· Aogositra, 2013

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Aogositra, 2013

Kolombia: Tongasoa Eto Amin'ny Tanànan'i Medellín

  15 Aogositra 2013

Iray amin'ireo toerana feno zava-mahaliana tamin'izay hitako ny tanànan'i Medellin, tanàna nahaterahako. Tsy izy no toerana tsara indrindra na toerana azo antoka indrindra eto an-tany, nefa tena mahaliana, feno hery ary tena mahafinaritra. Manoratra momba ny tanànan'i Medellín na “el centro” ao amin'ny Colombia Reports i Adriaan Alsema. Alahany ao ny antony hitiavana...

Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara

  13 Aogositra 2013

Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena...

Fanangona-Tsonia Hanitsiana Ny Lalàna Vietnamiana Mametra ny Fahafahan'ny Media

  07 Aogositra 2013

Bilaogera efa mihoatra ny 60 no nanao sonia ilay fanambaràna iraisana [en] handritsihana ny governemanta vietnamiana hanatsara ny lafiny zon'olombelona sy ny famitana ny adidiny raha eo ampametrahana ny firotsahany ao amin'ny Filankevitry ny zon'olombelona eo amin'ny Firenena Mikambana izy: Tokony hijery ny toeran'ny zon'olombelona eo amin'ny fireneny ihany koa...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary