· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2012

Zambia: Lahatsary Fanadihadiana Ao Amin'ny YouTube Mikasika Ny Fiantraikany Ratsy Momba Ny Fitrantrandrahana Varahina

  29 Oktobra 2012

Nisy lahatsary fanadihadiana iray mikasika ny fitrandrahana varahina any Zambia sy ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina nipoitra tao amin'ny YouTube ary hatreto dia nisy mpitsidika mahery ny 6.000. Taorian'ny nijereny io lahatsary fanadihadiana io, nanoratra ny mpampiasa YouTube iray, "Mitomania ho an'ny tanindrazana malalantsika. Maninona isika no hahantra raha misy vokatra misavovona sy trandrahana ao an-damosin'ny fahasalamam-bahoaka."

Chile: #LosQueSobran Fanentanana Manosika Ny Tanora Handeha Any Amin'ny Biraom-Pifidianana

  27 Oktobra 2012

Misy vondro-pikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Shiliana iray miara-dia handrisika ny tanora Shiliana hifidy mandritra ny Fifidianana Kaominaly izay hotontosaina amin'ny Alahady 28 Oktobra 2012. Manao izao hetsika izao ireto fikambanana ireto ahitana ny – Ciudadano Inteligente, Un Techo para Chile, Educación 2020 [es], Chao Pescao [es], ary Iguales [es] – satria sambany...

Minisitra Zambiana Tratra Nijery Ny ‘WikiLeaks Zambiana’

  26 Oktobra 2012

Azo sary tamin'ny fakantsary teo am-pijerena ny tranonkala Zambian Watchdog nandritra ny fivorian'ny mpanolo-tsainan'i Lusaka ny Minisitra lefitry ny Vola Miles Sampa sy ny Minisitra misahana ireo lehibe Nkandu Luo. Io Fanaparitaha amin'ny aterineto io, fantatra amin'ny fandaharana fandihadiana,dia norahonan'ny lehiben'ny Sampana Fandraisana Tataon-ketran'ny orin'asa hakatona tamin'ity volana ity.

Koety: Fihetsiketsehana Goavana Indrindra Ao Amin'ny Firenena?

Nampiasaina ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny grenady mba hanaparitahana ny fihetsiketsehana manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana ao Koety. Nalefa tao amin'ny Twitter ny antso ho amin'ny diabe Karamat Watan (Fahamendreham-pirenena), izay natao tamin'ny Alahady, ary nahasarika olona teo amin'ny 150,000 teo tamin'ireo mponina 3 tapitrasa ao amin'ny firenena. Nanambara ny...

Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

  20 Oktobra 2012

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Portiogaly: Kolontsai-Panoherana Tabataba Manerantany An-tSary

  18 Oktobra 2012

Maka endrika ara-kolontsaina sy zavakanto ny hetsika Global Noise miaraka amin'ny veli-vilany nanerana ny tanandehibe 14 tany Portiogaly, tamin'ny 13 Oktobra, manaraka ny tigetra hoe "Sokiro ny troika! Ny Fiainanay no ilainay". Ao amin'ity lahatsoratra ity no hamorianay sary sy lahatsary notsongaina tamin'ny fihetsiketsehana.

Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny

  10 Oktobra 2012

Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana ny “fitrandrahana tafahoatra ny tahiry Afrikana” [fr]. Taorian'io kabary io dia namoaka fanambarana an-gazety ny Banky Mondialy fa nanangana tahirim-bola...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video