún nalain’i El Enigma ary nampiasana ny Creative Commons http://www.flickr.com/photos/marca-pasos/3494017972/
Resahina matetika any anaty blaogy koa ny fihetsiky ny olona manodidina azy ireo. Any Bolivia, vao haingana i Azael avy ao Abre Los Ojos [es] no nifanena tamina fiara nitondra olona efatra nanao sarom-bava tany amin’ny tanànan’i La Paz. Raha ny fantatra dia tsy mbola tonga any Bolivia ny otrik’aretina, nefa manamarika izy fa tsy nanao zavatra hafa tena tsotra ireo olona ireo mba hisorohana loza hafa, “Ny tena zava-tsarotra dia ny mitady olona mamatotra ny fehikibo fiarovany any anaty fiarany.”
Mitantara andro iray izay tena nandreraka lany tany anaty fitanteram-bahoaka i Velvet avy ao amin’ny Piso Tres [es]any Medellín, Kolombia, noho ny fihetsiky ny olona nanodidina azy.
Resulta que soy alérgico a los olores fuertes. Percibo un aroma de prefume muy concentrado e inmediatamente suelto el estornudo. Un estornudo de los clásicos, de los que no matan sino que te dejan aliviado y con sensación de placer. No tiene nada que ver con la gripa de los marranos. Claro, eso no lo saben los que viajan conmigo en el metro.
Hoy estornudé por culpa de un perfume malísimo que olí en el metro. Un señor del frente me miró con rabia asesina. Un niño miro a su mamá con mirada de mártir y abrazó su pierna. La señora me miró como diciéndome “¡homicida”! y se fue. La joven a mi lado -entre otras cosas la culplable de mi delicioso estornudo- se paró y se cambió de vagón. Otro señor cerquita sacó un pañuelo del bolsillo trasero y se tapó la nariz y la boca. En unos treinta segundos se formo un círculo imaginario a mi alrededor y sentí lo que debe sentir un leproso o un paria hindú.
Izaho mantsy tsy mahazaka fofona mahery. Raha mifoaka fofon-dranomanitra mahery be aho dia mievina avy hatrany. Evina tahaka ny evina rehetra, tsy mahafaty, fa manamaivana sy mamela fahafinaretana. Tsy misy hidirany amin’ny gripan-kisoa mihitsy. Mazava ho azy fa tsy mahafantatra izany ireo tafara-dàlana tamiko tao amin’ny “metro”.
Tsy maintsy nievina aho androany noho ny fofon-dranomanitra ratsy be nofohako tao amin’ny ‘métro’. Nijery ahy tamin-katezerana fatratra ilay rangahy teo anoloako. Nisy zazakely iray nijery ny reniny toy ireny fikerin’ny maritiora ireny ary namihina ny tongony. Dia nijery ahy  ilay ramatoa, tahaka ny te-hiantsoantso hoe “mpamono olona!” ireny ary  avy eo izy nandeha. Nitsangana ilay tovovavy teo anilako – izy no tompon’andraikitra tamin’ilay eviko tsara be teo – ary nifindra fiara. Nisy rangahy hafa koa naka mosoara tany am-paosy aorinany dia nanapina ny orony sy ny vavany. Tao anatin’ny 30 segondra, nisy faribolana tsy hita maso niforona nanodidina ahy ary nahatsapa ny tsapan’ny boka na Indiana pariah aho.
Ny sasany indray dia miezaka mampiasa fampihomehezana mba hanamaivanana ny tahotra. Nanoratra  momba ny ‘sary vaovaon’ny fahafatesana’ i Gandica avy any Venezoela ary maka sary an-tsaina ny mety ho endriky ny fanadihadiana any an-danitra momba ny antony nahafaty ny tena [es]:
- ¿Y usted de qué murió?
Entonces la respuesta correcta debe ser:
- De la gripe AH1N1.
No vaya pues a cometer el garrafal error de mencionar que murió de influenza o gripe porcina -ya sabe AH1N1-nueva-gripe / H1N1- porque la industria-de-alimentos-carne-de-cerdo está muy sensible y pidió el cambio de nombre.
Joder. Como si el nombre gripal tuviera mucha importancia en estos momentos sobre lo que se nos viene encima.
¡Son pues vainas de nosotros los humanos, siempre tan cuidadosos con la imagen-relaciones-públicas!
- Ary inona no nahafaty anao?
Ity no mety ho valiny marina:
- noho ny otrik’aretina AH1N1
Tandremo ny manao fahadisoana goavana amin’ny fitenenana hoe gripa na gripan-kisoa – efa fantatrao ny AH1N1 – gripa vaovao / H1N1 – satria mora tohina ny orinasa momba ny kisoa ary nangataka ny mba hanovàna ny anarana.
‘Lety eee. Ohatran’ny dia efa hoe manan-danja be ireny ny anaran’ilay gripa amin’izao fotoana izao. Izany no hadalàn’ny olombelona, miasa saina foana amin’ny endrika ivelan’ny  tena sy ny fifandraisana aman’olona!
Mamoaka karazan-torohevitra nofinofyCiencia Ficción [es] any Costa Rican mamaly ireo mpamaky voakasiky ny otrik’aretina.
“¿Usted cree que me muera?” Anónimo, San José.
R/: De la gripe no, en un asalto en San José sí.
Mieritreritra ve ianao fa ho faty aho? Tsy mitonona anarana, San José (renivohitra)
Valiny/: Noho ny gripa, tsia…noho ny fanafihana mitam-piadina any San José, eny.
Ekoatera: Resadresaka miaraka amin'ny mpandresy tamin'ny blaogy Amerikanina Latina tsara indrindra
Na dia tsy afaka nandeha tany Espana[es] mba hahazo ny loka (prize) amin'ny “Blaogy Latina Amerikanina tsara indrindra”  tao anatin'ny fifaninanana[es] notohanan'ny mpampahalala vaovao  Espaniola 20 Minutos aza,  Carlos Suasnavas dia nahazo voninahitra tamin'ilay mari-pahatsiarovana ary nanolotra izany kosa ho an'ireo mpamaky azy. Ny blaogy, izay iarahany manoratra amin'i Evan any Argentina, izay antsoina hoe Sentando Frente Al Mundo [es] (mipetraka manoloana ny tany (in Front of the World)) ary nofidin'ny mpitsara sy ireo mpitoraka blaogy hafa.  Ao anatin'ity fanadihadiana ity izay natao tany aminy tany Quito ity, asehony ireo antony nanosika azy ireo hamorona blaogy  ary manazava amintsika hoe fa maninona no ny teratany vahiny no maro noho ny Ekoatorianina amin'ireo mpamaky.
Carlos Suasnavas anatina sary nalaina manokana ho amin'ity  fanadihadiana tany Quito, Ekoatora ity. “Courtesy of Suasnavas”
Milton Ramirez: Iza moa I Carlos Suasnavas?
Carlos Suasnavas: Carlos Suasnavas dia 37 taona, Ekoatorianina, tia mamaky ireny boky tsara ireny, literatiora klasika [classic], siansa amin'ny ankapobeny ary miezaka haneho ao anatin'ny blaoginy ny zavatra izay novakiany, henony ary izay zavatra nahaliana azy fatratra.  Izy koa dia mpandraharaha, izay liana amin'ny momba ny toekaren'ny taniny, amin'ny hasambaran'ireo mpiasany sy manome fahafaham-po ny mpanjifany.
MR: Ny blaoginao dia nofintinina tao amin'ny  “mipetraka manoloana ny tany ” inona no dikan'izany aminao?
CS: Ny dikany dia izaho sy ianao na ny olona hafa koa  dia manana tombon-dahiny afaka  mipetraka manoloana ny varavarankelin'ny aterineto izay manome antsika fahalalana momba ny kolontsaina, ny ny fomba amam-panao samihafa, ny tantara, ny fomba fiaina sy ny zavatra manintona amin'ity planeta manga ity. Raha izao manokana, mahatsapa ny tenako fa tena niangarana raha  teraka amin'ity vanim-potoana ity izay ananantsika eo ambony latabatry ny biraontsika io varavarankely mahafinaritra io izay ahatsinjovantsika izao tontolo izao.  Tsy azoko mihitsy hoe maninona no  misy olona dia ny hijery ireny zavatra vetaveta [pornographie] sy ireny vaovao people ireny no iazakazahany, nefa ianao manana eo an-tananao ilay HANY fitaovana iray mitondra ao an-tokantranonao amin'ny fomba virtoaly ny tantaran'ny zanak'olombelona, ny zavakantony, ny siansa, ny haitao, ny pôlitika, toy ny hoe ny planeta iray manontolo mihitsy, ny haibolantaniny, ny biby ary ny zavatra maro an'arivony ao amin'ny taninao. Matetika isika no tsy mahatsapa akory ny fiangaran'ny vintana atsika hahazo izay fahalalana rehetra avy any lavitra any eran'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny tsindry bokotra iray monja. Ny anaran'ny blaogiko, Sentado frente al mundo, dia mahafaoka izany rehetra izany.
MR: Inona no eritreritretinao momba ny tontolon'ny blaogy Ekoatorianina  ary amin'ny maha mpamaky blaogy, iza no tianao indrindra?
CS: Raha ny momba ny blaogy Ekoatoranianina, toy ny any rehetra any, dia manana blaogy tsara voatra ianao,  nefa misy koa ny an'ny hafa. Misy ny mpitoraka blaogy sasany no mihevitra fa ny mahaliana antsika dia ny fiainany, ny fihetsem-pony, ary ny fiainany ny firaisana ara-nofony, nefa hatramin'ny nampahalalaka ny fitorahana blaogy, afaka manao izany ry zareo ary tsy misy lalàna manokana arahana izany, izany no antony ahitànao hadalàna maro ihany koa ao anatiny.  Ary nanomboka tamin'ny nampivelatra be ny blaogy, dia manana mpamaky momba ny zavatra rehetra foana ianao.
Ao amin'ny rohy fanarahako maso ny blaogiko dia mahita blaogy Ekatoriana tsara mihitsy aho,  izay tao hatramin'ny nanombohako ary avy amin'ireny no nahalalako, ohatra an'i  CeroCuatro [es], Aura Neurotica [es], La Gaby [es], Atrapasueños [es],  Ecuador Ciencia [es],  Tecnodatum [es], Sueños y Cuentos [es], ary El Apestado [es]
MR: Ao anatina ampahantsary fanadihadiana  ianao dia namboraka fa ny olona dia mitoraka blaogy mba ho “fanalàna azy” [rehefa reraka]. Ianao ve manana hafatra tiana manokana izay netinao  “nanalàna azy”  ary nahoana?
CS: Araka ny efa fantatrao, ny blaogiko dia nivoatra, niala tamin'ny naha-blaogy ahy manokana azy ho amin'ny toerana misy azy ankehitriny.  Aanatin'izay fivoarana izay, dia misy ireo hafatra karazana romantika mijanona ary tadidiko fa feno fitiavana toa ny  “Angels and Demons‘  ohatra izay lahatsoratra tsotra mikasika ny vehivahy iray izay tena nanana ny toerany manokana tamin'ny fiainako, tena tiako izay lahatsoratra izay ary hitako any amin'ny blaogy hafa, ny sasany dia mametraka ny loharano niaviany, ny hafa tsia (tsy dia raharahiko loatra). Hitako tany amina pejy manokana hafa tany, “forums” , ary indray andro dia nisy olona nampiseho ahy ilay lahatsoratra tanatina karazana karatra postaly natao niaraka tamin'ny photoshop. Zavatra iray hafahafa koa satria nisy e-mail iray izay azoko ary niaraka tamin'ny lahatsoratra avy tamin'ny hafatro hafa,”Thrown Cards.'
Ireny rehetra ireny dia nahasosotra ahy tany am-boalohany, nefa ankehitriny dia tena tsapako ho mampirehareha ahy. Ary araka izay efa noteneniko, dia fotoana hafa iny ary tamin'iny fotoana iny, ny hery nanentana ahy koa dia hafa.
Nanoratra foana aho mba hanala ny sorisoriko, nefa nitandrina aho ny amin'izay mety ho famborahako ny fiainako manokana . Tsy namboraka tamin'ny olona afa-tsy izay tiako ho fantatr'izy ireo aho. Raha misy iray mamaky ny blaogiko ka miteny hoe izaho mahalala tsara an'I Carlos Suasnavas, dia diso izy.
MR: Ahoana ny fomba fandraisan'anjaran'ny blaogy Ekoatorianina amin'ny adihevitry ny mpiara-belona? Ahoana no ilazànao hoe ireo hafatrao dia ny vahiny no maro mamaky azy fa tsy ny  Ekoatorianina?
CS: Tsy mino aho hoe nahavita lahatsoratra  toy ‘ireny satria ara-boajanahary, ny blaogy manana firehana.  Manomboka amin'ny Filoha, dia mba mitaraina koa izahay ny amin'ny fitongilanan'ny gazety an-tsoratra sy ny fahitalavitra,  inona no andrandrainay amin'ny blaogy soratan'ny tompony  miainga amin'ny tena marina niainany? Misy ireo blaogy mpomba sy tsy mpomba ny governemanta. Hatramin'izao dia mbola tsy nahita aho na dia iray aza tsy mitanila. Raha mbola tsy misy ny tsy fombana ny atsy sy ny aroa, tsy misy ny fifanakalozan-kevitra. Ny mahazo vahana izao dia ny adihevitra iheveran'ny tsirairay, na lahy na vavy, fa ny azy no marina.
Ny mahatonga ny blaogiko ho ny vahiny no maro mamaky azy, dia noho ny  antony roa. Voalohany, noho ny “charme”-n'ilay mpiara-mitantana azy io amiko, Evan, izay tera-tany argentina ary mitovy fitiavan-javatra amiko amin'ny resaka izay ataonay any anatin'ny hafatra.  Raha nisaina hanova ny hafainganam-pandehan'ny blaogiko aho taona iray lasa izay, azony tsara ny hevitro. Ny antony hafa kkoa ny tsy fisian'ny resaka fahafatesana, politika na koa ny fiainako manokana, izay zavatra tian'ny Ekoatorianina ny mamaky azy.
MR: Ahoana ny fiovam-pijerin'ny mpitoraka blaogy/mpandraharaha Carlos Suasnavas amin'ireo fampahalalam-baovao  nasionaly nanomboka tamin'ny nahazoanao ny loka tamin'ny fifaninanana blaogy Amerikana-Latina tsara indrindra?
CS: Fifandrifin-javatra ny maha mpandraharaha sy mpitoraka blaogy ahy, ary ity dia mbola fifandrifin-javatra hafa koa ny nivoahako ho mpandresy  tamin'ny fifaninanana blaogy Amerikanina-Latina tsara indrindra. Ny mpianatra amin'ny lycée sy ny kolejy, ny vehivavy tsy miasa na mpiasa tsotra dia mety ho afaka nandresy. Nety  ho mpanao gazety koa no nandresy , saingy izay ny fahatsaràn'ny fahalalahan'ny aterineto, ianao dia tsy voafetra ho ao anatina sehatra iray monja  na koa mampiseho ny diplaomanao mba hahafahanao manokatra blaogy manokana. Ity dia sehatra tsy ilàna diplaoma, ny zavatra ilaina fotsiny dia ny hoe tian'ny mpamaky ny zavatra izay apoitranao ary manohy mamaky  ry zareo.
Tsy fantatro ny mpampahalàla vaovao na mijery ahy amin'ny fomba hafa. Fantatro fa tsy manao toy  izay ny fahitan'ireo namako. Tsy azo lavina, iny fandresena iny dia nanome ahy nahatonga ahy ho fantatra be teo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao, tamina fanadihadiana maro isan-karazany, nefa hatreto, tsy dia nanova zavatra iny. Ny zavatra iray izay tiako fotsiny dia ny fitomboan'ny fitsidihana ao amin'ny blaogiko, ny fahitako fa be mpamaky ny blaogiko sy ny fahasambarana amin'ny fahalalako fa manampy ny mpamaky amin'ny fivoarana ara-kolontsaina izy io.
Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina
Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny  Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity.
Ny lohahevitra raisin'ny andro iadiana amin'ny SIDA amin'ity taona ity dia mifantoka amin'ny “Mitarika – Mankahery – Manafaka,” izay mampivoitra ny paikam-pahaiza-mitarika ahafahana manohitra ny aretina. Na  dia tsy nihetsika firy intsony aza ny isanjaton'ny olon-dehibe mitondra ny Tsimok'aretina VIH hatramin'ny taona 2000, dia mbola misy hatramin'ny 33 000 000 nomitondra izany amin'izao fotoana izao ary manakaiky ny 7 500 isan'andro no tratrany koa isan'andro. Niakatra tokoa ny tahan'ny fifindran'ny VIH any amin'ny firenena maro tahaka an'i Shina, Indonezia, Kenya, Mozambika, Rosia, ary Vietnam. Manana ny antontan'isany koa ny SIDA — 2 000 000 ny olona matin'io aretina io tamin'ny herintaona.
nanehoizany antontan'isa izany ny bolongana manerantany, mizara ny tantaran'ireo mitondra ny VIH/SIDA, sy ny fiantraikan'ny aretina amin'ny fiainany andavanandro, sy ny henatra azo amin'ny fitondrana ny aretina. Izany atontan'isa izany dia mampiseho amintsika ny zavatra efa tontosa tamin'ny fiadiana ity aretina ity sy ny habetsaky ny asa mbola miandry.
Ao amin'ny Poz For Life i Russell 20 taona no mamaham-bolongana avy any Aostralia amin'ny fitondrany ny tsimok'aretina VIH mba hampirisihany ny hafa hanao fizahana sao mitondra aretina azo avy amin'ny firaisana ka hanaovana ny firaisana voaaro. Tamin'ny lahatsorany voalohany no nahatsiarovany ny nizahana azy raha mitondra ny VIH izy sy ny fitaintainana tao aminy nandritra ny fiandrasana ny valiny. izao no nataony rehefa fantany fa nitondra ny tsimok'aretina VIH izy:
“I got there [the doctor's office] around 10:30am and went straight in, it was like they where waiting for me ready to take my soul and toss it out the 4th story. I went into his office and I sat down, then I hear ‘Russell am sorry to say but the test for HIV is positive.' I froze for a few seconds and just looked amazed. What felt like a lifetime of silence was around 30 seconds. I said ‘I was thinking it might come back that way.' I can't believe that I said that, really the first words out of my mouth was I thought it might come back that way.”
Tonga tao amin'ny tobim-pahasalamana aho tokony ho tamin'ny 10:30 maraina teo ho eo ary nivantana avy hatrany, tahaka ny hoe niandry ahy ry zareo vonona handray ny fanahiko ary hanipy azy any amin'ny tantara fahaefatra.  Niditra tao amin'ny biraony aho ary nipetraka,  reko avy eo ny hoe ” Russell malahelo aho milaza aminao fa miabo ny valin'ny fitsapana ny fisian'ny VIH”. Tsy nahahetsika nandritra ny segondra vitsivitsy aho ary naneho fahagagana. Naharitra 30 segondra izany fotoam-panginako noheveriko ho maharitra dia maharitra izany. Niteny aho hoe ” Noheveriko fa mety hiverina amin'izany izy io”. Tsy nampino ahy hoe izany no teniko, ny teny voalohany nivoaka ny molotro dia hoe noheveriko fa mety hiverina amin'izany izy io.
Ao amin'ny bolongan'ny fikambanam-pampandrosoana AZUR mitondra ny anarana hoe AIDS Rights Congo, izay tetikasan'ny Rising Voices iray, no miaro ny zon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH. Asehon'ny takelaka maro ao aminy ary ny fanavakavahana sy ny henatra atrehin'ireo mitondra ny tsimok'aretina any  Congo. Misy lahatsoratra iray ao miresaka momba ny fiainan'i “Bernadette,” ramatoakely iray mpivarotra akanjo ao an-tsenan'i Tié-Tié any Pointe-Noire. Niova ny fiainany rehefa nolazain'ny namany (sipany?) tao an-tsena fa mitondra VIH i Bernadette.
“At the market, her neighbors immediately desert their tables; which even attract the attention of those responsible for managing the market, who, conscious of the fact that having a table at the market is a difficult thing, are surprised to find empty tables around her. The situation has put everyone on alert, and those passing from far away can hear the neighbor’s gossip on the fact that she is a woman infected with HIV. However there are no outward signs that Bernadette is sick, one cannot read it on her face. The illness is not at an advanced stage and she is not on ARV [Antiretroviral] treatment. She is simply a normal young woman.
In a setback, traumatized by the situation, she stops her little shop.”
Nandao ny latabany avy hatrany ny manodidina azy tao an-tsena; ary nanaitra ny tompon'andraikitry ny fandaminana ny tsena, izay mahalala tsara fa sarotra izany mahazo latabatra ao an-tsena izany nefa mahita iretolatabatra foana ireto manodidina azy. Nanaitra ny rehetra izany, ary na ny lavitra aza dia maheno ny fosafosan'ny manodidina fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy. Na izany aza tsy misy soritra ivelany mihitsy ahalalana fa marary i Bernadette, tsy hita eny amin'ny endriny izany. Mbola tsy lasa lavitra ny faharariana ary tsy mbola nandray fanafody  ARV [Antiretroviral] akory izy. Ramatoakely tahaka ny hafa tsotra fotsiny izy.Fa rehefa nandinika izy, ary tena nahatohina azy ny toe-javatra dia naleony najanony ny varotra keliny.
Juan Carlos, 29 taona avy any Ekoatera,no mamaham-bolongana ny amin'ny atrehin'izay mitondra ny VIH. Ao amin'ny lahatsorany iray no iresahany any amin'ny mahazava-dehibe ny fandanjalanjana sy ny vokatsoa azo aminn'y firesahana aman'olona izay sedraina.
Hay mucha gente seropositiva que obvia la ayuda de los psicólogos a lo largo de sus vidas. Personalmente, si hay alguien que escuche o lea esto… yo creo que siempre es bueno conversar con un psicólogo cada cierto tiempo, hace que los días más sombríos se vuelvan más claros y nos ayuda a sobre llevar mejor nuestra vida con este virus y nuestros demás problemas.
“Maro amin'ny mitondra ny VIH no mitady fanampiana amin'ny mpahay toetsaina (psikôlôgy) mandritra ny fiainany. Izaho manokana aloha, raha misy ny mihaino na mamaky ity … dia heveriko fa tsara ny miresaka amin'ny psikôlôgy indraindray mba hampihiratra kokoa ny andro maizi-kitroka sy ahafahana mizaka ny fitondrana ny tsimok'aretina sy ny olana hafa mianjady.”
Pinoy Poz, izay mipetraka any Quezon any Philippines, no mamaham-bolongana ny amin'ny fitondrana ny VIH sy ny fahasarotan'ny ilazana fa mitondra izany izy. Nolazainy ary fa nitia olona nitovy fanahana aminy izy fony 21 taona, fa  “niverina nidiot” sivy taona tay aoriana rehefa hitany fa mitondra ny tsimok'aretina  izy. Ao amin' ity lahatsoratra ity no ilazany fa tsy tsy ratsy araka izay atahorany tsy akory ny filazana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH izy, nefa mbola tena sarotra izany.
“Honestly, I’ve been too chicken to tell some of my other contacts myself. And when I say contacts, I mean… okay, sexual contacts. So I did the next best thing. I backtracked through my sexual contacts up to more than a year ago, and had a friend contact them anonymously, to advise them to get tested for HIV. The reactions varied from asking who the sender was, replying to the anonymous number that they’d just gotten tested, sending foul messages to their alleged stalker, or most commonly, assuming that they did get the message, not replying. But I felt that was as decent a warning as I could manage.”
Amin'ny fo madio no ilazako fa tena mifarirotra aho milaza amin'ny efa nifaneraserako hafa. Ary rehefa miteny aho hoe nifanerasera ny tiako lazaina dia hoe… fifaneraserana ara-pananahana. Dia nataoko ny zavatra tena tsara. Nilazako mangingina (SMS?) avokoa, nisy tamin'ny alalan'ny namana ary nisy nanafenana anarana, izay efa nifanerasera tamiko hatramin'ny nihoatra ny herintaona ananako fomba ifandraisana hanoro hevitra azy hanao fizahana VIH ao aminy tsirairay avy. Miova araka ny mpandefa ny valinteny, raha miafina ny laharana dia valiany fa efa nanao fizahana  ry zareo, valiany amim-pahatezerana raha heveriny fa olona adala aminy no mandefa ny somisika (SMS), na amin'ny ankapobeny, heverina fa voarainy fotsiny ny hafatra satria tsy mamaly izy ireo. Izaho kosa mahatsapa ao anatiko ao fa izay no fomba mety hampitandremana azy ireo azoko natao.
Maro ny mitovitovy amin'ireo lahatsoratra maro ireo manerantany. Mampivoitra ny feon'ireo sahy miseho  fa mitondra ny tsimok'aretina VIH sy ny feon'ireo mpikarakara, ary ireo olo-tsotra te-hampahafantatra ny VIH/SIDA  ity Saritany Google anoritan'ny Global Voices ny toerana misy ireo mpamaham-bolongana mitondra ny tsimok'aretina VIH ity. koa tsidiho ary vakio ny tantaran'izy ireny. Azo atsofoka amin'ny vohikalanao moa ny saritany. koa na dia nifanandrify tamin'ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA aza ny sarintany, dia ho ankotrihina izany mandritra ny taona.
saripikan'ny  Riban SIDA mihantona amin'ny hazo avyamin'i ttfnrob.
Ekoatera: Ny fiarovana ny valalabemandry
Lazaina fa noho ny fahasahiranana ara-toe-karena any Ekoatera no iray amin'izay mampiroborobo indrindra ny halatra sy ny vono olona manerana ny firenena. Ny ankamaroan'ny manao izany dia ireo tsy an'asa izay mikaro-bahaolana hihinanana tsy hahafaty anio, ary ny hitany dia ny mangalatra na manendaka mamono olona. Tsikaritry ny olo-tsotra, fa misy mizana tsindrian'ila eto rah amisy ohatra halatra fiarakodia. Raha fiara ana olona ngeza eo amin'ny tontolon'ny politika io, dia mahazo matoky fa ho tafaverina vetivety iny. Fa raha toa kosa ana olo-tsotra tahaka ny mpamaham-bolongana Fatima Quishpe ilay fiara dia heverina fa tsy ho hita intsony izay nanjavonany.
Ny fiahiana momba ny fandriampahalemana io indrindra no nitarika ny antenimieran'ny varotra Babahoyo hikarakara filaharambe hitakiana ny hijerana akaiky kokoa ny ain'ny olona sy ny fananany ao an-tanàna. Tsy afaka nilahatra i Juan Pi ao amin'ny Aguitmat Corp [es]  fa nohazavainy kosa  ny antony nanomanan'ny antenimieran'ny varotra ilay filaharambe:
…Ya que los continuos asaltos ya son el pan de cada dia, y ya se que su majestad ha dicho que desde antes de su gobierno ha existido inseguridad y tiene razon, pero ahora los señores de lo ajeno son descarados, en plena luz del dia y con armas de grueso calibre amedrentando y agrediendo a los dueños de los locales comerciales y proceden a llevarse lo que mas puedan. Hasta ahora no nos ha pasado nada de eso a nosotros(aunq hace algunos años se metieron al almacen en la noche), pero a nuestros vecinos si los han asaltado en el dia.
Satria mitohy tsy misy fitsaharany mandavataona ny fandrobana, ary vao niteny indrindra ny hajaina faratampony fa efa nisy talohan'ny nitondrany ny tsy-fandriampahalemana, marina izany, fa amin'izao fotoana izao anie ka atoandrobenanahary ry zalahy no mirongo fitaovam-piadiana mafonja, ary simbany  mihitsy ny asan'ny olona fa raofiny avokoa izay zakany rehetra. Hatramini'zao aloha dia mbola tsy naninona izahay (na dia efa tafiditra tao amin'ny fitoeran'entana aza ry zalahy taona vitsy lasa izay), fa voatafika atoandrobenanahary kosa ny olona mipetraka akaikinay.
Raha hidina hianatsimo an'i Ekoatera isika dia mipaka ao Cuenca. Tanàna feno fikorontanana ity noho ny tsy fitoviana ara-tsosialy mahatonga ny maro hangalatra sy hamono. Avoitran'i Andres Martinez [es] ny fepetra roa tokony atao hisian'ny fandriampahalemana:
El primero se basa en eliminar las causas que llevan a los rufianes a delinquir, a través de una correcta aplicación de justicia social, que contemple que todos los ciudadanos tengan iguales oportunidades, así como lograr una correcta reintroducción de los sujetos de alto riesgo, a través de actividades productivas.
Y el segundo, sin duda es apropiarnos los cuencanos de nuestros espacios públicos, ya que toda plaza, parque, calle, son nuestras, y son para nuestro esparcimiento e integración. Así, cuando ciudadanos honestos y respetuosos logren llegar a ese nivel de apropiación, que conlleva un control implícito de esos espacios, al sentir cercanía, creará un efecto multiplicador donde los ciudadanos seamos los verdaderos guardianes de la ciudad, y de esta manera niños, jóvenes y adultos, podremos disfrutar a plenitud de una ciudad tan bella, aunque a veces insegura, como la Atenas del Ecuador.
Ny voalohany dia ny fanafoanana ny antony mahatonga ny olona hanao heloka bevava, amin'ny alalan'ny fampiharana ny rariny ara-tsosialy, mba hitovy zo ny olona rehetra hanao zavatra ary averina indray araka ny tokony ho izy amin'ny alalany fanaovan-javatra mamokatra ny adihevitra ambony.
Ary faharoa manaraka izany, dia tena mety kokoa ho an'ny mponin'i Cuenca ny mandray an-tanana ny toera-malalaka ho an'ny daholobe manomboka amin'ny kianja, ny fiantsonana, ny arabe mba hanaovantsika fakan-drivotra sy ifaneraserana. Amin'izay fotoana izay dia ho tontosan'ny olom-pirenena mandala ny fahamarinana sy mendrika hajaina ny fahatsapany fa azy ireny, ka midika izany fa arahiny maso ireny toerana ireny, ary tena ao anatin'nyfiaraha-monina tokoa izy, ary ny mety ho aterak'izany dia ny fahatsaany fa isika olom-pirenena no tena mpiandry ny tanàna, ary noho izany na zaza na tanora na lehibe dia afaka miriaria tsara eto an-tanàna, izay tena mahafnaritra tokoa, na dia anjakan'ny fitaitainana indraindray ihany aza, tahaka ny Athenan'i (anaran'ny renivohitry Gresy?) Ekoatera.
Mpamaham-bolongana hafa indray no mitaraina noho izay mahazo an'i Fatima voalaza etsy ambony fa  - misy ny mpiasam-panjakana mahazo fiarovana manokana ka azony atao na dia ny manidy ny arabe aza rehefa hihinankanina izy, nefa ny olo-tysotra kosa tsy maintsy mitandrina hiaro ny tenany ihany. Natsingeriny tamin'izany ny niainan'ny Minisitry ny Polisy sy ny goverinemanta, Fernando Bustamante sy ny Minisitry ny fiarovana anatiny sy ivelany, Gustavo Larrea.  Notantarain'ny mpamaham-bolongana Chucky ary ny tantara:
Les propongo algo, que les parece si los ponenos a los dos paraditos en pleno centro de la ciudad (podría ser por el mercado central) tipo seis de la tarde, paraditos, sin que nadie los cuide, porque me contaron que el otro día que estuvo el payaso este de Bustamante comiendo en el “Restaurante Lo Nuestro” cerraron la calle, habían diez patrulleros, viente policías, mientras a Guayaquil los ladrones se los llevan en peso.
Ary raha toa moa (what if-n'i DotMG koa izany) ka avelatsika izy roalahy hijoro eo afovoan'ny tanàna (andeha atao hoe eo amin'ny bazary Be) tokony ho amin'ny enina ora hariva eo, dia tsy misy manarakaraka azy ireo mihitsy, satria manko nisy niteny tamiko fa raha nisakafo tao amin'ny “Hotely (gasy) Ny Antsika” ny mpiambina an'i Bustamante dia nakaton-dry zalahy ny arabe. Polisy 20 sy fiaran'ny polisy 10 no nijanona teo, nefa nanjakazakan'ny mpangalatra i Guayaquil tamin'io fotoana io.