· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Avrily, 2010

“Boobquake” – “Horohoron”-’ny nofo miatrika ny fitakian’ny mpitarika fivavahana iraniana

Mpianatra iray any amin'ny Anjerimanontolon'i Purdue any Etazonia no nangataka ny vehivavy eran-tany mba hanao fitafiana mihanjahanja na mampiseho kely ny lohaliny ny andro alatsinainy, ho toy ny andrana hanihany ihany mba hanaporofoana ny tsy maha-marimpototra ny fombam-pivavahana iraniana izay milaza fa ny fanaovana akanjo tsy maotina dia miteraka horohoron-tany.

Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy

  26 Avrily 2010

Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.

Vazo miteny – Lahatsarin-kira vaovao avy any Tibet

  04 Avrily 2010

Mitodika any amin'ny “vazo miteny” indray ny bolongana manana tetikasa fandikan-teny High Peaks Pure Earth amin'ny fandikana ny tononkira Tibetana hita amin'ny lahatsarin-kira Tibetana misy mamoaka amin'ny aterineto. Tamin'ny faha-10 ny volana marsa tamin'ity taona ity dia nampiseho lahatsary hip hop mitondra ny lohateny hoe “Taranaka vaovao” [New Generation] avy...

Lahatsary: Lalao Amerikana Tatsimo any Medellin, Colombia

  03 Avrily 2010

Nandritra ny roa herinandro izay no renivohitry ny lanonana sy ny lalao fanatanjahantena isankarazany ny any Medellin, Colombia noho ny fandraisan'ity tanàna ity ny Lalao Amerikana tatsimo fahasivy (ODESUR) ifaninanan'ny firenena Amerikana Latina sy handrombahana medaily amin'ny taranja isan-karazany. Miala amin'ny mahazatra kely na ny tompontany na ny vahiny hizaha toerana maro samihafa sy hijery lalao.

Greenpeace vs. Nestle – manodidina ny fahalalàhana maneho hevitra

GV Mpisolovava  01 Avrily 2010

Tapa-bolana izao no nahamarihana fa niakatrakatra ny adihevitra manodidina ny fanentanana ataon'ny Greenpeace tato ho ato mikendry manokana ny Nestle noho ny fampiasan'izy ireo ny menaka voanio izay mitarika fahasimbana goavana ho an'ny tontolo iainana. Ny fanentanana dia nanomboka tamina video viral iray (horonantsary miresaka otrikaretina) nampakarina tao amin'ny  YouTube...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video