The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Costa Rica Tahiry Firenena

RSS ho an i Costa Rica

2009-10-06

Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly

Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala telo farafahakeliny no niara-nanapa-kevitra hitantara azy an-tserasera [streaming] , zavabita tsara indrindra [record] izany ho an'ny tambajotran-tserasera Kostarikana. Tsy ...

2009-03-07

Kosta Rika: Mety hanimba ny hetahetan'ny ho filoha ny risorison’I Calderon

Miditra fitsarana ankehitriny ny filoha Kosta Rikana teo aloha Rafael Angel Calderon fournier mahakasika ny fanenjehana azy tamin'ny fividianana fitaovam-panafody ho an'ny sampan-draharahan'ny fahasalamana. Efa tany amponja izy nohon'ny enjika natao taminy mahakasika ny fifandraisany tamina fividianana fanana tsy mari-pototra. Mety hampihena ny fanantenany hilatsaka ho fidiana ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena izany.

2009-01-31

Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2

Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka izany koa ireo tendrombohitra an-dafin-toerana nianjera ary ireo fihotsahan'ny tany noho ny dibo-drano. Azo fantarina aloha ny mety iharan'ny loza, fa hatreto kosa dia 3 no voamarina fa maty.

2008-12-18

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary KrismasyVideo post

Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.

2008-12-02

Amerika afovoany: ny vehivavy, ny haitao, ny fanabeazana.

"Noraisin'ny vehivavy tany Amerika afovoany an-tanana ny haitao"tamin'ny alalan'ny famahanam-bolongana miresaka ny fampandrosoana ny rindrambaiko, ny haitaon'ny fampahafantarana sy ny fifandrasaina (TIC) vaovao, ny fampidirana ny TIC ho anisan'ny fampiasa andavanandro. Fa ny mampiavaka azy dia ny adihevitra lehibe amin'ny famahanam-bolongana tamin'ny famoronana tambajotra ho an'ny hafa.

2008-07-26

Indigenous ,
Media

Navoakan'i Alejandro Vargas Johannsen ny lisitry ny torolalana natsangan'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'i Costa Rica ho an'ny mpampita vaovao tsy hampiseho fijery miiba rehefa miresaka Indizeny [es] ary, “hahatsiahy ny fanasoavam-bahoaka vitany tamin'ny resaka raokandro, fanolokoloanm-panahy, zavakanto, ary ny fiahiana ny akora voajanahary, indrindra fa ny rano.”