· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Novambra, 2012

Manintona Ny Saina Ho Any Amin'ireo Olona Manana Fahasembanana Any Jamaika Ny Fampirantiana Zava-kanto Vaovao

  30 Novambra 2012

Nanan-danja ny fiandohan'ilay fampirantiana voalohany indrindra notanterahin'ilay mpanakanto Jamaikana Astro Saulter, tsy noho ny fanolorany mpanakanto iray vaovao eo amin'ny sehatry ny zava-kanto ao an-toerana ihany, fa koa noho ny fitarihany ny fahalinana amin'ny filàna fidirana amin'ny fanabeazana haikanto tsara kokoa, indrindra ho an'ireo olona manana kilema.

Homs: Tantaran'ny Tanàna Syriana Revolisionera Rava

Anisan'ny tanàna Syriana maro hita amin'ny lohatenim-baovao ankehitriny i Homs, izay tanàna niorina tamin'ny 2300 talohan'i Kristy. Azo tarafina amin'ny alalan'ny fahapotehan'ny fanorenana sy maritrano manan-tantara, ireo mpialokaloka an'hetsiny ary ireo maritiora an'arivony ny fahasimbana goavana nateraky ny fandaroahan baomba nandritra ny volana maro. Homs ao amin'ny tantara Ilay tanàna 4300taona...

Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa

  29 Novambra 2012

Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny saingy maro ny Maoritaniana no manontany tena amin'ny anjara andraikitr'i Frantsa amin'ny toe-draharaha ankehitriny. Fihetsika nisabakabaka nataon'i Frantsa tamin'ny 2008...

Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila

  29 Novambra 2012

Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do Sul (MS) hahazoana fanohanana avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo erantany.

Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

Akon  29 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

  27 Novambra 2012

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video