The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Amerika Tahiry Faritra

RSS ho an i Amerika

2009-11-21

Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika

Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny Wordpress-BR. Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] (fantatra amin'ny hoe @dpadua ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo tao ...

Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra

Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny i Celso Marranzini hamahana ny olana herinaratra any an-toerana, izay mihasarotra hatrany. Nisy delegasiona notarihan'i Marranzini nankany Korea Atsimo hitady fanampiana ...

2009-10-31

Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?

Eo ampelatanan'ny Kongresy ankehitriny ny fifanarahana, izay mety ekeny, ny amin'ny hamerenana ny filoha Hôndiorianina Manuel Zelaya eo amin'ny toerany indray fa hifampizarana kosa ny fahefana, ka mety hidika izany fa manomboka hifarana ny krizy.

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

2009-10-28

Repoblika Dominikana: Hetsika fampahalalana ny homamiadanaVideo post

Volan'ny fisorohana ny homamiadan'ny nono any amin'ny firenena maro ny volana oktobra, fotoana ankalazain'ny vohikala manandaza, fandaharana manokana amin'ny fahitalavitra, famakian-teny, valandresaka ara-medikaly ary ny fizarana boky kely sy trakitra misy izay tsara ho fantatra. Ireny rehetra ireny dia manindry manokana ny amin'ny fizahana ataon'ny tsirairay sy ny mampiahiahy tokony ...

2009-10-25

Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoakaSary postVideo post

Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. ...

2009-10-23

Goadelopa: Andron'ny rano

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe "Nosin'ny rano tsara" koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra ...

2009-10-20

Arzantina: Lany ny lalàna vaovao hifehy ny Media

Nolanian'ny Loholona Arzantina ny lalàana vaovao hifehy ny media mampiasa haino aman-jery, izay ahitàna fepetra vaovao maromaro momba ny Onjam-peo, ny cable, ny fampielezam-peo sy fahitalavitra avy amin'ny satelita.