· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Jolay, 2011

Iran: Fanentanana ho Fanafahana Ireo Amerikana Mpihanika An-Tongotra Sisa Voatàna Am-ponja

Sarah Shourd dia nandany 410 andro natoka-monina tany Tehran, Iran, talohan'ny nanomezana alàlana azy ho afaka miverina any Etazonia tamin'ny Septambra 2010. Miantso izao tontolo izao izy mba hiresaka mikasika ireo namany roa, Shane Bauer sy Josh Fattal, izay mbola any am-ponja ao Iran noho ny fiampangana ho nanao "asam-pitsikilovana" hatramin'ny fotoana nahasamborana azy telo niaraka fony nihanika an-tongotra ny tendrombohitra nanakaiky ny sisintanin'i Iran tamin'ny Jolay 2009.

Japana: Mozika Indie Miventy Ny Nokleary

  28 Jolay 2011

Noho ny fianahan'ny olana ara-nokleary sy ny resaka mifandray aminy toy tahotra ny taratra tsy hita maso izay mampitondra takaitra, ny politika vaovao momba ny angovo manangasanga eny am-paravodilanitra ary ny hoavy tsy mbola azo antoka loatra ho an'ireo vondrom-pihary mbola amperinasa, namoha indray ireo lahatsarin-kira miaty hafatra mazava manohitra ny fampiasana angovo nokleary ny mpampiasa aterineto Japoney

Pero: Fiainan'ny Indizeny Amazoniana ahiana hopotehin'ny Mpitrandraka Solitany

  24 Jolay 2011

Lahatsary fampahafantarana mandritra ny ora iray, mampiseho ny fiainana nentim-paharazana an'ireo mponina ao Amazonia, sy ny fomba fiveloman'izy ireo izay ahiana ho potiky ny fitrandrahana solitany sy ny fambolena zavatra tokana atao loharanon'angovo tahaka ny [solika] menaka voanio. Ao amin'ny Amazonia, masato o petroleo (Amazonia, masato sa solika) nijery indray mipimaso...

Sodàna Atsimo: Hafatra momba ny #LoveFromSudan

  22 Jolay 2011

Ny ampitson'ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, nanangana vondrona hetsika ny tanora Sodaney izay miezaka hampisy fifanakalozana sy firahalahiana eo amin'ny Atsimo sy Avaratra ary hampifandray amin'ny alalan'ny aterineto ny tanora avy amin'ireo firenena roa ireo. Mo Elzubeir no nifofotra voalohany tamin'ny fampielezana horonantsary, hafatra fandefasam-peo sy Twiter #lovefromsudan,  ary navitrika aoka izany tamin'ny fampandrosoana...

Iran: Fahavaratra Mafana Mitarika Amin'ny Famaizana Fitafy “Tsy Mendrika”

Amin'ny toerana maromaro, midika masoandro, ranomasina, ary fotoam-pialatsasatra ny fahavaratra. Ao Iran, midika zavatra iray ny fahavaratra farafahakeliny:  famaizana izay manao fitafy tsy mendrika na “tsy-Islamika”. Tamin'ity taona ity, nanampy amin'ny fampanajana ny fomba fitafy ny polisim-pifamoivozana ao Iran, ary tsy noferana amin'ny fanomezana fampitandremana sy sazy fotsiny ihany ny famaizana....

Tonizia : herisetran'ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny Fanoherana tany Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity. Naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny herisetra ireo mpanao fihetsiketsehana toe anoloan'ny lapam-panjakana tamin'ny 15 jolay lasa teo. Nitaky fanavaozana ireto mpanao fihetsiketsehana ireto ary nikasa hanao sit-in fahatelo tao Kasbah, ivon'ny fanaovana fihetsiketsehana rehetra ao Tunis renivohitra. Anisan'ny...

Bolivia: Mpiady Mpiangaly Cholitas Eny Alohan'ny Sehatra

  18 Jolay 2011

Nahasarika ny sain'ny teratany sy ny mpitsidika efa ho am-polotaonany izao ny tolom-behivavy (catch) ao El Alto, Bolivia. Nampian'ireto vehivavy ireto zavatra kely avy amin'ny nentin-drazan-dry zareo ity lalao malaza ity: taiza koa no nahitanao zipo lava mirenty miaraka amin'ny atin'akanjo, fehin-tenda misy volombolony, volo matevina sy satroka bozaka entina miady eny ambony ringa?

Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao

Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.

Filipina:Safo-drano Mahatsiravina Namely Ilay Tanàna “Tsy misy Typhoon”

  18 Jolay 2011

Filipiana maro no notampohan’ilay safo-drano goavana izay namely ny ilany atsimon’i Davao renivohitr'i Filipina. Malaza ratsy amin’ny fisiana safo-drano tselatra i Filipina, antony mahatonga izany ny fisiana rivo-doza maro mandalo amin’io firenena io avy any amin’ny ranomasimbe Pasifika. Nefa lazaina fa hoe miorina eo amin’ny faritra fandalovan’ny rivo-doza ny tanànan’i Davao. Ny alin’ny Alarobia 29 may 2011, tafakatra hatramin’ny 25 eo eo ny isan’ny maty niharan-boina ary 15 hafa mbola tsy hita hatramin’izao. Tsy vitan’izany ihany, anarivony ny fianakaviana nafindra toerana vokatr’ilay safo-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantarany namely ny tanànan’i Davao.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video