Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Jolay, 2010
Venezoela sy Kolombia: manampy fampihomehezana amin'ireo zava-mitranga amin'izao fotoana izao ireo sarimiaina ara-politika eo amin'ny aterineto
Manala sarona sy manome aina kely ireo saimiaina avoakan'ireo Kolombiana sy Venezoeliana amin'ny tranonkala mikasika izay zavatra maro samihafa mety hiseho amin'izao fotoana izao amin'ny alalan'ny fampisehoana arahana fanentanana anaty tranonkala ao amin'ny aterineto.
Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina
Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...
Iran: Nakatona ho an'ny raharaha ireo tsena satria mbola mitohy ireo fitokonan'ny mpivarotra
Niditra tamin'ny herinandro faharoa amin'ny fitokonana anoherana ny fiakaran'ny hetra ireo mpivarotra ao amin'ny tsenaben'i Teheran . Olon-tsotra maro mpampita vaovao no mitatitra izany tranga izany raha toa kosa ka mangina sy miezaka ny tsy miraharaha ny iray amin'ireo fitokonana lehibe indrindra tao anatin'ny 30 taona farany izao, ny haino aman-jery ofisialy .
Kroasia: Mandrava fihetsiketsehana feno filaminana tany Zagreb ny mpitandro filaminana
Nandrava hetsi-panoherana am-pilaminana nanoherana ny fampiasana tsy ara-dalàna ny tanim-bahoaka natao tao afovoan'i Zagreb ny mpitandro ny filaminana Kroaty omaly maraina ary nisambotra sivily mafana fo 11 raha kely. Ny teny famantarana ny lalambe #Varsavska ao amin'ny Twitter no loharanom-baovao haingana sy ahafahana mahita ireo sary.
Afrika Atsimo : 67 minitram-piovana – Andro ho an'i Mandela
Nelson Mandela Loharano:www.ambassadors.net Maro amin'ny olona no mahalala fa 27 ny isan'ny taona lanin'i Nelson Mandela tany am-ponjan'ny Nosy Robben any Afrika Atsimo. Ny tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona momba an'i Madiba (fiantso ahafantaran'ny olona azy am-pitiavana any Afrika Atsimo) kosa dia ny 67 taona laniny nanoherany ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny...
Eoropa: Fifaninanana Horonantsary momba ny fahaizana tenim-pirenena maro
Raha monina any Eoropa ianao, eo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 35 taona ary mahay miteny tenim-pirenena maherin'ny iray, mandraisa anjara amin'ny fifaninanana horonantsary amin'ny aterineto momba ny fahaizana tenim-pirenena maro, ary mahazoa toerana iray amin'ny hetsika famokarana sarimihetsika, izay handeha ary hokarakaraina any amin'ireo nosikelin'i Turku any Finland.
Filipina: Fandihizan'ireo gadra ho fahatsiarovana an'i Michael Jackson
nandihy tamin'ny hiran'i Michael Jackson ireo mpanao ratsy voaheloka tao Cebu tamin'ny fampisehoana fahatiarovana ny tsingerin-taonam-pahafatesana voalohan'ity mpihira malaza ity.
Japana: Nodimandry i Kazuo Ohno, fanta-daza amin'ny Butoh
Kazuo Ohno, manan-talenta fanta-daza ary iray amin'ireo ray mpamorona ny Butoh, dia nodimandry tamin'ny 1 Jona teo amin'ny faha-103 taonany. Ny Butoh dia dihy fiomanana niforona tany Japana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, miavaka amin'ny fandokoana ny vatana ho fotsy sy ireo fihetsika maneho hevitra sy fijaliana.
Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany
Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.