· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Marsa, 2010

Shina: nifindra ho an'ny Hong-Kong ny google.cn

  25 Marsa 2010

Nanapa-kevitra ny handao an'i Shina ihany ny Google. Vantany vao nahavita ny fanambarana ny Google dia nitsahatra tamin'ny fnaovana sivana ny tadiavina amin'ny milin-karoka ao amin'ny google.cn amin'ny familiana hankany amin'ny google.com.hk. Ao amin'ny bolongana ofisialin'ny Google i David Drummond, lehiben'ny fiandraiketana ny lafiny lalàna no manazava fa ny anton'izao fanapahan-kevitra...

Shina sy Google: Raha hifandao isika izao

  23 Marsa 2010

Ho tohin'ny fanakatonan‘ny Google ao amin'ny tanibe androany maraina ao amin'ny mili-karoka Google.cn, izay mamindra ny rohy ho an'ny amin'ny setriny miorina any Hong Kong, dia nirotsaka nankany foiben'ny Google ao Beijing indray nandritra ny tontolo andro ny mpanohana hametraka mari-panajana. Koa satria moa efa niomankomana (ihany) ho amin'ny fandehanany ny...

Masedoana: Raha tsy nisy ny aterineto

  21 Marsa 2010

Samy nanome ny valinteniny avy na ny mpamaham-bolongana na ny mpampiasa fitaovan-tserasera vaovao tamin'ny fanontaniana manao hoe “Ahoana ny nanovan'ny aterineto ny fiainanao?”, ao amin'ny lahatsoratra [MKD] iray amin'ny hita ao amin'ny vohikala miteny Masedoniana an'i BBC. Darko Buldioski ao amin'nyKomunikacii.net moa nampihatra ny fanaon'ny Slavy mamantatra ny valin'ny fanontaniana mifamaly...

Gresy: Fitokonana faobe miharo gidragidra

  17 Marsa 2010

Notsenain'ny fanafihan'ny polisy avy hatrany, araka ny notaterin'ny olo-tsotra mitati-baovao, ny fitokonana faobe andiany faharoa enti-manohitra ny famehezan-kibo napetraky ny minisitry ny fitantanam-bola faritra Eoropa notanterahina tany Athena sy tany Thesalonika tamin'ny alakamisy 11 marsa. Olotsotra tsy reraka mamoaka sary eo noho eo “Nitondra ny andro” indray tamin'ny alalan'ny fampiasana...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video