Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Jona, 2012
Mali : Vely Karavasy No Entina Mampihatra Ny Charia Any Avaratr'i Mali
Tsy ela akory izay, ny tana-maherin'i Ansar Eddine sy ny fametrahana ny Charia any Avaratr'i Mali dia niseho tamin'ny endrika namoa-doza tao Tombouctou. Mpivady niteraka iray ivelan'ny fanambadiana ara-dalàna no voaheloka hahazo vely karavasy 100 tsirairay avy, eny imasom-bahoaka. .Nahatohina Maliana maro ilay lahatsary fanatanterahana didy, izy ireo izay naneho hevitra mivaivay tany anaty tambajotra sosialy.
Orogoay: Tolo-dalànan'ny Governemanta Hanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fanjifàna Marijuana
Niteraka fanehoan-kevitra mifamahofaho ny filazana hoe manosika ny hanaovana izay hampalalaka ny famarotana ambany fanaraha-mason'ny marijuana ny governemanta Orogoaiana. Ilay tolo-dalàna dia atolotra ho toy ny fepetra hisorohana ny fanjifàna sy fanelezana ny fetanà cocaine ("pasta base" amin'ny teny Espaniola), zava-mahadomelina tena fantatra eny anivon'ny tanora Orogoaiana.. Nalaky tamin'ny fanehoan-kevitra momba ilay vaovao ireo mpiondana aterineto.
Iran: Hiran'ny Fahafahana
Ny United4Iran, fikambanana iray tsy mitady tombontsoa manao fampielezan-kevitra momba ny zon'olombelona any Iran, dia manao dingana miaraka amina rakikira ao anaty aterineto voatokana hamelona indray ny fanantenana hisian'ny fahalalahana miteny ho an'ireo Iraniana.
Afrika : Ny Tantara “Adino” Momba Ilay Kaontinanta
Mifanohitra amin'izay nambaran'ny filoha frantsay teo aloha, Sarkozy, momba ny toerana tànan'ny lehilahy afrikana ao anatin'ny tantara tao anatin'ny kabariny tany Dakar, Ny tantaran'ny kaontinanta afrikana dia rakotra sivilizasiona manan-karena sy olona manana ny maha-izy azy. Saingy io tantara io dia mazàna no tsinontsinoavina tafahoatra na tsy fantatra mihitsy. Ireto ny fandraisana andraikitra vitsivitsy mba hamerenana indray ny tantaran'ny kaontinana
Graffiti Sy Zavakanton'ny Arabe Any Amerika Latina: Ao Amin'ny Aterineto Sy Eny Amin'ny Arabe
Mivaingana ny zavakanton'ny tanàn-dehibe sy ny graffiti manerana an'i Amerika Latina. Ito misy topimaso kely amin'ireo lahatsoratra vao haingana navoakan'ireo mpitoraka bilaogy izay mizara sary sy lahatsarin'ity hetsiky ny zavakanton'ny tanàn-dehibe mitalakotrokotroka mampihovitrovitra any amin'ireo toerana samihafa manerana ny faritra ity.
Togo : Mihantsy an'i Faure Gnassingbé Eyadema Ny Fiaraha-mientana “Ndeha Hovonjena i Togo”
Nivadika ho fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana ny diabe iray am-pilaminana nataon'ny fiaraha-mientana "Ndeha hovonjena i Togo" tamin'ny 12 Jona teo. Nanodidina ny 120 ireo naratra voarakitra an-tsoratra nandritra ireo fifandonana ny 12 sy 13 Jona. Isan'ny tafiditra ao anatin'ny fitakian'ireo nanao fihetsiketsehana ny fampiharana ny zava-boalazan'ny Kaomisionam-pirenena momba ny Zon'Olombelona mikasika ny fampijaliana sy ny fanavaozana ifotony ny Lalampanorenana. Ankehitriny i Togo dia anaty tetezamita politika taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2005 nolavin'ny betsaka ka nahatonga ho eo amin'ny fitondrana an'i Faure Gnassingbé Eyadema, zanaky ny filoha teo aloha Gnassingbé Eyadema. Misy fihetsiketsehana iray nomanina hatao ny 18 Jona.
Etazonia: “Shooting Blind”: Fijerena Aminà Maso Hafa
Isaky ny Talata, misy andianà mpaka sary manana olana amin'ny fahitàna mifamory foana ao Manhattan, New York City, mivondrona eo ambanin'ny vondrona antsoina hoe Seeing with Photography Collective. Zarainay ny sasany amin'ireo sary mahazendana avy amin'ireo mpikambana ao anatin'ilay fiaraha-mientana.
Pôrtô Rikô : Asa Loha Momba Soso-kevitra Angovo Azo Amin'ny Rivotra
Ny tetikasa "Finca de Viento Santa Isabel" (Sahan-dRivotra ao Santa Isabel), an'ny orinasa iray avy any San Francisco, California, Pattern Energy, dia iray amin'ireo tetikasa marobe [es] amin'ny angovo azo havaozina misanda an-davitrisan-dolara nikasa ny hanomboka ny famokarany amin'ity taona ity ao amin'ilay nosy - ary raha vantany vao vita dia io no ho iray goavana indrindra amin'ny karazany any Karaiba.
Lahatsary: Andiany WITNESS (NANATRI-MASO) Amin'ny Fomba Fandraketana Anaty Lahatsary Ireo Fihetsiketsehana
Namoaka andianà lahatsary vitsivitsy ny WITNESS mikasika ny Fomba Fandraketana an-tsary ny Fihetsiketsehana, midika ho toy ny torolàlana iantohana ny haha-porofon'ireo hetsika azy ireny no sady koa hisoloana vava hiarovana ny olona voarakitra anatin'ilay lahatsary.
Pakistan: Famonoana Zazavavy Dimy Iarovam-Boninahitra Fa Niara-Nifety Tamin'ny Lehilahy
Zazavavy dimy voampanga ho nandihy sy nihaino hira no novonoina noho ny didy navoakan'ny jirga iray. Nanokatra fanadihadiana momba ity asa mampihoron-koditra ity ny Fitsarana Tampony. Tsy fantatra be ihany ny toerana misy ny governemanta amin'ity raharaha ity.