The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Colombia Tahiry Firenena

RSS ho an i Colombia

2009-09-29

Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra

Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana. Nanosika ny maro hiazakazaka hivoaka hividy ilay sakafo ihany koa izy ity.

2009-05-02

Kolombia: Fitantarana ny fiainana eny ambony kamiao

8ruedas logo Toy ny ahoana ny fiainana rehefa saika eny amin’ny làlam-be foana ny tena? Nanapa-kevitra ny hanao ity andrana ity ilay mpitoraka blaogy Francisco Cárdenas, fanta-daza amin’ny blaoginy Cine al Oído, ary zarainy “en ligne” ao amin’ny 8ruedas. Hitaingina ny kamiaon’i Juan Camilo miaraka amina mpaka sary namany izy mba ...

2009-02-26

Colombia: Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana

Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.

2008-10-06

Fanatanjahantena

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao sambany ho an'ny Kolombiana.

2008-09-07

Lalàna

Camilo Uribe no manoratra momba ny dosie MP3 nosintonina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy Kolombiana [es], ary taorian'izay dia nampiasa tenimiafina ry zareo hanaronana izany, fa tsy nesoriny ny dosie. Nitranga izany rehefa namotika dvd piraty 70 000 tao an-tanànan'i Medellin ry zareo.

2008-08-14

Niteraka resa-be ilay horonan-tsary nahitana Kolombiana nanafika fianankaviana iray tany ShilyVideo post

Voamarina fa mpifindra-monina Kolombiana 10 nanafika fianankaviana avy ao Però avy namonjy fety tao Iquique (any Shily) tamin'ny 3 Aogositra 2008 lasa teo no hita tamin'ny horonan-tsary iray nalaina tamin'ny finday. Araka io horonan-tsary io ihany dia vato sy kibay no nampiasain'izy ireo nidarohana ilay fianankaviana, ary tsy nahatsiaro tena ...

2008-07-04

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra ...

2008-07-03

Kôlômbia : Hanonerana izay fotoana very izay

Tienen Huevo mankalaza ny fanafahana an-dRamatoa Ingrid Betancourt izay nalain'ny Mpiady anaty akatan'ny FARC ary notazoniny an-keriny [nandritra ny 2318 andro] any Kôlòmbia : Bienvenida Ingrid... Estamos a la espera de recuperar el tiempo perdido... “Tongasoa Ingrid... Tsy andrinay ny hanonerana izay fotoana very izay... ” [FANAMPIM-PANAZAVANA : kandida ho filoham-pirenena, nalain'ny mpiady ...