· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Mey, 2012

Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray

Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.

Nabeel Rajab: Mitohy Ny Tolona Any Bahrain

GV Mpisolovava  29 Mey 2012

Navoaka tamin'ny alalan'ny fandoavana onitra $800 ny Filohan'ny Foibe Bahraini momba ny Zon'olombelona, Nabeel Rajab, hoy ny mpisolovava azy, Mohamed Al Jishi. "Ity no fotoana voalohany teo amin'ny fiainako nitanana ahy nandritra ny fotoana naharitra. Namafisin'ny zavatra niainako tany am-ponja ny finoako fa mpanao didy no mifehy antsika. Mila miziriziry hanohitra isika, ary hiady mafy hanohitra ity famoretana sy tsy rariny ity mandra-pahatanteraka ireo fangatahana rehetra izay nanatanterahantsika hetsi-panoherana tamin'ny 14 Febroary. Hitohy ny tolontsika mandrapahazoantsika ny zontsika rehetra."

Brezila: Ocas, Gazetiboky Manone Vintana Ho An'ireo Tsy Manan-kialofana

  29 Mey 2012

N y gazetiboky Ocas, naely nanomboka ny 2002 teny an-dalamben'i São Paulo sy Rio de Janeiro, dia mamoaka karazana votoaty marobe izay tsy ho hita mihitsy any anatin'ireo gazety mahazatra.. Fa tsy izay fotsiny : fitaovana iray tsy manam-paharoa ihany koa izy ho famerenana ireo mponin'ny làlana sy ireo nahilika, mba ho ao anaty fiarahamonina indray.

Peroa : Iquitos Taorian'ny Fandalovan’ ilay Tondradrano

  29 Mey 2012

Fanadihadiana mikasika ny tondra-drano no nandrakotra ny faritra Amazon ao Peroa nandritra ny iray volana, nahatratra sy nihoatra ny teboka ambony indrindra teo amin'ny tantara..Amin'izao fotoana izao dia efa nihena izany . Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarànay ny lahatsary avy amin'ny mponina, sary ary fanadihadiana mikasika ilay tondra-drano.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video