Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Aogositra, 2014
Mangataka An'i Etazonia “Hifehy Tena Any Ferguson” ny Governemanta Ejiptiana Ary Mamaly Izany Ireo Mpampiasa Twitter Miaraka Amin'ity Tenifototra Malaza Ity
Manolo-kevitra ireo mpitandro filaminana any Etazonia mikasika ny fomba hamaliana ireo mpanohitra any Ferguson, Missouri, ireo mpampiasa Twitter amin'ny alàlan'ny tenifototra maneso #EgyPoliceTipsToUS.
Lahatsarin-Jazakely Syriana Avotra Avy Amin'ny Korotam-Baton'ny Trano Ravan'ny Baomba
Nandrava ny tranon'i Ghina, zazakely sy nahafaty ny reniny ny baomba barika . Avotra soa aman-tsary i Ghina, na dia efa sarona tanteraka tao ambanin'ny korotam-baton'ny trano rava aza.
Resaka Am-Pinday Mampihena Ny Fisamatsamahana Eo Amin'ny Indiana sy ny Pakistaney
Efa tamin'ny taona 1947 no nisian'ny rà mandriaka teo amin'i India sy Pakistana, mbola marefo ankehitriny ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta.
“Casa Morada” Na “Ilay Trano Volomparasy”, Fikambanana Iray Ao Medellin Any Kolombià ‘ Hamoronana, Hankafizana Ary Handinihan-tena’
Morada na "Casa Morada", dia hevitra nitsiry avy tao amina fari-bohitra iray manahirana ao Medellin any Kolombià. Fantaro ny momba ireo tetikasa samihafa sahaniny izay mampiaraka ny zavakanto amin’ny fanabeazana sy ny fandraisana anjara.
Miaramila Shinoa: Mandihy Amin'ilay Hira Malaza ‘Little Apple’ (Paoma Kely) Mba Handresena Lahatra Ny Olona Hanao Raharaha Miaramila
Ny media sasany niantso ny "Little Apple" ho toy ny valintenin'i Shina amin'ilay "Gangnam Style" an'ilay Koreana K-Pop.
Mampiasa Media Sosialy Ny Indiana Mba Hiadiana Amin'ny Fanavakavaham-piaviana Mihatra Amin'ireo Tavaratra-atsinanana
Maro tamin'ireo mponina avy ao amin'ny firenena avaratra-atsinana, faritra antsoina hoe «Seven Sisters (Mito Mirahavavy)», no miatrika fanavakavahana ara-poko ao amin'ny fanjakana ambiny noho ny endrik'izy ireo Aziatika Atsinanana sy ny kolontsaina samihafa
Misoroka Ny Fanafihan'ireo Elefanta Mpirenireny Amin'ny Alalan'ny Vaovao Alefa Amin'ny TV sy Hafatra An-tsoratra Ireo Siantifika Indiana
Olona an-jatony vitsivitsy no mamoy ny ainy isan-taona ao India noho ny fanafihan'ireo elefanta mpirenireny satria atosika ao amina toerana kely kokoa ireo biby ireo honina ao. Nisy nahita fomba vaovao hamahana ny ady eo amin'ny olombelona sy ny elefanta ity.
[Tandremo: Maherisetra] Lahatsary Avy Ao Gaza Mitatitra Ny Namonoan'ny Tifitra Bala Afomanga Israeliana An'i Ramy Ryan, Mpanao Gazety
Tamin'ny fotoana nanoratana, 1.361 no isan'ny maty tao Gaza, ka ankizy ny 315 tamin'ireo