Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Jolay, 2010
Jordania: Mpianatra Jordaniana iray voaheloka higadra an-tranomaizina roa taona noho ny IM
Araka ny voalazan'ny Next Web – Middle East, manonona ny vohikala Ammannet, dia voasambotra ny mpianatra Jordaniana iray miofana momba ny solosaina, mitondra ny anarana hoe Imad Al-Ash, nanomboka ny volana Febroary 2010, ary nosazian'ny fitsarana mpiaro ny fiandrianam-pirenena ny 13 Jolay 2010 teo ho tazonina an-tranomaizina mandritry ny roa...
Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe
Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa ny sarin'izay “toeram-pivoahana ho an'ny daholobe faran'izay maloto eo anivon'ny firenena” ka avondrona araka ny tanàna sy ny adiresy (tobim-piaran-dalamby,...