· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Desambra, 2008

Makedonia tsy voafetran'ny fotoana

  26 Desambra 2008

ty lahatsary ity dia nosoratana sy notontosain'i Milcho Manchevski (efa tafiditra hifaninana tao amin'ny Academy Award ny taona 1995), ary ny tanjona amin'izany diany hampiroboroboana ny fizahantany mankany Makedonia. Halefa ao amin'ny CNN ity lahatsary ity, sy any amin'ny firenena hafa ampolony sady havoaka amin'ny fiteny valo samihafa. hitatitra amintsika izay ambaran'ireo bolongana sy ny fihetseham-po nahita ny lahatsary i Elena Ignatova.

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary Krismasy

  18 Desambra 2008

Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.

SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovana

  17 Desambra 2008

Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.

Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahana

  15 Desambra 2008

Nofoanan'ny solotenam-panjakana frantsay misahana ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tsy misy fanazavana ny fitetezantany ilay piesy teathraly mampahatsiahy ny tantaran'ny tolom-panafahana hahaleovan'i Madagasikara tena tamin'ny 29 marsa 1947. Mbola mitohy ihany koa ny adihevitra momba ity resaka ity ato amin'ny aterineto. Misy lahatsary ato.

Malawi: Fifaninanana web & ireo filohany ao amin'ny Facebook

  13 Desambra 2008

Nitombo ny lazan'ny fitaovam-piseraserana ara-piaraha-monina voalohany any Malawi, araka ny hita tamin'ny fifaninanana Malawita voalohany momba ny aterineto atao tamin'ity volana ity, ary noho ny Filoha Malawita teo aloha sy amin'izao fotoana izao mampiseho ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook ary samy manana ny mpanohana azy ihany koa.

Meksika: Mpanadio kiraro mampiasa ny YouTube ho dokambarotra

  13 Desambra 2008

Nahita lalana iray hanatsarana ny asany ilay mpanadio kiraro Juan Luna izay manana ny toera-piasany any afovoan'i Monterrey, Meksika. Noho ny fanampian'ny namany iray dia namoaka lahatsary tao amin'ny YouTube izy hampisehoany ny fahaizana manokana fa samy manadio kiraro andaniny sy ankilany anatin'ny fotoana iray ny tanany havanana sy havia samy misy borosy. Valin'izany, nitombo ny isan'ny mpividy ny asa izay te-hijery mivantana ilay mpanadio kiraro mihitsy. Nampiresahin'ny mamaham-bolongana Issa Villarreal momba ny dokambarotra ataony ary i Luna.

Isiraely: Vondrom-bavaka hiavian'ny orana

  13 Desambra 2008

Nirotsaka ihany tamin'ity herinandro ity ny oram-batravatran'ny ririnina taorian'ny fiandrasana azy am-bolana maro lasa izay ka nahatonga an'i Isiraely hisento. Niombom-bavaka hahatongavan'ny orana tokoa manko ny Jiosy, Miozolomana ary Kristiana hoy ny tatitry Maya Norton.

Gresy: Ilay gidragidran'ny tanora sy ny pôlisy tany an-toerana

  13 Desambra 2008

Nisy fihetsiketsehana sy gidragidra nahery vaika nataon'ny olona an'arivony nidina an-dalambe tao an-drenivohitry Gresy, Athena, nandritra ny telo andro, ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny pôlisy nahafaty zatovolahy 15 taonaantsoina hoe Alexandros Grigoropoulos tao Athena faritry Exarchia tamin'ny 6 Desambra 2008 lasa teo. Niitatra vetivety hatrany Thesalonikia, tanàna lehibe faharoa any Gresy sy tany amin'ny tanàna hafa any an-toerana ny korontana. Ary nisy fifanandrinana hatrany Shipra aza. Araho an-tsary sy an-dahatsary ato ary izany.

Thailand: Vahiny tafaraka tamin'ny mpitolona tao amin'ny seranam-piaramanidina

  10 Desambra 2008

Nihatakataka niala ireo seranam-piaramanidin'i Bangkok roa herinandro lasa izay ny ankamaroan'ny vahiny. Saingy nisy vahiny iray kosa tao amin'ny seranam-piaramanidina natao fahirano. Niaraka tamin'ny mpanao fihetsiketsehana dimy andro sy dimy alina ilay Finlandey Janus Putkonen. Soa ihany fa nanana fakandahatsary (camera video) izy ka aseho ato izany.

Iran: Fanoheran'ny mpianatra ny jadona sy ny fanavakavahana ny vehivavy

  10 Desambra 2008

Sary avy amin'ny yaarinews.com Nikarakara fihaonam-panoherana ny fitondrana iraniana sy ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny alahady teo ny fikambanana mpianatra iray ho fahatsiarovana ny Andron'ny Mpianatra, nitsingerenan'ny namonoana ny telo tamin'ny mpianatry ny Anjerimanontolon'iTeheran tamin'ny 6 Desambra 1953. Daftare Tahkim Vahdat (midika hoe Biraon'ny Fanamafisana ny...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video