· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Septambra, 2011

Filipina: Famoronana Karazana Hetsika Mandritra ny Fitokonan'ny Campus

  29 Septambra 2011

Nahitana ny fampiasana ny fitaovana an-tserasera hanetsehana olona anarivony hiady ho amin'ny zo hahazo fanabeazana ny fitokonana eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny firenena mandritra ny herinandro enti-manohitra ny fampihenana ny tetibola. Manomboka ny 19 ka hatramin'ny 23 Septambra 2011, tanora an'arivony no hirotsaka an-dalambe ary tohanan'ny mpampianatra sy ny mpandraharaha...

Fiarovana ny Ala Afrikana: Lova Navelan'i Wangari Maathai

  28 Septambra 2011

Lasa any ankoatra tamin'ny 25 Septambra 2011 lasa teo i Wangari Maathai, Kenyana malaza amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy mpikatroka politika ary nahazo ny loka Nobel tamin'ny 2004. Izy no vehivavy Afrikana voalohany nahazo ny loka sady ekena manerantany ho olo-malaza ao amin'ny tahalan'ny tolona ho amin'ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny tetikasa maharitra eto amin'ny kaontinanta Afrikana.

Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York

  28 Septambra 2011

Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany.  Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana,  mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...

Lahatsary: Jiro tavoahangy plastika sy zava-noforonina hafa miaro ny tontolo iainana

  24 Septambra 2011

Jiro mandeha amin'ny masoandro sy famanan-drano vita amin'ny tavoahangy plastika, trano vita avy amin'ny fako ary ny fomba atao tsy hampiasana harona plastika no ataon'ny tetikasa sasany hampihenana, hampiasana indray na fanodinana azy ho akora vaovao indray dia tsy vitan'ny hoe fanalan'andro ihany fa tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao.

Brezila: Nasian'ny Tondradrano Indray Ny Fari-piadidian'i Santa Catarina

  18 Septambra 2011

Niteraka tondra-drano tany amin'ny tanàna maro tany amin'ny faritra Atsimon'i Brezila indray ny oram-batravatra namely ny fari-piadidian'i Santa Catarina. Hatramin'ny 8 Septambra 2011, dia tondradrano, ranontrambo tampoka sy tany mihotsaka no namely ireo tanàna 96 any amin'ny faritra ary, araka ny lazain'ireo mpampahalàla vaovao mahazatra, manodidina ny 1 tapitrisa ny olona tra-boina.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video