The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Argentina Tahiry Firenena

RSS ho an i Argentina

2009-10-20

Arzantina: Lany ny lalàna vaovao hifehy ny Media

Nolanian'ny Loholona Arzantina ny lalàana vaovao hifehy ny media mampiasa haino aman-jery, izay ahitàna fepetra vaovao maromaro momba ny Onjam-peo, ny cable, ny fampielezam-peo sy fahitalavitra avy amin'ny satelita.

2009-10-10

Arzantina: Misaona an'i Mercedes Sosa mpihira

Anankiray tamin'ireo vaovao lehibe tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ny fahafatesan'ilay mpihira arzantina Mercedes Sosa tamin'ny 04 oktobra, anankiray amin'ireo mpihira manana ny maha izy azy any Amerika Latina. Nambaran'ny fampahalalam-baovao rehetra tany Arzantina ity vaovao ity, ary nandefa mivantana ny fiandrasam-paty nandritra ny tontoloandron'ny alahady ny fampahalalam-baovao ...

2009-08-09

Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín

Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary avy amin'ny programany vaovao ka mampiasa ireny ho toy ny hoe azy ny rakikira, nefa ny ankamaroany dia mitsikera ny ...

2009-02-26

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

2008-12-21

Zavakanto & Kolontsaina ,
Ethnicity

Israeli Mom no mitantara ny famangiany ny Kibbutz (karazana tanàna kely toy ny koperativa mahazaka tena) Or HaNer, izay maneho manokana ny hosodoko an-drindrina be velarana noforonin'ireo mpanakanto Arzantineana Daniela Almeida sy Jose Kura. “Tamin'ny taona 2007 no nanasana an'i Kura sy Almeida hitsidika ny kibbutz (natsangan'ny mpifindra-monina jiosy avy any Arzantina) hanao hosodoko an-drindrina ny andavanandrom-piainana isan-karazany ao amin'ny kibbutz,” hoy Israeli Mom.

Wall Murals (Sourced from www.israelimom.org)

2008-09-23

Herinandron'ny fampahalalana ny moana marenina: fomba hafa hampitan-kafatraVideo post

Moa fantatrao fa maro amin'ny moana izay mampita hevitra amin'ny alalan'ny fipeliky ny tanana, no mihevitra io fipeliky ny tanana io ho fiteniny voalohany ary ny teny voasoratra kosa ho fiteniny faharoa? Tsy nahalala aho manko fa soa ihany fa nahita ireo lahatsary ampolony nasehon'ny avy ao amin'ny fikambanan'ny moana ...

2008-07-04

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra ...

2008-05-18

Travel

Efa vonona ny soritr'asa fampitohizana amin'ny alalan'ny fiaran-dalamby haingam-pandeha ny tanànan'i Buenos Aires sy Rosario ary Córdboa izay mitentina 4 miliara dollars ety ampanombohana. Manolotra lisitra lavabe ny antony ilazany fa hevitra tsy masaka io soritr'asa io ary hanimba vondron'olona maro isan-kazarany. [es]