· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Febroary, 2012

Kolombia: Sarotra Be Ny Miteny Espaniola Ary Misy Hira Miresaka An'izany

  28 Febroary 2012

Hira momba ny olana amin'ny fitenenana ny teny Espaniola no mamehy ny marina na ho an'ireo teraka tao anatin'izany ary hatramin'ireo miezaka ny hianatra ilay teny. Am-boninahitra, ireo Kolombiana manoratra tononkira sady mpisehatra, Juan Andrés sy Nicolás dia manazava ny fifanjevoana izay entin'ny fiovaovan'ilay teny isaky ny faritra.

Kolombia: Olon-tsotra Mpanao Gazety Rahonana Noho Ny Lahatsariny Be Mpanaraka

  24 Febroary 2012

Bladimir Sánchez, olon-tsotra manao gazety, dia efa nahazo fandrahonana sahady noho ny namokarany lahatsary iray mampiseho ny fanalàna an-terisetra ireo tantsaha sy mpanjono nanohitra ny fanamboarana tohodrano ho famokarana herinaratra ao amin'ny departemantan'i Hula, Kolombia tamin'ny 14 sy 15 Febroary. Tao anatin'ny telo andro latsaka fotsiny dia efa olona 600.000 no nijery azy io.

Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina

  24 Febroary 2012

Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao  amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny  fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...

Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina

  24 Febroary 2012

Tao amin'ny Brazilian Sun nisy fanadihadiana iray momba ny toetoetry ny rafitra famonjana Breziliana amin'izao fotoana. Taorian'ny zava-doza nitranga nateraky ny afo tany amin'ny fonja tao Honduras nahafaty mpiara-mifonja 350, ny fandosirana nitranga tany amin'ny fonja tao Peru ary ny korontana tany amin'ny fonja tao Mexican, tena ilaina mihitsy ny mitondra vahaolana ho an'ity toe-draharaha ity.

Espaina: Herisetran'ny Polisy Manoloana Ny Mpianatra Ao Valencia

  23 Febroary 2012

Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy ao an-tsekoly izy ireo noho ny tsy fisian'ny hafanana na ny fahatapahan'ny milina famanàna.  Araka izany, maro ireo trangana fifanandrinana niseho tao...

Espaina: “Manana Fitadidiana Izahay, Mila Ny Rariny Izahay”

  22 Febroary 2012

Mpitsara manana ny lazany ao Espaina, Baltasar Garzón, no voampanga ary voarara tsy hanao ny asany mandritra ny 11 taona noho ny fanomezany baiko ny fametrahana tsy ara-dalàna fitaovam-pandraisam-peo tao am-ponja mba hihainoana ireo resaka ifanaovan'ny voafonja sy ny mpisolovavany tamin'ny raharaha Gürtel. Raharaha  mikasika ny fanodinkodinam-bolam-panjakana izay niafara tamin'ny fandroahana mpikambana am-polony...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video