The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Cuba Tahiry Firenena

RSS ho an i Cuba

2009-08-18

Kioba: Ny Maleconazo

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

2009-06-07

Kiobà, USA: Nanaiky an'i Kiobà ny Fivondronan'ny Firenena any Amerika

47 taona aty aoriana dia nanala ny fanilikilihana natao tamin'i Cuba ny Fikambanan'ny Firenena any Amerika, indrindra koa moa fa efa niara-niasa tamin'ity firenena ity ny ankamaroan'ny mpikambana. I Etazonia, izay mbola manao fahirano ara-barotra amin'i Cuba hatramin'izao, irery no tsy tratra, satria nitaky fanovana demokratika sy fanajana ny zon'olombelona ...

2008-12-28

Noelin-dry zareo any Karaiba

Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna... Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao "meme" amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa ...

2008-12-17

Diaspora ,
Media

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany koa ny Review of Cuban-American Blogs sy Yohandry's Weblog (ES).

2008-09-14

Fahalalahàna miteny ,
Cyber-Activism

The Blogging Revolution (Revolisionan'ny famahanam-bolongana) nosoratan'i  Antony Loewenstein dia ho azo vidiana ao Amazon rehefa kelikely. Miresaka momba an'i Iran, Ezipta, Syria, Arabia Saodita, Shina ary Kiobà indrindra io The Blogging Revolution io. Eto no ilazalazany ny mombamomba ny boky.

2008-09-06

Mozika

Teraka 100 taona katroka izay ilay namorona ny hira Kiobana malaza indrindra “Guantanamera” nosoratan'i  Joseíto Fernández, ary nanoratra ny hira nandritra ny faha-20 ny taonany, hoy ny nosoratan'i VivirLatino.

2008-09-05

Diaspora ,
Fifidianana

Raha 'somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina' ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: “Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy ary amin'ny toetry ny tarehiny tahaka an'i Tina Fey sy ireny paingotra malemy ireny moa ho ahy na ho an'olon-kafa antenaina avy aminy ho lasa ‘Mivantana avy any New York amin'ny Sabotsy alina?”

2008-08-13

Cyber-Activism ,
Ekonomia

Yoani Sanchez no manadihady ny volavolankevitra vaovao hampakarana ny vola fandrain'iny olona efa retirety ary dia naka ohatra mpampianatra iray efa ho tonga amin'izany maharetirety azy izany mba hanehoany ny fiangarana ataon'ny rafitra: “Mba hampiharihary azy, ity vehivavy ity dia mbola hiasa dimy taona fanampiny indray, ka rehefa tonga ny fotoana handaozany ny asa ny alin-kasasarana ho azony kosa dia vola fanampiny ahazoany mividy labiera iray isam-bolana.”[fa naninona koa no labiera no natao ohatra e?]