Tantara misongadina momba ny Canada
Andron'ny boky eran-tany: ny fiainan'ny vehivavy ao anatin'ny fitaratry ny lehilahiny
Ny vehivavy ihany ve no mandoko ny fiainany miaraka na tsia amin'ny fiainana izay omen'ny lehilahiny azy mandritry ny taona ? Manome sary lehibe antsika ireto fitsangatsangana ara-literatiora ireto ary mitondra antsika ho an'ny Quebec, mankany France ary farany any amin'ny mpanoratra mahaliana alzeriana.
2009-01-04
Ankapobe: Fihetsiketsehana manohana an'i Palestina
Mitsangana hanohana an'i Gaza izao tontolo izao. Anjato arivony (an'hetsiny hoy isika) ireo olona amin'ny vazantany efatra nanao fihetsiketsehana nandritra izay dimy andro izay. Hatrany Boston ka hatrany Beirota, Le Cap ka hatrany Caracas, maro ireo olom-pirenena naneho ny firaisankinany amin'i Gaza.
indreto ary misy rakitsary izay notovozina tao amin'ny Flickr:
Osama ...
2008-08-14
Etazonia : Mitoraka blaogy mba handraisan'ny Anglikana ireo Pretra sy Eveka LGBT
Tamin'ny tapaky ny volana Jolay no natao tao amin'ilay katedraly manan-tantara ao Canterbury, ao Angletera ny fivoriam-ben'i Lambeth. Isaky ny folo taona moa no tanterahina ity fivoriam-be ity, izay hihaonan'ireo Eveka sy Arseveka manodidina ny 650 mitantana ny mpino Anglikana manodidina ny 80 tapitrisa maneran-tany.
Farafahakely dia fito ny fikambanana LGBT ...
2007-10-09
Ireo Hevitra niposaka nanerana izao tontolo izao tamin'ny famoahana ny fanambaran'ny firenena mikambana ny zon'ny vahoaka indizeny.
Ny vahoaka Indizeny, miisa 370.000.000 manerantany, no mora andairam-pahavoazana sy voatositosiky
ny hafa indrindra.[Raha ny eto Madagasikara no resahina dia tafiditra ao anatin’ity sokajy ity ny Mikea any atsimo andrefana ary raha ny heverina ho malaza indrindra indray aty Afrika atsimon’I Sahara no resahina dia ny Bushmen no tafiditra]. 22 taona ...




