Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Desambra, 2014
Makedoniana ‘Mamihina’ Toeram-Piantsenana Ao Skopje Hiarovana Azy Amin'ny Fironana ho Amin'ny “Baroque”
Tetikasa mahabe resaka sy mandany volabe ny Skopje 2014 izay mikendry ny hanomezana endrika indray ireo tranobe ao an-tanàna mba hanana endrika "neoclassique" na "baroque".
Hiaino Ny Salegy, Ilay Mozika Mitana Toerana Be Ao Madagasikara
Karazana mozikam-pandihizana iray amin'ireo malaza indrindra ao Madagasikara ny Salegy, hatrany amin'ny tapaky ny taonjato faha-20. Amin'izao androntsika izao, ampanginin'ireo kintana tanora ny feon-gitara ary ampiakariny ho amin'ny gadona ankafizin'ny tanora kokoa ny feon-javamaneno
Ny Tetikasa Heimkino (“home cinéma”) : Toerana Fandraisana Mpitsoa-ponenana Sady Fianarana Teny Alemàna
Ny fampiasana ireo lahatsary kely nalaina tamin'ny finday nentina nampianarana ny teny Alemàna tany amin'ireo toby fandraisana mpitsoa-ponenana no nitarika tamin'ny fananganana ny tetikasa Heimkino. Ny fandraisana araka ny tokony ho izy ireny mpitsoa-ponenana ireny no ivon'io tetikasa io.
Dr. Mukwege avy ao RDC : ‘Ahoana no Fangina’ Rehefa Miatrika Herisetra Ara-Nofo?
Nampihetsi-po ny sasantsasany amin'ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ny Dr. Denis Mukwege nandritra ny kabarim-panekena ny loka Sakharov 2014 nandritra ny Andro Iraisampirenena Hamongorana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy.
Tanànan'i Arzantina Manome Valisoa ireo Bilaogin-tsekoly Manentana Amin'ny Fampihenana Ny Herisetra Mianjady Amin'ny Vehivavy
Nahitana fitomboan'ireo fikambanana misahana manokana ny fanentanana momba ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ao Arzantina. Na dia eo aza anefa izany, mbola mitombo hatrany ireo trangana herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.
Midika Inona Ho An'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ilay Didim-panjakàna Momba Ny Tsiambaratelo Ao Japana?
Tamin'ny Alarobia 10 Desambra, nivadika ho lalàna ilay Didim-panjakàna momba ny tsiambaratelo niteraka resabe tao Japana. Mampitombo ny sazy noho ny heloka bevava ho an'ireo mpamoaka an-tsokosoko ny "tsiambaratelom-panjakana" ilay Didim-pitondrana.
GV Face: Mankalaza Ny Faha-10 Taonan'ny Global Voices Miaraka Amin'ireo Mpiara-Mpanorina Rebecca sy Ethan
Satria mankalaza ny faha-10 taonan'ny Global Voices isika, hiresaka amin'i Rebecca (@RMack) sy Ethan (@EthanZ) momba ny nofinofin'izy ireo hoan'ny Global Voices sy ireo fandresena, fanamby ary zava-mahagaga rehetra natrehin'izy ireo tao anatin'ity fikambanana, mahagaga sy mahafinaritra ity tao anatin'izay 10 taona izay isika.As we celebrate our 10th anniversary, we talk to our cofounders Rebecca and Ethan about all the victories, challenges and surprises they've faced in this organic, inspiring and beautiful journey.
Raha Tsy Manan-tsiny I Moubarak, Iza No Nanome Baiko Nampamono Ireo 900 Maty Nandritry Ny Revolisiôna Ejiptiana?
Miverina an-dalambe ireo Ejiptiana taorian'ny nilazan'ny fitsarana iray fa afaka madiodio tamin'ny resaka famonoana mpanao hetsi-panoherana ny fitondràny nandritra ilay revolisiôna tamin'ny 25 Janoary ilay filoha Ejiptiana teo aloha, Hosni Mubarak