· Novambra, 2012

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Novambra, 2012

Ireo fehin-dalàna any Madagasikara dia tsy mahafehy ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena akibon'ny tany

  28 Novambra 2012

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana “Bemolanga-Total watch” no mitatitra fanamarihan'ireo mpahay lalàna any Madagasikara [fr]: le code minier malgache et la loi sur les grands investissements miniers (LGIM) ne sont pas appropriés pour englober tous les paramètres d'un contrat d'Etat de la dimension du projet “ireo fehin-dalàna Malagasy mikasika...

Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna

GV Mpisolovava  14 Novambra 2012

Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra” [fr]. Ny fitoriana anaovana fanoavana ireto mpanao gazety ireto dia napetraky Atoa Mamy Ravatomanga izay mpanefoefo tompom-pantsona fampahalalam-baovao maro sady efa...

Zimbabwe : Tenifototra #263Chat Hiadian-kevitra Momba Ny Olana Misy Ankehitriny

  10 Novambra 2012

Bilaogera zimbabweana, Sir Nigel, nampahafantatra tao amin'ny bilaogy mikasika ny tenifototra #263Chat, izay karazana resaka mivantana na karajia amin'ny aterineto fanao isan-kerinandro ao amin'ny Twitter mba ahafahan'ireo Zimbabweana miresaka momba ny olana lehibe atrehin'ny firenena : Tamin'ity taona ity, nampandroso hevitra ny amin'ny tokony hikarakarantsika adihevitra tsy ofisialy amin'ny Twitter...

Enim-bolana am-ponja no sandan'ny opa atao amin'ny mpanjakan'i Bahrain amin'ny siokan-tseratsera

Ny iray tamin'ireo mpisiokan-tseratsera efatra izay voatana [en] any Bahrain ka natao fanóavana ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain, dia naharay androany ny didim-pitsarana manameloka azy enim-bolana am-ponja. Araky nampitain'i Mohammed Abdulameer mpanao lálana any Bahrain sady mpisiokan-tseratsera [ar]: @wastilawyeR: Iray tamin'ireo izay notsaraina ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain dia voaheloka...

Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana

  01 Novambra 2012

Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana. Mbola izany antony izany koa no itokonan'ireo mpianatry ny Anjerimanontolon'i Toamasina ankehitriny.

Kenya: Izay vokatry ny fampiasana teknôlôjia amin'ny Fitantanam-pitondrana

  01 Novambra 2012

Will Mutua no manoratra mikasika ny tatitra iray nivoaka izay namakafaka ireo fomba entin'ireo kandidá filoham-pirenena, amin'ny fifidianana amin'ny taona 2013, ampiasana ny siokan-tseratsera [na Twitter].” This first report (a mini-report really) investigates Martha Karua’s engagement on Twitter: mentions, hashtags, sentiment analysis, key words used in tweets by her or...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary