· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Mey, 2013

Brezila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Saingy Niverina Eny Amoron-Drano ny Mponina

  28 Mey 2013

Nafindra toerana any amin'ny tanàna naorina manokana hipetrahany ireo mponina tamoron'ny rano noho ny tsafodrano nateraky ny fanorenana ilay toby famokarana herinaratra Jirau any Amazona Breziliana. Niverina nanamorona ny rano ihany anefa izy ireo satria tsy mety aminy ilay fomba fiaina vaovao. Nahatonga fisalasalana ho an'ireo mponina amoron'ny rano ity seho ity satria mampanahy azy ireo ny ho avy, rahatrizay ka vita ny asa fanorenana ary tsy hisy intsony ny asa.

Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

  24 Mey 2013

Ny volana Aprily , natomboka tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanentanana iray mitondra ny lohateny hoe "Manohana ny Lalàna 779 aho" mba hangatahana ny hanajàna ny "Lalàna Manontolo Hanoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy" manoloana ireo fanavaozana marobe naroson'ireo mpitarika fivavahana sy mpikambana ao amin'ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana (CSJ) .

Fisidinana Tamin'ny Voromby Tsy Miankina Nanozongozona Ny Fitondrana ao Costa Rica

  23 Mey 2013

Nanozongozona ny fiadidiana ny filoha sy ny firafitry ny mpiara-miasa aminy ny vaovao fa nanome fiaramanidina manokana hisidinan'ny filoha Laura Chinchilla ho any Però ny orinasan-tsolika iray. Tamin'ny voalohany ny anton-dia dia ny hanatrehana ny fanambadian'ny zanaka lahin'ny filoha lefitra Luis Liberman, Saingy nohararaotina izany nanaovana fitsidihana ny filoha Ollanta Humala. Nialoha...

Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli

Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany

SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

  21 Mey 2013

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe....

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video