The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Video

RSS ho an ny Video

2008-03-12

Taiwan: Tsy misy tanàna ho an’ny Aborigènes antitraPhotos postVideo post

Ny adihevitra ho an’izay ho filoham-pirenena voalohany nokarakarain’ny Peopo, plateforme mpampahalala vaovao avy amin’ny olon-tsotra dia natao ny 24 febroary. Roa no nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenana ary namaly ny fanontaniana 20 napetrakin’ny olon-tsotra izay mampiasa ny rohin’ampahan-tsary toy ny Youtube mba hanapariahana ny hetahetany sy ny olany. Banai sy ny vadiny ...

2008-03-07

Afrika : Mpitoraka Blaogy Sary, Blaogy, Sary mihetsikaVideo post

Topazana maso i Afrika amin'ny alalan'ny sary mihetsiky ny gazetin'olontsotra. Hatramin'ny tompon-daka BoB, mpilaza tantara, mpanao sary mihetsika fanadihadiana momba ny mpanakanto, ny indostria mpanao sary mihetsika Nollywood any Nigeria sy ny maro hafa koa. Mahaliana sy vita tsara ny tantara an-tsarin'i Usnico : ny sary iray milaza ny manjo , ...

2008-02-20

Madagasikara : Taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Ivan, ireo takaitraVideo post

(sary nadika tamin'ny GAZETY_ADALADALA) Efa nandao an'i Madagasikara ankehitriny ny rivodoza Ivan, izay namela tany amin'ireo faritra maro nandalovany haolo sy tsy manan-kialofana aman'arivony maro. Araky ny tarehimarika ofisialy dia olona roa [monja !] no maty ary mahatratra 15'000 kosa ireo tsy manan-kialofana. Raha heverina amin'ny maha sokajy faha-4 ny rivodoza Ivan, ...

2008-01-18

Afrika Atsimo : Vehivavy mpamboly “bio”Video post

Manapariaka lahatsary i Nubian Cheetah izay ahitana ireo vehivavy mpamboly “bio” any Afrika Atsimo: The women in the the Fezeka community in Gugulethu, South Africa are growing organic foods and selling them at market prices.” “Ireo vehivavy anivon'ny fiaraha-monina Fezeka any Gugulethu, any Afrika Atsimo dia mamboly “bio” [manaja ny tontolo iainana ...

2008-01-17

FreeAccess plus ! web 2.0 : ahafahana miala sivanaVideo post

Niainga tamin’ny asan’i Hamed Saber momba ny “Access Flickr” fiitaranasan’ny Firefox, nahafahana niala tamin’ny fanatantavanana ampiharina any Iran sy firenena hafa tena vitsy izay manampina ny Flickr, vohikala malaza amin’ny fifampizarana sary, no namoahan’i MohammadR ny “FreeAccess Plus!“, Fiitaranasa (extension) nosainina lalina mamadika ny Firefox ho proxy (solon’adiresy fanangonana fa ...

2008-01-11

Hong Kong : fanavotana ny Lung MeiVideo post

Natsangana ny bolongana vaovao iray hanavotana faritra mando iray ao Hong Kong (zh). Maminavina hanao fandaniambola hatramin’ny HKD130 000 000 ny governemanta hananganana tora-pasika voatr’olombelona ao Lung Mei, faritra mando voajanahary ao Taipo. Mihetsiketsika amin’ny fanangonan-tsonia sy famokarana lahatsary hanoherana izao fandravana ny tontolo iainana izao ny olonineto (netizens).

2008-01-10

Bangladesh : Ezaka fanampiana noho ny rivodoza SidrVideo post

Nandrava an’i Bengladesh ny rivodoza Sidr ny tapaky ny volana Novembra teo, ary na dia nihena be aza ny firesahan’ny fampahalalam-baovao dia mbola mitohy hatrany ny ezaka fanampiana ny traboina. Nandefa lahatsary maromaro tamin’izay niainany avy any Dhaka, Bangladesh ho fandraisany anjara hampitsaharana ny fahantrana. Bangladesh moa no firenena fahafito be ...

2008-01-09

Marôka : Mitohy ny tolon'ireo ToaregyVideo post

Ny blaogy Ghasbouba, monina any Marôka, dia manoratra sy manapariaka lahatsary [Frantsay] mikasika ny tolon'ny Toaregy [Touareg] hoan'ny fahafahana any Nizera sy Malia [Niger | Mali] : « Another way of getting rid of the Touregs of Niger and Mali is to exploit their lands through massive extractions of Uranium by ...

Tontolo iainana : « Fanamaitsoana » ireo fiaraha-monina any Afrika AtsimoVideo post

Ny blaogy Carbon Copy dia manapariaka lahatsary-na 90 sekondra sy nandrombaka loka tamina fifaninanana izay mampiseho ny “township” Khayelitsha, Cape Town any Afrika Atsimo; izany lahatsary izany dia : « touches on daily township life in South Africa and how solar energy could be utilised to uplift the poor in a ...

2007-12-13

Borkina Fasô : Inona no fototry ny fitantanana tsy madio ?Video post

Ny blaogy Babilown dia mizara lahantsary ahitana mpitantana ONG iray any Oagadogo manazava ny fitantanana tsy madio [corruption] any Borkina Fasô sy ny fotony [causes], ny hafa indray mitantara izay toe-draharaha sahala any Brezila : « Tout cela fait voir qu’il y a une sociologie de la corruption, dont les deux lieux ...