Global Voices teny Malagasy » Bolivia
Bolivia: Fetin'i St Roch ho fanomezam-boninahitra ny alika
Isaky ny 16 Aogositra no hankalazan'ny Boliviana ny fetin'ny St Roch (na San Roque amin'ny teny Espaniola), izay olo-masina mpiaro ny alika. Mety ho tsy dia malaza manerana ny firenena ny tantaran'ity olo-masina Frantsay ity, saingy manararaotra ihany ny Boliviana hanome fotoana manokana ny biby fiompiny ao an-trano.
Mety ho tsy zava-mora mandrakariva ny fiainan'ny alika araka ny fampahatsiarovan'ny mpamaham-bolongana iray ny mpamaky azy. Alberto Medrano ao amin'ny El Alto Noticias [es] no nanoratra fa “tsy tokony hohadinointsika eto El Alto sy La Paz fa maro ny alika mirenireny an-dalambe no marary ary misy hatrany ny maty.”
Maro manerana ny firenena ny alika tian'ny tompony, ka izao no andro fanararaotran'ny mpamaham-bolongana hanehoany ny fitiavany amin'ny alalan'ny median'olo-tsotra. Ho fanombohany ny lahatsorany dia nanome ny mombamomba ilay olo-masina amin'ny ambangovangony ny bolongan'ny Archbishop of La Paz.
Seguro que tus padres o tus abuelos te habrán ya contado la preciosa narración del perro de San Roque. Si te fijas en la estampa, nuestro santo va acompañado de un simpático chucho. ¿Quien fue este perro?. Pues … fue su salvador. Cuando hoy en día, sobre todo en verano, se abandonan por las calles tantos perros que nos han mostrado su cariño a lo largo del año, bueno será explicarles a aquellos que hacen este tipo de salvajadas la historia de este animal que le salvó la vida a un santo tan importante como fue Roque.
Se explica, que cuando nuestro santo se trasladó al bosque para no infectar de esta manera a los vecinos de Piacenza, recibía cada día la visita de un perro que le llevaba un panecillo. El animalito lo tomaba cada día de la mesa de su amo, un hombre bien acomodado llamado Gottardo Pallastrelli, el cuál, después de ver la escena repetidamente, decidió un día seguir a su mascota. De esta forma, penetró en el bosque donde encontró al pobre moribundo. (…) Cabe decir que otras versiones populares afirman que fue el mismo perro quien le curó, después de lamerle la herida de su pierna varias veces cuando el santo estaba en el bosque.
Mety ho efa niresaka tamiareo ny tantaran'ny alikan'i St Roch ny ray amandreny na ny dadabenao sy ny nenibenao. Raha jerenao ny hajia dia ho tsikaritrao fa misy alika mahafinaritra eo anilan'ilay olo-masina. inona ny tantara ao ambadik'io alika io? Namonjy azy io.Amin'izao fotoana moa, indrindra rehefa amin'nyandro mafana, dia maro ny alika nahavita be no ariana eny an-dalambe. Angamba tsara ny manazava amin'ny olona hoe iza no mahavita zava-doza tahaka izany, momba ilay biby izany namonjy olona manana ny anjara toerany tahaka an'i Roch.
Araka ny fandehan'ny tantara dia nankany an'ala ny olo-masintsika mba tsy hamindra aretina amin'ny mponin'i Piacenza, fa isan'andro dia misy alika iray mitsidika azy hatrany sady manome tapa-mofo azy. Nalain'ilay alika avy amin'ny latabatry ny tompony izany mofo izany, izay olona mpanao asa soa antsoina hoe Gottardo Pallastrelli no tompony, raha nahita ny fihetsika ataon'ilay alika isan'andro dia nanapa-kevita ny hitsongo dia azy. Tamin'izany no nandehanany tany an'ala ka nahitan'izy ireo ilay olo-mahantra ambivitry ny ho faty. (…) tsara ihany koa ny miteny fa raha ny filazan'ny hafa dia io alika io ihany no nanasitrana ilay lehilahy, rehefa noleladelafiny ny tongotra maratrn'ilay lehilahy tany an'ala.
Saripikan'i Tomoyo nalain'i Edwin Velásquez ary alalana mihatra amin'ny dinan'ny Creative Commons.
Manararaotra manoratra ny momba ny alikany ny mpamaham-bolongana Boliviana sasantsasany, ary mizara tantara ny fiantraikan'ny fisian'izy ireo eo amin'ny fiainany. Edwin Velásquez no manoratra ny momba ny alikany izay nahafaly azy ny fisiany [es]:
Tomoyo, tenia otro nombre, otros dueños y otra vida. Tenía que ser sacrificada por sus anteriores dueños, porque estos tenían muchos perros y ya no podían cuidarlos a todos, al saber esto, mi padre la compro, y después me la regalo. Yo le puse un nuevo nombre, la bañe, le corte el pelo y le dí de comer. Tomoyo, estaba aterrorizada y por dos días no quiso comer, esto me preocupo mucho, pero con paciencia y cariño, Tomoyo, se adapto a su nueva vida.
Nahazo anarana vaovao, tompo vaovao ary fiainana vaovao i Tomoyo. Tsy maintsy nisaraka tamin'ny tompony teo aloha izy fa maro loatra ny alika nompian'ireo ka tsy voakarakarany avokoa izy rehetra. Raha nahalala izany ny raiko dia ividy azy ka nanome azy ahy. Nomeko anarana hafa izy, dia nampandroako sy nomeko sakafo. Natahotra i Tomoyo nandritra ny roa andro ka tsy nihinan-kanina, ary nampanahy ahy be ihany izany. Na izany aza noho ny faharetana sy ny fikarakarana dia efa tamàna amin'ny fiainany vaovao i Tomoyo.
Mpamaham-bolongana hafa mipetraka any Santa Cruz ihany koa dia i Maria Cristina Moreno no nirary soa ny alikany Danilo. Nosoratany ny fomba mety indrindra hankalazana ny fotoana:
Asi que hoy más que nunca hagan felices a sus mascotas con caminatas, buena comida, agua fresca y muchos mimos… porque los perros son los mejores amigos del hombre…
Anio, ampifalifalio amin'ny fampitsangatsanganana azy, fanomezana azy sakafo tsara, rano madio sy fikarakarana ny biby fiompinao ao an-trano… fa ny alika no sakaizan'ny olombelona mahatoky indrindra…
Ary nametraka ihany koa ity lahatsary manaraka ity:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ipU11XrneIQ&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/ipU11XrneIQ&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Farany, niari-tory nandritra ny iray alnia i José Luis avy ao amin'ny tanànan'i Yacuiba nitady ny tantaran'i St. Rocco ary nanoratra fa[es] “ tsy tokony ho vitan'ny andro iray (ny fanomezam-boninahitra ny alika)fa tokony ho isan'andro mihitsy.”
Eduardo Avila
Bolivia: Ny fiverenan'ny “Minisitry ny Cocaine”
Nandritry ny jadona miaramila tamin’ny fitondran’i Luis García Meza izay nifehy an’i Bolivia tany amin’ny fiandohan’ny taona 1980 tany ho any, ny tanan-kavanany sady Minisitry ny atitany Luis Arce Gómez dia nananatra [nampitandrina] ireo mpanohitra nihevitra ny hilaza zavatra manohintohina ny governemanta. Nilazany izy ireo mba “ho any ananona any sy hanao am-paosy ny hetahetany”.  i Wilfredo Jordán dia  nampakatra rakipeo [es] [amin’ny teny Espaniola] ahenoana an’i Arce Gómez niventy ireo teny ireo.
Dia nanomboka teo ny fanjakan’ny horohoro izay nisy  olona novinavinaina ho 1000 tany ho any matin’ny tanan’ity governemanta mahery setra ity. Roa amin’ireo vono olona misongadina ny an’ilay zezoita Espaniola mpitondra fivavahana, Luis Espinal [es] sy ilay Solombavambahoaka Marcelo Quiroga Santa Cruz, izay nalaina an-keriny, nampijaliana, avy eo novonoina. Tsy hita mihitsy moa ny fatiny.
Nilomano tanteraka tao anatin’ny raharahan’ny zava-mahadomelina ny governemantan’i García Meza, ary heverina ho olona nanana ny lanjany manokana tao anatin’izany i Arce Gómez. Matetika izy no nahazo anaram-bosotra hoe “Minisitry ny Cocaine.”.  Richard Sánchez ao amin’ny  La Mala Palabra [es] dia maneho mibaribary ny sasantsasany amin’ireny fomba fanao ireny, toy ny hetra aloa amin’ny fivarotana ravina coca amidy amin’ireo mpandraharaha zava-mahadomelina sy ny aferaferan’ny fiaramanidina asolo ny taxi hitaterana ireo zava-mahadomelina . Vokatr’izany no nandefasana an’i Arce Gómez  tany Etazonia hanefa ny saziny. Taorian’ny fanefany ny saziny, niverina tany Bolivia izy tamin’ny 09 Jolay, ka nalefa indray tany amin’ny fonja tsara ambina ao La Paz hanefa ny sazy tsy misy indrafo  navoakan’ny fitsarana Boliviana ho azy.
Mbola zaza ny maro tamin’ny mpitoraka blaogy tamin’izany fotoana maizina nodiavin’ny tantara Boliviana izany. Na izany aza, zokiolona maro no zendana nahita hoe tena lasa antitra be i Arce Gómez.  José Vasquez ao amin’ny Vasquez Press [es] dia manoratra fa:
Algunos compatriotas han sido conmovidos por la apariencia del ex dictador, al que en la televisión se lo ve como un anciano que apenas camina con bastón o en silla de ruedas, que padece varias enfermedades (próstata, diabetes y que tuvo derrame cerebral).
Mpiray firenena maro no taitra tamin’ny fiovan’ny endrik’ilay mpanao didy jadona fahiny, tao amin’ny fahitalavitra toy ireny lahiantitra tsy afa-mamindra raha tsy mitondra tehina ireny izy, na ireny mikisaka amin’ny seza misy kodiarana ireny, itambesaran’aretina maro (praostaty, diabety, ary fahavakisan’ny lalan-drà any anaty atidoha).
Maro amin’ny Boliviana no manantena fa ny fiverenany dia midika fa hisy ihany aty am-parany ny valin’ireo fanontaniana maro napetraka tany aloha ela tany [es]. Ny fianakavian’i  Quiroga Santa Cruz dia manantena fa mba ho hita amin’izay ny toerana misy ny  taolambalony.
Ny fahasalamana marefo mahazo ity manamboninahitra ambony fahiny ity dia misarika ny maro hieritreritra fa mety hangataka fanalefahan-tsazy izy, angamba ho takalon’ny vaovao momba ny fanjavonan’i Quiroga Santa Cruz sy ny hafa rehetra. Na izany aza, tsy hitan’i Vasquez loatra izay antony tokony hiantran’ny fitsarana Boliviana azy, raha ny fitondrana jadona aza tsy naneho “fitondrantena mijery ny maha-olona” ny hafa, na kely akory aza.
Amerika: Valin-kafatry ny faritra manoloana ny otrik'aretina H1N1
Na dia tany Meksika aza no nisy ny foiben’ny fihanahan’ny otrik’aretina H1N1 , mitady làlana hisorohana sy hanoherana azy ireo firenena hafa manodidina. Mijery akaiky amin’izay ataon’ny governemanta any aminy ireo mpitoraka blaogy ny amin’ny fomba hanalan’izy ireo ny tahotra, sa kosa vao mainka manampy trotraka. Ireo mpitoraka blaogy hafa avy any Amerika Latina koa dia mandinika ny fitondran-tenan’ireo olom-pirenena namany, indraindray miaraka amina fampihomehezana kely mba hisian’ny fitonitoniana.
Noho io valan’aretina io dia betsaka ny hetsika sy laminasa, izay heverina hisintona vahoaka maro, no nofoanana na no nahemotra, toy izany ny Hetsiky ny Rivo-Baovao nomanina hatao ny 23 aprily hatramin’ny 3 may tany amin’ilay tanàna meksikana Ecatepec. Ilay mpitoraka blaogy avy any Goatemala, Alan Mills ao amin’ny Revólver [es] dia nila nitady tetikasa hafa, satria efa niomana ny hanatrika io hetsika io izy.
Sarin’ny ‘metro’ meksikana nalain’i Eneas ary nampiasana ny Creative Commons license http://www.flickr.com/photos/eneas/3471986083/
Olom-pirenena maro no mandalina ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemantany manoloana ny fahatsiarovan-tenan’ny mponina amin’ny mety hahatongavan’ny otrik’aretina ao amin’ny fireneny. Any Costa Rica, izay firenena faharoa tao an-toerana nitatitra tranga, dia manoratra i Hazel Feigenblatt avy ao amin’ny Quien Paga Manda [es] fa hoe ny  Minisitry ny fahasalamana dia manasazy ireo fivarotam-panafody izay mitady hanararaotra amin’ny fanamboarana fanafody sy vaksiny sandoka.  Manontany tena momba ilay fividianana Tamiflu 150,000 fatra nataona firenena izay mbola tsy nahita akory ilay otrik’aretina ilay mpitoraka blaogy Ekoatoriana avy ao amin’ny Dejálo Ser [es] ary koa raha hoe hoverivery fotsiny ilay vola raha tsy ho ampiasaina akory ireo fanafody ka havela ho lany andro ao fotsiny.
I Luis Aguirre avy ao amin’ny Bloodyhell [es] dia mitsikera ny fihetsiky ny Minisitry ny fahasalamana peroviana, izay nilaza fa nisy teratany avy any Arzantina mitondra ny otrik’aretina H1N1 niditra tao amin’ny fireneny, nefa taorian’ny fitsirihana dia voaporofo fa diso izany [es]. Na izany aza, fahafaham-baraka toa rano raraka tsy azo raofina satria efa navoakan’ny governemanta koa ny anaran’ilay olona nahiana hitondra ny otrik’aretina [es], izay zavatra tsy fanao any amin’ny firenena hafa.
Sarina mpizahatany tao Cancún nalain’i El Enigma ary nampiasana ny Creative Commons http://www.flickr.com/photos/marca-pasos/3494017972/
Resahina matetika any anaty blaogy koa ny fihetsiky ny olona manodidina azy ireo. Any Bolivia, vao haingana i Azael avy ao Abre Los Ojos [es] no nifanena tamina fiara nitondra olona efatra nanao sarom-bava tany amin’ny tanànan’i La Paz. Raha ny fantatra dia tsy mbola tonga any Bolivia ny otrik’aretina, nefa manamarika izy fa tsy nanao zavatra hafa tena tsotra ireo olona ireo mba hisorohana loza hafa, “Ny tena zava-tsarotra dia ny mitady olona mamatotra ny fehikibo fiarovany any anaty fiarany.”
Mitantara andro iray izay tena nandreraka lany tany anaty fitanteram-bahoaka i Velvet avy ao amin’ny Piso Tres [es]any Medellín, Kolombia, noho ny fihetsiky ny olona nanodidina azy.
Resulta que soy alérgico a los olores fuertes. Percibo un aroma de prefume muy concentrado e inmediatamente suelto el estornudo. Un estornudo de los clásicos, de los que no matan sino que te dejan aliviado y con sensación de placer. No tiene nada que ver con la gripa de los marranos. Claro, eso no lo saben los que viajan conmigo en el metro.
Hoy estornudé por culpa de un perfume malísimo que olí en el metro. Un señor del frente me miró con rabia asesina. Un niño miro a su mamá con mirada de mártir y abrazó su pierna. La señora me miró como diciéndome “¡homicida”! y se fue. La joven a mi lado -entre otras cosas la culplable de mi delicioso estornudo- se paró y se cambió de vagón. Otro señor cerquita sacó un pañuelo del bolsillo trasero y se tapó la nariz y la boca. En unos treinta segundos se formo un círculo imaginario a mi alrededor y sentí lo que debe sentir un leproso o un paria hindú.
Izaho mantsy tsy mahazaka fofona mahery. Raha mifoaka fofon-dranomanitra mahery be aho dia mievina avy hatrany. Evina tahaka ny evina rehetra, tsy mahafaty, fa manamaivana sy mamela fahafinaretana. Tsy misy hidirany amin’ny gripan-kisoa mihitsy. Mazava ho azy fa tsy mahafantatra izany ireo tafara-dàlana tamiko tao amin’ny “metro”.
Tsy maintsy nievina aho androany noho ny fofon-dranomanitra ratsy be nofohako tao amin’ny ‘métro’. Nijery ahy tamin-katezerana fatratra ilay rangahy teo anoloako. Nisy zazakely iray nijery ny reniny toy ireny fikerin’ny maritiora ireny ary namihina ny tongony. Dia nijery ahy  ilay ramatoa, tahaka ny te-hiantsoantso hoe “mpamono olona!” ireny ary  avy eo izy nandeha. Nitsangana ilay tovovavy teo anilako – izy no tompon’andraikitra tamin’ilay eviko tsara be teo – ary nifindra fiara. Nisy rangahy hafa koa naka mosoara tany am-paosy aorinany dia nanapina ny orony sy ny vavany. Tao anatin’ny 30 segondra, nisy faribolana tsy hita maso niforona nanodidina ahy ary nahatsapa ny tsapan’ny boka na Indiana pariah aho.
Ny sasany indray dia miezaka mampiasa fampihomehezana mba hanamaivanana ny tahotra. Nanoratra  momba ny ‘sary vaovaon’ny fahafatesana’ i Gandica avy any Venezoela ary maka sary an-tsaina ny mety ho endriky ny fanadihadiana any an-danitra momba ny antony nahafaty ny tena [es]:
- ¿Y usted de qué murió?
Entonces la respuesta correcta debe ser:
- De la gripe AH1N1.
No vaya pues a cometer el garrafal error de mencionar que murió de influenza o gripe porcina -ya sabe AH1N1-nueva-gripe / H1N1- porque la industria-de-alimentos-carne-de-cerdo está muy sensible y pidió el cambio de nombre.
Joder. Como si el nombre gripal tuviera mucha importancia en estos momentos sobre lo que se nos viene encima.
¡Son pues vainas de nosotros los humanos, siempre tan cuidadosos con la imagen-relaciones-públicas!
- Ary inona no nahafaty anao?
Ity no mety ho valiny marina:
- noho ny otrik’aretina AH1N1
Tandremo ny manao fahadisoana goavana amin’ny fitenenana hoe gripa na gripan-kisoa – efa fantatrao ny AH1N1 – gripa vaovao / H1N1 – satria mora tohina ny orinasa momba ny kisoa ary nangataka ny mba hanovàna ny anarana.
‘Lety eee. Ohatran’ny dia efa hoe manan-danja be ireny ny anaran’ilay gripa amin’izao fotoana izao. Izany no hadalàn’ny olombelona, miasa saina foana amin’ny endrika ivelan’ny  tena sy ny fifandraisana aman’olona!
Mamoaka karazan-torohevitra nofinofyCiencia Ficción [es] any Costa Rican mamaly ireo mpamaky voakasiky ny otrik’aretina.
“¿Usted cree que me muera?” Anónimo, San José.
R/: De la gripe no, en un asalto en San José sí.
Mieritreritra ve ianao fa ho faty aho? Tsy mitonona anarana, San José (renivohitra)
Valiny/: Noho ny gripa, tsia…noho ny fanafihana mitam-piadina any San José, eny.
Bolivia: Nandrakotra ny Twitter ny Fitsampan-kevi-bahoaka
Raha vao nikatona ny fifidiana nananerana ny Bolivia izay nentina nanaovana fitsampan-kevi-bahoaka ho fanovana ny lalampanorenana , betsaka tamin’ireo firenena isankarazany izay mpampiasa ny twitter no niasa mafy nandefa ny hafatr’izy ireo momba ny traikefa hananan’izy ireo avy amin’ny toerana misy azy ireo.Araka ny fandaminana mba ahafahana mametraka eo ampivoany ny vaovao avy amin’izy ireo dia mampiasa ny famantarana #referendum.
Maro ireo nitantara anaty twitter rehefa niverina avy amin’ny toeram-pifidianana nisy azy avy izy ireo ary nitatitra ny fizotran’ny asa teny. Soratan’i Rolando Espinoza (@darkho) ny momba ny  vondrona tanora mpanohitraany ao Cochabamba, izay anisan’ny tonga teny amin’ny sekoly nandehanany nifidy:
Manaramaso ny lisitry ny solotena tao amin’ny trano fianarana antsoina hoe Loyola I #referendum Cbba (Cochabamba) juventud kochala
Mantanoratra I InLa Paz, Eliana Quiroz (@e_liana) hoe firy izao ireo nandany ny tontolo androny taorian’ny fanatanterahany ny andraikitra amin’ny maha-olom-pirenena azy
Henan’akoho no sakafon’ny sasany ary misotro Coca-cola kosa ny hafa rehefa vita ny fifidianana natao tao amin’ny tranon-tsekoly ambarotonga faharoa tao la Paz.
Nalefany an-tsary toa amin’ny Twitpic  ny fanondrony misy ranomaintsy izay milaza fa avy nanatanteraka ny adidy amin’ny fifidianana izy.
Mahatsiaro tena hoe lavitry ny fonenany ny mpifidy sasany. Mifanipaka be ihany ny misy an’I  Mario César Señoranis (@mariocesar_bo) avy any Santa Cruz sy ny misy ny renivohitra La Paz, ary miezaka ny mitady hevitra izy raha toa ka afaka mifidy;
Vao nifoha avy tao amin’ny torimasoko aho u_uzZzZ…Tsy mbola fantatro hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahako mahazo ny taratasim-pifidianako amin’ity fitsapa-kevi-bahoaka ity, tokony hifidy any scz (Santa Cruz) ve aho, nefa anie aty lpz (La Paz) aho izao e. 8’(
Namorona kaonty manokana Twitter antsoina hoe @referendum_bo ny tranok’ala Al Minuto [es] mba entina hizarana zotra-pifandraisana (lien) ho an’ny vaovao izay manokatra ankariary ny toe-javatra, nametraka ihany koa ny varavarankely ifaneraserana entina ivohizana ny resadresaka mivantana anterineto sy ny fampielezana indray ny kirioka sasany (tweets).
Bolivia: Mifampitana @ Tazo Dengy
Nandrava ny fambolena sy ny tranon'olo-tsotra noho ny fiakaran'ny rano ny fiavian'ny orana any amin'ny faritra atsinanan'i Bolivia. Etsy ankilan'izany dia mamorona toeram-pitomboan'ny moka mpampiely ny tazon'ny dengue io orana io.  Ao anatin'ny fambaran'aretina ny aretin'andoha ny hozatra ary ny ratsam-batana. Fa misy ihany koa ny soritr'aretina izay henjakenjana kokoa dia ny tazo mampandoa rà efa  nahafaty olona 3 eto amin'ny firenena.
Araka ny efa nambaran'i Erika Pinto ao @ Alkolica [es] , dia efa nahatratra ny tanànan'i Santa Cruz ny aretina dengy , ary manantena izy mba tsy hihanaka any amin'ny tanàna niaviany any an-tanànan'i Trinidad ity aretina ity.
Efa niaina tratran'ny aretin'ny dengy [es] ny mpamaham-bolongana Willy Andrés any Santa Cruz :
Esta muy complicado esto del dengue por estos rumbos; no es de tenerlo en poco, especialmente viendo testimonios de personas que han quedado marcadas de por vida por no tratar a tiempo y como debe ser esa enfermedad. Y pensar que todo esto es por culpa de un insecto tan peqeño, al final de todo… ¡qué débiles somos!.
He tenido el tiempo en que pasé por esa enfermedad, no es nada agradable sinceramente, los dolores en las articulaciones, en los músculos… es como si te hubieran pegado.
Eto amin'ny manodidina dia tena manahirana ny miresaka ny dengy, tsy azo atao ny manao tsinontsonina azy, indrindra  rehefa mahita ny manjo olona tràny voamarika mandrakizay @ fiainany noho ny aretina tsy voatsaboara-potoana, nefa tena zava-dehibe izany amin'ny fitsaboana ity aretina ity. Ary ny mieritreritra fa bibikely no anton'ny aretina, nefa amin'ny farany dia isika no malemy tanteraka!
Efa nisy ny fotoana narain'ity aretina ity aho, ary raha ambara aminareo ny marina, dia tsy dia tsara loatra izany marary rantsam-batana, hozatra.. tahaka ny nisy olona nidaroka mafy anao izany.
Ankehitriny moa dia mbola eo am-pikarakarana ny vadiny izay vao nanaritry ny dengy izy. sady fanampin'izany dia bevohoka 3 volana ihany koa izy izay nanampy trotraka ny ahiahy. Nitety toeram-pitsaboana maro nanodidina an'i Santa Cruz ry zareo fa mbola tsy nankany amin'ny hopitaly faharoa akory dia efa nahazo fitsaboana ara-dalàna. Efa mba tsara aloha raha tsy tratran'ny aretina ny zaza. Hoy ny teny fanampiny hoe:
gracias a Dios, Sara esta mucho mejor y con los medicamentos indicados. A cuidarse del dengue.
Isaorana Andriamanitra fa nihatsara i Sara ary mandray ny fanafodiny tsara.  Arovy amin'ny dengy ny tenanao.
Eduardo Avila
Bolivia: resaka fitsaram-bahoaka
Niteraka savorovoro nanerana an'i Bolivia manontolo ny firoboroboan'ny famonoana olona na fikasana hamono olona voampanga ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana. Nitranga tany amin'ny faritry Altiplano tao Achacachi tamin'ny 17 novambra 2008 lasa teo ny tranga farany izay nalaza tamin'ny haino aman-jery [es]. Olona 11 lahy sy vavy no nampangain'ny mponina tao an-toerana anjatony ho nangalatra ka nosamborina sy nodorana velona. Maty ny roa tamin'ireo nampangaina ary henjana ihany koa ny hay nahazo ireo sivy ambiny na dia avotra aza ny ainy noho ny fidiran'ny Ben'ny tanàna sy ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra.
Indrisy moa fa lasa karazan'ny fomba fanao mahazatra izay fihetsika izao noho ny fandefasana azy amin'ny fahitalavitra araka ny lazain'i Renzo Colanzi [es]:
En Bolivia los linchamientos y la toma de la justicia por propia mano, son hechos comunes que se dan en los noticieros a cualquier hora, sin proteger al televidente de la violencia de las imágenes, sin importarle de la sensibilidad de los más pequeños que puedan presenciarlas. Pareciera que todos hemos creado una cierta barrera que nos permite mirar y permanecer impasibles ante estos hechos terribles. Los policías de Cochabamba se quedaron bien muertos y el caso sin culpables. Lo mismo que en Montero y así podemos encontrar situaciones similares en casi cualquier región del país.
Hita amin'ny ora rehetra mandritra ny vaovao an-tsary ny fitsarana ataon'olona mampihatra famonoana olona ampangaina ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana ara-dalàna eto Bolivia. Tsy voaaro amin'ny fijerena sary manohina (noho ny herisetra) ny mpijery, hany ka na ny zazakely aza dia tsy voatandrina tsy hijery azy. Tahaka ny hoe efa nanangana karazana rindrina isika tsy ho taitra intsony mahita ireny toe-javatra mampihoro-koditra ireny. Nisy maty vokatr'izany toe-javatra izany ny polisy tany Cochabamba ary tsy nisy ny nosamborina noho ity raharaha ity. Nisy toy izany koa tany Montero ary mitovy tahaka izany avokoa manerana ny faritra rehetra manerana ny firenena.
Raikitra ny adihevitra raha azo sokajiana ho fampiharana ny fitsaram-bahoaka ireny famonoana olona voampanga ireny raha toa vao nanameloka ny zava-nitranga tany Achacachi ny fitondrana. Nambarany ary fa tsy tarazon'ny teratany eo amin'ny sehatry ny fitsaram-bahoaka velively ny manala ain'olonkafa. Etsy ankilany anefa lazain'ny mponina ao an-toerana fa tsy dia itokisany loatra ny “fitsarana mahazatra” ka tsy maintsy raisin-dry zareo ny andraikitra fa raha tsy izany dia hitohy hatrany ny asa ratsy. Ny mampiahiahy ihany koa dia ny hanekena ny “fitsaram-bahoaka” ho anisan'ny rafitry ny fitsarana bôliviana amin'ny volavolan-dalam-panorenanana izay hanaovana fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny 25 janoary 2009 ho avy izao hampiroborobo kokoa ny famonoana ny voampanga izay ho lasa ara-dalàna.
Tezeran'i Erika Pinto [es] ho tompon'andraikitra ny famonoana olona tsy voatsara ara-dalàna izao ny goverinemanta:
Por que el presidente morales, tolera la barbarie, se estaba por quemar a una mujer embarazada, emboscaron y llevaron al stadium a un bus a los 11 supuestos ladrones, se veian gente de escasos recursos, muchas mujeres y gente bastante mayor a juzgar por las imagenes.
Es que acaso esto tambien nos da el derecho de cuando los ponchos rojos hagan las barbaridades que hacen poder matarlos a ellos?
O es que acaso la “nueva ley” funciona en un solo sentido?
Se supone que este gobierno era el que nos iba a llevar a un nuevo siglo de progreso pero solo nos esta llevando a la mas atrasada barbarie posible.
Satria noleferin'ny filoha Morales ny habibiana, dia avy ry zareo handoro vehivavy bevohoka, Niandry kendry tohina izy ireo ka noraotiny ho eny an-kianja avy eo ny olona 11 heverina ho mpangalatra. Samy mahita isika amin'ny sary fa olona tsy ampy fivelomana, vehivavy no maro ary ny beantitra no mandray ny toeran'ny mpitsara.
Manome zo antsika hamono azy ireo koa ve ny nataon'ny “ponchos rojos” (mpikambana milisy any Achacachi) nahavita habibiana?
Sa ho amin'ny tondrozotra iray ihany no iasan'ny “lalàna vaovao”?
Efa nifanekena fa hitondra antsika ho any amin'ny taonjato vaovaon'ny fandrosoana ity goverinemanta ity, saingy toa mizotra ho any amin'ny habibiana izaitratra izy izany.
Nampahatsiahivin'i Mario Duràn kosa ny nolazain'ny mpanao gazety iray fa tsy olona tsy manantsiny ireo voampanga ireo. [es]
Sin embargo, como lo decia la periodista Amalia Pando en Erbol, no eran unos angelitos, pues las personas que fueron capturadas en Achacachi poseian un frondoso prontuario policial… desde robo hasta robo agravado seguido de muerte.
Sin embargo, al igual que se condena la justicia por mano propia se debe condenar al sistema economico que origina la delincuencia.
Na izany aza araka ny nolazain'ny mpanao gazety Amalia Pando avy ao amin'ny Erbol dia tsy anjely tsy akory ireo olona nosamborina tany Achacachi ireo fa efa maloto dosie anyamin'ny polisy ihany koa… manomboka amin'ny fangalarana mandalo ny fandrobana izany ary tonga hatramin'ny famonoana olona mihitsy aza.
Na izany aza, raha melohina ny manao fitsarana tena, dia tokony homelohina ihany koa ny rafitra ara-toe-karena miteraka firoboroboan'ny fanaovana asa-ratsy.
Maro amin'ny vondrona teratany no miezaka miaro ny laza tsaran'ny “fitsaram-bahoaka”. Avy amin'ny alalan'ny bolongana El Alto Noticias [es] no niresadresahan'i Nelson Vilca  [es] tamin'ny mpikambana iray ao amin'ny vondron'ny teratany Guarayo, izay mametraka fa tsy midika “fanalana ain'olona hafa” velively ny “Fitsaram-bahoaka” (toy ny dina raha ny aty amintsika eto Madagasikara).
Bolivia: mihatra ny lalàna miaramila any Pando
Miatrika fihetsiketsehana sosialy hatrany i Bolivia amin'izao fotoana izao, raha mibodo ny tranom-panjakana maro ao Santa Cruz ny vahoaka mpanohitra, ary vao nisy fifanandrinana nifanaovany tamin'ny mpanohana ny fitondrana nahafatesana 15 tany amin'ny faritry Pando. Vokany, nampihatra ny lalana miaramila tamin'io faritra io ny fanjakana.Nitaky ny hialan'ny masoivoho Amerikana Phillip Goldberg ampangainy ho miray tendro amin'ny mpanohitra ihany koa aza ny filoha Evo Morales. Namaly izany ny fitondram-panjakana amerikana ka nangataka ihany koa ny fandroahana ny masoivoho Boliviana Gustavo Guzman. Ho firaisan-kina moa dia nitaky ny fandroahana ny Masoivoho amerikana any aminy ny filoha Venezoelana Hugo Chavez (es).
Maro ny mpamaham-bolongana no niresaka momba ity toe-draharaha ity, ary maro amin'izy ireo no namoaka sary sy lahatsary mampitolagaga. Ao amin'ny rakitsariny Flickr i   Julio Ricardo Zuna Cossio no maneho sary ny fibodoana ny tranom-panjakana ao Santa Cruz. Namoaka ny sarin'ny fahapotehan'ny tranom-panjakana ihany koa i Fernado ao amin'ny Vecino Barrio.
Sarotra moa ny mahafantatra ny tena nitranga isan-tanàna tokoa rehefa be loatra ny honohono sy ny tsaho. Miteny izaho hatrany i Renzo Colanzi hitantarany ny niainanynandritra ny fotoana mampitaintaina ao Santa Cruz. Ankoatra izay dia nahazo SMS amin'izay mety ho fifanandrinana sy fisamborana maro izy.
A la una de la mañana fui llamado por un primo que me indico que se dirigía a la Plaza 24 de Septiembre debido a que le habían dicho que un grupo de masistas venia enfrentarse. Como vivo a pocas cuadras me dirigí a la Plaza, pero no ocurria nada en el lugar. (…) En la Plaza ya se sabía de esta camioneta y que también había una vagoneta Land Cruiser, que estaba realizando el mismo acto con cualquier grupo de jóvenes que era encontrado por las calles del centro.
Nantsoin'ny rahalahiko iray izay aho tamin'iray maraina nitantarany fa manatona ny kianja 24 septambra izy fa hanafika ny mpanohana ny antokon'ny fitondrana. Satria moa eo akaiky eo ny misy ahy dia nihazakazaka aho ny hamonjy ilay kianja saingy tsy nisy na inona na inona tany.(…) Teo an-toerana moa dia efa mahalala ilay fiarabe (izay nanakana ny olona) avokoa ary nisy Land Cruiser ihany koa eo manao tahaka izany ho an'izay andian-tanora rehetra tany afovoan-tanàna.
Tena mavesatra kokoa ho an'ireo izay tsy nandray anjara tamin'ny filaharana, fanoherana na fifanandrinana ny ahiahy. Manatsidika ny fepetra raisin'ny fianakaviana maro dia maro i Karen ao Santa Cruz:
Me toco ir luego en la tarde al mercado, ahí veía a la gente comprar como si mañana no hubiera tal. Creo que hasta ayer, todo me parecía surreal hasta que escuche la charla de dos señoras, mientras la casera les vendía comida en lata. Ellas contaban como cada una de ellas se preparaban para lo peor, en este caso una guerra Civil. Argumentos a favor, argumentos en contra…
Lo que dijo una de ellas termino la discusión de quien tenia la culpa:
“Bueno, sea como sea, quien tenga la culpa, lo cierto es que no hay gas, no hay plata para comprar mas comida, gasolina ni diésel y ahora todos los días estamos con la pena de que nos maten, no se puede vivir así”
Anjarako ny niantsena ka hitako tany fa manangona hanaovana tahiry ny maro tahakany hoe tsy hisy intsony ny ampitso. Mino aho fa tsy nampoizinia ny toe-draharaha hatramin'ny omaly, hatramin'ny nahenoako ny resaky ny vehivavy anankiroa teo amina mpivarotra sakafo anaty boaty. miresaka sahala amin'ireny hoe ho avy ireny ny atambo ireny ry zareo. Izany hoe ny ady an-trano. Misy ny manaiky ,misy ny mandà…
Nofaranany amin'ny fanontaniana izay diso amin'ity raharaha ity ry zareo:
Na iza diso na iza marina, ny azo itokisana aloha dia tsy hisy ny entona fandrehitra, tsy ho ampy ny vola hividianana sakafo, na solika, ary amin'izao fotoana izao dia manahy ny rehetra fa hovonoiny isika. Tsy azo iainana mihitsy ny tahaka izao.
Ny fototry ny olana eo amin'ny fitondran foibe sy ny faritry Pando, Beni, Santa Cruz ary Tarija moa dia ny (fitsinjarana ny) vola azo avy amin'ny solika (IDH amin'ny teny Esipaniolona), izay nahena ary nafindra ho amina fandaharam-panjakana hafa tahaka ny fanomezana (fanondrotana) ny fisotroan-drononon'ny zokiolona, ary eo ihany koa ny fikasan'ny fanjakana hametraka volavolan-dalampanorenana hitsapana ny hevitry ny vahoaka. Mitaky ny hampidirana ny fizakantena notanterahina tamina fitsapa-kevi-bahoaka nampiady hevitra (notanterahiny manokana) ho ao anaty lalampanorenana io ny Goverinoran'ireo faritra voalaza ireo.
Ny tafika ihany no manana ny lakilen'ny famahana izao olana izao. Hoy i Migule Cantellas ao Pronto:
Another question has to do w/ the military. So far, the military has essentially sat this out, despite direct mob attacks on military installations (which left more than a few conscripts & junior officers injured). Instead, the confrontations have mostly involved civilian groups like the UJC (pro-autonomy) & pro-MAS groups. Will the military eventually help restore order or guarantee political dialogue? Can Evo count on the military to back his government? So far the military has made clear that it doesn’t want to use lethal force w/o express written orders from the president (they don’t want to be held responsible for the resulting casualties).
Ahoana ihany koa ny amin'ny tafika. Hatramin'izao aloha dia tsy mbola namaly ny tafika na dia misy aza ny fanafihana any amin'ny misy azy (izay naharatrana manamboninahitra sy ireo nantsoina). Hita kosa fa ny tena mifamely dia ireo vondrona sivily avy amin'ny mpitaky ny fizakantena sy avy amin'ny mpanohana ny fitondrana. Hampanaja ny filaminana ve ny tafika hanohanany ny fitondrana? hatramin'izao aloha dia nasehony fa tsy te-hampiasa hery ry zareo raha tsy efa misy ny baiko voasoratra mazava avy amin'ny filoha (tsy te-ho tompon'andraikitra amin'izay fahafatesana sy faharatrana teraka avy eo manko ry zareo).
Na izany aza dia efa misy fanambaran'ny tafika hita pirinty ao amin'ny  Al Minuto haka amin'izay ireo tranom-panjakana nobodoina.
Bolivia: Ilaharana ny fanafody
Dora Romero ao amin'ny Las Ideas Son Primero [es] no nanamarika ny fisian'ny filaharana manoloana ny fivarotam-panafody ao an-tanànan'i El Alto, Bolivia. Manontany tena izy raha marary vokatry ny hatsiaka ny ankamaroan'ny olona na noho ny fahazarana mihinam-panafody fotsiny amin'izao halavana filaharana izao.
Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo
Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra any Amerika Atsimo no indray miara-miravoravosy mizara ireo fihetseham-pony.
Ekoatera - Cronica Cero manoratra ny lafiny fanoharana [icon, icône] mikasika an-dRtoa Betancourt :
LIBRE. Así, con mayúsculas. (…) Betancourt alcanzó una imagen mundial, universal. (…) Abrimos periódico con ella y nos regocijamos con su liberación, nos hermanamos con los colombianos, con aquellos que buscan la paz antes que la confrontación. Betancourt es un ícono de la lucha contra el secuestro. Hoy, Colombia amanece diferente. Creo que el mundo, el que se relacionó y conmovió con su historia, también
AFAKA. Amin'ny sorabaventy ohatr'izao. (…) Nanjary fanoharana manerana izao tontolo izao Rtoa Betancourt. (…) Nosokafanay ny gazety dia hitanay ny fahafahany, miombom-pifaliana amin'ireo rahalahy sy anabavy Kôlômbiana izahay, ireo indrindra izay nikatsaka ny fandriam-pahalemana talohan'ny fifanoherana. Fanoharana mikasika izay ny ady amin'ny fakana olona an-keriny Rtoa Betancourt ankehitriny. Nifoha amin'ny rivotra vaovao ry zareo Kôlômbiana androany. Ary heveriko ho toy izany koa izao tontolo izao, izay nitatitra ny tantarany sy tohin'izany.
Bolivia - Carlos Gustavo Machicado Salas avy ao amin'ny Guccio's kosa mamakafaka ny fanambarana izay nataon-dRtoa Betancourt dieny izy afaka :
para mi lo más importante es el mensaje de amor y perdón que nos dio Ingrid, que rezo por los muertos y por los guerrilleros y además les ofreció su perdón. Después de las penurias y los maltratos que tuvo que vivir uno pensaría que solo tendría odio y rencor en su alma, pero no al contrario irradia una paz espiritual y un apego a Dios increíble. Realmente algo muy lindo y que a todos nos debería hacer reflexionar en relación a cual debe ser nuestra actitud frente a la vida.
raha ny amiko manokana dia ny fitoriana fitiavana sy famelan-keloka nataon'i Ingrid no lehibe indrindra, ny nilazany fa mivavaka hoan'ireo rehetra nodimandry sy ireo mpiada anaty akata izy, sy ny namotsorany sahady ny helok'izy ireo. Taorian'ny fahasarotana sy ny herisetra izay nosedrainy, dia mety ho nihevitra isika fa fankahalàna sy lolom-po no nameno ny fanahiny, mifanohitra tamin'izany anefa, fahatoniana ara-panahy sy fifikirana mafy mahagaga amin'Andriamanitra, no taratra mamiratra avy ao aminy. Tena zavatra mahagaga loatra izay tokony hisarika antsika tsirairay handini-tena mihitsy izao.
Arzantina - Marian B ao amin'ny Miscellaneous, Nonsensical and Unnecessary Ramblings koa dia manindry mikasika ny fanambaran-dRtoaBetancourt :
Estoy escuchando su discurso en el aeropuerto y le tengo envidia a los colombianos por contar nuevamente con una política excelente, excepcional e
increíble como ella. A Colombia le va a ir increíblemente bien si se presenta para las elecciones y la eligen.
Eo am-pihainoana ny kabariny eto amin'ny seranam-piaramanidina aho dia velom-paniriana ireo Kôlômbiana aho ny ahafahany indray miantehitra amina pôlitisiana tsara sy tokana an-tany ary mahatsikaiky toa azy. Tombotsoa lehibe hoan'i Kôlômbia mihitsy raha toa ka mirotsaka ho kandida sy voafidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka izy.
Gatemalà - Prensa Negra ravo satria tsy nisy nidiran'ny filoham-pirenena Venezoelana Hugo Chávez ity fanavotana ity :
Se logro el rescate de Betancourt, sin duda alguna, el secuestro mas controversial de los ultimos años de las FARC, y lo mejor de todo sin la ayuda de Chavez por que si hubiera tenido algo que ver con esto quien le oyera la trompa ahora al pizado!.
Tsy misy fihambahambana fa ny fanavotana an-dRtoa Betancourt, vokatry ny fakana an-keriny nataon'ny mpiady anaty akatan'ny FARC no niteraka adihevitra indrindra nandritra izay taona maro lasa izay. Ary mahafinaritra fa tanteraka tsy nisy nitsofotsofohan'i Hugo Chavez izany, raha tsy izany dia efa nieboebo indray eran'izao tontolo izao ny lehilahy !
Però - Menoscanas mikasika izay mety ho fiantraikan'izany amin'ny vondron-tafika mpiady anaty akatan'ny FARC :
Sonrisas de los ex rehenes evidencian uno de los golpes más duros a las FARC debido a que todos los ojos del mundo se encuentran sobre Colombia en este momento. El caso de Ingrid Betancourt es el más reconocido y las sonrisas y abrazos entre los ex rehenes y el reencuentro con sus seres queridos nos muestra como luego de largas pesadillas, uno puede despertar.
Ny tsikitsiky mandravaka ny tavan'ireo olona nohafahana dia mampiharihary fa isan'izay fahavoazana lehibe indrindra nosedrain'ny vondron-tafika mpiady anaty akata FARC hatramin'izay izy ity nohon'ny mason'izao tontolo izao izay voasarika hijery ny zava-misy any Kôlômbia. Ny ohatry Rtoa Ingrid Betancourt no isan'izay mazava indrindra ary ireo tsikitsiky sy orokoroka izay ifampizaran'ireo olona voatana an-keriny nohafahana sy ireo fianakavian'ny tsirairay dia mampiseho fa afaka taitra amin'ny torimaso ihany, na dia tao aorian'ny nofiratsy maharitra aza.
Diana Zorrilla of Morena Escribe [es] writes:
Ella se convirtió en el ícono del flagelo que han infligido las FARC al pueblo colombiano y su liberación junto con la de los otros catorce es una importante victoria moral para Colombia
Nanjary fanoharana mikasika ny kapoka karavasy izay nataon'ny FARC ny vahoakan'i Kôlômbia Rtoa Ingrid Betancourt, ary ny fanafahana azy sy ireo olona 14 hafa mpiray fakana an-keriny taminy dia fandresena ara-môraly lehibe hoan'i Kôlômbia.
Paragoay — Edwin Britez ao amin'ny Derecho Viejo [es] wrote about Betancourt earlier in December, and returns with the good news spread throughout the country:
Me reconforta saber que hoy mucha gente salió a las calles de Asunción, por lo menos a expresar su contento con bocinazos, por la libertad de Ingrid. Muchas de ellas son mujeres. Hoy, todos somos de alguna manera, un poco más libres que antes.
Nankaheritena ahy ny nahita fa nohon'ny fanafahana an-dRtoa Ingrid Betancourt, dia mponina maro no nivoaka tany an-dalambe mba hanambara ny hafaliany amin'ny alalan'ny fampandrenesan'ny fiarakodia. Vehivavy ny maro tamin'izy ireny. Azo ambara fa androany, dia mihoatra ny omaly ny fahafahantsika tsirairay.
Sary tapaka nindramina tamin'i Pixiduc
Bolivia : Fikambanana Twitter
Mitombo tsikelikely ny mpampiasa Twitter boliviana, ary nahazo tosika lehibe ry zareo tamin'ny fanamboarana ny pejy TwittBo [es], manantena ny hanome dokam-barotra be be kokoa ity fomba fifandraisana efa be mpakafy ity.  Fanampin'izany dia nisy koa Facebook niforona mba hikambanan'ny mpanao twitter boliviana. Roa amin'ny mpamorona, Ricardo Zuna (@masaco) sy Diego Wara Fernandez (@teufelabgott) dia namaly fanontaniana vitsivitsy momba ity fikambanana vaovao ity.
Global Voices : Avy aiza no niavian'ilay hevitra Twittbo ?
Diego Fernandez: Hevitra niforona tamin'ny twitts tamiko sy i @masaco (Ricardo) izy ity. Vao haingana izahay no nifankahita ary nahita fa manana hevitra izahay azo aseho izao tontolo izao. Na dia tamin'ny TwittMX ary no nahitanay ny hevitra, ity tetikasanay ity dia te handeha lavitra kokoa, fa tsy ho fivoriana Twitter fotsiny. Taty aoriana i Sebastian (Molina) dia nilaza fa nanana hevitra nitovy an'io, ary satria mila fifanampiana foana, dia nanapaka hevitra izahay fa ho isan'ny ekipa koa izy.
Ricardo Zuna : Azonay tamin'ny fifanakalozana twitts miaraka tamin'ny @TeufulAbbgot ilay hevitra, hitanay fa izahay roa lahy ihany no mpampiasa twitter boliviana ary hitanay fa ilaina ny namorona fikambanan'ny mpampiasa an'io teknolozia io. Nikarokaroka ilay hevitra izahay teo amin'ny herinandro teo, dia naka tahaka ny TwittMX kely, dia nanapaka hevitra fa avoaka ny blog ny 29 Janoary 2008. Taoriana kelin'ny namoahana io blaogy io dia nifandray tamin'i Sebastian Molina, mpamatsy izahay mba handraisany anjara an'ity tetikasa makadiry be ity. Izy koa mazoto be amin'ny twitter.
GV : Dia inona no heverinareo atao amin'ilay takelaka aterineto ?
DF : Raha izao izahay dia mila fanampiana avy amin'ny mpitoraka blaogy boliviana mba hanombohana fifanakalozana rohy sy fanasana. Mbola tsy betsaka noho ny 30 ny mpikambana izao, fa kosa fantatray fa manohana anay ry zareo amin'ny alalan'ny hafatra sy imailaka alefany. Amin'ny manaraka dia manantena izahay fa i twitter dia ho fitaovana fifanankalozan-kevitra, blaogy sy zavatra hafa koa, fa kosa tsy fifanaovanay fotsiny microblogging.
RZ : Amin'izao fotoana izao izahay dia mifantoka amin'ny fampielezana an'i twitter mba ho maro kokoa ny mpampiasa azy eto Bolivia, satria fomba fifanankalozana mbola vao sy vitsy mpampiasa io eto. Mitady hevitra avy amin'ny mpampiasa twitter sy namanan izahay, ary mihevitra ny hanao fivoriam-be Twitter eto Bolivia, mbola tsy misy daty aloha, ary miankina ihany koa amin'ny fitomboan'ny mpampiasa eto Bolivia.
GV : Inona koa no azo atao eto Bolivia miaraka amin'ny “microblogging” na ny “twitts”? Afaka ampiasaina amin'ny zavatra hafa noho ny fialamboly sy sosialy ve ?
DF : Ny tena fototr'i Twitter dia ny sosialy, fa tokony kosa hampiasaina io mba hifandraisan'ny Boliviana kokoa, ary tsy lasa miankina be loatra amin'ny MSN MEssenger ry zareo, fa kosa misy fomba hafa hifandraisana sy hilazana hevitra ary koa hamatorana hevitra toa ny antsoinay hoe “akanin-kevitra”.
RZ : Fomba fampiasana mahaliana ahafahana mampiely vaovao aty Bolivia miaraka amin'ny twitter dia amin'ny lohanteny twitt toa ny CNN, La Tercera, Global Voices, Ahora Bolivia sy ny hafa koa. Raha ny momba ny fampiasana hafa an'i Twitter, tsy misy fetra afa-tsy ny eritreritra, hitantsika fa misy koa fampiasana an'i Twitter amin'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana, fikambanana mpianatra, ary fivarotana mampiasa izy ity ho fampielezan-kevitra anatiny sy fanaovana dokam-barotra ho an'ny marika, ary koa ho diarin'olon-drery, etc.
GV: Mahatadidy fomba fampiasa an'i Twitter mahaliana sy mampihomehy ve ianao?
RZ : Mahaliana fa ahitanao olona marobe ao amin'i twitter : Evo Morales, Barack Obama, Fidel Castro, Steve Jobs, lava be ny lisitra, ary zava-mahaliana lazainy ao dia ny lazain'iza na iza ihany - inona izao no ataony amin'izao fotoana izao anatin'ny litera 140.
Nosoratan'i Eduardo Avila