· Novambra, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Novambra, 2010

Fanampiny momba ny fanenjehana ara-politika eto Madagasikara

  30 Novambra 2010

Fanazavana lavalava ihany no nosoratan'ny mpamaham-bolongana Alain Rajaonarivony momba ny fisamborana mifandraika amin'ny raharaha politika vao nitranga teto Madagasikara (fr). Mitantara ny fandehan'ny fisamborana [na fisavana ny trano] nahazo azy ireo ny havana akaiky an'i Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy. Eto moa misy fanangonan-tsonia manameloka izao fanenjehana azy ireo izao (fr)...

Madagasikara : Antenaiko ho “pont” hatramin'ny faha-16 mihitsy aza!

  17 Novambra 2010

Ny mpiblaogy Lay Andriamialy dia mitatitra ireo fomba fijery samihafa ananan'ny sarambambem-bahoaka manoloana ity fitsapan-kevibahoaka momba ny lalam-panorenana vaovao ity: - Est-ce que le 17 Nov sera férié? – J'espère et même que le 16 soit pont “- Ho andro tsy fiasana ve izany ny faha-17-n'ny volana Novambra? – Antenaiko...

Rosia: Mihamaro ny mpanao gazety misy midaroka

Akon  09 Novambra 2010

Igor Podgorny no mitatitra ny nidarohana an'i Sergey Mikhailov, mpanao gazetin'i Saratov, izay nitranga ny 5 Novambra 2010. Kommersant koa manoratra ny nidarohana an'i Anatoliy Adamchuk mpanao gazety avy ao an-tanànan'i Zhukovskiy (faritra Moskoa) sady mpiaro ny  alan'i Khimki . Tamin'ny 7 novambra 2010 moa i Adamchuk no nisy nidaroka.

Nizeria: Ohabolana Haosà ao anaty tontolom-bolongana

  07 Novambra 2010

Karin Magana dia bolongana iray miompana amin'ny ohabolana Haosà: “Elaela aho izay no namaham-bolongana tao amin'ny Karin Magana, bolongana iray miompana amin'ny ohabolana Haosà. Hatramin'izay fotoana izao dia eo ho eo amin'ny 600 eo ny ohabolana tafavoakako ao amin'io bolongana io. Miezaka moa aho ny hanampy hatrany isan'andro ny isan'ny...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary