The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Barbados Tahiry Firenena

RSS ho an i Barbados

2008-12-30

Barbados: Mpanao gazety voasambotra

Misaritaka ny tontolon'ny fitorahana blaogy Barbadiana tao aorian'ny fisamborana mpanao gazety malaza anankiroa - fihetsika izay nadikan'ny mpitoraka blaogy ho fanelingelenana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Ilay blaogy fanta-daza sy be mpanaraka Barbados Free Press dia milaza fa io fisamborana io dia valifaty tamin'ny “fitaterana momba ny manam-pahefana iray ...

2008-12-28

Noelin-dry zareo any Karaiba

Noely ny andro - Ary tsy misy n'aiza n'aiza mankalaza ny Noely ohatran'ny any Karaiba! Inty misy topi-maso kely ny amin'ny ataon'ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba mba ho tafiditra ao amin'ny fanahin'ny fankalazàna... Ny mpitoraka blaogy avy any  Guyana dia nanao "meme" amin'ny hoe “Tsy Krisimasy ny Krisimasy rehefa ...

2008-10-23

Cyber-Activism ,
Lalàna

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany tsy ho azon-tsampona…sy manao izay hahatonga ny toerana nosafidiany aleha ho voaro anaty filaminana.”

2008-09-05

Diaspora ,
Fifidianana

Raha 'somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina' ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: “Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy ary amin'ny toetry ny tarehiny tahaka an'i Tina Fey sy ireny paingotra malemy ireny moa ho ahy na ho an'olon-kafa antenaina avy aminy ho lasa ‘Mivantana avy any New York amin'ny Sabotsy alina?”

2008-08-02

Karaiba: Afaho ny tenanao

Androany no antsoina hoe Androm-panafahana any amin'ny zarantany Indiana Andrefana (tsy Karana) - andro fankalazana ny fiafaran'ny fanandevozana, rehefa nambaran'ny lalàna fa olon'afaka amin'izay ny andevo rehetra. 170 taona aty aoriana, vitsy ny mpamaham-bolongana karaibeana nanome voninahitra ny Ntaolony, izay nanao sorona ny tenany hananan'izy ireo ny fahafahany ankehitriny...

Cyber-Activism ,
Governance

Ho tohin'ny ahiahin'ny maro manodidina ilay fahafatesana tsy dia mazava loatra nanjo an'i l'Akobi Tacuma Maloney, Barbados Free Press no nilaza fa: “Sehon'aretina efa mikiky tsikelikely ny fototry ny fiarahamonina mihitsy no nahatonga ny fahafatesan'i I’Akobi - aretin'ny kolikoly zary efa latsa-paka ao anatin'ny kolontsaintsika.”

2008-04-27

Cyber-Activism ,
Development

“Tsy isalasalana fa ny fiakaran'ny vidin-javatra no hibahan-toerana mandritra ny herinandro vitsivitsy sy ho am-bolana vitsivitsy ho avy io manerana ny firenena,” hoy i Barbados Underground,  (Barbada ambanin'ny tany) raha miresaka momba ny fanamby miandry ny toe-karenan'ny nosy izy.

2008-04-25

Barbada, Jamaïka : Momba ireo fitaovam-piadianaVideo post

Bajan Global Report sy ny Jamaïkana Geoffrey Philp dia samy mitatitra momba ny fivarotana fitaovam-piadiana Shinoa any Zimbaboe. Geoffrey Philp's mampahatsiahy ny fifandraisan'ny mpihira fanta-daza Bob Marley sy Zimbaboe : Twenty-eight years after Bob performed “Zimbabwe”, Robert Mugabe is still holding on desperately to power and it seems that he will use any ...

2008-04-02

Kiobà, Barbada : Fifidianana any Zimbaboe

Samy manapariaka lahantsoratra mikasika ny fifidianana any Zimbaboe ry Child of the Revolution izay Kobana mipetraka any Aotsralia sy Neo-Zealandy, sy Barbados Free Press avy any Barbados. Child of the Revolution dia mampitaha an'i Robert Mugabe sy i Fidel Castro izay mpiaradia hatrizay : Mind you, compared to the Castro brothers, the ...

2008-01-09

Barbady: Fanalan’andro politika

“Mba misy fikendrikendrena olona politika ve any amin’ny orisanam-panalan’andro any?” Hoy Boyce Voice mpanabolongana avy any Barbady: “Tsy ianao mihitsy no tokony hatahotra mpanao politika fa izy no tokony hatahotra anao. Ry zareo no mila ny vatonao…”