2009-10-18
2009-10-13
Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh

2009-10-05
Filipina: tondra-drano namoa-doza indrindra tanatin'ny 40 taona

Olona 50 mahery no maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza "Ondoy" (Kestana) nahazo ny faritra any Manille sy ny manodidina azy rehetra. Niteraka tondra-drano mbola tsy nisy toa azy tato aantin'ny 40 taona ity rivo-doza ity ary olona 280 000 no nafindra toerana tany Manille sy ny faritra 5 hafa, olona ...
2009-10-03
Azia sy Oseania: Lahatsarin'ny vokatry ny loza voajanahary
tondra-drano
Tao anatin'ny herinandro monja dia horohorontany, tsunami ary rivodoza isan-karazany no nandòna ny firenena maro any Ôseania, Azia atsinanana sy Azia atsimo atsinanana.
Tany amin'ny lahatsoratry ny Global Voices (teny anglisy) tany aloha tany no efa nampahalala antsika tamin'izay nitranga tany Thailandy, Kambodza, Laos, Philippines, ary Vietnam tamin'izay nafitsoky ny rivodoza ...
2009-10-02
Mpamaham-bolongana malagasy nanatrika ny fihaonambe fiovan'ny toetr'andro sy ny vovonan'ny G20
Ny 27 Sept no nanamarika ny fiafaran'ny dia lavitra sy lava notontosain'ny mpamaham-bolongana malagasy Stephane, a.k.a pakysse izay mpandrindra ny Foko rahateo. Niala teto Antananarivo, Madagasikara i Stephane ny 21 septambra ary nitody teo amin'ny seranam-piaramanidin'i JFK, New York ny faha- 22 hanatrika ny Kaoferansy momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ao ...
2009-09-30
Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy
Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.
Honduras: fakana sary mandritra ny tsy fahazoana mivezivezy
Telo volana taorian'ny naharesen'ny filoha Mel Zelaya tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana izay heverin'ny sasany fa rariny ary ataon'ny hafa kosa ho tsy ara-dalàna, dia niverina tany Honduras izy ny 21 septambra lasa teo ary mialokaloka ao amin'ny tranon'ny masoivohon'i Brésil any Tegucigalpa renivohitra. Niteraka savorovoro politika sy tsy fitovian-kevitra eny an-dalana ...
2009-09-28
Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana
Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.
2009-09-24
Iran: Hetsi-panoherana an'i Ahmadinejad any New York
Miandry ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad izay nandeha nankany New York, hanatrika ny fivoriam-ben'ny Firenena Mikambana ny hetsi-panoherana ny governemanta Iraniana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any Iran. Manentana ny olona handray anjara amin'ity fihetsiketseham-panoherana ity ny fampitam-baovaon'olo-tsotra.
Mandra-piandry aloha dia nofoanan'ny New York Helmsley Hotel ny lanonana saiky ...
Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona
Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana "maitso" manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika.
Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany
Mahmoud Ahmadinejad nandritra ny adihevitra ...





