· Septambra, 2009

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Septambra, 2009

Honduras: fakana sary mandritra ny tsy fahazoana mivezivezy

  30 Septambra 2009

Telo volana taorian'ny naharesen'ny filoha Mel Zelaya tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana izay heverin'ny sasany fa rariny ary ataon'ny hafa kosa ho tsy ara-dalàna, dia niverina tany Honduras izy ny 21 septambra lasa teo ary mialokaloka ao amin'ny tranon'ny masoivohon'i Brésil any Tegucigalpa renivohitra. Niteraka savorovoro politika sy tsy fitovian-kevitra eny an-dalana...

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

  28 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

Iran: Hetsi-panoherana an'i Ahmadinejad any New York

  24 Septambra 2009

Miandry ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad izay nandeha nankany New York, hanatrika ny fivoriam-ben'ny Firenena Mikambana ny hetsi-panoherana ny governemanta Iraniana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any Iran. Manentana ny olona handray anjara amin'ity fihetsiketseham-panoherana ity ny fampitam-baovaon'olo-tsotra. Mandra-piandry aloha dia nofoanan'ny New York Helmsley Hotel ny lanonana saiky...

Iran: Kisarisary ahetsika manohitra jadona

  24 Septambra 2009

Maro ny haiendrika, afisy, hira sy lahatsarin-kira noforonin'ny Iraniana sy tsy Iraniana manerantany ho entiny manohana ny hetsi-panoherana “maitso” manohitra ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona. Nihantsy ady amin'ny fitondrana jadona any Iran koa ankehitriny ny mpahay kisarisary ahetsika. Avy amin'ny aingam-panahin'i Gandhi izany olona maitso izany Mahmoud Ahmadinejad nandritra...

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketseham-panoherana nandritra ny andron'i Quds

  19 Septambra 2009

Nitafy maitso ny mpanao fihetsiketsehana Iraniana ny 18 Septambra teo ho fanohanany ny mpanohitra, izay mbola nihantsy ny fitondrana Iraniana indray teny an'araben'i Teheran, Shiraz, Isfahan, ary tanàna maro hafa hanoheran'izy ireo ny jadona. Ataon'ny Repoblika Islamika amin'ny fomba ofisialy ho Andron'i Quds ( andro atokana ho fanohanana ny Palestiniana...

Iran: Miomana hihetsika mafimafy kokoa amin'ny andron'ny Quds

  17 Septambra 2009

Mbola mihaika ny fitondrana islamika amin'ny fomba maro samihafa ihany ny hetsi-panoherana ao Iran, hatramin'ny fiantsoana ‘Allaho Akbar’ (Lehibe Andriamanitra) hatreny an-tampon-trano amin'ny alina (fifampiarahabana hatramin'ny fotoanan'ny fanoherana) mandra-pahatongan'ny fihetsiketsehana amin'ny Andron'i Quds (Jerosalema). Ny andron'i Quds, voambolana Arabo milaza an'i Jerosalema — dia hotontosaina ny 18 septambra amin'ity taona...

Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”

  17 Septambra 2009

Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran’ ireo nandresy tamin'ny fifaninanana “2009 Democracy Now Challenge” (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary...

Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

  17 Septambra 2009

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video