The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Ecuador Tahiry Firenena

RSS ho an i Ecuador

2009-08-10

Ekoatora: Ny fahalasanan'ilay mpanoratra Jorge Enrique Adoum

Mitomany ny fahalasanan'i Jorge Enrique Adoum ireo Ekoatorianina, izay nolazain'i Pablo Neruda nahazo ny loka Nobel indray fa "ny ngezalahy amin'ireo poety any Amerika Latina." Maro ny mpitoraka blaogy miombon-kevitra amin'izany, indrindra fa nanolotra fahatsiarovana manokana an'i "Jorgenrique," izay nanampy tamin'ny fametrahana mari-pamantarana ny asa fanoratana teo amin'ny firenena, ireo mpitoraka blaogy ireo, niaraka tamin'ireo mpanoratra sy mpanakanto hafa.

2009-08-04

Ekoatera: Garam-piara fitaterana vaovao roa misokatra ao Quito

Ambohipihaonan'ny fitaterana an-tanety ao Ekoatera ny renivohiny ao Quito ary azo heverina fa ahafahana mipaka any amin'ny toerana rehetra tiana andehanana manerana ny firenena ny fandraisana fiara fitaterana iray avy ao. Nandritra ny herinandro faharoan'ny volana jolay dia nanapa-kevitra ny Departemanta Monisipalin'ny Fitaterana sy ny Asam-bahoaka (EMMOP amin'ny fanombohana teny ...

2009-06-09

Ekoatora: Fitsapam-pahaizana atao amin'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka

Isan'ny tanjona iray napetraky ny governemanta ankehitriny ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Ekoatora, ary ankehitriny ho fanatanterahana izany dia manara-maso akaiky ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka manerana  ny firenena izy. Ny sampana mpanatanteraka dia vao avy nandàny  lalàna  vaovao iray(.pdf doc) mangataka  ireo mpampianatra rehetra handalo fitsapam-pahaizana mandritry ny herinandron'ny  ...

2009-05-09

Ekoatora:Araha-maso ny kalitaon'ny gazety

Ratsy ny fifandraisana nisy teo amin’I Filoha Ekoatoriana Rafael Correa sy ireo mpampita vaovao ary ireo mpanao gazety ao amin’io firenena io. Mety ho ratsiratsy kokoa izany ato aoriana kely, araka ny voalazan’ny gazety La Hora [es], manana drafitra hampihatra ny lalàna Fampandraisana andraikitra ara-tsosialy ny haino aman-jery ny governemantany. ...

2009-05-06

Amerika: Valin-kafatry ny faritra manoloana ny otrik'aretina H1N1

Na dia tany Meksika aza no nisy ny foiben’ny fihanahan’ny otrik’aretina H1N1 , mitady làlana hisorohana sy hanoherana azy ireo firenena hafa manodidina. Mijery akaiky amin’izay ataon’ny governemanta any aminy ireo mpitoraka blaogy ny amin’ny fomba hanalan’izy ireo ny tahotra, sa kosa vao mainka manampy trotraka. Ireo mpitoraka blaogy hafa ...

2009-02-26

Ekoatera: Resadresaka miaraka amin'ny mpandresy tamin'ny blaogy Amerikanina Latina tsara indrindra

Na dia tsy afaka nandeha tany Espana[es] mba hahazo ny loka (prize) amin'ny “Blaogy Latina Amerikanina tsara indrindra"  tao anatin'ny fifaninanana[es] notohanan'ny mpampahalala vaovao  Espaniola 20 Minutos aza,  Carlos Suasnavas dia nahazo voninahitra tamin'ilay mari-pahatsiarovana ary nanolotra izany kosa ho an'ireo mpamaky azy. Ny blaogy, izay iarahany manoratra amin'i Evan ...

2008-11-30

Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity. Ny ...

2008-09-23

Ekoatera: Ny fiarovana ny valalabemandry

Ny fahasarotam-piaianana any Ekoatera no iray amin'ny lazaina ho anton'ny fiakaran'ny halatra sy ny vono olona ao amin'ny firenena. Ny ankamaroan'izany fandikan-dalàna izany moa diaataon'ireo tsy an'asa izay tsy maintsy mitady ny fomba hahazoany hanina mba sitrany ahay velona aloha ka ny fomba ataony dia ny mangalatra na ny mamono olona. Sarotra ho an'ny olo-tsotra ihany ny hiaina anaty tsy fandriampahalemana ka mamoaka ny eritreriny ihany koa ny mpamaham-bolongana.