· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Marsa, 2012

Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1

Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.

Fifaninanana Lahatsary: “Everyday Digital Native” – Alefaso Ny Safidinao Dieny Izao

Rising Voices  31 Marsa 2012

Ireo mpitsara ny "Everyday Digital Native video contest" izay nokarakarain'ny Centre for Internet & Society (CIS), India, ary ny HIVOS dia nisafidy lahatsary miisa 12 tamin'ny fihodinana faharoa. Azonao atao ny mijery ireo lahatsary tafakatra tamin'ny dingana famaranana ary mifidy ny iray izay tena ankafizinao hatramin'ny 31 Martsa 2012. Ny lahatsary miisa dimy be mpifidy indrindra ihany no azo lazaina ho mpandresy amin'ny 1 Aprily 2012

Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta

  31 Marsa 2012

Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana ny Lalàna mifehy ny Asa vaovao, izay manamora ny fandroahana mpiasa sy mampihena ny zony ary manome tombony ho an'ny mpampiasa,...

Mankalaza Ny Fifidianana Vita Am-pilaminana I Sénégal Ka Mampistsiriritra Ireo Mpifanolo-bolodirindrina Aminy

  30 Marsa 2012

Toarian'ny fahareseny nanoloana ny praiministrany teo aloha sady mpifaninana taminy, Macky Sall, tamin'ny 25 martsa 2012, ny Filoha Me Abdoualye Wade dia niantso an-telefaonina ilay efa azo antoka ho mpandresy mba hiarahaba azy.. Mankalaza ny fifidianana natao tanaty filaminana ry zareo Senegaly, izay nahafahana namoaka ny fifandimbiasana politika. Na izany aza dia misy ihany ny mampanahy manoloana ireo herisetra nialoha ny fifidianana.

Kiobà: Mitodika Any Amin'ny Hoavin'ny Kiobà Ny Lahatenin'ny Papa Benoà XVI

  28 Marsa 2012

Tao amin'ny firenena Karaiba, lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny fahatongavan'i Papa Benoà XVI tao Santiago ao Kiobà.  Raúl Castro sy ny anaran'ny faritany Andrefana no tena anisan'ny lohahevitra be mpitsidika indrindra omaly atoandro. Taorian'ny fahatongavan'i Papa, nanao lahateny fiarahabana azy ny Filoha Raúl Castro: Cuba lo recibe con afecto...

Nikaragoa: Horonantsary Momba Ny Vokatry Ny Lahatsarim-betaveta An-tsokosoko Mitady Fanohanana Ara-bola

  28 Marsa 2012

Andianà mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika efa nahazo loka no tonga niaraka tany ambanivohitr'i Nikaragoa mba hamokatra horonantsary momba ny fiantraikan'ny fanodinana an-tsokosoko lahatsarim-betaveta ataon'ireo tanora izay lasa hitan'ny sarambabem-bahoaka aty aoriana noho ny tsy fitandremana. Mitady tohana ara-bola fanampiny ry zareo mba hamenoana ny saran'ny fipetrahany ao Matagalpa, Nikaragoa, ary ny vola rehetra voaangona dia holaniana ao an-toerana ihany

India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

  28 Marsa 2012

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.

Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut

Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.

India: Ilay Gazety Soratànana Farany Indrindra Eto An-tany

  27 Marsa 2012

Ny endrika voalohan'ny gazety dia nosoratana tamin'ny tànana ary ankehitriny dia ny 'The Musalman' angamba no hany sisa gazety soratana amin'ny tànana mùanerana izao tontolo izao. Ao an-tanànan'i Chennai ao India, mitohy avoaka isanandro ity gazety efa ho 85 taona ity, ataon'ireo mpiangaly kalisoratra sora-tànana amin'ny fiteny Urdu.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video