The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Brazil Tahiry Firenena

RSS ho an i Brazil

2008-12-13

Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana

Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza vao telo (taona) monja.

Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de JanerioSary post

Nisy fanafody pesta mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga ka nahafaty 80 taonina trondro, lambondrano, sokatra, vorona ary biby hafa ihany koa. Ny tena naharatsy ny voina dia tao anatin'ny fotoanan'ny fitomboan'ny biby ahiana ho lany taranaka indrindra (fanatodizana sy fiterahana) no nisian'ity loza nataon'olombelona ity. 20 andro taty aorian'ny fampiatoana vao namintimpitina ny toe-draharaha ny orinasa tompon'antoka tamin'ity raharaha ity. Sary sy ny filazan'ny mpamaham-bolongana.

2008-10-21

Cyber-Activism ,
Media

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana ny heloka bevava vitan'ny gazety, gazety-boky, haino aman-jery isan-karazany ary ny vohikala amin'ny aterineto (amin'izany fanodikodinana ny marina izany). Fa miankina aminareo manontolo ihany ny fanaovana izany raha tsapanareo fa izao no fotoana anatanterahana  izany.”

2008-10-16

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

2008-08-18

Hehy ,
Fanatanjahantena

Nisy nanokatra blaogy vaovao : Bronze Brasil 2008 ho fananihaniana ny vokatra azon'ireo atleta Braziliana tamin'ny lalao Olympika ao Beijin. “Toa rava tanteraka ny nofinofintsika handresy ny record amin'ny lalao Olympika noho izao fahazoantsika ny medaly alimo faha-5 izao. Medaly alimo 5. Andro 6 no nilalaovana. Mety ho tanteraka ny nofinofy. Antsika ny alimo”.

2008-08-10

Brezila: Mananontanona ny ady an-trano noho ny tanin'ny IndizenyVideo post

Raha mankalaza ny andron'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao amin'ity andron'ny Vahoaka indizeny ity, dia mananontanona kosa ny ady antrano noho ny adintany mitranga any Brezila.

2008-07-31

Zavakanto & Kolontsaina ,
Governance

Maro ny bolongana no nitatitra fa nandao ny toerana mahaminisitry ny kolontsaina azy, deparitemanta nentiny hatrmin'ny 2003, i  Gilberto Gil . Mieritreritra ny hanao laharam-pahamehana ny asa mahampihira azy indray izy.

2008-07-29

Hehy ,
Fanoherana

Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho Miss Flamengo ity ary nandray fiarakaretsaka avy eo, ka nampihoraka hakiviana ny kaofiboay teo akaiky teo”. Ho fanoherana ny hanohanana, tsy rariny ary ny fampanantenana poakaty ataon'ny mpanao politika no nanaovany izany.

2008-07-28

Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra

Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika, avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azon'ny mpametraka angôvon-taratra nokileary Breziliana trandrahina ilay mpamerin-kery (réacteur) efa nampiady hevitra Angra 3 , nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena.

2008-07-22

Fifandraisana iraisam-pirenena ,
Fiteny

Nanasonia ny fifanarahana handravonana ny teny Paorotigey sy ny fanononana azy mba hitovy eo amin'ny firenena 8 miteny azy ny filoha Paorotigey Anibal Cavaco Silva. O Hermenauta [pt] no nitsiditsidika nijery ny hevitra niposaka voalohany avy eny andafy atsimo sy andafy avaratra ary namintina avy eo fa mbola tsy mampifanaraka ilay fifanarahana.