Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Marsa, 2015
Iraka : Ravain'ny ISIS Ireo Sary Vongana Rakitry Ny Ela 3.000 Taona Tao Amin'ny Tranombakok'i Mosul
Voarakitra an-dahatsary ireo mpikatroka mafana fo ao amin'ny ISIS eo am-pamotehana amin'ny maritoa lava taho, sy fitaovana fandavahana ary lapika ireo sary vongana rakitry ny ela ao amin'ny tranombakok'i Mosul any avaratr'i Iraka
Tetikasa Lahatsary Mampahafantatra Ny Fiainana Sy Ireo Ady Atrehan'ireo “Papous” Tandrefana
"Ireo tantara ankoatra ny fifandirana: ady ho an'ny fampianarana, fiarahamonina, fitoviana, ary fahamendrehana."
Sarimiaina 5 Mampiroborobo Ny Zon'Olombelona Sy Ny Fitovian-jo ao Myanmar
Sady tsotra no manome fampianarana ny lahatsary. Azo ampiasaina any amin'ny firenen-kafa ihany koa, natao hoan'ny rehetra sy mora takarina ny lohahevitra.
Tarika Goatemalteka Mampiasa ny Tantara An-tsehatra Ho Fiatrehana Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy
Hoan'ireo vehivavy ireo, ny teatra dia midika fanasitranana ny ratra am-po amam-panahy sy hanentanana momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena izay vehivavy roa eo ho eo no mamoy ny ainy isan'andro.
“Nosamborina Noho Ny Fividianana Sigara sy Ronono Izy” Hoy Ny Vadin'ilay Tompon-daka Manerantany Teo Aloha avy ao Bahrain
Voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina "noho ny fivoahana hividy sigara sy ronono" i Mohamed Mirza, Bahrainita nahazo medaly volamena teo aloha tamin'ny jujitsu Breziliana, hoy ny vadiny nisioka.
Jereo Ny Istanbul : Ny Politikan'ny Rafi-trano ‘ An'i John Lubbock
Zarain'i John Lubbock amin'ny Global Voices ny fanadihadiana novokariny momba ny vakoka tsy mampitovy hevitra sy ny lova ara-kolontsaina ao amin'ny tanàna lehibe indrindra any Tiorkia.
Ahoana Ny Fomba Fanampian'ny ONG Libaney Iray Ireo Mpitsoa-ponenana Syriana
Miezaka manamaivana ny fijalian'ireo mpitsoa-ponenana Syriana ao Libanona ny fikambanana tsy miankina iray "Libanona Hoa'ny Mpitsoa-ponenana". Manazava ny fomba fiasan'izy ireo i Joey Ayoub.
Natao Hanasàna Atidoha Ny Ankizy Ao Hong Kong Ve Ilay Hira Manintona ‘Shina No Reniko’ ?
Indroa ny sekoly Katolika iray no nandefa ilay hira nandritry ny fivoriambe fanaony isan-kerinandro. Ahian'ny sasany amin'ireo ray aman-dreny hoe mariky ny ezaka ataon'i Hong Kong io hampidirana ilay "fanabeazana tia tanindrazana" ho ao anaty fandaharam-pianaran'ny sekoly io.
Mijoro ny Fiaraha-Mientan'Olo-tsotra Taorian'ny Tondra-drano Teto Madagasikara
Fandraisana an-tanana telo ho fanampiana ireo tra-boina eto Madagasikara
Dibo-drano I Madagasikara, Manolo-kevitra Handehanan'ny Vahoaka Fiara Fitaterana Iombonana Ny Governemanta
Miaina fotoan-tsarotra indray i Madagasikara ankehitriny noho ireo tondra-drano mahazo ny ankamaroan'ny faritra ao amin'ny firenena.