· Septambra, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Septambra, 2010

Porto-Rico: Esheky maty

  25 Septambra 2010

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny minisitry ny ny fanabeazana izany filazana izany rehefa nitroatra ny olona.

Honduras: Herisetra hafa indray nataon'ny polisy

  21 Septambra 2010

Juan Carlos Rivera [es] sy i Hibueras [es] no mitatitra trangam-pamoretana hafa nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny Mandam-panoherana tao an-tanànan'i San Pedro Sula. Nolazain'i Juan Carlos Rivera moa fa nahatrata roa alina ny isan'ny nandray anjara tamin'ny filaharambe notontosaina tamin'ny 15 Septambra. Namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana sy ny nataon'ny polisy...

Shili: Noravan'ny polisy ny famelarana ny saina Mapuche nandritra ny faharoanjato taona

  21 Septambra 2010

Mizara lahatsary avy amin'olo-tsotra nahitana toa-javatra nitranga nandritra ny  fankalazana ny faharoanjato taonan'ny fahaleovantena i Montserrat Nicolas; Asehon'ny lahatsary ary ny fomba nandravan'ny polisy ny famelarana ny  Saina Mapuche sy ny fisamborana ireo nandray anjara tamin'izany fihetsika saiky hamelatra ny saina Mapuche izany. Naotin'ny mpandika : Ny Mapuche moa no vazimban'i...

Madagasikara : notazonin'ny mpitandro filaminana ny mpanadihady iray mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”]

  20 Septambra 2010

Ny zoma 17 Septambra 2010, ireo blaogy Mongabay [ndlr. mivoy ny fiarovana ny tontolo iainana] [teny Anglisy] sy MyDago [teny Frantsay] dia nitatitra fa ny Alahady 5 Septambra 2010 dia notazonin'ny mpitandro filaminana tany Maroantsetra [ndlr. faritra Analanjirofo, atsinanan'i Madagasikara] ny “mpanao gazety vahiny” iray izay nanadihady mikasika ny fanondranana...

Madagasikara: Krizy adinodino

  14 Septambra 2010

Gregory Simpkins miresadresaka mikasika izay krizy adinodino aty Afrika: “If you ask most Africa watchers what is the most urgent crisis on the continent, you’ll likely get answers ranging from Sudan to Somalia or even Congo. It is not likely that Madagascar will rise to the top of the list…”...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary