· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Febroary, 2013

Mianatra Ny Ojibwe Miaraka Amin'i Jennifer Bobiwash

Rising Voices  27 Febroary 2013

"Tsapako fa fotoana iray io, ho ahy, hianarako misimisy kokoa momba ny lovako ahy manokana. Ary raha mijery ny lahatsariko ny hafa ka mianatra, dia efa tombony iray izay. Heveriko amin'ny fomba tsotra hoe ireo lahatsariko izay ety anaty aterineto dia efa vavolombelona iray hiantoka ny fisiany ety anaty aterineto... Ary dia ny fomba hahitan'ny olona azy sisa no resaka, sy ny fankalazàna azy mba hahitàn'ny olona azy" hoy i Jennifer miresaka ny tetikasany hametraka ny Ojibwe mba ho fantatra ety anaty Youtube.

Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez

  25 Febroary 2013

Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) ny fikambanana ara-panjakana ao Eoropa, Amerika Latina sy ao Etazonia izy hatramin'ny tapaky ny...

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa rava na tsia ny trano fonenan'izy ireny.

Ny Fandraisan'i Trinidad & Tobago Ny Harlem Shake

  24 Febroary 2013

Ny hala-tahaka 'meme' farany tety anaty aterineto nifandroritana, ilay Harlem Shake, izay nandihizan'ny olona tamin'ity hira ity, dia tonga toy ny tafiotra ihany koa any Trinidad sy Tobago ankehitriny –lafy iray any ambadiky ny tany, any Queensland, Aostralia izay nanombohan'ny 'meme' rahateo. Mitondra vitsivitsy amin'ireo lahatsary ity lahatsoratra ity...

Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá

  23 Febroary 2013

Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.

Mpanao Fihetsiketsehana Nandoro Ny Tenany, Mankalaza ny Fahatsiarovana ny Revolisiona i Yemen

Andro vitsy mialoha ny faharoa-taona nitsingerenan'ny revolisiona Yemena, nanao sorona ny tenany tamin'ny fandoroana azy i Munif Al-Zubairy tao andrenivohitra Sanaa, mba haneho firaisankina amin'ireo revolisionera naratra tao amin'ny firenena. Atiaf Al Wazir nisioka hoe: @WomanfromYemen: Androany atoandro, nanao sorona ny tenany tamin'ny fandoroana azy i Muneef alzubairi, ho fanoherana ny tsy fandraisan'ny...

Fahamendrehana, Herim-po ary Fihatsaram-belatsihy: Lehilahy Ejyptiana Naboridanin'ny Polisy

Hamada Saber no anaran'ilay lehilahy Ejyptiana, hita taminà lahasary niparitaka sy nandeha tao amin'ny fahitalavitra CNN ihany koa, lahasary mampiseho azy novonoina sy naboridanin'ireo mpitandro filaminana. Nitarika fahatezerana sy tsy finoana izany ary nampisafoaka ny firenena tao anatin'ny rikoriko. Mahaliana, olona marobe tao amin'ny media sosialy no nanomboka nanohitra ny...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video