· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2008

Afrika: Mpanohana tokana an'i McCain eto Afrika

  17 Oktobra 2008

David Sasaki no nandefa lahatsarin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika: Ao anatin'ny eritreritra endri-panohanana dia ity ny lahatsarin'ny mety ho tsara indrindra amin'ny mpanohana an'i McCain eto Afrika. Raha tadidiko tsara dia toa “George Kennedy” no anarany.

Chili: Mpianatra namoaka lahatsary fohy momba ny “fitandrohana”

  06 Oktobra 2008

Mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manokana no namoaka lahatsary fohy mitondra ny lohateny hoe "Mitandroka (Bullying)" mba hizarany ny fomba fijeriny momba ny famonoantena eo amin'ny tanora sy izay mety ho antony hanaovana izany. Tamin'ny alalan'ny fihetsiky ny vatana sy ny tava maneho hevitra no tena nandefasany ny hafatra, handravana ny elanelanan'ny tsy fifankahazoana fitenenana ka nataony izay hahazoan'ny rehetra ny lahatsary fohy novokariny.

Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany

  04 Oktobra 2008

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video