· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2011

Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi

Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.

Frantsa: Famerana Fanomezana Visa Ny Mpianatra Anjerimanontolo Vahiny

  28 Oktobra 2011

Raha mba nitovy amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina ao Etazonia ny any Frantsa araka izay fanapahan-kevitra noraisina farany, dia orinasa Sinoa no mety tompon'ny Yahoo (naorin'i Jerry Yang avy any Taiwan), ary Google no fantatra ankehitriny fa mety orinasa Rosiana miroborobo indrindra (natsangan'i Sergey Brin) ary Apple dia orinasa Syriana – mpianatra...

Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria mety ho tsy azon'ny olona ilay fihetsika fa hazolava na antso vonjeo, mamely ny fitondrana

Etazonia: Fanambin'ny Fahasamihafan'ny Hetsika “Fibodoana”

  26 Oktobra 2011

Iray volana taorian'ny fibodoana ny faritra ara-bolan'ny tanànan'i New York, Wall Street, mihamivelatra ny hetsika ary maka toerana malalaka [an'ny fanjakana na kaominina] vaovao ny olona. Mpikatroka sy fikambanana izay niaritra - nandritra ny fotoana maharitra - ny elanelana mampisaraka ara-politika, toekarena ary sosialy no milaza ny fahatafintohinany

Siria: Ity « Tafika Mahaleotena » Mihantsy Ny Fitondrana Ity

Akanjo aro bàla, satroby vita tamin'ny Kevelar sy basy fitondra an'ady eny an-tànany, 13 lahy no mamakivaky ireo olona marobe mihorakoraka miaraka amin'ny dona kely eny an-tsoroka, fiandohan'ny volana septambra, tao an-tanànan'i Boustan al-Diwan, ao Homs. Taraiky mijery ny fanamiana ny fakantsary, ireo galona kely miloko maitso eo an-tsoroka anaty tokotany mena voatapaky ny teny hoe Al quwat al khassa (« Hery Manokana »). Ho an'ireo mafàna fo avy ao an-tanàna, goavana ny « fahazoana » ny tanàna io andro io. Ireo no miaramila Siriana niala an-daharana.

Espana: Ny Tolon'ny 15 Oktobra Sy Ny Tatitr'ireo Haino Aman-jery

  23 Oktobra 2011

Tena nahavory olona maro tokoa tany Espana ny fihetsiketsehana maneran-tany ny 15 Oktobra izay nitaky ny fampiharana ny tena demokrasia sy nanohitra ny kolikoly ataon'ireo orinasam-pitantanam-bola. Ato amin'ity lahatsoratra ity, aborakay ny fomba nitateran'ny sasany tamin'ireo haino aman-jery espaniola izany hetsika izany, sy ny adihevitra teo amin'ireo mpampiasa aterineto.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video