The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Brazil Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Brazil

2008-01-26

Pôrtigalasfera : Ny avotrain'ireo zaza

Vao tsy ela no napariaka ny taham-pahafatesan'ireo zaza latsaky ny 5 taona ny UNICEF. Isan'ireo tsoakevitra napoitran'izany tatitra izany ny hoe i Angôla, i Guinea Bissau, i Môzambika, Saô-Tôme sy Principe, Timôr Atsinanana sy Cap Vert dia samy manana taham-pahafatesan'ny ankizy izay manoatry izay heverina ho tokony ho izy, i ...

History ,
International Relations

Nanomboka namoaka andian-dahatsoratra mikendry ny handika ho amin'ny teny paortiogey ny antontan-taratasy ofisialy (an'ny fanjakana) miresaka ny nanohanan'i Etazonia ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1964  nitranga tany Brezila Luiz Carlos Azenha [pt], Amin'izao fotoana izao moa dia hita ao amin'ny tahirin-kevitry ny Sekoly Ambony momba ny fiarovam-pirenena George Washington no misy ireo antonta-taratasy ireo. Ao amin'ny lahatsorany faharoa no amoahany ny “ hafatra avy amin'ny masoivoho tany Brezila tamin'izany fotoana izany, ho an'ny lehibeny any Washington”.

Labor

Mankalaza ny faha-24 taona nijoroany ny 24 janoary ny vondron'ny mpiasa Breziliana tsy manan-tany (iasana). Namoaka sary fotsy sy mainty mahafinaritra i João Valente Aguiar [pt] ary manazava azy ho fihetsiketsehan'ny vondron'olona miady ho amina endrika fiaraha-monina hafa. Hetsika izay tratran'ny fampisamborana, fampijaliana, ary hatramin'ny famonoana ho faty matetika aza noho ny fikirizana sy ny sarangam-piarahamonina misy ireo mpiasa ireo.”

Internet & Telecoms ,
Software & Tools

Andre Lemos [pt] no mitantara fa, notokanana ny lalamben'i Second Life ao amin'ny tontolo virtoaly (nofy voarakitra)  ao  amin'ny Nosy Vaovaon'i Brezila (183, 182, 41). “Olona 20 000 farafahakeliny no antenaina handray anjara amin'ny fankalazana ny fanokanana ity nosy vaovao (virtoaly araka ny fahazoako mpandika teny malagasy azy) ity”.

Cyber-Activism

Noarahabain’i PE Body Count [pt] ny vaovao henony fa misy vohikala vaovao ihany koa hanisa sy hametraka ny isan’ny famonoana olona ao amin’ny faritry Alagoas. “Raha te-hiady amin’ity heloka bevava ity dia tsy maintsy resy lahatra fa tena misy tokoa ilay zavatra. Ny ataonay dia ny hanisa ny famonoan’olona ary hanome ny isa ho hitan’ny rehetra. Samy hanao izany izahay sy ny Alagoas 24 horas” [pt]. PE Body County izao dia efa nahamarika ny isan’ny vono-olona ho 279 any Pernambuco hatramin’ny fanombohan’ny taona 2008 fotsiny.

2008-01-24

Brezila : Ny filazam-baovao no nampikorakapa ny resaka tazovony

Nabaribarin’i Luiz Carlos Azenha [pt] ilay filazam-baovao nampikorapaka ny rehetra milaza ny tokony hanaovana ny vakisiny itambaram-be hiarovana amin’ny tazovony no mailaka amin’ny fanakianana ny governemanta ankehitriny. “jereo ny fomba ankolaka ataon’ny [gazety] Estadão, fa tsy misy mihitsy ny filazana ny andraikitry ny filazambaovao tamin’ny fampikoropahana ny olona tahaka ity ...

2008-01-22

Business ,
Cyber-Activism

Manorotoro ny fomba fifidianana ny mpikambana parlemanta Kiobana i Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) ary indro kosa ny nampitain’i The Cuban Triangle  mikasika ny “fiaraha-miasa ara-toe-karena eo amin’ny Kioba sy Venezoela vokatry ny fifanarahana hiaraka hanao tetiksa miisa 76 mitentina $1.300.000.000 nosoniavina omaly.”

2008-01-21

Cyber-Activism ,
Elections

Tian'i Pedro Dória [pt] hirotsaka ho Ben'ny tanàna'i Rio de Janeiro ny depiote Fernando Gabeira [pt] ary mandresy lahatra ny tontolon'ny mpiblaogy (tontolom-bolongana na blogosphere) sy ny mpamaky rehetra izy hivondrona hampisongadina ny anarany. “Efa tonga ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra amin'ny aterineto amin'izay. Mety ho tratra ny tanjona rehefa maromaro isika no milofo ho amin'izany. Andao isika hamoaka ny lohahevitra, hiady hevitra eo. Tsy maintsy hisy ny mpandrindra (hanindry ny bokotra) hananga-tsaina (araka ny fahazoan'ny mpandika teny malagasy azy dia toy ireny mpitsara anjorony mpanangatsaina rehefa mahita fahadisoana amin'ny lalao baolina kitra ireny hanao izay hamafana ny lahatsoratra na ny adi-hevitra). Dia afa-manoratra aminy avokoa ny rehetra”.

2008-01-19

Indigenous

George Felipe de Lima Dantas no nanoratra tao amin'ny Brazzil Magazine fa tokony horoahina ny misionera mpitondra fivavahana mba hitandroana ny kolontsaina indizeny any Brezila. Notsipahin'i Andrew Comings, misionera iray efa any Brezila izany ka nanoratra ny valinkafany izy ao amin'ny Comings Communiqué.

2008-01-16

Media

Hita tao amin'i Alberto Marques [pt] miresaka momba ny tetikasa an'olom-pirenena mampahalala vaovao natsangana any Chili, Ny firenena Amerikana Latina mazoto indrindra mandray an-tanana zavatra sahala amin'itony ka ity vao natsangana ity antsoina hoe El Naveghable [es] dia efa manana mpiara-miasa mihoatra ny 300 sahady ary mbola hitombo isa hatrany. “Nefa eto Brezila, vitsy na tsy misy mihitsy no mety hanagasanga any”, hoy ny alahelon'ilay mpamaham-bolongana