· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Febroary, 2009

Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana

  25 Febroary 2009

Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no namolavola ny fihetsiketsehana ary notohanan'ny fikambanana mpiaro ny demaokrasia sahala amin'ny Save RTHK Campaign (fanentanana hiarovana ny Radio Televiziona Hong...

Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra

Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.

Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.

  22 Febroary 2009

Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.

India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely

  19 Febroary 2009

Any amin'ny toerana sasan'i India, mety ho ratsy ho an'ny vehivavy sy ny fiandrianan'ny mpivady ny fankalazana ny fetin'ny mpifankatia (St Valentin), araka ny lalana amin'ny fifehezan-tena dia manapaka fa ho enjehina ireo mpivady sy vehivavy izay mifampitantana na eny amin'ny toeram-pisotroana zava-pisotro.

Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao anatin'ny taona.

Etazonia: Amerikana (Mena Hoditra) “Eny, mahavita izahay”

  17 Febroary 2009

Rehefa tsy taza-maso nandritra taon-jato maro, dia miha-mitombo ny fampiasan’ny teratany Amerikana (Indiana) ao Etazonia ny blaogy sy ny gazetim-pirenena anterineto mba ampisehoana sy itehirizana ny zo sy ny fombafomba fiainan’izy ireo. Manana ny antony vaovao ho feno fanantenana ireo tompon-tany Indiana tamin’ny fifidianana an’I Filoha Awe Kooda Bilaxpak Kuuxshish (Anarana nomena an’I Barack obama avy amin’ny foko Crow).

Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”

  17 Febroary 2009

Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama ny dokam-barotry ny Televiziona Filipianina. Ilay olo-malaza ao anatin'ny dokam-barotra dia ny Indoneziana Ilham Anas Izay hita ankehitriny fa malaza satria ny fitovian-tarehy misy eo aminy sy Obama.

Sina: Nosakanana an-tserasera ny Lanonan-dohataonan'i Shanzhai

  06 Febroary 2009

Ny alin'ny 25 janoary 2009 dia nijanona tany an-tranony mankafy ny sakafo famaranana miandry ny taona vaovao araka ny fanisanandro manaraka ny volana ny ankamaroan'ny Sinoa any amin'ny tanibe. Mahazatra ny ankamaroan'ny mpianakavy rehefa alina tahaka izao ny mijery ny Lanonan-dohataona alefan'ny fahitalavitra CCTV. Tamin'ity taona ity dia misy ny...

Chili: fiainana andavanandro atao blaogy horonantsary

  05 Febroary 2009

Avy any Chile, nitondra antsika ny tantarany isan'andro i Paloma Baytelman ary koa sehon-javatra tsy dia fahita firy ao anatin'ny blaoginy. Dadabe noely misaofera, fifidianana, sy fanadalana nataon'ny olona mifono seho-endrika no isan'ireo zavatra nampidiriny ao anatin'ny tranok'alany.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video