The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Weblog

RSS ho an i Weblog

2009-11-22

Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro

Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro antsoina hoe Fakt, an'i Axel Springer AG, dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.

2009-11-21

Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika

Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny Wordpress-BR. Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] (fantatra amin'ny hoe @dpadua ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo tao ...

Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra

Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny i Celso Marranzini hamahana ny olana herinaratra any an-toerana, izay mihasarotra hatrany. Nisy delegasiona notarihan'i Marranzini nankany Korea Atsimo hitady fanampiana ...

Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”

Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.

2009-11-19

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

2009-11-17

Iran: zavakanto manohitraSary post

Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso' hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy ...

Angola: Lafo ny fiainana any Luanda

Lafo avokoa ny zavatra rehetra ao Luanda, renivohitry Angola; na ho an'ny angoley izany na ho an'ny vahiny, ireo mponina any dia mahafantatra izany tsara. Ny fototra toy ny sakafo sy ny fianarana ary ny trano fonenana dia mitovy vidy amin'ny any amin'ny firenena eoropeana. Ny mahasamy hafa azy dia ...

2009-11-13

Sina: Ranomandry vita sinoa

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao ...

2009-11-12

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.