· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Desambra, 2011

Okraina: Mampiasa Lahatsary Hisoloana Vava

Rising Voices  31 Desambra 2011

Koa satria ny ampahany amin'ny ezak'ireo mpiaro dia nikendry ny hamaha ny olana amin'ny fitohizana ny fitsaboana ORT, ireo Okrainiana mafàna fo miady ho fampihenàna ny fiantraikany ratsy dia namokatra lahatsary izay mampiseho amin'ny antsipirihany ny raharaha manodidina ity olana ity, milaza ny tantaran'ireo olona mijaly noho ny tsy fihetsehan'ireo manam-pahefàna amin'ny fitsaboana sy mitatitra mikasika ireo fahombiazana kely tamin'ity fandraisany anjara ity.

Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...

Ejipta : Vehivavy # SCAF – Iza No Handresy ??

Androany izao tontolo izao dia nifoha niaraka tamin'ny fahitana fa nameno ny lohatenim-baovao indray i Ejipta miaraka aminà sarinà miaramila midaroka vehivavy misarom-boaly ary manao izay hanalàna ny akanjony. Nermeen Edrees dia namoaka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto mikasika ny fomba nanaovan'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana ireo vehivavy ao Ejipta.

Bahrain : Mitohy ny #OccupyBudaiyaSt

Ireo mpanao hetsi-panoherana avy ao Bahrein dia manohy ny fikomiany andavan'andro na dia eo aza ny famoretana ataon'ny governemanta, governemanta izay milaza amin'izao tontolo izao fa manomana fanovàna ary tsy tafiditra amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny. Io fifanandrinana tsy dia nahery setra loatra tamin'ny mpanao hetsi-panoherana io dia namoizana ain'olona roa ary tsy tambo isaina ireo olona naratra nanomboka ny Alakamisy. Ireo mponina dia naneho hevitra tamin'ny fandrosoan'ilay vaovao tao amin'ny firenena, izay tsy dia hita avoakan'ny vaovao loatra ny revolisiona ao aminy.

Okraina: Fampiasàna Lahatsary Mba Hampihenana ny Hevitra Mety Hitondra Fanimbàna

Rising Voices  23 Desambra 2011

Ireo mpanao hetsika avy ao amin'ny “Fikambanana Mpiaro ny fitsaboana Fanoloana eto Okraina” dia maka sary sy manoratra ireo tantara manokana momba ny fitsaboana ireo marary mba hampahafantarana fa ny ” Fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana” dia mety hanova tanteraka ny fiainan'ny olona miankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina mba ho tsara kokoa. Miteny...

Koety: Olona Tsy Manana Zom-pirenena Tafihana Noho Ny Fitakiany Ny Zony

Fisamborana, daroka ary tsindry atrehan'ireo mpanao hetsi-panoherana mitaky ny zony, efa ho olona 100,000 mahery tsy manana zom-pirenena monina ao Koety,miady ny mba hananany antontan-taratasy momba azy, fanabeazana, fikarakarana ara-pahasalamana, asa fivelomana, ary ny tena manan-danja indrindra dia ny fandraisana ho olom-pirenena. Mona Kareem dia mijery ireo hetsi-panoherana tato anatin'ny andro vitsy tao Koety sy ny famoretana ataon'ny polisy nanaraka izany.

Lahatsary: Mamaly ny Media Amin'ny Alalan'ny Webcam i Afovoany Atsinanana

Maneho hevitra Amin'ny Fahitalavitra ao Moyen Orient (Talk Back TV Middle East), fomba iray ahafahan'ny olona ao Moyen-Orient sy Afrika Avaratra mamaly sy  maneho hevitra ao amin'ny fahitalavim-panjakana voafehy sy amin'ny fampahalalam-baovao mampiasa webcam sy solosaina fotsiny. Nohazavaina tato amin'ny maneho hevitra amin'ny tranokala (talk back website ny fandehan'izany: Mahita zavatra...

Pero: Lahatsary Ahitana ny Fihetsiketseham-panoherana ny Fitrandrahana, Andiany I

  18 Desambra 2011

Fihetsiketsehana vao haingana manohitra ny fahapotehan'ny tontolo iainana noho ny fitrandrahanana harena an-kibon'ny tany ao Però no nitarika ny fampiasana fitaovam-pahalalam-baovao marobe, tamin'ny alalan'ny fanentanana sy famoahana lahatsary nalain'ny olom-pirenena nandritra ny hetsika, ahitana ny fahamaizana niseho sy ny sisa maro hafa izany. Manampy amin'ny fahazoana mazava tsara ny zava-misy mikasika...

Iran: Aiza ny Mpiara-mianatra Amiko?

Maro ireo seza banga ao amin'ny oniversite ao Iran, sezan'ireo mpianatra izay tsy hita popoka ankehitriny. Tsy afaka nandia ny fianarana ny sasany noho ny resa-pinoana, toy ny mpikambana ao amin'ny finoana vitsy an'isa, Baha'i izay enjehina, ny hafa kosa nogadraina noho ny fanaovana politika, novonoina teny an-dalana, na noterena handao an'i...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video